Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia—Fizarana I

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia—Fizarana I

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia—Fizarana I

“I ZA no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?”, hoy i Jehovah Andriamanitra. Namaly i Isaia, zanak’i Amoza hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 1:1; 6:8) Nirahina ho mpaminany i Isaia tamin’izay. Voatantara ao amin’ilay boky mitondra ny anarany izany asany izany.

I Isaia mpaminany ihany no nanoratra ny bokin’i Isaia. Tantaraina ao ny zava-nitranga nandritra ny 46 taona, nanomboka tamin’ny 778 T.K. tany ho any ka hatrany aoriana kelin’ny 732 T.K. Ny ‘famonjen’i Jehovah’ no foto-kevitr’ilay boky, fa tsy ny fanamelohana, na dia mirakitra didim-pitsarana ho an’i Joda sy Israely ary ny firenena nanodidina aza izy io. (Isaia 25:9) Midika hoe “Famonjen’i Jehovah” aza, raha ny marina, ny anarana hoe Isaia. Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny hevitra misongadina ao amin’ny Isaia 1:1–35:10.

‘HIVERINA IZAY SISA’

(Isaia 1:1–12:6)

Tsy milaza ny Baiboly, na taloha na taorian’ny nanendrena an’i Isaia ho mpaminany no nanomezana ireo faminaniana ao amin’ny toko dimy voalohany. (Isaia 6:6-9) Ny azo antoka kosa dia hoe narary ara-panahy “hatramin’ny faladia ka hatramin’ny loha”, i Joda sy Jerosalema. (Isaia 1:6) Niely patrana ny fanompoan-tsampy. Nandray tsolotra ny mpitondra. Nanjary nieboebo ny vehivavy. Tsy nanompo an’ilay tena Andriamanitra tamin’ny fomba nankasitrahany ny olona. Nasaina nitory “mandrakariva” tamin’ireo tsy nahalala sady tsy te hahalala àry i Isaia.

Nivondrona ny tafiky ny Israely sy Syria, ary nandrahona hanafika an’i Joda. Nampiasa an’i Isaia sy ny zanany ho toy ny “famantarana sy fahagagana” i Jehovah, mba hanomezan-toky an’i Joda fa tsy hahomby ireo firenena niray dina ireo. (Isaia 8:18) Ny Fanjakan’ilay “Andrian’ny fiadanana” ihany no hitondra ny fiadanana maharitra. (Isaia 9:5, 6) Hotsarain’i Jehovah koa i Asyria, ilay ‘tsorakazon’ny fahatezerany.’ Ho lasa babo i Joda amin’ny farany, nefa ‘hiverina izay sisa.’ (Isaia 10:5, 21, 22) Hanjaka ny tena rariny, eo ambany fitondran’ilay antsoina hoe “Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese.”—Isaia 11:1.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:8, 9—Nahoana ny zanakavavin’i Ziona no lazaina fa ‘hilaozana tahaka ny trano rantsankazo ao anaty tanimboaloboka na tanimbolim-boatango’? Midika izany fa tena ho mora amin’ny Asyrianina ny hanafika an’i Jerosalema, toy ny trano rantsankazo marefo sy mora mianjera ao anaty tanimboaloboka na tanimbolim-boatango. Hanampy azy io anefa i Jehovah, ka tsy hamela azy io ho lasa sahala amin’i Sodoma sy Gomora.

1:18—Inona no dikan’ireo teny hoe: “Avia ary hifandahatra isika”? Tsy midika izany hoe manasa ny Israely hiady hevitra aminy i Jehovah, mba hahitana marimaritra iraisana. Ny tiana holazaina kosa dia hoe toy ny misy fitsarana hatsangana, mba hanaovana ny rariny. Hamela ny Israely hiova sy hanadio ny tenany i Jehovah, ilay Mpitsara marina, mandritra an’ilay fitsarana.

6:8a—Nahoana no ampiasaina eo ireo mpisolo anarana hoe “-ko” sy “-ay”? Manondro an’i Jehovah Andriamanitra ilay mpisolo anarana hoe “-ko.” Hita amin’ilay mpisolo anarana milaza maro hoe “-ay” kosa, fa misy olona hafa miaraka amin’i Jehovah. Mazava ho azy fa ny “Zanany lahitokana” io.—Jaona 1:14; 3:16.

6:11—Inona no tian’i Isaia holazaina rehefa nanontany izy hoe: “Tompo ô, mandra-pahoviana anefa?” Tsy ny faharetan’ny fotoana hitondrany ny hafatr’i Jehovah amin’ny olona tsy miraika, no nanontanian’i Isaia. Tiany ho fantatra kosa hoe mandra-pahoviana no hanala baraka ny anaran’Andriamanitra, ilay aretina ara-panahy nahazo ny olona.

7:3, 4—Nahoana i Jehovah no namonjy an’i Ahaza, mpanjaka ratsy fanahy? Nikendry ny hanala an’i Ahaza tsy ho mpanjakan’i Joda intsony ny mpanjakan’i Syria sy Israely, ary hataony ho solony ny zanak’i Tabeala, izay ho eo ambany fifehezan’izy ireo. Tsy taranak’i Davida anefa io lehilahy io. Raha nahomby io tetik’i Satana Devoly io, dia tsy ho tanteraka ny fifanekena ny amin’ilay Fanjakana, izay natao tamin’i Davida. Namonjy an’i Ahaza àry i Jehovah, mba hiarovana an’ilay taranaka hiavian’ilay “Andrian’ny fiadanana” nampanantenaina.—Isaia 9:5.

7:8—Ahoana no ‘naharava’ an’i Efraima tao anatin’ny 65 taona? “Tamin’ny andron’i Peka, mpanjakan’ny Isiraely”, izany hoe taoriana kelin’ny nilazan’i Isaia an’io faminaniana io, no nanomboka ny fanaovana sesitany ny olona avy tao amin’ny fanjakan’ny foko folo, sy ny fametrahana vahiny tao amin’ilay tany. (2 Mpanjaka 15:29) Nitohy izany hatramin’ny andron’i Esara-hadona mpanjaka asyrianina, zanak’i Sankeriba sady mpandimby azy. (2 Mpanjaka 17:6; Ezra 4:1, 2; Isaia 37:37, 38) Rehefa jerena àry ny fotoana nanombohan’ny Asyrianina nanao sesitany ny olona avy tao Samaria, sy ny fametrahana vahiny tao amin’ilay tany, dia hita fa nitranga tao anatin’ny 65 taona, araka ny voalazan’ny Isaia 7:8 izany.

11:1, 10—Nahoana no lazaina fa sady “Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese” i Jesosy Kristy no “fakan’i Jese”? (Romanina 15:12) Toy ny hoe ‘nitsimoka avy teo amin’ny fototr’i Jese’ tokoa i Jesosy, raha jerena ny razambeny, satria taranak’i Davida zanak’i Jese izy. (Matio 1:1-6; Lioka 3:23-32) Miova anefa ny fifandraisan’i Jesosy amin’ireo razany, noho izy lasa Mpanjaka. Lasa ‘Ray Mandrakizay’ ho azy ireny izy, satria nomena hery sy fahefana hanome fiainana mandrakizay eto an-tany ho an’ny olombelona mankatò. (Isaia 9:5) Toy ny hoe ‘fakan’ireo’ razany koa àry izy. Anisan’izany i Jese.

Lesona ho antsika:

1:3. Tsy ampy fahalalana noho ny omby na ny boriky isika, raha tsy mety manao izay takin’ny Mpamorona amintsika. Hanao zavatra amim-pahendrena kosa isika sady tsy handao an’i Jehovah, raha mankasitraka izay rehetra nataony ho antsika.

1:11-13. Mahatofoka an’i Jehovah ny fanao ara-pivavahana feno fihatsarambelatsihy sy ny vavaka be fombafomba. Tokony ho antony tsara no hanosika antsika hivavaka sy hanao zavatra.

1:25-27; 2:2; 4:2, 3. Tapitra ny fanandevozana ary tsy lao intsony i Joda, rehefa niverina tany Jerosalema ireo sisa nibebaka, ka namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina. Mamindra fo amin’ny mpanao ratsy mibebaka i Jehovah.

2:2-4. Mampianatra ny olona ny atao hoe fihavanana isika sady manampy azy ireo hihavana hatrany amin’ny hafa, rehefa mazoto mitory ilay Fanjakana sy manao mpianatra.

4:4. Hanala na hanasa ny loto ara-pitondran-tena sy ny trosan-dra i Jehovah.

5:11-13. Tsy mety mampihatra ny fahalalany ny olona iray, raha tsy mifehy tena sy tsy mahalala onony eo amin’ny fialam-boly fidiny.—Romanina 13:13.

5:21-23. Tsy tokony ‘hanao [ny tenany] ho hendry’ ny anti-panahy na mpiandraikitra kristianina. Mila mahalala onony koa izy ireo amin’ny “fisotroan-divay”, ary tsy tokony hiangatra.

11:3a. Hita amin’ny ohatra sy ny fampianarana nomen’i Jesosy, fa mahafaly ny matahotra an’i Jehovah.

‘HAMINDRA FO AMIN’I JAKOBA I JEHOVAH’

(Isaia 13:1–35:10)

Mirakitra didim-pitsarana hihatra amin’ireo firenena ny toko faha-13 ka hatramin’ny faha-23. “Hamindra fo amin’i Jakoba” anefa i Jehovah, ka havelany hody ny foko rehetran’ny Israely. (Isaia 14:1) Misy fampanantenana famerenana amin’ny laoniny ao amin’ny toko faha-24 ka hatramin’ny faha-27, fa tsy hafatra milaza ny hahalao an’i Joda fotsiny. Nahatezitra an’i Jehovah ireo “mpimamo any Efraima [Israely]”, izay nanao fifanekena tamin’i Syria, ary koa ny “mpisorona sy ny mpaminany” tao Joda izay nanao fifanekena tamin’i Asyria. (Isaia 28:1, 7) Nampitandremana i “Ariela [Jerosalema]” fa hisy loza hihatra aminy, noho izy ‘nandeha nidina tany Ejipta’ mba hitady fiarovana tany. (Isaia 29:1; 30:1, 2) Na izany aza, dia nolazaina fa ho voavonjy izay mino an’i Jehovah.

Hiambina ny “tendrombohitra Ziona” i Jehovah, toy ny ‘liona tanora mierona eo amin’ny rembiny.’ (Isaia 31:4) Misy fampanantenana iray koa manao hoe: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka.” (Isaia 32:1) Nandrahona an’i Joda ny Asyrianina, ka nitomany mafy na dia ireo “iraka nitady fihavanana” aza. Na izany aza, dia nampanantena i Jehovah fa hositranina ny vahoakany, ary ho “voavela heloka.” (Isaia 33:7, 22-24) “Jehovah dia tezitra amin’ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fahatezerany.” (Isaia 34:2) Tsy ho lao foana ny tanin’i Joda, satria ho ‘ravoravo ny efitra sy ny tany karakaina, ary ny tani-hay hifaly sy hamony tahaka ny lilia.’—Isaia 35:1.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

13:17—Ahoana no nahitana fa toy ny tsinontsinona tamin’ny Medianina ny volafotsy, ary tsy nahafinaritra azy ireo ny volamena? Noheverin’ny Medianina sy Persanina ho zava-dehibe kokoa noho ireo zavatra babony, ny voninahitra entin’ny fandresena. Manaporofo izany ny zavatra nataon’i Kyrosy. Nomeny an’ireo Jiosy niverina avy tany an-tsesitany ny fanaka volamena sy volafotsy nangalarin’i Nebokadnezara tao amin’ny tempolin’i Jehovah.

14:1, 2—Ahoana no nahatonga ny vahoakan’i Jehovah ho “mpamabo izay namabo azy” sy “hampanompo izay nampahory azy”? Tanteraka izany faminaniana izany, rehefa nitana andraikitra ambony tany Babylona teo ambany fitondran’ny Medianina sy ny Persanina i Daniela, rehefa lasa vadi-mpanjaka persanina i Estera, ary rehefa voatendry ho praiminisitry ny Fanjakana Persanina i Mordekay.

20:2-5—Nandeha tsy nitafy tanteraka nandritra ny telo taona tokoa ve i Isaia? Rehefa jerena ny teny tany am-boalohany, dia azo inoana fa ny akanjony ivelany ihany no nesorin’i Isaia, ka zara raha nitafy izy rehefa nandeha.

21:1—Faritra aiza no antsoina hoe “Efitra Ranobe” na “Efitra Ranomasina”, araka ny fanamarihana ambany pejy? Ny faritr’i Babylona no antsoina toy izany, na dia tsy nisy ranomasina aza teo akaikin’izy io. Nisy tondra-drano avy tamin’ireo reniranon’i Eofrata sy Tigra mantsy teo amin’io faritra io isan-taona, ka nahatonga ‘ranomasin-keniheny.’

24:13-16—Nahoana ny zava-nitranga tamin’ny Jiosy no lazaina fa ‘toy ny amin’ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy’? Voankazo vitsivitsy no sisa tavela eo amin’ny hazo na voaloboka, aorian’ny fiotazana. Toy izany koa fa vitsy monja no tafavoaka velona tamin’ny fandravana an’i Jerosalema sy Joda. Nanome voninahitra an’i Jehovah foana ireo sisa niangana, na taiza na taiza nanaovana sesitany azy ireny, na tany amin’ny “tany atsinanana [Babylona]”, na tany amin’ireo nosin’ny ‘ranomasina [Mediterane].’

24:21—Iza ireo “antokon’ny lanitra” sy “mpanjakan’ny tany”? Mety hanondro an’ireo fanahy ratsy ny hoe “antokon’ny lanitra.” Ny “mpanjakan’ny tany” àry dia ireo mpitondra eto an-tany. Manan-kery lehibe eo amin’izy ireny ny demonia.—1 Jaona 5:19.

25:7—Inona ilay “sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra”? Misarika ny saina ho amin’ireo fahavalo roa lehibe mamely ny olombelona io fampitahana io, dia ny fahotana sy ny fahafatesana.

Lesona ho antsika:

13:20-22; 14:22, 23; 21:1-9. Tanteraka foana ny teny faminanian’i Jehovah, toy ireo nahakasika an’i Babylona.

17:7, 8. Nisy olona niantehitra tamin’i Jehovah ihany tany Israely, na dia tsy nihaino azy aza ny ankamaroan’izy ireo. Mandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana koa ny olona sasany ao amin’ny Kristianisma Anarana.

28:1-6. Nampitandrina Andriamanitra, fa ho resin’ny Asyrianina i Israely. Nomeny toky koa anefa ny olona nahatoky, fa ho tafavoaka velona izy ireo. Manome fanantenana ho an’ny marina foana àry i Jehovah, na dia eo aza ny didim-pitsarany.

28:23-29. Manitsy ny olona tso-po mifanaraka amin’izay tena ilainy sy ny toe-javatra misy azy i Jehovah.

30:15. Tokony haneho finoana isika ka ‘hitsahatra’ tsy hitady famonjena amin’ny alalan’ny tetikasan’olombelona, raha te hahazo ny famonjen’i Jehovah. Porofointsika koa hoe matoky ny fahaizan’i Jehovah miaro antsika isika rehefa ‘mangina’, izany hoe tsy matahotra.

30:20, 21. ‘Mahita’ an’i Jehovah sy ‘mandre’ ny feo famonjeny isika, rehefa mankatò izay lazainy amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny “mpanompo mahatoky sy malina.”—Matio 24:45.

Matoky kokoa ny Tenin’Andriamanitra isika noho ny faminanian’i Isaia

Velom-pankasitrahana an’Andriamanitra isika noho ny hafatra avy aminy, ao amin’ny bokin’i Isaia! Noho ireo faminaniana efa tanteraka, dia matoky kokoa isika fa ‘tsy hiverina amin’i Jehovah foana ny teny naloaky ny vavany, raha tsy efa tanteraka.’—Isaia 55:11.

Ahoana ny amin’ireo faminaniana momba ny Mesia, toy ireo ao amin’ny Isaia 9:6 sy 11:1-5, 10? Moa ve izy ireny tsy mahatonga antsika hatoky bebe kokoa an’ireo fandaharana ataon’i Jehovah mba hamonjena antsika? Ny bokin’i Isaia koa dia mirakitra faminaniana izay efa tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe ankehitriny, na mbola ho tanteraka amin’ny hoavy. (Isaia 2:2-4; 11:6-9; 25:6-8; 32:1, 2) Vao mainka àry porofoin’ny bokin’i Isaia fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”!—Hebreo 4:12.

[Sary, pejy 8]

Toy ny ‘famantarana sy fahagagana teo amin’ny Israely’ i Isaia sy ny zanany

[Sary, pejy 8, 9]

Ho “tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanimboaloboka” i Jerosalema

[Sary, pejy 10]

Ahoana no anampiana ny olona avy amin’ny firenena rehetra, mba “hanefy ny sabany ho fangady”?