Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Fanaon’ny olona ankehitriny ny mifandom-bera. Nahoana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manao izany, na dia tsy miresaka momba izany aza ny Baiboly?
Efa fanaon’ny olona hatramin’ny ela ny mifandom-bera rehefa misotro divay, na zava-pisotro hafa misy alkaola. Miely patrana io fanao io, na dia tsy tena mitovy aza ny fomba fanaovan’ny olona azy. Olona iray mazàna no manonona an’ilay firarian-tsoa. Mampakatra ny verany izy sady mirary ny olona iray hafa mba ho salama, na ho sambatra, na ho ela velona, na ny toy izany. Ny hafa kosa miteny kely ho fanekena izany, na mampakatra ny verany sy misotro amin’ny divainy. Toa fanehoana fahalalam-pomba fotsiny io fanao io fa tsy misy maharatsy azy, araka ny fiheveran’ny olona maro. Misy antony tsara tsy anaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’izany anefa.
Tsy hoe tsy maniry ny hafa ho salama sy ho sambatra akory ny Kristianina. Rehefa nanoratra ho an’ny fiangonana mantsy ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany, dia namarana ny teniny toy izao: “Mirary soa ho anareo izahay!” (Asan’ny Apostoly 15:29) Nisy koa mpanompon’i Jehovah hafa nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: ‘Ho velona mandrakizay anie [ny] tompoko!’ na “Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka.”—1 Mpanjaka 1:31; Nehemia 2:3.
Inona anefa no nahatonga ny olona hifandom-bera? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Janoary 1968, rehefa namerina izay voalaza tao amin’ny Rakipahalalana Britannica (1910, anglisy), Boky faha-13, pejy 121: ‘Fanao tao amin’ny fivavahana fahiny ny mifandom-bera ho fanomezam-boninahitra an’ireo andriamanitra sy ny maty. Tena azo inoana fa avy amin’izany ilay mifandom-bera ho firariana fahasalamana ho an’ny velona. Nandraraka toaka ho an’ny andriamaniny ny Grika sy ny Romanina, rehefa nisakafo. Nifandom-bera ho fanomezam-boninahitra azy ireny sy ny maty koa izy ireo, rehefa nanao fanasambe.’ Hoy ihany ilay rakipahalalana: “Azo antoka fa nifandray akaiky tamin’ny fifandonam-bera ho firarian-tsoa ho an’ny velona, ireny fanao nitovitovy tamin’ny fanolorana fanatitra ireny.”
Mbola marina foana ve izany ankehitriny? Hoy ny boky iray momba ny toaka sy ny kolontsaina, izay nivoaka tamin’ny 1995: “[Ny mifandom-bera] angamba no sisa tavela tamin’ny fanaon’ny mpanompo sampy fahiny, tamin’izy ireo nandraraka zava-pisotro ho an’ny andriamaniny. Nanolotra ra na divay izy ireo tamin’izany rehefa nisy zavatra niriny na tiany ho azo, ary nilaza hoe ‘ho ela velona!’ na ‘mirary fahasalamana e!’ ”
Marina fa tsy izay zavatra na fanao rehetra niandoha tao amin’ny fivavahan-diso fahiny, na ny mitovitovy amin’izany, dia tsy azon’ny Kristianina ampiasaina na atao. Izao, ohatra, no nolazain’ny rakipahalalana fanta-daza iray, momba ny ampongabendanitra: ‘Toa nankamasina sy nampiasa azy io tamin’ny fivavahany ny mpanompo sampy.’ Nasain’Andriamanitra nanisy peta-kofehy sarin’ampongabendanitra teo amin’ny morontongotr’akanjony anefa ny mpisoronabe. Noravahina ny sarin’izy io koa ireo andry varahina tao amin’ny tempolin’i Solomona. (Eksodosy 28:33; 2 Mpanjaka 25:17) Nanana heviny ara-pivavahana koa ny peratra mariazy fahiny, nefa tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona ankehitriny izany. Mihevitra izy ireo fa famantarana fotsiny izy io hoe efa manambady ny olona iray.
Ary ahoana ny amin’ny fampiasana divay mandritra ny fotoam-pivavahan’ny mpanompo sampy? Indray mandeha, ireo mpivavaka tamin’i Bala tao Sekema dia ‘niditra tao an-tranon’ny andriamaniny, nihinana sy nisotro ary nanozona an’i Abimeleka’, zanak’i Gideona. (Mpitsara 9:22-28) Heverinao ve fa nisy mpanompon’i Jehovah nahatoky niara-nisotro tamin’izy ireo, ary angamba nangataka ny andriamani-diso mba hanisy ratsy an’i Abimeleka? Hoy indray i Amosa momba ireo Israelita nivadika tamin’i Jehovah: “Mitsilailay eny anilan’ny alitara rehetra [izy ireo], ary misotro divay novidina tamin’ny sazy ao an-tranon’ireo andriamaniny.” (Amosa 2:8) Ho nandray anjara tamin’izany ve ny tena mpivavaka tamin’i Jehovah, ka nandraraka divay ho an’ireo andriamanitra, na nisotro tamin’izany fotsiny? (Jeremia 7:18) Ho nanainga vera ve izy ireo ary nangataka ny andriamani-diso hitahy ny olona iray mba hanana hoavy sambatra?
Tsara homarihina fa nanandra-tanana sy nangata-pitahiana ny mpanompon’i Jehovah, indraindray. Nivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina izy ireo tamin’izany. Hoy ny Baiboly: ‘Nitsangana teo anoloan’ny alitaran’i Jehovah [i] Solomona, ary namelatra ny tanany nanandrify ny lanitra ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao. Mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao; eny, mihainoa, ka mamelà heloka.’ (1 Mpanjaka 8:22, 23, 30) “Nanandra-tànana” koa ny olona rehetra, rehefa “nisaotra an’i Jehovah” i Ezra. ‘Namaly [izy ireo avy eo] hoe: Amena, Amena; sady niondrika teo anatrehan’i Jehovah.’ (Nehemia 8:6; 1 Timoty 2:8) Mazava ho azy fa tsy nanandra-tanana mba hangata-pitahiana amin’ny andriamanitry ny vintana, ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika.—Isaia 65:11, fanamarihana ambany pejy.
Maro amin’ireo olona mifandom-bera ankehitriny no tsy mieritreritra hoe mangata-pitahiana amin’andriamani-diso izy ireo. Tsy hainy koa aza ny manazava ny antony ampakarany ny verany. Na dia tsy mivaky loha amin’izany aza anefa izy ireo, dia tsy tokony hanaraka am-bokony izay ataony ny tena Kristianina.
Iaraha-mahalala fa misy fombafomba hafa fanaon’ny olona, nefa tsy ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maro, ohatra, no manao fombafomba ho fanajana ny sainam-pirenena, nefa tsy mihevitra izany ho fivavahana amin’izy io. Tsy misakana ny olona tsy hanao izany ny tena Kristianina, fa tsy mandray anjara fotsiny. Maro ny Vavolombelona tsy nanatrika ny fotoana nanaovana an’ireny fombafomba ireny, rehefa fantany mialoha izany, mba tsy hanafintohina ny hafa. Tapa-kevitra ny tsy hanao fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana izy ireo, satria tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izany. (Eksodosy 20:4, 5; 1 Jaona 5:21) Maro amin’ny olona mifandom-bera ankehitriny no tsy mihevitra izany ho fombafomba ara-pivavahana. Misy antony marim-pototra tsy anaovan’ny Kristianina azy io anefa. Avy amin’ny fivavahan-diso io fanao io, ary mbola heverina ho mangata-pitahiana amin’ny ‘lanitra’ ireo manao izany, toy ny hoe mangataka fanampiana amin’ireo fanahy mahery noho ny olombelona.—Eksodosy 23:2.