Ry Lehilahy Manambady, Ekeo ny Fahefan’i Kristy
Ry Lehilahy Manambady, Ekeo ny Fahefan’i Kristy
“Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra.”—1 KORINTIANINA 11:3.
1, 2. a) Lehilahy manao ahoana no atao hoe vady tsara? b) Nahoana ianao no mila manaiky fa avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana?
LEHILAHY manao ahoana no atao hoe vady tsara? Ny lehilahy manam-pahaizana na matanjaka na mahay mitady vola ve? Sa kosa ny lehilahy tsara fanahy sy tia vady aman-janaka? Maro no tsy manana ireo toetra farany ireo, satria voataonan’ny toe-tsain’ity tontolo ity sy manaraka fitsipik’olombelona. Nahoana? Matetika izy ireo no tsy manaiky sy tsy mankatò ny tari-dalan’ilay namorona ny fanambadiana. Tsy iza izany fa ilay ‘naka taolan-tehezana tamin-dralehilahy ka nanao vehivavy, ary nitondra azy io tany amin-dralehilahy.’—Genesisy 2:21-24.
2 Avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana, araka io andininy io. Nanamafy izany i Jesosy, ka nilaza tamin’ireo mpanakiana azy hoe: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay nahary azy, dia nahary azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga [tao amin’ny fanambadiana], tsy hosarahin’olona.” (Matio 19:4-6) Mba hananana tokantrano sambatra àry, dia mila manaiky ianao fa avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana, ary tokony hampihatra ny toromarika ao amin’ny Teniny ianao.
Inona no hanampy anao ho vady tsara?
3, 4. a) Nahoana i Jesosy no mahafantatra tsara momba ny fanambadiana? b) Iza no lazaina hoe vadin’i Jesosy, ary ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny?
3 Inona no hanampy ny lehilahy ho vady tsara? Mila mianatra izay nolazain’i Jesosy izy, ary manahaka azy. Mahafantatra tsara momba ny fanambadiana i Jesosy, satria teo izy rehefa noforonina ny mpivady voalohany. Teo koa izy tamin’ny fampakaram-badin’izy ireo. Hoy i Jehovah Andriamanitra taminy: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika.” (Genesisy 1:26) Hita avy amin’izany, fa niresaka tamin’ilay noforoniny talohan’ny zavatra hafa rehetra Andriamanitra, izany hoe tamin’ilay “mpità-marika teo anilany.” (Ohabolana 8:22-30) Izy io no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” sy “fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” Efa nisy talohan’izao rehetra izao hita maso àry i Jesosy.—Kolosianina 1:15; Apokalypsy 3:14.
4 Antsoina hoe “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra” i Jesosy, ary aseho an’ohatra ho toy ny lehilahy manambady. Hoy ny anjely iray: “Avia atỳ fa hasehoko anao ny ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry.” (Jaona 1:29; Apokalypsy 21:9) Iza àry no lazaina hoe vadin’i Jesosy na ampakariny? Ny “vadin’ny Zanak’ondry” dia ireo Kristianina mahatoky voahosotry ny fanahy, izay hiara-manjaka aminy any an-danitra. (Apokalypsy 14:1, 3) Toy ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpianany àry no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny.
5. Modely ho an’iza i Jesosy?
5 Marina fa lazain’ny Baiboly hoe modely ho an’izay rehetra manara-dia azy i Jesosy, araka izao vakintsika izao: “I Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo tsara ny diany.” (1 Petera 2:21) Modely ho an’ny lehilahy anefa izy, voalohany indrindra. Hoy ny Baiboly: “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.” (1 Korintianina 11:3) I Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ka tokony hanahaka azy ny lehilahy manambady. Tsy maintsy ampiharina àry io toro lalana io, raha tiana ho sambatra ny tokantrano. Tokony ho tia ny vadiny toy ny nitiavan’i Jesosy ny mpianany voahosotra ny lehilahy.
Ahoana no hiatrehana ny olana eo amin’ny mpivady?
6. Ahoana no tokony hiarahan’ny lehilahy mitoetra amin’ny vadiny?
6 Eto amin’ity tontolo mikorontana ity, dia ny lehilahy manambady indrindra no tena mila manahaka an’i Kristy, ka haneho faharetana sy fitiavana ary hanaraka hatrany ny toro lalan’Andriamanitra. (2 Timoty 3:1-5) Hoy ny Baiboly momba ny modely navelan’i Jesosy: “Ianareo lehilahy, aoka ianareo hiara-mitoetra foana amin’ny vadinareo araka ny fahalalana.” (1 Petera 3:7) Misy fahalalana mila ananan’ny lehilahy na zavatra tokony ho fantany àry, mba hahafahany hiatrika ny olana eo aminy sy ny vadiny. Izany no nanampy an’i Jesosy hiatrika zava-tsarotra. Mafy kokoa noho ny an’ny olon-kafa rehetra ny fitsapana nanjo azy. Fantany anefa fa i Satana sy ny demoniany ary ity tontolo ratsy ity no nahatonga izany. (Jaona 14:30; Efesianina 6:12) Tsy gaga mihitsy àry izy rehefa niharam-pitsapana. Tsy tokony ho gaga koa ny mpivady, rehefa mahita olana. Efa nampiomana mantsy ny Baiboly fa “hanam-pahoriana amin’ny nofony” ny olona manambady.—1 Korintianina 7:28.
7, 8. a) Inona no tokony hataon’ny lehilahy, mba hiarahany mitoetra amin’ny vadiny araka ny fahalalana? b) Nahoana ny vehivavy no mendrika ny homena voninahitra?
7 Tokony hiara-mitoetra foana amin’ny vadiny “araka ny fahalalana” ny lehilahy, ka “hanome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy.” (1 Petera 3:7) Manome voninahitra ny vadiny àry ny lehilahy ankasitrahan’Andriamanitra, fa tsy manjakazaka aminy toy ny ataon’ny lehilahy maro, araka ny efa voalaza mialoha ao amin’ny Baiboly. (Genesisy 3:16) Tokony hihevitra ny vadiny ho toy ny fananana sarobidy izy, ka tsy hampiasa ny heriny handratrana azy, na dia matanjaka kokoa aza izy. Tokony hitsinjo ny fihetseham-pony kosa izy, ka hanaja sy hanisy vidiny azy foana.
8 Nahoana no tokony hanome voninahitra ny vadiny ny lehilahy? Hoy ny Baiboly: “Mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo. Mpiara-mandova aminy mantsy ianareo, eny, mpiara-mandova ilay fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny fiainana.” (1 Petera 3:7) Tokony ho takatry ny lehilahy manambady, fa tsy mihevitra mihitsy i Jehovah hoe ambony kokoa noho ny anabavy ny rahalahy. Homen’Andriamanitra valisoa mitovy amin’ny an’ny lehilahy ihany ny vehivavy ankasitrahany. Tsy inona izany fa ny fiainana mandrakizay. Maro mihitsy aza ny vehivavy lasa any an-danitra, izay toerana tsy hisian’ny hoe “lahy na vavy” intsony. (Galatianina 3:28) Tokony hotadidin’ny lehilahy àry fa ny tsy fivadihan’ny olona iray no mahatonga azy ho sarobidy amin’Andriamanitra, fa tsy hoe noho izy lahy na vavy na ankizy.—1 Korintianina 4:2.
9. a) Nahoana no tokony hanome voninahitra ny vadiny ny lehilahy? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nanome voninahitra ny vehivavy izy?
9 Mbola misy antony hafa koa tokony hanomezan’1 Petera 3:7. Izao no voalaza eo: “Mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo.” Loza tokoa raha izany no mitranga! Mety ho voasakana anefa ny vavaka ataon’ny lehilahy tsy manome voninahitra ny vadiny, toy izay nitranga tamin’ny mpanompon’Andriamanitra sasany fahiny. (Fitomaniana 3:43, 44) Hendry ny lehilahy kristianina efa manambady na mikasa hanambady, raha mianatra ny fomba nitondran’i Jesosy ny vehivavy. Nanome voninahitra azy ireo izy. Noraisiny an-tanan-droa, ohatra, ny vehivavy sasany naniry hiara-mitory aminy sy ny mpianany, ary tsara fanahy sy nanaja azy ireny izy. Vehivavy mihitsy aza no voalohany nanambarany fahamarinana iray tena lehibe. Mbola nilazany koa izy ireo mba hampahafantatra izany tamin’ny lehilahy!—Matio 28:1, 8-10; Lioka 8:1-3.
ny lehilahy voninahitra ny vadiny, araka ny hita eo amin’ny fiandohan’nyModely ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ny lehilahy
10, 11. a) Nahoana ny lehilahy no tena mila mandinika ny fomba nampiharan’i Jesosy ny fahefany? b) Ahoana no tokony hitiavan’ny lehilahy ny vadiny?
10 Araka ny voalaza tetsy aloha, dia ampitahain’ny Baiboly amin’ny fifandraisan’i Kristy amin’ny ‘ampakariny’ na ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, ny fifandraisan’ny lehilahy amin’ny vadiny. Hoy ny Baiboly: “Ny lehilahy no lohan’ny vadiny, toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana, noho izy mpamonjy an’io vatana io.” (Efesianina 5:23) Tokony hahatonga ny lehilahy handinika ny fomba nampiharan’i Jesosy ny fahefany tamin’ny mpianany ireo teny ireo. Raha tsy manao izany izy, dia tsy ho afaka hanaraka tsara ny modely navelan’i Jesosy. Tsy ho hainy ny hitari-dalana sy hitia ary hikarakara ny vadiny, toy ny nataon’i Jesosy tamin’ny fiangonana.
11 Hoy ny apostoly Paoly: “Ry lehilahy, tiavo mandrakariva ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efesianina 5:25) Antsoina hoe “vatan’i Kristy” ny “fiangonana” ao amin’ny Efesianina toko faha-4. Manana rantsana io vatana io, ary lehilahy sy vehivavy izy ireo. Samy ilaina izy rehetra mba hampandeha tsara ny fiangonana. Mazava ho azy fa i Jesosy no “loha amin’ny vatana, dia ny fiangonana.”—Efesianina 4:12; Kolosianina 1:18; 1 Korintianina 12:12, 13, 27.
12. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tiany ny vatany an’ohatra?
12 Tia ny vatany an’ohatra i Jesosy, ka niahy sy nitady izay hahasoa ny rantsana teo amin’izy io, izany hoe ireo mpianany izay ho lasa anisan’ny “fiangonana.” Nilaza toy izao, ohatra, izy rehefa reraka ny mpianany: ‘Andao hitokana any amin’ny toerana mangina ka mialà sasatra kely.’ (Marka 6:31) Nitantara izay nataon’i Jesosy, ora vitsivitsy talohan’ny hamonoana azy, ny iray tamin’ireo apostoliny, ka nilaza hoe: ‘Tia ny mpianany [na ny rantsana eo amin’ilay vatany an’ohatra] i Jesosy, eny, tiany hatramin’ny farany ireo.’ (Jaona 13:1) Tokony hitovy amin’izany ny fomba hitondran’ny lehilahy ny vadiny. Tsara tokoa ny modely navelan’i Jesosy ho azy ireo!
13. Ahoana koa no tokony hitiavan’ny lehilahy ny vadiny?
13 Mbola niresaka bebe kokoa momba ny modely navelan’i Jesosy ho an’ny lehilahy manambady ny apostoly Paoly. Nanoro hevitra azy ireo izy hoe: ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa, ary mikarakara azy amim-pitiavana tahaka ny ataon’i Kristy amin’ny fiangonana.’ Hoy koa izy: ‘Aoka ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany.’—14. Inona no tsy ataon’ny lehilahy amin’ny vatany, na dia tsy lavorary aza izy io? Ahoana no tokony hitondrany ny vadiny, rehefa jerena izany?
14 Eritrereto ange izany tenin’i Paoly izany e! Hanao fanahy iniana handratra ny vatany ve ny lehilahy iray salama saina? Hikapoka ny tongony ve izy, raha tafintohina ka saika nianjera? Mazava ho azy fa tsia! Hanala baraka ny tenany amin’ny namany ve izy, na hiresadresaka etsy sy eroa momba ny fahadisoany? Tsia! Koa nahoana àry izy no hanao teny mandratra ny vadiny, na hamono azy mihitsy, raha sendra nanao fahadisoana izy io? Tsy izay hahasoa ny tenany ihany no tokony hotadiavin’ny lehilahy, fa izay hahasoa ny vadiny koa.—1 Korintianina 10:24; 13:5.
15. a) Inona no nataon’i Jesosy, na dia tsy nahavita nanatanteraka izay nangatahiny aza ny mpianany? b) Inona avy no lesona azontsika raisina avy amin’izany?
15 Diniho ny fomba niahian’i Jesosy ny mpianany, tamin’ny alina talohan’ny hahafatesany, na dia tsy vitan’izy ireo aza ny nanatanteraka izay nangatahiny. Imbetsaka i Jesosy, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, no niangavy azy ireo hivavaka, nefa intelo resin-tory izy ireo. Tampoka teo dia nisy olona nitam-piadiana nanodidina azy ireo. Nanontany an’ireo olona ireo i Jesosy hoe: “Iza no tadiavinareo?” Hoy ireo taminy: “I Jesosy, avy any Nazareta.” Hoy ny navalin’i Jesosy: “Izaho no izy.” Fantany fa “efa tonga ny ora” hahafatesany, ka hoy izy: ‘Avelao handeha àry ireto raha izaho no tadiavinareo.’ Nihevitra izay hahasoa ny mpianany foana i Jesosy, ary nitady fomba hamonjena azy ireo. Raha mianatra ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpianany àry ny lehilahy, dia hahita toro lalana maro azony ampiharina eo amin’ny fomba tokony hitondrany ny vadiny.—Jaona 18:1-9; Marka 14:34-37, 41.
Tena tia i Jesosy ka nananatra
16. Nanao ahoana ny fitiavan’i Jesosy an’i Marta? Ahoana anefa no nananarany azy?
16 Milaza ny Baiboly fa tena “tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy” i Jesosy, ka nivahiny matetika tany amin’izy ireo. (Jaona 11:5) Tsy nisalasala nananatra an’i Marta anefa i Jesosy, rehefa nisahirana be loatra nikarakara sakafo izy, ka tsy nanam-potoana firy nihainoana ny fampianarany. Hoy i Jesosy: “Marta a, Marta a, maro ahina sy sahiran-tsaina amin-javatra maro ianao. Zavatra vitsivitsy ihany anefa no ilaina, eny, iray monja aza.” (Lioka 10:41, 42) Azo antoka fa mora tamin’i Marta ny nanaiky ny toroheviny, satria hitany fa tena tia azy i Jesosy. Tokony ho tsara fanahy sy ho tia ny vadiny koa ny lehilahy, ka hampiasa teny voafidy tsara. Tsy tokony hisalasala hananatra ny vadiny anefa izy, rehefa ilaina izany.
17, 18. a) Inona no nolazain’i Petera rehefa niteny mafy an’i Jesosy izy, ary nahoana i Petera no nila nahitsy? b) Inona no adidin’ny lehilahy manambady?
17 Indray andro, dia nilaza tamin’ny apostoliny i Jesosy, fa tsy maintsy mankany Jerosalema. “Hampijalin’ny anti-panahy sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna” izy rehefa tonga any, ka “hovonoina ho faty ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.” Nentin’i Petera hihataka kely izy, ary noteneniny mafy hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô. Tsy ho izany mihitsy no hiafaranao.” Tia loatra an’i Jesosy i Petera, ka tsy nandinika tsara intsony. Nila fanitsiana àry izy, ka hoy i Jesosy taminy: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato mahatafintohina ahy ianao, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.”—18 Vao avy nilaza i Jesosy, fa hiaritra zavatra maro ary hovonoina avy eo. Izany no sitrapon’Andriamanitra. (Salamo 16:10; Isaia 53:12) Tsy nety àry ny nataon’i Petera. Nila fananarana mafy izy, ary toy izany koa isika rehetra indraindray. Ny lehilahy no loham-pianakaviana, ka izy no manana fahefana sy adidy hananatra ny ankohonany, anisan’izany ny vadiny. Tokony ho tsara fanahy sy be fitiavana foana izy rehefa manao izany, na dia tsy maintsy hentitra aza. Nampian’i Jesosy hanova ny fomba fisainany i Petera. Mila manao toy izany amin’ny vadiny koa ny lehilahy indraindray. Aoka hatao hoe manomboka tsy mendrika ny akanjo na firavaka na makiazin’ny vadiny, fa tsy toy ny an’ireo vehivavy voaresaka ao amin’ny Soratra Masina. Mila manazava amin-katsaram-panahy ny antony tokony hanitsiana izany ilay lehilahy.—1 Petera 3:3-5.
Tsara ny manam-paharetana
19, 20. a) Inona no olana nisy teo amin’ny apostolin’i Jesosy, ary ahoana no nandaminan’i Jesosy izany? b) Nisy vokany tsara ve ny ezaka nataon’i Jesosy?
19 Raha manao fahadisoana ny vadin’ny lehilahy iray, dia tsy tokony hanantena izy hoe hisy vokany tsara eo no ho eo ny ezaka ataony, mba hanitsiana izany. Imbetsaka i Jesosy no nanitsy ny apostoliny, fa tsy indray mandeha monja. Nifanditra, ohatra, izy ireo, hoe iza taminy no ambony indrindra. Niverina indray izany, taloha kelin’ny hahafatesan’i Jesosy. (Marka 9:33-37; 10:35-45) Taoriana kelin’io fifandirana faharoa io, dia niara-nankalaza farany ny Paska tamin’izy ireo i Jesosy. Tokony ho nifanasa tongotra ireo apostoly tamin’izay, raha ny fanao teo an-toerana. Noheverina ho asa ambany anefa ilay izy, ka tsy nisy nanolo-tena hanao izany izy ireo. I Jesosy àry no nanasa ny tongotr’izy ireo. Hoy izy avy eo: “Modely no nomeko anareo.”—Jaona 13:2-15.
20 Raha manetry tena toa an’i Jesosy ny lehilahy, dia hankatò sy hanohana azy ny vadiny. Ilaina anefa ny faharetana. Mbola nifanditra indray ny apostoly, tamin’ilay alin’ny Paska, hoe iza taminy no ambony indrindra. (Lioka 22:24) Elaela mazàna vao miova ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena, ary mandeha tsikelikely izany. Ho faly anefa ianao rehefa mahita vokatra tsara. Izany indrindra no tsapan’i Jesosy tamin’ireo apostoliny!
21. Inona no ampirisihana hotadidin’ny lehilahy sy hataony, rehefa miatrika ny olana fahita ankehitriny izy?
21 Miatrika olana sarotra kokoa noho ny hatramin’izay ny mpivady ankehitriny. Maro no tsy manaja ny voadim-panambadiany. Ampirisihinay àry ianareo lehilahy manambady mba hitadidy tsara, fa avy amin’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana, ny fanambadiana. Izy no namorona azy io. Tsy ho Mpanavotra sy Mpamonjy antsika ihany no nanomezany an’i Jesosy Zanany, fa ho modely hotahafin’ny lehilahy manambady koa.—Matio 20:28; Jaona 3:29; 1 Petera 2:21.
Ahoana no Havalinao?
• Nahoana no tena ilaina ny manaiky fa avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana?
• Ahoana avy no tokony hitiavan’ny lehilahy ny vadiny?
• Ahoana no nitondran’i Jesosy ny mpianany, ka tokony hotahafin’ny lehilahy rehefa mampihatra fahefana? Manomeza ohatra.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 14]
Nahoana ny lehilahy manambady no tokony handinika ny fomba nitondran’i Jesosy ny vehivavy?
[Sary, pejy 15]
Niahy ny mpianany i Jesosy rehefa reraka izy ireo
[Sary, pejy 16]
Tokony ho tsara fanahy amin’ny vadiny ny lehilahy, ka hampiasa teny voafidy tsara rehefa mananatra azy