Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jeremia

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jeremia

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jeremia

KIVY ratsy ireo mpiray tanindrazana tamin’i Jeremia, rehefa nandre ny loza nambarany. Ho kila forehitra ilay tempoly kanto, izay foibem-pivavahana tamin’i Jehovah nandritra ny 300 taona mahery. Ho lao ny tanànan’i Jerosalema sy ny tanin’ny Joda, ary ho lasa babo ny mponina. Hita ao amin’ny Jeremia, ilay boky faharoa lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly, ireo didim-pitsarana ireo sy ny hafa koa. Voalaza ao koa ny zavatra niainan’i Jeremia mpaminany, nandritra ireo 67 taona nanompoany tamim-pahatokiana. Milahatra araka ny foto-kevitra ny fanazavana ao, fa tsy araka ny fotoana nisehoan’ny tantara tsirairay.

Nahoana no tokony hahaliana antsika ny bokin’i Jeremia? Satria tanteraka ireo faminaniana raketiny, ka manatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah, ilay Mpanatanteraka ny fampanantenany. (Isaia 55:10, 11) Mitovy amin’ny zava-misy ankehitriny ny asan’i Jeremia tamin’ny naha mpaminany azy, sy ny fandraisan’ny olona ny hafatra nentiny. (1 Korintianina 10:11) Manasongadina ireo toetran’i Jehovah koa ny zavatra nataony tamin’ny vahoakany. Tokony hisy vokany lehibe eo amintsika izany.—Hebreo 4:12.

“ZAVA-DRATSY ROA LOHA NO NATAON’NY OLOKO”

(Jeremia 1:1–20:18)

Lasa mpaminany i Jeremia tamin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josia mpanjakan’ny Joda, izany hoe 40 taona talohan’ny nandravana an’i Jerosalema, tamin’ny 607 T.K. (Jeremia 1:1, 2) Nampiharihary ny zava-dratsy nataon’ny Joda, sy ny didim-pitsaran’i Jehovah momba azy ireo, ny hafatr’i Jeremia nandritra ireo 18 taona farany nanjakan’i Josia. Hoy i Jehovah: ‘Jerosalema dia hataoko korontam-bato; ary ny tanànan’ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.’ (Jeremia 9:10) Nahoana? Satria “zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko”, hoy izy.—Jeremia 2:13.

Mahakasika ny fampodiana an’ireo sisa nibebaka koa ilay hafatra. (Jeremia 3:14-18; 12:14, 15; 16:14-21) Tsy noraisina tsara anefa i Jeremia, ilay mpitondra hafatra. Namely sady namatotra azy tamin’ny boloky hazo nandritra ny alina, “ny mpiandraikitra ny tranon’i Jehovah.”—Jeremia 20:1-3.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:11, 12—Inona ilay “rantsan-kazo mahatsiaro”, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny hoe mahatsiaro ny teniny i Jehovah ka hanatanteraka izany? Amandie ilay hazo resahina eto. Nantsoin’ny Hebreo fahiny hoe hazo mifoha izy io, satria anisan’ireo hazo mamony voalohany amin’ny lohataona. Toy ny hoe “nifoha maraina” koa i Jehovah “ka naniraka [ny mpaminaniny]”, mba hampahafantatra ny didim-pitsarany tamin’ny vahoakany. ‘Nahatsiaro’ na nifoha foana izy mandra-pahatanterak’izany.—Jeremia 7:25.

2:10, 11—Nahoana no tena tsy fahita ny zavatra nataon’ireo Israelita tsy nahatoky? Naka ny andriamanitry ny firenen-kafa angamba ireo mpanompo sampy tany Kitima, any andrefana, sy ireo tany Kedara, any atsinanana, ho fanampin’ireo andriamaniny. Mbola tsy fahita mihitsy anefa ny hoe narian’izy ireo tanteraka ny andriamaniny. Ny Israelita kosa nandao an’i Jehovah, ka natakalony sampy tsy mananaina ny voninahitr’ilay Andriamanitra velona.

3:11-22; 11:10-12, 17—Nahoana ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra no nampidirin’i Jeremia tao amin’ny fanambarany, nefa tamin’ny 740 T.K. i Samaria no efa resy? Satria ny Israely manontolo, fa tsy ny Joda ihany, no nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany, rehefa noravana i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. (Ezekiela 9:9, 10) Rehefa nitondra hafatra ho an’i Jerosalema mantsy ireo mpaminanin’Andriamanitra, dia voakasik’izany koa ny fanjakan’ny foko folo, na dia efa resy aza.

4:3, 4—Inona no dikan’io baiko io? Nila nanomana sy nanalefaka ary nanadio ny fony ireo Jiosy tsy nahatoky. Tsy maintsy ‘noforan’izy ireo’ ny fony, izany hoe nesoriny ny eritreritra sy ny fihetseham-po ary ny antony manosika ratsy tao aminy. (Jeremia 9:24, 25; Asan’ny Apostoly 7:51) Tsy maintsy niova izy ireo, ka niala tamin’ny ratsy ary nanao ny tsara mba hankasitrahan’Andriamanitra.

4:10; 15:18—Nahoana no lazaina hoe namitaka ny vahoakany nikomy i Jehovah? Nisy mpaminany ‘naminany lainga’ tamin’ny andron’i Jeremia. (Jeremia 5:31; 20:6; 23:16, 17, 25-28, 32) Tsy nanakana azy ireo tsy hanambara hafatra mamitaka i Jehovah.

16:16—Inona no dikan’ny hoe ‘naniraka mpamovo maro’ sy “mpihaza maro” i Jehovah? Mety hidika izany hoe naniraka tafika fahavalo izy hitady an’ireo Jiosy tsy nahatoky, mba hampiharany ny didim-pitsarany. Raha jerena anefa ny Jeremia 16:15, dia mety hidika koa ilay andininy hoe notadiavin’i Jehovah ireo Israelita nibebaka.

20:7—Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny heriny mba hitaomana na hamitahana an’i Jeremia? Tsy niraika ny olona, sady nanda sy nanenjika an’i Jeremia, rehefa nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah izy. Mety ho nieritreritra àry izy fa tsy nanan-kery hanohizana intsony. Nampiasa ny heriny anefa i Jehovah mba hanesorana izany eritreriny izany, sy hanatanjahana an’ilay mpaminany. Voataona na voafitak’i Jehovah àry i Jeremia, ka afaka nanatanteraka ilay asa noheveriny fa tsy ho vitany.

Lesona ho antsika:

1:8. Mety hamonjy ny vahoakany amin’ny fanenjehana i Jehovah indraindray. Hampiasa mpitsara tsy miangatra angamba izy, na hosoloany manam-pahefana mahay mandanjalanja ny manam-pahefana feno fankahalana, na homeny hery hiaretana ireo mpivavaka aminy.—1 Korintianina 10:13.

2:13, 18. Zava-dratsy roa loha no nataon’ireo Israelita tsy nahatoky. Nandao an’i Jehovah izy ireo, kanefa izy no tena mitahy sy mitari-dalana ary miaro ny olony. Nanao fifanekena ara-tafika tamin’i Ejipta sy Asyria koa izy ireo, ka toy ny hoe nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany. Misy olona miala amin’ilay tena Andriamanitra ankehitriny, ka manaraka filozofia sy hevitr’olombelona ary manao politika. Toy ny hoe manolo ny “loharanon’aina” amin’ny ‘lavaka famorian-drano mitriatriatra’ izy ireny.

6:16. Nampirisika ny vahoakany nikomy i Jehovah, mba hijanona kely ka handini-tena sy hiverina amin’ny ‘lalana’ narahin’ny razambeny nahatoky. Moa ve isika tsy tokony handini-tena koa indraindray, mba hahitana raha tena manaraka ny lalana tian’i Jehovah hizorantsika isika?

7:1-15. Tsy niaro ny Jiosy ny tempoly, na dia noheveriny ho toy ny ody fiaro aza. Finoana àry no tokony handehanantsika, fa tsy ny hitan’ny maso.—2 Korintianina 5:7.

15:16, 17. Afaka mandresy ny hakiviana isika, toa an’i Jeremia. Handresy isika raha manovo fifaliana amin’ny fianarana samirery ny Baiboly, midera ny anaran’i Jehovah eny amin’ny fanompoana, ary manalavitra ny naman-dratsy.

17:1, 2. Tsy nampifaly an’i Jehovah ny fanatitra nataon’ny mponin’i Joda, noho ny fahotan’izy ireo. Tsy eken’i Jehovah koa ny fanati-piderana ataontsika, raha maloto fitondran-tena isika.

17:5-8. Izay olona na fikambanana manao ny sitrapon’Andriamanitra sy manaraka ny toro lalany ihany no mendrika hatokisana. I Jehovah irery ihany kosa no tokony hatokisana fa hanome famonjena sy tena fiadanana ary filaminana.—Salamo 146:3.

20:8-11. Tsy tokony havelantsika hampihena ny zotom-pontsika amin’ny fitoriana ilay Fanjakana ny tsy firaikan’ny olona, na ny fanoherana na ny fanenjehana.—Jakoba 5:10, 11.

“AMPIDIRO EO AMIN’NY ZIOGAN’NY MPANJAKAN’I BABYLONA NY VOZONAREO”

(Jeremia 21:1–51:64)

Nisy didim-pitsarana nambaran’i Jeremia nahakasika an’ireo mpanjaka efatra farany tany Joda, ireo mpaminany sandoka, ireo mpiandry ondry tsy nandray ny andraikiny, ary ireo mpisorona tia kolikoly. Hoy i Jehovah momba ireo sisa nahatoky, izay nantsoiny hoe aviavy tsara: “Hojeren’ny masoko izy mba hanasoavako azy.” (Jeremia 24:5, 6) Misy faminaniana telo ao amin’ny toko faha-25. Voafintina ao ny didim-pitsarana izay hazavaina amin’ny an-tsipiriany, any amin’ny toko aoriandriana kokoa.

Nanao tetika hamonoana an’i Jeremia ireo mpisorona sy mpaminany. Nilaza mantsy izy fa tsy maintsy nanompo ny mpanjakan’i Babylona izy ireo. Hoy i Jeremia tamin’i Zedekia Mpanjaka: “Ampidiro eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona ny vozonareo.” (Jeremia 27:12) Kanefa, ‘hanangona [ny Israely] indray Ilay nampiely ny Israely.’ (Jeremia 31:10) Nahazo fampanantenana ny Rekabita, noho ny zavatra tsara nataony. Natao “teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana” i Jeremia. (Jeremia 37:21) Noravana i Jerosalema, ary nentina ho babo ny ankamaroan’ny mponina. Nisy vitsivitsy kosa tafajanona tao an-tanàna, anisan’izany i Jeremia sy Baroka mpitan-tsorany. Natahotra ireo olona ireo ka nankany Ejipta ihany, na dia efa noraran’i Jeremia aza. Hita ao amin’ny toko faha-46 ka hatramin’ny 51 ny tenin’i Jeremia momba ireo firenena nanodidina.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

22:30—Moa ve io didy io manafoana ny zon’i Jesosy Kristy handova ny seza fiandrianan’i Davida? (Matio 1:1, 11) Tsia. Ny taranak’i Joiakina no tsy hisy intsony ‘hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida ao Joda.’ Avy any an-danitra i Jesosy no hitondra, fa tsy avy eo amin’ny seza fiandrianana any Joda.

23:33—Inona ilay “entan’i Jehovah”? Enta-mavesatra ho an’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia ny didim-pitsarana nolazain’io mpaminany io, momba ny fandravana an’i Jerosalema. Tsy nibebaka anefa ilay vahoaka. Lasa nanavesatra an’i Jehovah àry izy ireo ka nariany. Enta-mavesatra ho an’ny Kristianisma Anarana koa ny hafatra ara-baiboly momba ny fandringanana azy. Ary manavesatra an’Andriamanitra ireo olona tsy mety mibebaka.

31:33—Inona no dikan’ny hoe voasoratra ao am-po ny lalàn’Andriamanitra? Azo lazaina hoe voasoratra ao am-pon’ny olona iray ny lalàn’Andriamanitra, rehefa tiany aoka izany izy io ka maniry mafy hanao ny sitrapon’i Jehovah izy.

32:10-15—Nahoana no nilaina ny nanao taratasy fifanekena roa, rehefa nanao raharaham-barotra? Natao hampiasaina foana ilay taratasy iray. Nasiana tombo-kase kosa ilay faharoa, ary nampiasaina rehefa nilaina nohamarinina ny zavatra sasany voalazan’ilay taratasy voalohany. Nanaraka ireo fepetra ara-drariny napetraky ny lalàna i Jeremia tamin’izany. Nanome modely harahintsika izy, rehefa misy raharaham-barotra ifanaovantsika amin’ny havana na mpiray finoana amintsika.

33:23, 24—Iza ireo “fianakaviana roa” resahina eto? Ny iray dia ny fianakavian’ny mpanjaka, taranak’i Davida, ary ny iray kosa fianakavian’ny mpisorona, taranak’i Arona. Toy ny hoe narian’i Jehovah ireo fianakaviana roa ireo, rehefa noravana i Jerosalema sy ny tempoliny. Noheverina àry fa tsy hanorina fanjakana hitondra ny tany intsony izy, na hamerina ny fivavahana aminy.

46:22—Nahoana no ampitovina amin’ny feon’ny menarana ny feon’i Ejipta? Mety hidika izany hoe toy ny feon’ny menarana mandositra ny feon’i Ejipta rehefa resy izy, na koa zara raha nahavoaka feo ilay firenena noho ny loza nanjo azy. Mampiseho koa izany fa zava-poana ny nanisian’ny Faraon’i Ejipta sarina bibilava masina teo amin’ny saron-dohany. Noheverin’izy ireo mantsy fa izany no hahazoany ny fiarovan’ilay andriamanibavy bibilava atao hoe Uatchit.

Lesona ho antsika:

21:8, 9; 38:19. Taloha kelin’ny handravana an’i Jerosalema, dia mbola navelan’i Jehovah hifidy ny fiainana ihany ireo Jiosy tsy nibebaka, izay mendrika ny ho faty. “Lehibe [tokoa] ny famindrampony.”—2 Samoela 24:14; Salamo 119:156.

31:34. Tena mampahery ny mahalala fa tsy tsarovan’i Jehovah intsony ny fahotan’ireo voavela heloka, ka tsy hamaly azy ireo intsony izy!

38:7-13; 39:15-18. Tsy manadino ny fanompoana ataontsika amim-pahatokiana i Jehovah. Anisan’izany ny ‘fikarakarana ny olona masina.’—Hebreo 6:10.

45:4, 5. Tsy fotoana nikatsahana “zavatra lehibe” intsony, taloha kelin’ny handringanana an’i Joda. Toy izany koa amin’izao “andro farany” izao. Tsy tokony hikatsaka vola aman-karena na laza intsony isika.—2 Timoty 3:1; 1 Jaona 2:17.

MAY I JEROSALEMA

(Jeremia 52:1-34)

Teo amin’ny faha-11 taona nanjakany i Zedekia, tamin’ny 607 T.K. Nanao fahirano an’i Jerosalema nandritra ny 18 volana i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Tamin’ny andro fahafito tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona faha-19 nanjakan’i Nebokadnezara, dia “tonga” tao Jerosalema i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina. (2 Mpanjaka 25:8) Teny amin’ny tobiny ivelan’ny mandan’ny tanàna angamba i Nebozaradana no nanara-maso ny toe-javatra, ary namolavola ny tetikadiny. Telo andro tatỳ aoriana, tamin’ny volana fahafolo, dia niditra tao Jerosalema izy. Ary nodorany ny tanàna.—Jeremia 52:7, 12.

Notantarain’i Jeremia tamin’ny an-tsipiriany ny faharavan’i Jerosalema. Izany no nahatonga azy hanao hira fisaonana, izay hita ao amin’ny bokin’ny Fitomaniana.

[Sary, pejy 8]

Anisan’ny hafatra nolazain’i Jeremia ny didim-pitsaran’i Jehovah momba an’i Jerosalema

[Sary, pejy 9]

Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny heriny mba hanampiana an’i Jeremia?

[Sary, pejy 10]

“Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo.”—Jeremia 24:5