Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Matahotra na dia Mikorontana aza ity Tontolo Ity!

Aza Matahotra na dia Mikorontana aza ity Tontolo Ity!

Manasa Anao Izahay Hanatrika Ilay Lahateny Manokana hoe:

Aza Matahotra na dia Mikorontana aza ity Tontolo Ity!

Hatao any amin’ny firenena 230 mahery io lahateny ara-baiboly io, amin’ny alahady 15 Aprily 2007. Inona avy no hovelabelarina amin’izany? Ireto avy no santionany:

Nahoana no mitebiteby ny olona an’arivony tapitrisa eran-tany?

Oviana no tena nanomboka nampitebiteby ny fiainana?

Ahoana no hahatonga anao tsy hanana ahiahy?

Tongava manatrika an’io lahateny lehibe io, dia hahazo ny valin’ireo fanontaniana ireo ianao. Hatao any amin’ny toerana an’arivony izy io, ary amin’ny ankapobeny dia any amin’ireo Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Anontanio amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao, ny ora sy ny toerana hanaovana azy. Manasa anao an-tanan-droa àry izahay hanatrika an’io lahateny mampahery io. Izao mihitsy no fotoana ilana azy io.