Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avelao Hitari-dalana Anao ny Tenin’Andriamanitra

Avelao Hitari-dalana Anao ny Tenin’Andriamanitra

Avelao Hitari-dalana Anao ny Tenin’Andriamanitra

“Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.”—SALAMO 119:105.

1, 2. Nahoana no tsy mahita tena fiadanana sy fahasambarana ny ankamaroan’ny olona?

EFA nitranga taminao ve izany hoe tsy maintsy nanontany lalana izany? Angamba efa akaiky ho tonga tany amin’ny nalehanao ianao, saingy tsy tadidinao hoe aiza ho aiza no mivily. Sa very tanteraka ianao tamin’izay, ka nila niova lalana mihitsy? Na ahoana na ahoana, tsy miaiky ve ianao fa nahasoa anao ny nanaraka ny lalana natoron’ny olona nahafantatra tsara an’ilay toerana? Afaka nanampy anao ho tonga tany amin’izay nalehanao ilay olona.

2 Efa an’arivony taona maro izay no niezahan’ny ankamaroan’ny olona nitondra samirery ny fiainany, tsy nanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra. Very tanteraka anefa ny olombelona tsy lavorary rehefa nanao izany. Tsy nahita tena fiadanana sy fahasambarana mihitsy izy ireo. Nahoana? Satria “tsy an’ny olombelona ... ny hahalavorary ny diany”, hoy i Jeremia mpaminany, 2 500 taona mahery lasa izay. (Jeremia 10:23) Azo antoka fa tsy hahomby ny olona manao izay saim-pantany fotsiny, sady tsy manaraka izay atoron’ny olona mahay. Mila tari-dalana tokoa ny olombelona!

3. Nahoana no i Jehovah Andriamanitra no mahay mitari-dalana ny olona indrindra? Inona no ampanantenainy?

3 I Jehovah Andriamanitra no mahay mitari-dalana antsika indrindra. Nahoana? Satria izy no tena mahalala antsika. Fantany tsara hoe ahoana no nahatonga ny olombelona ho diso lalana ka ho very. Hainy koa hoe inona no ilaina mba hamerenana azy ireo amin’ny lalana marina. Ankoatra izany, dia fantatr’i Jehovah foana izay hahasoa antsika indrindra, satria izy no Mpamorona. (Isaia 48:17) Afaka matoky tanteraka izao fampanantenany ao amin’ny Salamo 32:8 izao àry isika: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” Azo antoka fa tsy misy tsara noho ny tari-dalan’i Jehovah. Ahoana anefa no anomezany tari-dalana antsika?

4, 5. Mitari-dalana antsika ny tenin’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana?

4 Hoy ny mpanao salamo rehefa nivavaka tamin’i Jehovah: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Salamo 119:105) Ao amin’ny Baiboly no ahitana ny tenin’Andriamanitra sy ny fampahatsiahivany. Afaka manampy antsika handresy vato misakana eo amin’ny fiainana izy ireny. Rehefa mamaky Baiboly isika ka manaiky ny tari-dalana omeny, dia ho hitantsika tokoa ny fahamarinan’ny Isaia 30:21 hoe: “Ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.”

5 Mariho ireo zavatra roa ataon’ny Tenin’Andriamanitra ho antsika, araka ny Salamo 119:105. Mifandray ihany ireo zavatra roa ireo. Voalohany, fanilo na jiro ho an’ny tongotsika izy io. Tokony hanaraka ny toro lalana ao amin’izy io isika, rehefa miatrika olana eo amin’ny fiainana andavanandro. Handray fanapahan-kevitra tsara isika amin’izay, ary ho afaka hiala amin’ny fandrik’ity tontolo ity. Faharoa, manazava ny lalantsika ny fampahatsiahivan’Andriamanitra. Manampy antsika izy io hanao safidy mifanaraka amin’ny fanantenantsika, dia ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa nampanantenain’Andriamanitra. Mazava tsara ny lalana hizorantsika, ka hahay hamantatra ny ho vokatry ny ataontsika isika, na ho tsara na ho ratsy. (Romanina 14:21; 1 Timoty 6:9; Apokalypsy 22:12) Andeha hodinihintsika akaiky kokoa hoe ahoana no hahatonga ny tenin’Andriamanitra ho jiro ho an’ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika.

“Fanilon’ny tongotro”

6. Amin’ny toe-javatra manao ahoana ny tenin’Andriamanitra no jiro ho an’ny tongotsika?

6 Mandray fanapahan-kevitra isika isan’andro. Mety hoheverina ho madinika ny fanapahan-kevitra sasany, nefa mety hitarika anao ho amin’ny fakam-panahy indraindray. Mety halaim-panahy haloto fitondran-tena, ohatra, ianao na tsy hanao ny marina, na hitsabaka amin’ny raharahan’izao tontolo izao. Tsy maintsy manana “fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy” isika, mba handresena fakam-panahy toy izany. (Hebreo 5:14) Manazatra ny feon’ny fieritreretantsika isika, rehefa miezaka ny hanana fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra, sy hahafantatra bebe kokoa ny toro lalana omeny. Hanampy antsika handray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah izany.—Ohabolana 3:21.

7. Mety ho voatarika hifanerasera amin’ny mpiara-miasa tsy Vavolombelona ny Kristianina. Manomeza ohatra.

7 Misy ohatra iray ity. Aoka hatao hoe efa olon-dehibe ianao, ary miezaka amin’ny fonao manontolo mba hampifaly ny fon’i Jehovah. (Ohabolana 27:11) Mendri-piderana izany. Ahoana anefa raha manasa anao hiaraka aminy hijery fampisehoana ny mpiara-miasa aminao vitsivitsy, ary manome tapakila anao? Mahafinaritra azy ireo ny miaraka aminao any am-piasana, fa mba te hiaraka aminao koa izy ireo rehefa tsy miasa. Tsy olon-dratsy mihitsy angamba ny fahitanao azy ireo, ary mety ho tsara toetra ihany. Inona no hataonao? Mety hisy vokany ratsy ve ny fanekenao ny fanasan’izy ireo? Ahoana no hanampian’ny Tenin’Andriamanitra anao handray fanapahan-kevitra tsara?

8. Inona avy ny toro lalan’ny Soratra Masina manampy antsika handinika ny fifaneraserantsika amin’ny hafa?

8 Andeha isika handinika toro lalana vitsivitsy ao amin’ny Soratra Masina. Izao voalazan’ny 1 Korintianina 15:33 izao angamba no tonga voalohany ao an-tsaintsika: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” Midika ve izany fa tsy tokony hiaraka amin’ny olona tsy Vavolombelona mihitsy ianao? Tsy milaza an’izany ny Baiboly. Ny apostoly Paoly aza niahy sy tia ny “karazan’olona rehetra”, anisan’izany ny olona tsy nitovy finoana taminy. (1 Korintianina 9:22) Anisan’ny Kristianisma mihitsy ny fiahiana ny hafa, anisan’izany ireo tsy mitovy finoana amintsika. (Romanina 10:13-15) Ahoana tokoa moa no hanarahantsika an’ilay torohevitra hoe tokony “hanao soa amin’ny rehetra”, raha mihatakataka amin’ireo mety hila fanampiana isika?—Galatianina 6:10.

9. Inona no torohevitry ny Baiboly manampy antsika hahay handanjalanja, rehefa mifandray amin’ny mpiara-miasa amintsika?

9 Tena tsy mitovy anefa ny hoe sariaka amin’ny mpiara-miasa sy ny hoe lasa namany akaiky. Manome toro lalana hafa mahakasika izany ny Baiboly. Nampitandrina ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.” (2 Korintianina 6:14) Inona no dikan’ilay hoe “aza manaiky hiray zioga”? Misy Baiboly mandika azy io hoe “aza miray petsapetsa.” Rehefa inona àry no manjary tsy mety intsony ny fifaneraserana amin’ny mpiara-miasa? Rehefa inona izy io no tafahoatra ka toy ny hoe miray zioga aminy ianao? Manome tari-dalana momba izany ny Tenin’Andriamanitra.

10. a) Ahoana no nifidianan’i Jesosy ny namany? b) Inona avy no fanontaniana mety hanampy ny olona iray hahay hifidy namana?

10 Diniho ny modely nomen’i Jesosy. Vao noforonina ny olombelona dia efa tia azy ireo izy. (Ohabolana 8:31) Nifandray akaiky tamin’ny mpanara-dia azy koa izy tetỳ an-tany. (Jaona 13:1) “Tia” lehilahy iray diso lalana teo amin’ny lafiny ara-pivavahana mihitsy aza izy. (Marka 10:17-22) Nifidy tsara izay ho namany akaiky anefa i Jesosy. Tsy nifandray be tamin’ny olona tsy tena naniry hanao ny sitrapon’ny Rainy izy. Hoy izy indray mandeha: “Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo ianareo.” (Jaona 15:14) Marina fa mety hifankahazo tsara amin’ny mpiara-miasa iray ianao. Eritrereto anefa izao fanontaniana izao: ‘Maniry hanao izay nandidian’i Jesosy ve izy? Moa ve izy te hianatra momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra nasain’i Jesosy hivavahantsika? Manaraka fitsipi-pitondran-tena kristianina toa ahy ve izy?’ (Matio 4:10) Hiharihary aminao ny valin’ireo fanontaniana ireo, rehefa miresaka amin’ny mpiara-miasa aminao ianao, ary tsy mampandefitra ny fitsipiky ny Baiboly.

11. Milazà toe-javatra vitsivitsy tokony hanarahantsika ny tari-dalan’ny tenin’Andriamanitra.

11 Toy ny jiro ho an’ny tongotsika koa ny tenin’Andriamanitra amin’ny toe-javatra maro hafa. Mety hotolorana asa tena ilainy mafy, ohatra, ny Kristianina iray tsy an’asa. Mitaky fotoana be anefa ilay izy, ka tsy ho afaka hivory matetika izy sady tsy ho afaka handray anjara amin’ny asa hafa mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah, raha manaiky an’ilay asa. (Salamo 37:25) Ny Kristianina hafa iray kosa mety halaim-panahy mafy hijery boky na filma, izay hita mazava fa mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly. (Efesianina 4:17-19) Misy indray kosa mety ho mora tafintohina noho ny tsy fahalavorarian’ny mpiray finoana aminy. (Kolosianina 3:13) Tokony hataontsika jiro ho an’ny tongotsika ny Tenin’Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra toy ireny. Tena ho afaka hiatrika soa aman-tsara ny olana rehetra eo amin’ny fiainana isika, rehefa manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. “Mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana” tokoa ny Tenin’Andriamanitra.—2 Timoty 3:16.

“Fanazavana ny làlako”

12. Ahoana no anazavan’ny tenin’Andriamanitra ny lalantsika?

12 Milaza koa ny Salamo 119:105 fa afaka manazava ny lalantsika ny tenin’Andriamanitra, izany hoe ny lalana hizorantsika. Manjary mahafantatra ny hoavy isika satria hazavain’ny Baiboly ny dikan’ireo zavatra mampahory eran-tany, sy ny hiafaran’izany. Miaiky tokoa isika fa miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ratsy ity. (2 Timoty 3:1-5) Tokony hisy heriny lalina eo amin’ny fomba fiainantsika ny fahalalana izay hitranga amin’ny hoavy. Hoy ny apostoly Petera: “Koa satria ho levona ireo zavatra rehetra ireo, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra raha mbola miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah?”—2 Petera 3:11, 12.

13. Fantatsika fa efa akaiky ny farany, ka inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny toe-tsaintsika sy ny fomba fiainantsika?

13 Tokony ho hita taratra amin’ny toe-tsaintsika sy ny fomba fiainantsika, fa tena miaiky isika hoe “mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany.” (1 Jaona 2:17) Manampy antsika hahay hanapa-kevitra ny amin’izay tanjona hotratrarintsika ny fanarahana ny toro lalan’ny Baiboly. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” (Matio 6:33) Mendri-piderana tokoa ireo tanora maro maneho finoana an’izany tenin’i Jesosy izany, ka manao ny fanompoana manontolo andro! Ny hafa indray mifidy ny hifindra any amin’ny toerana tena ilana mpitory ilay Fanjakana. Fianakaviana manontolo mihitsy ny sasany aminy.

14. Inona no nataon’ny fianakaviana kristianina iray mba hanitarana ny fanompoany?

14 Nifindra any amin’ny Repoblika Dominikanina, ohatra, ny fianakaviana kristianina iray avy any Etazonia. Manompo ao amin’ny fiangonana iray ao amin’ny tanàna misy mponina 50 000 izao izy efa-mianaka. Misy mpitory 130 eo ho eo ao amin’ilay fiangonana. Efa ho 1 300 anefa ny olona tonga nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny 12 Aprily 2006! “Efa masaka hojinjaina” tokoa ny vokatra ao amin’ilay faritany, ka nitarika fampianarana Baiboly 30 izy efa-mianaka, raha atambatra, taorian’ny dimy volana monja nahatongavany. (Jaona 4:35) Hoy ilay raim-pianakaviana: “Rahalahy sy anabavy 30 no nifindra nankatỳ mba hanampy an’ilay fiangonana. Misy 20 eo ho eo ny avy any Etazonia. Avy any Bahamas, Espaina, Italia, Kanada, ary Nouvelle-Zélande kosa ny hafa. Vao tonga izy ireo dia efa tsy andriny izay handehanana hanompo. Tena nampitombo ny hafanam-pon’ireo rahalahy eto an-toerana izany.”

15. Inona avy no fitahiana azonao noho ianao nanao an’ilay Fanjakana ho loha laharana eo amin’ny fiainanao?

15 Marina aloha fa maro no tsy afaka mifindra any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa. Azo antoka anefa fa hahazo fitahiana maro ireo manao izany, na ireo afaka manao fanitsiana mba hahafahana hanao izany. Na aiza na aiza anefa no anompoanao, dia aoka ianao hahita fifaliana foana raha mbola manompo an’i Jehovah amin’ny herinao manontolo. Raha manao an’ilay Fanjakana ho loha laharana eo amin’ny fiainanao ianao, dia mampanantena i Jehovah fa ‘hampidina fitahiana manana amby ampy ho anao.’—Malakia 3:10.

Mandraisa soa avy amin’ny tari-dalan’i Jehovah

16. Inona no soa ho azontsika raha avelantsika hitari-dalana antsika ny tenin’Andriamanitra?

16 Mitari-dalana antsika amin’ny fomba roa ny tenin’i Jehovah, araka ny hitantsika teo. Fanilo na jiro ho an’ny tongotsika izy io. Manampy antsika handeha hatrany amin’ny lalana marina izy io, ary mitari-dalana antsika rehefa hanapa-kevitra isika. Manazava ny lalantsika koa izy io, ka manjary fantatsika mazava tsara ny hoavy. Manampy antsika hanaraka izao fampirisihan’i Petera izao izany: “Hatanjaho hiatrika asa ny sainareo, ary aoka ho mailo tsara foana ianareo. Aoka ianareo hanantena ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izay hoentina ho anareo rehefa haharihary i Jesosy Kristy.”—1 Petera 1:13.

17. Inona no tokony hataontsika rehefa mianatra Baiboly, mba hanarahantsika ny tari-dalan’Andriamanitra?

17 Manome tari-dalana tokoa i Jehovah. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: ‘Hanaraka izany ve ianao?’ Aoka ianao ho tapa-kevitra hamaky Baiboly isan’andro, mba hahafantaranao ny tari-dalana omen’i Jehovah. Saintsaino izay vakinao, ary ezaho fantarina ny fomba fihevitr’i Jehovah hita ao. Eritrereto ny fomba samy hafa azonao ampiharana an’izay novakinao. (1 Timoty 4:15) Ampiasao avy eo ny ‘sainao’ rehefa hanapa-kevitra ianao.—Romanina 12:1.

18. Inona no fitahiana raisintsika rehefa mamela ny Tenin’Andriamanitra hitari-dalana antsika isika?

18 Raha avelantsika hanan-kery eo amintsika ny toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia hitondra fahazavana ara-panahy ho antsika. Hahazo ny tari-dalana ilaintsika koa isika amin’izay, rehefa hanapa-kevitra ny amin’izay tokony hatao. Mahazo matoky isika fa “mahahendry ny kely saina” ny tenin’i Jehovah. (Salamo 19:7) Hanana feon’ny fieritreretana madio isika, raha mamela ny Baiboly hitari-dalana antsika. Ho afa-po koa isika satria mampifaly an’i Jehovah. (1 Timoty 1:18, 19) Homen’i Jehovah an’ilay valisoa lehibe indrindra, dia ny fiainana mandrakizay isika, raha mamela ny Teniny hitari-dalana antsika isan’andro.—Jaona 17:3.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no tena ilaina ny mamela an’i Jehovah Andriamanitra hitari-dalana antsika?

• Ahoana no hahatonga ny tenin’Andriamanitra ho jiro ho an’ny tongotsika?

• Ahoana no anazavan’ny tenin’Andriamanitra ny lalantsika?

• Inona no tokony hataontsika rehefa mianatra Baiboly, mba hanarahantsika ny tari-dalan’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Rehefa inona no tsy fahendrena ny mifanerasera amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah?

[Sary, pejy 16]

Izay nanao ny sitrapon’i Jehovah no naman’i Jesosy akaiky

[Sary, pejy 17]

Hita amin’ny fomba fiainantsika ve fa manao an’ilay Fanjakana ho loha laharana isika?