Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Sarahina Izay Nampiraisin’Andriamanitra Zioga

Aza Sarahina Izay Nampiraisin’Andriamanitra Zioga

Aza Sarahina Izay Nampiraisin’Andriamanitra Zioga

“Tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”—MATIO 19:6.

1, 2. Tsy maintsy manampo ny hahita olana ny mpivady indraindray. Nahoana izany no mifanaraka amin’ny Soratra Masina sy ny zava-misy?

AOKA hatao hoe hanao dia lavitra ianao ary hitondra fiara. Hieritreritra ve ianao hoe tsy hisy mihitsy ny olana eny an-dalana? Tsy mijery ny tena zava-misy ianao, raha izany! Mety ho ratsy be mantsy ny andro, ka tsy maintsy handeha mora kokoa sy hitandrina tsara ianao. Mety hisy zavatra simba koa amin’ilay fiara, nefa tsy hainao ny manamboatra azy, ka ho voatery haka sisiny ianao ary hitady fanampiana. Raha izany no mitranga, dia hilaza ve ianao hoe: ‘Tahaka izay aho tsy nandeha. Havelako eto ity aotomobilina ity!’ Tsy hieritreritra an’izany mihitsy ianao. Efa ampoizinao ny hisian’ny olana rehefa manao dia lavitra ianao, ary mitady vahaolana ianao rehefa mitranga izany.

2 Toy izany koa ny fanambadiana. Tsy azo ihodivirana ny olana, ka tsy mijery ny tena zava-misy ny olon-droa mikasa hivady, raha manantena fa ho fanaperana ny fiainany. Milaza mazava tsara ny Baiboly ao amin’ny 1 Korintianina 7:28 fa “hanam-pahoriana amin’ny nofony” ny mpivady. Nahoana? Raha tsorina, dia satria tsy lavorary izy ireo, ary “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao iainantsika izao. (2 Timoty 3:1; Romanina 3:23) Tsy maintsy hiatrika olana ihany àry indraindray na dia ny olon-droa mifanentana tsara sy manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra aza.

3. a) Ahoana no fiheveran’ny olona maro eto amin’ity tontolo ity ny fanambadiana? b) Nahoana ny mpivady kristianina no miezaka hanolokolo ny fifandraisany?

3 Te hisaraka avy hatrany ny mpivady sasany eto amin’ity tontolo ity, raha vao misy olana. Mitombo tsy an-kijanona ny fisaraham-panambadiana, any amin’ny tany maro. Mitady vahaolana kosa ny tena Kristianina, fa tsy mieritreritra ny hisaraka. Nahoana? Satria fanomezana masina avy amin’i Jehovah ny fanambadiana amin’izy ireo. Hoy i Jesosy momba ny mpivady: “Aoka ... izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.” (Matio 19:6) Marina fa mety tsy ho mora ny hanaraka izany fitsipika izany. Matetika, ohatra, no mampirisika ny mpivady mba hisara-toerana na hisara-panambadiana noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina ny havany sy ny olon-kafa, izay tsy manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Anisan’izany ny mpanolo-tsaina momba ny fanambadiana. * Fantatry ny Kristianina anefa fa tsara kokoa ny mandamina ny olana ao an-tokantrano sy manolokolo ny fifandraisana, toy izay maimaika hisaraka. Vao eo am-piandohana mihitsy, dia efa tokony ho tapa-kevitra ny mpivady fa ny torohevitr’i Jehovah no harahiny, fa tsy ny an’ny olon-kafa.—Ohabolana 14:12.

Fomba iatrehana olana

4, 5. a) Inona avy no zava-tsarotra atrehin’ny mpivady rehetra? b) Nahoana ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no mandaitra foana, na dia rehefa mahita olana aza ny mpivady?

4 Misy olana mila alamina eo amin’ny mpivady rehetra indraindray. Tsy fifanarahana madinidinika ilay izy mazàna. Mety hanana olana lehibe kokoa anefa ny mpivady sasany, ary mety hanozongozona ny fototr’ilay fanambadiana mihitsy ilay izy. Mety hilaina indraindray ny mitady fanampiana amin’ny anti-panahy manambady sy efa za-draharaha. Na mitranga aminareo aza anefa ireo rehetra ireo, dia tsy midika izany hoe tsy mahomby ny fanambadianareo. Asongadin’izy ireny fotsiny fa mila arahina tsara ny toro lalan’ny Baiboly, mba hahitana vahaolana.

5 I Jehovah no namorona ny olombelona sy nanorina ny fanambadiana, ka izy no tena mahalala izay ilaintsika mba hananantsika fanambadiana vanona. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: Hanaiky sy hanaraka ny torohevitra ao amin’ny Teniny ve isika? Azo antoka fa hahasoa antsika izany. Hoy i Jehovah tamin’ny vahoakany fahiny: “Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.” (Isaia 48:18) Hahomby tokoa ny fanambadiana, raha manaraka ny tari-dalan’ny Baiboly ny mpivady. Hodinihintsika àry aloha ny torohevitra omen’izy io ho an’ny lehilahy manambady.

“Tiavo mandrakariva ny vadinareo”

6. Inona no torohevitra omen’ny Soratra Masina ho an’ny lehilahy manambady?

6 Nanome toro lalana mazava ho an’ny lehilahy manambady ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Efesianina hoe: “Ry lehilahy, tiavo mandrakariva ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy. Toy izany no tokony hitiavan’ny lehilahy ny vadiny tahaka ny tenany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa, ary mikarakara azy amim-pitiavana tahaka ny ataon’i Kristy amin’ny fiangonana. Na izany aza, dia aoka koa ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany.”—Efesianina 5:25, 28, 29, 33.

7. a) Inona ilay zava-dehibe tokony ho anisan’ny fototry ny fanambadiana kristianina? b) Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy manambady fa tiany mandrakariva ny vadiny?

7 Tsy nitanisa ny olana rehetra mety hipoitra eo amin’ny mpivady i Paoly teo, fa nanome ny vahaolana lehibe indrindra. Nampahafantariny hoe inona ilay zava-dehibe tokony ho anisan’ny fototry ny fanambadiana kristianina. Tsy inona izany fa ny fitiavana. Impito izy no nanisy resaka momba ny fitiavana ao amin’ireo andinin-teny ireo. Mariho koa fa mampirisika ny lehilahy manambady izy hoe: “Tiavo mandrakariva ny vadinareo.” Azo antoka fa fantany hoe mora ny hoe raiki-pitia, fa sarotra ny ho tia foana. Izany tokoa no izy amin’izao “andro farany” izao, izay ahitana olona maro “tia tena” sy ‘tsy azo ifanarahana.’ (2 Timoty 3:1-3) Ny toetra ratsy toy izany no manimba fanambadiana maro ankehitriny. Ny lehilahy be fitiavana kosa anefa dia tsy hamela ny fitiavan-tenan’ity tontolo ity hanan-kery eo amin’ny fomba fisainany sy ny zavatra ataony.—Romanina 12:2.

Inona no tafiditra amin’ny hoe manome izay ilain’ny vadinao?

8, 9. Inona avy no tafiditra amin’ny hoe manome izay ilain’ny vadinao?

8 Raha lehilahy kristianina manambady ianao, inona no hanampy anao mba tsy ho tia tena, fa tena ho tia ny vadinao? Nilaza zavatra roa tokony hataonao i Paoly, tao amin’ilay taratasiny ho an’ny Efesianina. Voalohany, tokony hanome izay ilain’ny vadinao ianao. Faharoa, tokony hikarakara azy amim-pitiavana ianao, toy ny ataonao amin’ny tenanao ihany. Inona avy àry no ilain’ny vadinao ka tokony homenao azy? Anisan’izany ny zavatra ilainy andavanandro. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.”—1 Timoty 5:8.

9 Tsy ampy anefa ny manome sakafo sy fitafiana ary trano ipetrahana. Nahoana? Satria mety hahavita hamelona tsara ny vadiny ny lehilahy iray, saingy tsy manampy azy hanana finoana matanjaka, sady tsy mihevitra ny fihetseham-pony na mampahery azy. Tena ilaina anefa ireo. Marina fa maro ny lehilahy kristianina be atao, satria mikarakara izay ilain’ny fiangonana. Tsy midika anefa izany hoe tokony hataony tsirambina ny adidy nomen’Andriamanitra azy amin’ny maha loham-pianakaviana azy. (1 Timoty 3:5, 12) Izao no voalaza tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, taona vitsivitsy lasa izay: ‘Araka ny fepetra ao amin’ny Baiboly, dia azo lazaina fa “manomboka ao an-tokantranony ny asan’ny mpiandry.” Mety hesorina tsy ho anti-panahy ny mpiandraikitra iray, raha manao tsirambina ny fianakaviany.’ * Mazava, araka izany, fa tsy maintsy mikarakara izay ilain’ny vadinao ianao. Tafiditra amin’izany ny hoe mamelona azy, mihevitra ny fihetseham-pony, mampahery azy, ary indrindra manampy azy hanana finoana matanjaka.

Inona no dikan’ny hoe mikarakara ny vadinao amim-pitiavana?

10. Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy iray fa mikarakara ny vadiny amim-pitiavana izy?

10 Hikarakara ny vadinao amim-pitiavana ianao, raha tena tia azy. Misy fomba maromaro azonao anaovana izany. Voalohany, manokàna fotoana ampy tsara hiarahana aminy. Mety hihalefy ny fitiavany anao, raha tsy izany. Mety hieritreritra ianao hoe ampy ny fotoana atokanao ho azy sy ny fiahianao azy. Tadidio anefa fa mety tsy ho izany no tsapany. Tsy ampy ny milaza fotsiny hoe tianao ny vadinao. Izy mihitsy no mila mahatsapa izany. Hoy i Paoly: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.” (1 Korintianina 10:24) Raha tia ny vadinao ianao, dia hiezaka hamantatra hoe inona marina no tena ilainy.—Filipianina 2:4.

11. Misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana ny fomba itondran’ny lehilahy ny vadiny. Hazavao. (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

11 Faharoa, tokony ho hita amin’izay lazainao sy ataonao fa mikarakara amim-pitiavana ny vadinao ianao. (Ohabolana 12:18) Hoy i Paoly tamin’ny Kolosianina: “Ianareo lehilahy, tiavo mandrakariva ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.” (Kolosianina 3:19) Milaza ny boky iray fa mety ho azo adika toy izao io tapany farany io: “Aza atao toy ny mpiasa izy” na “aza atao toy ny andevo izy.” Tena tsy mikarakara ny vadiny amim-pitiavana mihitsy ny lehilahy iray, raha manjakazaka aminy, na eny imason’olona izany, na rehefa izy roa irery. Mety hanimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra izy, raha mampijaly ny vadiny na masiaka aminy. Izao no torohevitry ny apostoly Petera ho an’ny lehilahy manambady: “Aoka ianareo hiara-mitoetra foana amin’ny vadinareo araka ny fahalalana, ka hanome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy, mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo. Mpiara-mandova aminy mantsy ianareo, eny, mpiara-mandova ilay fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny fiainana.” *1 Petera 3:7.

12. Inona no ianaran’ny lehilahy kristianina manambady avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny fiangonana?

12 Aza raisina ho toy ny zavatra mandeha ho azy fotsiny ny fitiavan’ny vadinao anao. Omeo toky izy fa tianao foana. Nanome modely ho an’ny lehilahy kristianina manambady i Jesosy, tamin’ny fomba nitondrany ny fiangonana. Tsara fanahy sy namela heloka izy, na dia imbetsaka aza ny mpanara-dia azy no nampiseho toetra tsy mety. Afaka nilaza àry i Jesosy hoe: “Mankanesa atỳ amiko ... fa malemy fanahy aho sady manetry tena am-po, dia ho velombelona ianareo.” (Matio 11:28, 29) Manahaka an’i Jesosy ny lehilahy kristianina, ka mitondra ny vadiny toy ny fomba nitondran’i Jesosy ny fiangonana. Hamelombelona ny vadiny tokoa izy, raha tena mikarakara azy amim-pitiavana, ka mampiseho izany amin’izay lazainy sy ataony.

Vehivavy manaraka ny toro lalan’ny Baiboly

13. Inona no toro lalan’ny Baiboly afaka manampy ny vehivavy manambady?

13 Misy toro lalana afaka manampy ny vehivavy manambady koa ao amin’ny Baiboly. Hoy ny Efesianina 5:22-24, 33: “Aoka ny vehivavy hanaiky ny vadiny, toy ny anekeny ny Tompo, satria ny lehilahy no lohan’ny vadiny, toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana, noho izy mpamonjy an’io vatana io. Toy ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no tokony haneken’ny vehivavy ny vadiny amin’ny zavatra rehetra. ... Aoka ... ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.”

14. Nahoana no tsy manambany ny vehivavy ilay toro lalan’ny Baiboly hoe: ‘Maneke ny vadinareo’?

14 Mariho fa manantitrantitra ny fanekena sy ny fanajana i Paoly. Ampahatsiahiviny ny vehivavy mba hanaiky ny vadiny. Mifanaraka amin’ny rafitra napetrak’Andriamanitra izany. Samy manana filoha tsy maintsy ekeny ny zavaboary rehetra any an-danitra sy eto an-tany. Na i Jesosy aza manaiky an’i Jehovah Andriamanitra. (1 Korintianina 11:3) Mazava ho azy fa ho mora kokoa amin’ny vadiny ny hanaiky hatrany ny lehilahy mampihatra ny fahefany araka ny tokony ho izy.

15. Inona no torohevitra hafa omen’ny Baiboly ho an’ny vehivavy manambady?

15 Nilaza koa i Paoly fa tokony “hanaja fatratra ny vadiny” ny vehivavy. Tokony hanana “toetra tony sy malemy paika” ny vehivavy kristianina, fa tsy hiseho ho ambony noho ny vadiny ka hanohitra ny fahefany, na hanao izay tiany hatao. (1 Petera 3:4) Miezaka mafy mba hanao izay hahasoa ny ankohonany ny vehivavy matahotra an’Andriamanitra, ary manome voninahitra ny lohany, izany hoe ny vadiny. (Titosy 2:4, 5) Hiezaka hilaza zavatra tsara momba ny vadiny izy, ka tsy hanao zavatra mety hahatonga ny olona tsy hanaja azy io. Hanao izay rehetra azony atao koa izy, mba hahombiazan’ny fanapahan-kevitra raisin’ny vadiny.—Ohabolana 14:1.

16. Inona no ianaran’ny vehivavy kristianina manambady avy amin’i Saraha sy Rebeka?

16 Na ampirisihina hanana toetra tony sy malemy paika aza ny vehivavy kristianina, dia tsy midika izany hoe tsy mahazo milaza ny heviny mihitsy izy, na hoe tsy ilaina ny heviny. Nilaza izay nampanahy azy ny vehivavy natahotra an’Andriamanitra fahiny, toa an’i Saraha sy Rebeka. Milaza ny Baiboly fa nankasitraka izany i Jehovah. (Genesisy 21:8-12; 27:46–28:4) Afaka milaza ny fihetseham-pony koa ny vehivavy kristianina manambady. Tokony haneho fiheverana ny vadiny anefa izy ireo rehefa manao izany, ary tsy tokony hanambany ny vadiny ny fomba ilazany ilay izy. Hahafinaritra kokoa ny hiresaka aminy amin’izay, ary ho mora kokoa amin’ny vadiny ny hanaiky izay hevitra arosony.

Aoka ianao ho tapa-kevitra hitana ny voady nataonao

17, 18. Inona avy no azon’ny mpivady atao, mba tsy handravan’i Satana ny fanambadiany?

17 Maharitra mandra-pahafaty ny voadim-panambadiana, ka samy tokony haniry hanao izay hahombiazan’ny fanambadiany ny mpivady. Raha tsy mifampiresaka tsara izy ireo rehefa misy olana, dia mety hitombo ny lonilony, ka ho lasa olana lehibe ilay izy. Tsy mifampiresaka intsony anefa ny mpivady matetika, rehefa misy zava-manahirana, ka manjary mitana lolompo. Misy aza mitady fomba hisarahana amin’ny vadiny mihitsy, ka angamba lasa miaraka amin’olon-kafa. Nampitandrina anefa i Jesosy hoe: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.”—Matio 5:28.

18 Izao no torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina rehetra, anisan’izany ireo manambady: “Tezera nefa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly.” (Efesianina 4:26, 27) Manararaotra ny disadisa mety hitranga eo amintsika samy isika i Satana, ilay fahavalontsika lehibe indrindra. Aza avela hahomby mihitsy izy! Rehefa misy olana eo aminao sy ny Kristianina hafa, dia karohy ao amin’ireo boky ara-baiboly hoe inona no fomba fihevitr’i Jehovah, ao amin’ny Soratra Masina. Mifampiresaha momba ilay olana, ary ataovy amin’ny fo tony sy tsy an-kifonofono izany. Raha hitanao hoe mbola misy tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah ny zavatra ataonao, dia miezaha mba hanaraka tsara azy ireny. (Jakoba 1:22-25) Aoka koa ny mpivady ho tapa-kevitra hiara-mandeha hatrany amin’Andriamanitra. Aza avela hisy na inona na inona, ary na iza na iza, hanasaraka izay nampiraisiny zioga!—Mika 6:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo ilay efajoro hoe “Fisaraham-panambadiana sy Fisintahana”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Febroary 2002, pejy 10, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 9 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1989, pejy 12.

^ feh. 11 Raha te hahafeno fepetra mba hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana ny lehilahy iray, dia tsy tokony ho “mpikapoka”, izany hoe tsy tokony hikasi-tanana olona na handevilevy azy. Izany no antony nanoratana toy izao tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1990, pejy 25: ‘Tsy mahafeno fepetra ny lehilahy iray, raha mitondra tena araka ny fitsipik’Andriamanitra any an-toeran-kafa, nefa manjakazaka ao an-trano.’—1 Timoty 3:2-5, 12.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no mety hahita olana na dia ny mpivady kristianina aza?

• Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy fa manome izay ilain’ny vadiny izy, sady mikarakara azy amim-pitiavana?

• Ahoana no azon’ny vehivavy ampisehoana fa manaja fatratra ny vadiny izy?

• Ahoana no ampisehoan’ny mpivady fa tapa-kevitra hitana ny voady nataony izy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 20]

Tsy vitan’ny hoe tokony hamelona ny vadiny ny lehilahy, fa tokony hanampy azy hanana finoana matanjaka koa

[Sary, pejy 21]

Hamelombelona ny vadiny ny lehilahy raha mikarakara azy amim-pitiavana

[Sary, pejy 23]

Mampahafantatra ny fihetseham-pony amim-panajana ny vehivavy kristianina