Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Rahoviana no hofaranan’Andriamanitra ny fiantsoana ny Kristianina manantena ho any an-danitra?

Tsy manome valiny hentitra amin’io fanontaniana io ny Baiboly. Fantatsika fa tamin’ny taona 33 no nanomboka ny fanosorana tamin’ny fanahy masina an’ireo mpianatr’i Jesosy manantena ny hahazo lova any an-danitra. (Asan’ny Apostoly 2:1-4) Fantatsika koa fa taorian’ny nahafatesan’ny apostoly, dia ‘niara-naniry’ tamin’ny “vary” na ny tena Kristianina voahosotra, ny “tsimparifary” na ny Kristianina sandoka. (Matio 13:24-30) Avy eo dia niharihary indray ny asan’ny Kristianina voahosotra, nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19. Nanomboka tamin’ny 1919 ny fijinjana “ny vokatry ny tany”, anisan’izany ny fanangonana ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra.—Apokalypsy 14:15, 16.

Ny fanangonana ireo sisa anisan’ny vatan’i Kristy no tena zava-kendrena tamin’ny asa fitoriana, nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 ka hatramin’ny taona 1931. Tamin’io taona 1931 io, no nandraisan’ny Mpianatra ny Baiboly ilay anarana avy ao amin’ny Soratra Masina hoe Vavolombelon’i Jehovah. Nolazaina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1933, fa io anarana tsy manan-tsahala io no “denaria” resahin’ny fanoharan’i Jesosy, ao amin’ny Matio 20:1-16. Noheverina ho mifanitsy amin’ireo 12 taona, nanomboka tamin’ny 1919 ka hatramin’ny 1931, ireo adiny 12 resahin’ilay fanoharana. Rehefa nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1933 àry io hevitra io, dia nino ny Vavolombelon’i Jehovah fa nifarana tamin’ny 1931 ny fiantsoana ho any amin’ny Fanjakana any an-danitra. Nino koa izy ireo, fa ireo Kristianina nantsoina ho mpiray lova amin’i Kristy tamin’ny 1930 sy 1931, no ireo “farany” nantsoina. (Matio 20:6-8) Niova anefa ny fanazavana ilay fanoharana tamin’ny 1966, ka hita tamin’izany fa tsy nisy nifandraisany tamin’ny fifaranan’ny fiantsoana ny voahosotra ilay izy.

Fantatra tamin’ny 1935, fa ilay “vahoaka be” resahin’ny Apokalypsy 7:9-15, dia anisan’ny “ondry hafa” na ny Kristianina manantena hiaina eto an-tany. Nazava fa io ilay antokon’olona angonina mandritra ny “andro farany”, ary tsy ho faty amin’ny Hara-magedona. (Jaona 10:16; 2 Timoty 3:1; Apokalypsy 21:3, 4) Taorian’io taona io, dia ny fanangonana ny vahoaka be indray no lasa zava-kendren’ny asa fampianarana. Nino àry ny Vavolombelon’i Jehovah, indrindra taorian’ny 1966, fa nifarana tamin’ny 1935 ny fiantsoana ho any an-danitra. Toa nanamarina izany ny zava-nitranga. Saika ny olona rehetra natao batisa taorian’ny 1935 mantsy no nilaza fa manantena hiaina eto an-tany. Izay voantso taorian’io taona io, ka manantena hiaina any an-danitra, dia noheverina fa solon’ireo Kristianina voahosotra nivadika tamin’i Jehovah.

Mazava ho azy fa raha misy voahosotra miala amin’ny fahamarinana nefa tsy mibebaka, dia miantso olon-kafa iray i Jehovah hisolo azy. (Romanina 11:17-22) Azo inoana anefa fa tsy betsaka ny voahosotra mivadika amin’i Jehovah. Tetsy an-danin’izany, dia hita fa nisy Kristianina vita batisa taorian’ny 1935, nahazo porofo avy amin’ny fanahy masina fa anisan’ireo ho any an-danitra. (Romanina 8:16, 17) Raha izany àry no dinihina, dia toa tsy azontsika atao ny milaza ny daty faran’ny fiantsoana ny Kristianina manantena ho any an-danitra.

Ahoana no tokony hiheverana ny olona iray, raha miaiky izy fa anisan’ny voahosotra, ary manomboka mihinana amin’ny mofo sy divay mandritra ny Fahatsiarovana? Tsy tokony hotsaraina izy, satria raharaha momba azy sy Jehovah izany. (Romanina 14:12) Tsy mangataka fikarakarana manokana anefa ny tena Kristianina voahosotra. Mino izy ireo fa tsy mahatonga azy hanana “fahaiza-misaina” manokana ny maha voahosotra azy. Mety hanana izany mantsy, na dia ny olona sasany manana traikefa anisan’ny vahoaka be aza. Fantany koa fa tsy voatery hoe hahazo fanahy masina bebe kokoa noho ireo anisan’ny ondry hafa izy. Tsy manantena hoe hiangarana izy ireo eo anivon’ny fiangonana. Tsy mihevitra koa izy ireo fa lasa ambony noho ny anti-panahy voatendry, satria hoe mihinana amin’ny mofo sy divay. Manetry tena kosa izy ireo, ka mitadidy hatrany fa tsy nahafeno fepetra ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana ny lehilahy voahosotra sasany tamin’ny taonjato voalohany. (1 Timoty 3:1-10, 12, 13; Titosy 1:5-9; Jakoba 3:1) Nalemy finoana aza ny Kristianina voahosotra sasany. (1 Tesalonianina 5:14) Tsy nampianatra teo anivon’ny fiangonana koa ny anabavy, na dia voahosotra aza.—1 Timoty 2:11, 12.

Miezaka mafy àry ny Kristianina voahosotra sy ireo namany anisan’ny ondry hafa, mba hanana finoana matanjaka foana sy haneho ny vokatry ny fanahy ary hampisy fiadanana eo anivon’ny fiangonana. Manaiky ny fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanana ny Kristianina rehetra, na voahosotra izy na ondry hafa, ka miezaka mafy hitory sy hampianatra. Faly manatanteraka izany ny Kristianina voahosotra, raha mbola sitrapon’i Jehovah koa ny hanompoany eto an-tany.