Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nikaroka Izahay ka Nahita Harena Sarobidy

Nikaroka Izahay ka Nahita Harena Sarobidy

Tantaram-piainana

Nikaroka Izahay ka Nahita Harena Sarobidy

Notantarain’i Dorothea Smith sy Dora Ward

Inona no harena sarobidy notadiavinay? Mbola tovovavy izahay tamin’izany, ary tena naniry handray anjara tamin’ny fanatanterahana ny didin’i Jesosy hoe: ‘Mandehana ary ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Matio 28:19) Nahita harena sarobidy tokoa izahay tamin’izany. Aleo hotantarainay ilay izy.

DOROTHEA: Teraka tamin’ny 1915 aho, taoriana kelin’ny nanombohan’ny Ady Lehibe I. Izaho no zandriny indrindra aminay telo mianadahy. Tany akaikin’i Howell, any Etazonia, izahay no nipetraka. Tsy mpivavaka i Dada, fa i Neny kosa tena natahotra an’Andriamanitra. Nampianariny hankatò ny Didy Folo izahay. Nanahy anefa izy satria tsy mba nanana ny fivavahanay izahay sy Willis anadahiko, ary Viola zokiko vavy.

Nihevitra àry i Neny fa tokony hatao batisa tao amin’ny Fiangonana Presbyterianina aho, tamin’izaho 12 taona. Mbola tadidiko tsara ny nanaovana batisa ahy. Nisy zazakely roa notrotroin’ny reniny avy, niara-natao batisa tamiko. Menatra be aho, satria nampiarahina tamin’ny zazakely. Nofafazan’ilay pasitera rano kely ny lohako, sady ningonongonona izy ka tsy azoko akory izay nolazainy. Nitovy tamin’ireo zazakely ireo ihany aho, satria tsy nisy zavatra fantatro momba ny batisa!

Nijanona teo aminay ny fiara iray, indray andro, tamin’ny 1932. Nosokafan’i Neny ny varavarana, ary nisy tovolahy roa nampiseho boky ara-pivavahana. Nilaza ny iray fa Albert Schroeder no anarany. Nanolotra boky vitsivitsy navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Ireo boky ireo no nanampy an’i Neny hanaiky ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Nanomboka nitady harena sarobidy

Nifindra tany Detroit aho tatỳ aoriana, ary niara-nipetraka tamin’ny zokiko vavy. Tany no nihaonako tamin’ny vehivavy lehibe iray nampianatra Baiboly an’ilay zokiko. Nanatrika ilay fianarana aho. Nampahatsiaro ahy fandaharana iray isan-kerinandro nohenoiko tao amin’ny radio izany, tamin’izaho niara-nipetraka tamin’i Neny. Lahateny ara-baiboly naharitra 15 minitra ilay izy, nataon’i J. Rutherford, izay nitarika ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Nanomboka niaraka tamin’ilay fiangonana voalohany tao Detroit izahay, tamin’ny 1937. Natao batisa aho ny taona nanaraka.

Taoriana kelin’ny 1940, dia nisy filazana fa nanokatra sekoly antsoina hoe Gileada, tany South Lansing, any New York, ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hampiofanana misionera. Reko fa hasaina hanompo any an-tany hafa ireo mahazo diplaoma amin’ilay izy. Nieritreritra aho hoe: ‘Tena tiako izany sekoly izany!’ Nataoko tanjona àry ny hanatrika ny Sekolin’i Gileada. Tena tombontsoa ny hitady “harena sarobidy” any an-tany hafa, izany hoe olona maniry ho mpianatr’i Kristy Jesosy!—Hagay 2:6, 7.

Tratrako ihany ny tanjoko

Niala tamin’ny asako aho tamin’ny Aprily 1942, ary nanomboka ny asan’ny mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, tany Findlay, any Ohio, niaraka tamin’ny rahavavy dimy. Tsy nisy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany. Izahay ihany no nifampahery, ka niara-namaky lahatsoratra tao amin’ny boky ara-baiboly. Nahapetraka boky 95 aho, tamin’ny volana voalohany nanaovako mpisava lalana! Herintaona sy tapany teo ho eo tatỳ aoriana, dia voatendry ho mpisava lalana manokana tany Chambersburg, any Pennsylvanie aho. Niara-nanompo tamin’ny mpisava lalana dimy aho tany, anisan’izany i Dora Ward, rahavavy avy any Iowa. Izy no namako nanomboka teo. Taona iray no nanaovana batisa anay, ary samy naniry hanatrika ny Sekolin’i Gileada sy ho misionera izahay.

Tonga ilay andro nandrasanay, tamin’ny 1944! Samy nasaina hanatrika ny kilasy fahefatra tamin’ny Sekolin’i Gileada izahay sy Dora. Ny Aogositra tamin’io taona io izahay no nanomboka. Alohan’ny hanohizako ny fitantarana, dia aleo i Dora hilaza hoe ahoana no nahatonga azy hiaraka tamiko, mba hitady harena sarobidy.

Tena naniry hitory manontolo andro

DORA: Nivavaka i Neny mba hahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra. Indray alahady dia niara-nandre lahateny nataon’i J. Rutherford tao amin’ny radio izahay mianaka. Hoy i Neny rehefa vita ilay izy: “Izany no fahamarinana!” Nianatra ireo bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay, tsy ela taorian’izay. Nanatrika lahatenin’ny batisa nataon’ny Vavolombelona aho tamin’ny 1935, tamin’izaho 12 taona. Tena naniry hanolo-tena ho an’i Jehovah àry aho ka natao batisa, telo taona tatỳ aoriana. Izany no nanampy ahy hitadidy foana ny tanjoko. Tsy andriko izay hahavitan’ny fianarako, mba hahafahako hanao mpisava lalana.

Niaraka tamin’ilay fiangonana nisy Vavolombelona vitsivitsy tany Fort Dodge, any Iowa, izahay. Nila ezaka be ny famonjena fivoriana. Tsy nisy fanontaniana natao hiaraha-midinika, ireo lahatsoratra fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’izany. Ny mpitory tsirairay no nasaina nanomana fanontaniana, ary nanome izany an’ilay anadahy nitarika. Nanomana fanontaniana iray isaky ny fehintsoratra izahay sy Neny, ny alatsinainy hariva. Nomenay ny mpitarika izy ireny, mba hifidianany an’izay tiany hampiasaina.

Nisy mpiandraikitra mpitety faritany nitsidika ny fiangonanay indraindray. Anisan’ireny anadahy ireny i John Booth, izay nanampy ahy hitory voalohany, tamin’izaho 12 taona. Nanontaniako azy ny fomba famenoana fangatahana hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana, tamin’izaho 17 taona, ary nanampy ahy izy. Tsy azoko an-tsaina mihitsy tamin’izany hoe mbola hihaona izahay, ary ho lasa mpinamana be!

Ny Rahavavy Dorothy Aronson, izay zokiko 15 taona, no mpisava lalana niara-nanompo tamiko. Nasaina hanatrika ny kilasy voalohany tamin’ny Sekolin’i Gileada anefa izy, tamin’ny 1943. Tsy nisy namana intsony aho taorian’izay.

Tsy nahasakana anay ny fanoherana

Niatrika fotoan-tsarotra izahay taorian’ny 1940, satria niredareda ny fitiavan-tanindrazana noho ny Ady Lehibe II. Matetika izahay no nisy nitoraka atody lamòkany, na voatabiha masaka, na vato mihitsy aza indraindray, rehefa nitory isan-trano! Mbola mafy kokoa aza ny fitsapana, rehefa nizara gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Fampiononana (Mifohaza! ankehitriny) teny an-dalana izahay. Nasain’ny mpanohitra nandrahona anay ny polisy, fa hosamborina, hono, izahay raha mbola tratra nitory.

Nitory foana anefa izahay, ka nentina tany amin’ny paositry ny polisy mba halaina am-bavany. Niverina teo amin’ilay lalana nitorianay indray izahay avy eo, ary mbola nizara gazety ihany. Nanoro hevitra anay hampiasa ny Isaia 61:1, 2 ireo anadahy mpiandraikitra, mba hiarovana ny finoanay. Nanatona ahy ny polisy tanora iray, indray mandeha. Sady natahotahotra aho no nanonona mafy an’io andinin-teny io taminy. Nahagaga fa nihodina izy dia lasa! Hoatran’ny hoe niaro anay mihitsy ireo anjely.

Andro iray tsy hay hadinoina

Faly aho nanatrika fivoriambe naharitra dimy andro tany Saint Louis, any Missouri, tamin’ny 1941. Nandritra an’ilay fivoriambe, dia nangataka an’ireo ankizy rehetra 5 ka hatramin’ny 18 taona ny Anadahy Rutherford, mba hankeo anoloan’ny lampihazo. An’arivony ny ankizy tafangona teo. Nanofahofa ny mosarany ny Anadahy Rutherford, ho fiarahabana anay. Mba nanofahofa mosara koa izahay rehetra. Hoy izy rehefa vita ny lahateniny naharitra adiny iray: “Ianareo ankizy rehetra izay manaiky hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy manohana ny fanjakan’i Kristy Jesosy, ary manaiky hankatò an’Andriamanitra sy ny Mpanjakany! Iangaviana ianareo hitsangana.” Niara-nitsangana ireo ankizy 15 000, anisan’izany aho! Hoy koa izy: “Ianareo rehetra vonona hanao izay azonareo atao mba hiresahana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitahiana hoentin’izy io, dia iangaviana hiteny hoe: ‘Eny.’ ” Niteny hoe: “Eny” izahay, ary nirefodrefotra ny tehaka.

Navoaka avy eo ny boky hoe Ankizy, * ary nilahatra tsirairay nankeny amin’ny lampihazo izahay ankizy. Nomen’ny Anadahy Rutherford boky vaovao iray avy izahay. Hafaliana moa ny anay! Maro tamin’ireny ankizy ireny no mbola manompo an’i Jehovah amin-jotom-po. Miresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany maneran-tany izy ireo.—Salamo 148:12, 13.

Faly be aho fa voatendry ho mpisava lalana manokana tany Chambersburg, rehefa avy nanompo nandritra ny telo taona! Tany no nihaonako tamin’i Dorothea, ary vetivety izahay dia lasa tsy nifankafoy. Mbola tanora sy natanjaka izahay, ka tena nafana fo. Vonona hampitombo ny asa fitorianay izahay. Niara-nitady harena sarobidy àry izahay, ka mbola manohy izany hatramin’izao.—Salamo 110:3.

Nihaona tamin’i Albert Mann, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy voalohany tamin’ny Sekolin’i Gileada izahay, volana vitsivitsy taorian’ny nanaovanay mpisava lalana manokana. Handeha hamonjy ny toerana nanendrena azy tany an-tany hafa izy tamin’izay. Nampirisika anay izy mba hanaiky izay toerana mety hanendrena anay any an-tany hafa.

Niara-nanatrika ilay sekoly

DORA SY DOROTHEA: Alao sary an-tsaina ny hafalianay, rehefa nanomboka ny fampiofanana ho misionera! I Albert Schroeder, ilay anadahy nametraka ilay boky hoe Fianarana ny Soratra Masina tamin’ny renin’i Dorothea, 12 taona talohan’io, no mpandrindra ilay sekoly. Izy no nandray anay. Teo koa i John Booth. Niasa tao amin’ny Toeram-piompiana sy Fambolen’ilay Fanjakana izy, ary tany no nanaovana ilay sekoly. Samy lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy mirahalahy, tatỳ aoriana.

Nianatra an’ireo fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly izahay, tamin’ny Sekolin’i Gileada. Tena tsara ilay fampiofanana. Nisy 104 ny mpianatra tao amin’ny kilasinay, anisan’izany ilay mpianatra vahiny voalohany avy any Meksika. Niezaka nanatsara ny teny anglisiny izy, fa izahay kosa niezaka nianatra teny espaniola. Nientanentana erỳ izahay tamin’ilay andro nizaran’ny Anadahy Nathan Knorr, ny taratasy fanendrena anay! Voatendry hanompo tany Amerika Afovoany sy Atsimo ny ankamaroanay. Voatendry ho eto Silia izahay mirahavavy.

Nitady harena sarobidy teto Silia

Tsy maintsy nangataka visa izahay mba hidirana teto Silia. Ela anefa vao azo ilay izy. Nanao mpisava lalana tany Washington àry izahay, nandritra ny herintaona sy tapany, rehefa nahazo diplaoma tamin’ny Janoary 1945. Misionera sivy izahay no niaraka nankatỳ Silia, rehefa nahazo visa. Nahazo diplaoma tamin’ny kilasy teo aloha ny fito taminay.

Vavolombelona maromaro no nitsena anay teto Santiago renivohitra. Anisan’izy ireo i Albert Mann, ilay misionera nampahery anay, taona vitsivitsy talohan’io. Efa herintaona no nahatongavany teto Silia, niaraka tamin’i Joseph Ferrari, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faharoa. Mbola latsaka ny 100 ny mpitory teto tamin’izany. Vonombonona erỳ izahay hitady harena sarobidy, izany hoe olona tso-po, teto amin’ilay faritany vaovao.

Nipetraka tao amin’ny tranon’ny misionera teto Santiago izahay. Vaovao taminay izany hoe niara-niaina tamin’ny misionera maro izany. Nisy ora fanompoana notakina taminay, nefa tsy maintsy nifandimby nahandro sakafo indray mandeha isan-kerinandro koa ny misionera rehetra. Nahamenatra ny sakafo nataonay indraindray. Nanao mofomamy izahay, indray maraina. Maimbo be ilay izy rehefa navoaka avy tao anaty lafaoro. Efa noana erỳ anefa ireo namanay. Hay tsy leviora no nampiasainay fa zavatra hafa! Tao anaty boatina leviora mantsy ilay izy.

Mbola nahamenatra kokoa anefa ny fahadisoana nataonay, rehefa nianatra teny espaniola. Saika tsy nianatra intsony ny fianakaviana iray maro anaka, satria tsy azon’izy ireo mihitsy ny teninay. Takatr’izy ireo ihany anefa ny fahamarinana, rehefa nojereny tao amin’ny Baiboliny ireo andinin-teny. Lasa Vavolombelona ny dimy taminy. Tsy mba nampianarina ny fiteny teo an-toerana ny misionera tamin’izany. Nitory avy hatrany izahay, ary nianatra ilay fiteny tamin’ireo olona niresahanay.

Nitarika fampianarana Baiboly maro izahay. Nandroso haingana ny sasany tamin’izy ireny, fa nisy kosa ela be. Nihaino tsara ny tovovavy iray atao hoe Teresa Tello rehefa nitoriana. Hoy izy: “Tongava indray amin’ny manaraka, fa tiako hotohizina ilay resaka.” In-12 izahay no niverina, fa tsy nahita azy. Nanatrika fivoriambe tao amin’ny kianja iray teto Santiago izahay, telo taona tatỳ aoriana. Rehefa hody izahay ny alahady, dia nisy niantso hoe: “Senorita Dora, Senorita Dora!” Niherika izahay, ka hay i Teresa ilay izy. Nitsidika ny rahavaviny teo akaiky teo izy, ka tonga mba hijery hoe nisy inona tao amin’ilay kianja. Faly be izahay nihaona taminy! Nanao fotoana izahay mba hianatra Baiboly indray. Natao batisa izy tsy ela taorian’izay, ary lasa mpisava lalana manokana tatỳ aoriana. Mbola mpanompo manontolo andro manokana i Teresa izao, 45 taona atỳ aoriana.—Mpitoriteny 11:1.

Harena sarobidy tany amin’ny “tany be fasika”

Voatendry hankany Punta Arenas, midika hoe “Saikinosy Be Fasika”, izahay tamin’ny 1959. Mirefy 4 300 kilaometatra ny halavan’ny morontsirak’i Silia, ary any amin’ny farany atsimo no misy azy io. Hafakely ny tanànan’i Punta Arenas. Amin’ny 11.30 alina vao milentika ny masoandro, rehefa fahavaratra. Afaka nanompo nandritra ny ora maro àry izahay. Nisy olana ihany anefa, satria mahery be ny rivotra avy any amin’ny Tendrontany Atsimo. Mangatsiaka kosa rehefa ririnina, ary vetivety dia maizina ny andro.

Mahafinaritra anefa any Punta Arenas, na izany aza. Misy rahona matevina foana eny amin’ny lanitra andrefana, amin’ny fahavaratra. Mirotsaka tampoka àry ny oram-be mivatravatra indraindray. Mitsoka indray anefa ny rivotra, ka maina ilay rano be teo. Mipoitra ny masoandro avy eo, ka manome avana tsara tarehy, izay maharitra ora maro indraindray. Rehefa takon-drahona ny masoandro, dia tsy hita ilay avana. Mipoitra indray anefa izy io rehefa misy tara-masoandro.—Joba 37:14.

Mbola vitsy ny mpitory tany Punta Arenas tamin’izany. Rahavavy àry no tsy maintsy nitarika fivoriana, tao amin’ilay fiangonana kely. Notahin’i Jehovah anefa ny ezaka nataonay. Nitsidika an’ilay faritra izahay, 37 taona tatỳ aoriana. Gaga izahay fa efa nisy fiangonana enina mandroso tsara any, ary Efitrano Fanjakana tsara tarehy telo. Tena faly izahay satria nampian’i Jehovah, ka nahita harena ara-panahy tany amin’io tany be fasika any atsimo io!—Zakaria 4:10.

Harena sarobidy any amin’ny “Torapasika Midadasika”

Voatendry hankany Valparaiso, tanàna misy seranan-tsambo, izahay rehefa avy nanompo telo taona sy tapany tao Punta Arenas. Misy vohitra 41 manodidina an’ilay tanàna, ary ny Oseana Pasifika no manoloana azy. Iray tamin’ireny vohitra ireny no tena nitorianay, dia i Playa Ancha, midika hoe “Torapasika Midadasika.” Nijanona tany 16 taona izahay. Maro tamin’ireo anadahy tanora tany no nandroso tsara, ka lasa mpiandraikitra mpitety faritany sy anti-panahy, manerana an’i Silia.

Tany Viña del Mar indray no nanendrena anay taorian’izay. Nanompo tany nandritra ny telo taona sy tapany izahay. Nisy horohoron-tany anefa ka simba ny tranon’ny misionera. Niverina teto Santiago àry izahay. Teto no nanombohanay ny asa misionera, 40 taona talohan’io. Betsaka ny zavatra niova. Nisy trano vaovaon’ny sampana naorina. Ilay taloha kosa nipetrahan’ireo misionera sisa teto Silia. Nampiasaina hanaovana ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana izy io, tatỳ aoriana. Naneho fitiavana sy hatsaram-panahy taminay indray i Jehovah tamin’izay. Nasaina hanketo amin’ny Betela izahay misionera dimy mianadahy efa be taona. Toerana 15 no efa nanendrena anay teto Silia. Latsaka ny 100 ny mpitory teto tamin’ny voalohany, nefa 70 000 eo ho eo izany ankehitriny! Faly be izahay nitady harena sarobidy teto Silia, nandritra ny 57 taona!

Tena notahin’i Jehovah izahay, ka nahita olona maro be, izay harena sarobidy tokoa! Mbola ampiasain’i Jehovah ao amin’ny fandaminany izy ireny. Enimpolo taona mahery izao no niarahanay mirahavavy nanompo an’i Jehovah. Mitovy amin’ny an’i Davida Mpanjaka ny fihetseham-ponay. Hoy mantsy izy: “Akory re ny haben’ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ny matahotra Anao!”—Salamo 31:19.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 24 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Sary, pejy 9]

Dorothea tamin’ny 2002 sy teny am-pitoriana tamin’ny 1943

[Sary, pejy 10]

Nitory teny an-dalana tany Fort Dodge, Iowa, 1942

[Sary, pejy 10]

Dora, 2002

[Sary, pejy 12]

Dorothea sy Dora, teo ivelan’ny tranon’ny misionera voalohany teto Silia, 1946