Ny Bokin’i John Milton
Ny Bokin’i John Milton
VITSY ihany ny mpanoratra nanan-kery lehibe teo amin’ny olona nanodidina azy toa an’i John Milton. Izy no namorona ilay tononkalo lava be hoe Paradisa Very (anglisy). Hoy ny mpanoratra iray: “Tian’ny olona maro i Milton na dia nankahalain’ny sasany aza. Vitsy ihany no tsy nahalala azy.” Mbola hita taratra eo amin’ny haisoratra sy ny kolontsaina anglisy ny asa sorany.
Nahoana ny asa sorany no nanjary nanan-kery lehibe toy izany? Nahoana no niteraka adihevitra be ny boky farany nosoratany momba ny foto-pinoana kristianina, ka tsy vita pirinty raha tsy 150 taona tatỳ aoriana?
Ny fahazazany
Teraka tamin’ny 1608 tany Londres i John Milton. Nanan-karena be ny fianakaviany. Hoy izy: “Mbola kely aho dia efa nasain’ny raiko nandalina haisoratra. Tena tiako ilay izy, ka nahalana aho vao natory talohan’ny misasakalina, nanomboka teo amin’ny faha-12 taonako.” Mpianatra nahay i Milton, ka nahazo mari-pahaizana ambony tany amin’ny Oniversiten’i Cambridge, tamin’ny 1632. Nanohy namaky boky momba ny tantara sy nandalina ny haisoratra grika sy romanina izy avy eo.
Te ho poety izy, saingy tsy afa-nanoatra satria nafotaka ny ady an-trano tany Angletera. Nanangana fitsarana hanamelohana ny Mpanjaka Charles I, i Oliver Cromwell, filohan’ny Parlemanta. Novonoina àry i Charles tamin’ny 1649. Namoaka lahatsoratra tena nampiaiky i Milton, ho fanohanana io didim-pitsarana io, ka lasa mpitondra tenin’ny governemantan’i Cromwell. Mbola tsy lasa poety malaza akory izy dia efa be mpahalala, satria namoaka trakta momba ny politika sy ny fitondran-tena.
Niverina tamin’ny laoniny anefa ny fitondran’ny mpanjaka, tamin’ny 1660. Lasa mpanjaka i Charles II. Notandindomin-doza àry ny ain’i Milton, noho izy nanohana an’i Cromwell. Niafina izy, ary efa saika maty raha tsy nampian’ny namany manam-pahefana. Liana tamin’ny fivavahana foana izy nandritra izany fotoana izany.
“Tsy hampiasa afa-tsy Baiboly”
Mbola kely izy dia efa liana tamin’ny fivavahana. Hoy izy: ‘Nandalina ny Testamenta Taloha sy Vaovao amin’ny teny hebreo sy grika aho, tamin’ny mbola kely.’ Hitan’i Milton fa ny Soratra Masina ihany no tari-dalana azo itokisana eo amin’ny fitondran-tena sy fivavahana. Nandalina ny boky ara-pivavahana nisy tamin’izany koa izy, nefa nandiso fanantenana azy tanteraka ireny. Hoy izy tatỳ aoriana: “Hitako fa tsy tari-dalana azo itokisana ireny boky ireny eo amin’ny resaka foto-pinoana, sady tsy afaka mitarika ahy ho amin’ny famonjena.” Tapa-kevitra àry i Milton fa “tsy hampiasa afa-tsy Baiboly” rehefa hamantatra raha marina na tsia ny zavatra inoany. Nataony lisitra teo ambany lohatenikely maromaro izay andinin-teny noheveriny fa tena lehibe. Avy tamin’izany no nakany andinin-teny hampiasaina.
Ilay tononkalony hoe Paradisa Very no tena ahatsiarovana an’i Milton ankehitriny. Ny fitantaran’ny Baiboly momba ny nahatonga ny olona ho mpanota no averiny ao. (Genesisy toko ) Io tononkalo io no tena nampahalaza azy, indrindra tany amin’ireo tany miteny anglisy. Tamin’ny 1667 izy io no natao pirinty voalohany. Namoaka tononkalo tohin’izy io izy tatỳ aoriana. Paradisa Tafaverina no lohateniny. Samy miresaka momba ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny olona ireo tononkalo ireo. Izany dia ny hananany fiainana tonga lafatra ao amin’ny paradisa eto an-tany. Resahina ao koa fa i Kristy no hampiasain’Andriamanitra hamerina ny Paradisa. Milaza, ohatra, i Mikaela arkanjely, ao amin’ny Paradisa Very, fa “homeny valisoa izay tsy mivadika aminy, ka ho sambatra mandrakizay any an-danitra na eto an-tany. Ho lasa paradisa ny tany manontolo, ka ho tsara lavitra noho ilay tany Edena. Tena hahafinaritra koa ny andro tsirairay.” faha-3
Fanazavana Momba ny Foto-pinoana
Efa ela koa i Milton no te hamoaka boky miresaka amin’ny an-tsipiriany ny foto-pinoana sy ny fiainana kristianina. Lasa jamba tanteraka izy tamin’ny 1652, nefa niezaka mafy namita azy io mandra-pahafatiny tamin’ny 1674. Nampian’ny sekretera maromaro izy tamin’izany. Izao no nataony lohateniny: Fanazavana Momba ny Foto-pinoana Kristianina Mifototra Amin’ny Soratra Masina Ranofotsiny. Amin’ny teny latinina io boky io. Hoy izy ao amin’ny sasin-tenin’izy io: ‘Maro no efa nanoratra momba ny foto-pinoana kristianina. Zara raha lazain’izy ireny anefa ny toko sy andininy manaporofo ny zava-drehetra ampianariny. Izaho kosa niezaka mafy nameno ny bokiko tamin’ny teny nalaina nanerana ny Baiboly. Feno loatra aza angamba ny bokiko.’ Marina ny tenin’i Milton, satria in-9 000 mahery izy no nampiasa andinin-teny avy ao amin’ny Soratra Masina, ao amin’ilay bokiny.
Tsy sahy namoaka an’ilay boky anefa izy, na dia tsy natahotra naneho ny heviny aza taloha. Nahoana? Fantany fa nifanohitra tanteraka tamin’ny fampianaran’ny fivavahana ny fanazavana ara-baiboly tao. Tsy tia azy koa ilay mpanjaka vaovao. Niandry fotoana nilamindamina kokoa angamba i Milton. Nentin’ny sekreterany tany amin’ny orinasa mpanao pirinty ilay boky rehefa maty i Milton. Tsy nety nanao pirinty azy io anefa ilay orinasa. Nalain’ny minisitry ny raharaham-bahiny ilay boky, ary nafeniny, ka efa 150 taona tatỳ aoriana vao hita.
Mpiasa iray mpitahiry ny taratasim-panjakana no nahita azy io nifono taratasy, tamin’ny 1823. I George Faha-4 no mpanjakan’i Angletera tamin’izay. Nasainy nadika tamin’ny teny anglisy ilay izy, ary navoaka ho an’ny besinimaro. Niteraka adihevitra be teo amin’ny mpanoratra sy ny teolojianina izy io rehefa vita pirinty, roa taona tatỳ aoriana. Nilaza avy hatrany ny eveka iray fa hosoka izy io. Tsy nino izy hoe i Milton no hahavita hitsipaka ny foto-pinoana masina, nefa izy no mpanao tononkalo ara-pivavahana nalaza *
indrindra tany Angletera. Efa nahatsinjo izany mialoha ny mpandika an’ilay boky, ka noporofoiny fa i Milton no nanoratra azy io. Nasiany fanamarihana ambany pejy tao, mba hitanisana lafin-javatra 500 hitany fa mampitovy azy io amin’ilay Paradisa Very.Ny zavatra ninoan’i Milton
Niova ho Protestanta i Angletera, tamin’ny andron’i Milton, ary tsy nifandray intsony tamin’ny Eglizy Katolika. Nino ny Protestanta fa izay lazain’ny Soratra Masina ihany no tokony harahina eo amin’ny fivavahana sy fitondran-tena, fa tsy izay lazain’ny Papa. Nasehon’i Milton tao amin’ny Fanazavana Momba ny Foto-pinoana anefa fa tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina koa ny fampianarana sy fanao protestanta maro. Noporofoiny tamin’ny alalan’ny Baiboly fa diso ny fampianaran’i Jean Calvin momba ny lahatra. Avelan’Andriamanitra hifidy izay hiafarany kosa ny olona, hoy izy. Nampirisika ny olona hampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah i Milton, ka nampiasa azy io imbetsaka tao amin’ny bokiny.
Noporofoiny koa fa tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona. Izao no nanazavany ny Genesisy 2:7: ‘Rehefa avy noforonina ny olona voalohany, dia hoy ny Baiboly: tonga olombelona izy. Tsy zavatra roa azo sarahina no mahaforona ny olombelona. Tsy marina ilay fiheveran’ny ankamaroan’ny olona hoe mizara roa ny olombelona, dia ny vatana sy fanahy. Ilay olona manontolo kosa no fanahy. Ny fanahy no olona.’ Nanontany toy izao i Milton avy eo: “Ilay olona manontolo mihitsy ve no maty, sa ny vatany fotsiny?” Hoy izy rehefa avy nampiseho andinin-teny maro manaporofo fa ilay olona manontolo mihitsy no maty: “Ity tenin’Andriamanitra ao amin’ny Ezek[iela 18:]20 ity no porofo mampiaiky indrindra fa maty ny fanahy: ny fanahy izay manota no ho faty.” Nitanisa andinin-teny toy ny Lioka 20:37 sy Jaona 11:25 koa i Milton mba hampisehoana fa mbola hitsangana ny maty.
Inona no tena nahatonga ny olona tsy ho tia an’ilay bokin’i Milton? Nanome porofo tsotra nefa mafonja izy fa ambany noho Andriamanitra Ray i Kristy Zanany. Namerina ny Jaona 17:3 sy Jaona 20:17 i Milton, ary nanontany hoe: “Raha ny Ray no Andriamanitr’i Kristy sy Andriamanitsika, ary raha tokana Andriamanitra, iza àry no Andriamanitra afa-tsy ny Ray?”
Hoy koa i Milton: “Nasehon’ny Zanaka sy ny apostoliny tamin’ny zava-drehetra nolazainy sy nosoratany, fa ambony noho ny Zanaka ny Ray amin’ny lafiny rehetra.” (Jaona 14:28) ‘I Kristy mihitsy no nilaza toy izao ao amin’ny Matio 26:39: Raiko ô, raha azo atao, dia esory amiko ity kapoaka mangidy ity. Aoka tsy ny sitrapoko anefa no hatao, fa ny anao. Nahoana izy no nivavaka tamin’ny Ray fa tsy tamin’ny tenany, raha izy ihany no Andriamanitra? Raha sady olombelona izy no Andriamanitra fara tampony, nahoana izy no mbola nangataka zavatra izay vitany ny manao azy? Tsy nivavaka afa-tsy tamin’ny Ray ny Zanaka, na taiza na taiza nisy azy, mba hanaovantsika toy izany koa.’
Ny fahadisoan’i Milton
Nitady ny fahamarinana ara-pivavahana i John Milton. Olombelona ihany anefa izy ka nanao fahadisoana. Nisy fiantraikany teo amin’ny heviny sasany ny zava-dratsy niainany. Vao vita kelikely, ohatra, ny mariaziny, dia nisintaka taminy ilay tovovavy vadiny, ka nody nandritra ny telo taona teo ho eo. Zanak’olona ambony izy io. Nanoratra trakta hanohanana ny fisaraham-panambadiana àry i Milton, tamin’io fotoana io, ka nilaza fa tsy noho ny fijangajangana ihany no ahafahana misaraka, na izany aza no fitsipika tokana napetrak’i Jesosy. Mahazo misaraka koa, hono, ny mpivady rehefa tsy mifanara-tsaina. (Matio 19:9) Naverin’i Milton tao amin’ny Fanazavana Momba ny Foto-pinoana koa io heviny io.
Na teo aza ny fahadisoan’i Milton, dia nampiharihary izay lazain’ny Baiboly momba ny foto-pinoana lehibe maro ilay bokiny, ka naharesy lahatra ny olona. Izay mamaky azy io, dia voatosika hampitaha ny zavatra inoany amin’izay voalaza ao amin’ny Baiboly, ilay boky azo itokisana tanteraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 14 Nadikan’ny Oniversiten’i Yale indray ilay Fanazavana Momba ny Foto-pinoana tamin’ny 1973. Io no mifanaraka kokoa amin’ilay nosoratan’i Milton tamin’ny teny latinina.
[Sary, pejy 11]
Nazoto nandalina ny Baiboly i Milton
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of The Early Modern Web at Oxford
[Sary, pejy 12]
Ilay tononkalo hoe “Paradisa Very” no nampahalaza an’i Milton
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of The Early Modern Web at Oxford
[Sary, pejy 12]
Tsy hita nandritra ny 150 taona ny boky farany nosoratan’i Milton
[Sary nahazoan-dalana]
Image courtesy of Rare Books and Special Collections, Thomas Cooper Library, University of South Carolina
[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]
Image courtesy of Rare Books and Special Collections, Thomas Cooper Library, University of South Carolina