Mpirahavavy Ory Nefa ‘Nahatsangana ny Tranon’ny Israely’
Mpirahavavy Ory Nefa ‘Nahatsangana ny Tranon’ny Israely’
MADIVA haraina ny andro. Natory teo an-tsandrin’i Jakoba i Lea, zanak’i Labana. Fantany fa efa ho tratra izy. Tsy ho ela mantsy dia ho fantatr’i Jakoba fa hay tsy i Rahely no niara-natory taminy nandritra ny alina, fa i Lea rahavaviny. I Labana no naniraka an’i Lea hanao izany, ary angamba nisalobona be i Lea mba tsy ho fantatra.
Eritrereto izay tsapan’i Jakoba, nony maraina, rehefa fantany ny marina! Tezitra be izy, ka nifamaly tamin’i Labana. I Lea kosa tsy maintsy ho nisaintsaina momba ny andraikiny tao anatin’ilay famitahana sy ny mety ho vokatr’izany. Anisan’ny tantara lehibe ao amin’ny Baiboly ny tantaran’i Lea sy Rahely. Mampianatra antsika koa izy io, fa fahendrena ny manambady tokana sy tsy manitsakitsa-bady.
Vahiny teo am-pantsakana
Fito taona talohan’io, dia nihazakazaka niteny tamin-drainy i Rahely, fa misy vahiny milaza ho havan-dry zareo any am-pantsakana. Hay i Jakoba zanak’anabavin-drainy izy io, ary mpanompon’i Jehovah. Iray volana tatỳ aoriana, dia nanolo-tena hanompo an’i Labana fito taona i Jakoba, mba hahazoana an-dRahely. Nanaiky i Labana, satria hitany fa niasa tsara i Jakoba. Fomban-tanin’izy ireo rahateo ny manambady havana.—Genesisy 29:1-19.
Tsy fitiavana niserana fotsiny ny an’i Jakoba. Naharitra fito taona ny fifamofoan’izy sy Rahely, nefa ‘toa andro vitsy foana izany teo imasony noho ny fitiavany azy.’ (Genesisy 29:20) Tia an-dRahely mandra-pahafatiny i Jakoba. Hita amin’izany fa nanana toetra tsara maro i Rahely.
Mba naniry hanambady mpanompon’i Jehovah mahatoky koa ve i Lea? Tsy milaza izany ny Baiboly. Ny fanirian’i Labana hampanambady azy kosa no tena miharihary ao amin’ilay fitantarana. Rehefa tapitra ny fito taona nifanarahana hanomezana an-dRahely, dia nanao fanasambe amin’ny fampakaram-bady i Labana. Kanjo nony hariva, araka ny tantarain’ny Baiboly, dia i Lea no nalefany hiara-matory amin’i Jakoba.—Genesisy 29:23.
Niray tsikombakomba tamin-drainy ve i Lea? Sa tsy maintsy nankatò azy fotsiny? Ary taiza i Rahely? Fantany ve izay nitranga? Raha eny, nanao ahoana ny fihetseham-pony? Nasiaka loatra ve ny rainy, ka tsy afa-nanoatra izy? Tsy miresaka izany ny Baiboly. Na ahoana na ahoana, dia nahatezitra an’i Jakoba ilay fitaka. Ary tamin’i Labana izy no tezitra, fa tsy tamin’izy mirahavavy. Hoy izy tamin’i Labana: ‘Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?’ Ahoana no navalin’i Labana? “Tsy fanao ... ny mamoaka ny zandriny alohan’ny Genesisy 29:25-27) Voafitaka àry i Jakoba, ka voatery nanambady roa. Niteraka fankahalana sy fialonana izany.
zokiny. Tanteraho ny herinandron’ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.” (Tsy sambatra ny tokantranony
I Rahely no tian’i Jakoba. Hitan’Andriamanitra fa “nankahalaina” i Lea, ka nataony nanana anaka. Momba kosa i Rahely. Tsy zaza fotsiny anefa no nilain’i Lea. Nila ny fitiavan’i Jakoba koa izy. Nahatsiaro ho ory izy rehefa hitany fa i Rahely no tian’i Jakoba. Mbola nanantena anefa izy fa mba ho tian’i Jakoba ihany, satria izy no niterahany ny zanany lahimatoa. Robena no nataony anaran’ilay zaza, izay midika hoe “Indro zanakalahy!” Nohazavain’i Lea ny anton’io anarana io: “Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian’ny vadiko aho.” Mbola tsy tia azy ihany anefa i Jakoba, eny fa na dia efa niteraka ny zanany faharoa aza izy. Simeona no nataon’i Lea anaran’io zaza io, izay midika hoe “Fihainoana.” Hoy izy: “Satria ren’i Jehovah fa efa nankahalaina aho, dia nomeny ahy koa ity.”—Genesisy 29:30-33.
Nivavaka momba ny nahazo azy i Lea matoa nilaza fa ren’Andriamanitra izy. Toa tia an’i Jehovah izy rehefa jerena izany. Mbola ory foana anefa izy, na dia taorian’ny niterahany an’i Levy, zanany fahatelo aza. Midika hoe “Fikambanana” io anarana io. Izao no antony nanomezany azy io: “Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho.” Mbola tsy tia azy foana anefa i Jakoba. Nionona angamba i Lea nony farany, satria tsy nahitana taratra ny faniriany ho tian’i Jakoba intsony ny anaran’ny zanany fahefatra hoe Joda. Mampiseho ny fankasitrahany an’Andriamanitra kosa izy io. Midika hoe “Hoderaina” na “Izay Hiderana An’i Jehovah” ny hoe Joda. Hoy fotsiny i Lea: “Ankehitriny dia hidera an’i Jehovah aho.”—Genesisy 29:34, 35.
Ory i Lea, nefa ketraka koa i Rahely. Nitalaho tamin’i Jakoba izy hoe: “Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.” (Genesisy 30:1) Fantany fa tia azy i Jakoba, nefa mba te hanan-janaka koa izy. I Lea indray nanan-janaka, nefa mba naniry ho tiana. Samy te hahazo ny zavatra nananan’ny andaniny ny ankilany, ka samy tsy sambatra. Samy tia an’i Jakoba izy roa, ary samy te hanan-janaka avy aminy. Nifampialona àry izy ireo. Tena nampahonena ilay fianakaviana!
Hanan-janaka ihany ve i Rahely?
Fahoriana izany tsy miteraka izany taloha. Nampanantena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba Andriamanitra, fa avy amin’ny fianakaviany no hipoiran’ilay “taranaka” hitahiana ny firenena rehetra. (Genesisy 26:4; 28:14) Tsy niteraka anefa i Rahely. Nilaza i Jakoba fa Andriamanitra ihany no afaka manome azy zanakalahy, mba handraisany anjara amin’ny fahatanterahan’io fampanantenana io. Tsy nanam-paharetana anefa i Rahely. Hoy izy: “Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo am-pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.”—Genesisy 30:2, 3.
Mety tsy ho azontsika ny antony nanaovan-dRahely izany. Hita tamin’ireo taratasy fisoratam-panambadiana fahiny tany Proche-Orient anefa, fa fanaon’ny vehivavy tsy niteraka ny nanome ny mpanompovaviny ho an’ny vadiny mba hiteraka mpandova ho azy. * (Genesisy 16:1-3) Noheverina ho zanak’ilay tompom-bady indraindray ny zanak’ilay mpanompo.
Faly erỳ i Rahely rehefa niteraka zazalahy i Bila, ka hoy izy: “Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho.” Nataony hoe Dana ny anarany, izay midika hoe “Mpanome Rariny.” Hita fa nivavaka momba ny fahoriany koa i Rahely. Niteraka ny zanany faharoa i Bila, tatỳ aoriana. Naftaly no anaran’izy io ary midika hoe “Fitolomako.” Hoy i Rahely: ‘Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko, ka nahery aho.’ Hita avy amin’izany fa tena nifankahala izy mirahavavy.—Genesisy 30:5-8.
Nihevitra angamba i Rahely fa nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony izy rehefa nanome an’i Bila ho an’i Jakoba. Tsy izany anefa no fomba tian’Andriamanitra hanomezana zanaka azy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony hanam-paharetana isika rehefa mitalaho amin’i Jehovah. Mety
tsy ho araka ny eritreretintsika ny valim-bavaka omeny, ary amin’ny fotoana tsy ampoizintsika indrindra.Mba hifaninanana amin’i Rahely, dia nomen’i Lea an’i Jakoba koa i Zilpa mpanompovaviny. Niteraka an’i Gada sy Asera izy.—Genesisy 30:9-13.
Nisy toe-javatra vao mainka nampiharihary ny fifandrafian’i Lea sy Rahely. Nahita dodaima na angivimbazaha i Robena zanak’i Lea. Noheverina ho mampiteraka ny voan’io zavamaniry io. Nangataka tamin’izy io i Rahely. Tezitra be i Lea ka nilaza hoe: ‘Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman’ny zanako?’ Misy mihevitra fa midika ireo teny ireo hoe i Rahely no niarahan’i Jakoba matetika kokoa. Tsapan’i Rahely angamba fa rariny raha nalahelo i Lea, ka hoy izy: “Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman’ny zanakao.” Rehefa tonga tao an-trano àry i Jakoba ny harivan’iny, dia hoy i Lea taminy: ‘Ho ato amiko no halehanao fa ny dodaiman’ny zanako no efa nanakaramako anao.’—Genesisy 30:15, 16.
Niteraka ny zanany lahy fahadimy sy fahenina i Lea, dia i Isakara sy Zebolona. Hoy izy, taorian’izay: “Amin’izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho.” *—Genesisy 30:17-20.
Nanana anaka ihany i Rahely nony farany, enin-taona taorian’ny nanambadiany. Niteraka an’i Josefa izy. Tsy ilay angivimbazaha anefa no nahatonga izany. “Nahatsiaro” azy kosa i Jehovah, ka namaly ny vavaka nataony. Tamin’izay izy vao afaka niteny hoe: “Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.”—Genesisy 30:22-24.
Lesona ho antsika
Maty i Rahely rehefa niteraka an’i Benjamina, zanany lahy faharoa. Tena tia an-dRahely i Jakoba, ka maminy aoka izany ireo zanany mirahalahy. Taona maro tatỳ aoriana, rehefa ho faty i Jakoba, dia mbola tsaroany ny nahafaty aloha be an’i Rahely malalany. (Genesisy 30:1; 35:16-19; 48:7) Tsy fantatsika kosa ny momba ny nahafatesan’i Lea, afa-tsy ny hoe nalevin’i Jakoba tao amin’ny zohy iray izy. Tao koa no tian’i Jakoba hilevenana.—Genesisy 49:29-32.
Nilaza i Jakoba rehefa antitra, fa feno fahoriana ny fiainany, anisan’izany ny fiainan-tokantranony. (Genesisy 47:9) Azo antoka fa feno fahoriana koa ny fiainan’i Lea sy Rahely. Hita avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo fa misy vokany tena ratsy ny fananana vady maro, ka tsy mahagaga raha nilaza i Jehovah fa tokony ho tokana ihany ny vadin’ny lehilahy iray. (Matio 19:4-8; 1 Timoty 3:2, 12) Mitranga ny fialonana rehefa tia olon-kafa ankoatra ny vadiny ny lehilahy na vehivavy iray. Izany no mahatonga an’Andriamanitra handrara ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady.—1 Korintianina 6:18; Hebreo 13:4.
Na ahoana na ahoana, dia lehilahy sy vehivavy tsy lavorary nefa nahatoky no nampiasain’Andriamanitra hanatanterahana ny fikasany, ary mbola manao izany izy hatramin’izao. Nanao fahadisoana toa antsika ihany i Lea sy Rahely. Tamin’ny alalan’izy ireo anefa no nanatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany tamin’i Abrahama. Marina àry ny tenin’ny Baiboly hoe ‘nahatsangana ny tranon’ny Israely’ izy mirahavavy.—Rota 4:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 15 Izao, ohatra, no hita tao amin’ny taratasy iray tany Nuzi, Irak: “Nomena ho vadin’i Shennima i Kelim-ninu. ... Raha tsy miteraka i Kelim-ninu, dia afaka maka vehivavy [mpanompovavy] avy any Lullu izy, mba ho vadin’i Shennima.”
^ feh. 20 Niteraka vavy koa i Lea. I Dina no anarany. Izy ihany no zanakavavin’i Jakoba fantatsika.—Genesisy 30:21; 46:7.
[Sary, pejy 9]
Samy te hahazo ny zavatra nananan’ny andaniny ny ankilany, ka samy tsy sambatra
[Sary, pejy 10]
Avy amin’ny zanakalahin’i Jakoba 12 ny firenen’ny Israely