Lioka, Ilay Mpiara-miasa Malala
Lioka, Ilay Mpiara-miasa Malala
TAONA 65 tamin’izay. Tany Roma no niseho ny tantara. Fantatr’i Lioka fa mety hidiran-doza izy, raha tsikaritry ny olona fa naman’ny apostoly Paoly. Niakatra fitsarana mantsy i Paoly noho ny finoany, ary toa homelohina ho faty. I Lioka irery anefa no tsy nandao azy tamin’io fotoan-tsarotra io.—2 Timoty 4:6, 11.
Tsy vaovao amin’ny mpamaky Baiboly ilay anarana hoe Lioka, satria mitondra ny anarany ny Filazantsara nosoratany. Niara-nanao dia lavitra tamin’i Paoly izy, ary nantsoiny hoe “dokotera malala” sy “mpiara-miasa.” (Kolosianina 4:14; Filemona 24) Kely ny fanazavana omen’ny Soratra Masina momba an’i Lioka, ary intelo ihany ny anarany no hita ao. Hiombon-kevitra amin’i Paoly anefa ianao, rehefa mahalala bebe kokoa ny tantaran’io Kristianina nahatoky io.
Sady mpanoratra no misionera
Samy nosoratana ho an’i Teofilo ny Filazantsaran’i Lioka sy ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. I Lioka àry no nanoratra an’ireo boky roa avy amin’Andriamanitra ireo. (Lioka 1:3; Asan’ny Apostoly 1:1) Tsy nahita nivantana ny fanompoan’i Jesosy Kristy izy. Nolazainy kosa fa nahazo fanazavana avy tamin’ny vavolombelona nahita maso izy, ary ‘nofotorany tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra, eny, nofotorany tsara tsy misy diso.’ (Lioka 1:1-3) Toa taorian’ny Pentekosta taona 33 àry izy no lasa Kristianina.
Misy milaza fa toa avy any Antiokia, any Syria, i Lioka. Tantarain’ny Asan’ny Apostoly amin’ny an-tsipiriany mantsy ny zava-niseho tao amin’io tanàna io. Voalaza ao koa fa “avy any Antiokia” ny iray amin’ireo fito lahy “tsara laza”, ary “niova ho amin’ny fivavahana jiosy” izy io. Tsy voalaza kosa ny tanàna niavian’ny enina hafa. Tsy midika anefa izany hoe tena avy any Antiokia tokoa i Lioka.—Asan’ny Apostoly 6:3-6.
Marina fa tsy voatonona ao amin’ny Asan’ny Apostoly ny anaran’i Lioka. Misy andinin-teny ahitana ny teny hoe “izahay” sy “anay” anefa ao, ka midika izany fa nisy fotoana niarahany tamin’i Paoly. Rehefa niresaka ny lalana tany Azia Minora narahin’i Paoly sy ny namany hafa kosa izy, dia nanao hoe: “Nolalovany fotsiny i Mysia, ka nidina nankany Troasy izy ireo.” Tany Troasy i Paoly no nahazo fahitana momba ilay lehilahy makedonianina niangavy hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay.” Hoy i Lioka avy eo: “Ary raha vao nahita ilay fahitana i Paoly, dia nitady fomba handehanana tany Makedonia izahay.” (Asan’ny Apostoly 16:8-10) Niova ho “izahay” ilay hoe “izy ireo” teo. Toa midika izany fa niaraka tamin’i Paoly sy ny namany hafa i Lioka tany Troasy. Nampiasa ilay teny hoe “izahay” koa izy rehefa niresaka momba ny fitoriana tany Filipy. Nandray anjara tamin’izany àry izy. Hoy izy: “Nivoaka ny vavahady izahay tamin’ny andro sabata, ary nankeo amoron’ny renirano satria noheverinay fa nisy toerana fivavahana teo. Dia nipetraka izahay ka niresaka tamin’ny vehivavy nivory teo.” Nanaiky ny vaovao tsara àry ry Lydia mianakavy, ka natao batisa.—Asan’ny Apostoly 16:11-15.
Nisy ankizivavy nahay naminany tany Filipy, satria nitoeran’ny “demonia mpilaza ny hoavy.” Nositranin’i Paoly izy ka niteraka fanenjehana izany. Hitan’ny tompon’ilay ankizivavy mantsy fa tsy hanana fidiram-bola intsony izy ireo. Nosamboriny àry i Paoly sy Silasy, ary nokapohina sy nogadraina. Toa tsy voasambotra i Lioka. Nampiasa ny hoe “izy ireo” mantsy izy, rehefa nitantara ny nanjo an’i Paoly sy Silasy. Hoy koa izy rehefa nafahana izy roa lahy: ‘Nampahery ny rahalahy izy ireo ary lasa.’ Rehefa nitantara ny fiverenan’i Paoly tany Filipy i Lioka vao nampiasa indray ny hoe “izahay.” (Asan’ny Apostoly 16:16-40; 20:5, 6) Nijanona tany izy, angamba mba hiandraikitra ny asa teo an-toerana.
Ahoana no nahazoany fanazavana?
Taiza no nahazoan’i Lioka fanazavana nampidirina tao amin’ny bokiny? Hita avy amin’ireo andinin-teny misy hoe “izahay” sy “anay”, fa niaraka tamin’i Paoly izy avy any Filipy nankany Jerosalema. Nogadraina indray i Paoly tany. Nijanona kely tao Kaisaria, tao amin’i Filipo mpitory ny vaovao tsara, ry zareo nandritra ilay dia. (Asan’ny Apostoly 20:6; 21:1-17) Mety ho izy àry no nanome fanazavana an’i Lioka momba ny niandohan’ny asa misionera tany Samaria. I Filipo mantsy no nitarika voalohany ilay asa tany. (Asan’ny Apostoly 8:4-25) Taiza koa i Lioka no nahazo fanazavana hafa?
Nigadra roa taona tany Kaisaria i Paoly. Azo inoana àry fa nanam-potoana nikarohana fanazavana hampidirina tao amin’ny Filazantsarany i Lioka. Teo akaiky teo mantsy i Jerosalema, ka afaka nijery ny tantaram-pirazanan’i Jesosy tany izy. Maro ny zava-nitranga momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany, tsy hita afa-tsy ao amin’ny bokin’i Lioka. Nahita andalan-teny 82 miresaka momba izany ny manam-pahaizana iray.
Mety ho avy tamin’i Elizabeta, renin’i Jaona Mpanao Batisa, no nahalalan’i Lioka ny nahaterahan’i Jaona. Mety ho avy tamin’i Maria, renin’i Jesosy, kosa no nahazoany tsipiriany momba ny nahaterahan’i Jesosy sy ny fahazazany. (Lioka 1:5-80) I Petera, na Jakoba, na Jaona angamba no niresaka taminy mikasika ilay fomba mahagaga nahazoana trondro. (Lioka 5:4-10) Ao amin’ny bokin’i Lioka ihany no misy an’ireto fanoharan’i Jesosy ireto: ilay Samaritanina tsara fanahy, ilay varavarana tery, ilay drakma very, ilay zanaka adala, ary ilay mpanankarena sy Lazarosy.—Lioka 10:29-37; 13:23, 24; 15:8-32; 16:19-31.
Tena nahaliana an’i Lioka ny fiainan’ny olona. Tantarainy, ohatra, ny nanosoran’ny vehivavy iray menaka ny tongotr’i Jesosy, ny fanati-panadiovana nataon’i Maria, ary ny nananganana tamin’ny maty ny zanak’ilay mpitondratena. Tantarainy koa fa nampiantrano an’i Jesosy i Marta sy Maria, ary nisy vehivavy nikarakara azy. Resahin’i Lioka ny nanasitranana an’ilay vehivavy nanjoko be sy ilay lehilahy voan’ny aretina manirano, ary ireo boka folo lahy. Lazainy koa ny momba an’i Zakaiosy, ilay lehilahy fohy kely nianika hazo, mba hahitana an’i Jesosy. Ary resahiny ny nibebahan’ilay jiolahy nofantsihana teo anilan’i Kristy.—Lioka 2:24; 7:11-17, 36-50; 8:2, 3; 10:38-42; 13:10-17; 14:1-6; 17:11-19; 19:1-10; 23:39-43.
Tsara homarihina fa miresaka momba ny fitsaboana ratra i Lioka, ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay Samaritanina tsara fanahy. Dokotera i Lioka, ka nolazainy ny fanafody nampiasain’ilay Samaritanina, toy ny divay izay mamono mikraoba, menaka izay mampitony fanaintainana, ary ny lamba famonosana ratra.—Lioka 10:30-37.
Nikarakara an’i Paoly
Niahy an’i Paoly i Lioka, tamin’io apostoly io nigadra tany Kaisaria. Navela ‘hikarakara an’i Paoly izay olona avy any aminy’, araka ny baikon’i Feliksa, governora romanina. (Asan’ny Apostoly 24:23) Azo inoana fa anisan’izy ireo i Lioka. Tsy salama matetika i Paoly ka mety ho ilay “dokotera malala” no nikarakara azy.—Kolosianina 4:14; Galatianina 4:13.
Naniry hotsarain’i Kaisara i Paoly, ka nalefan’i Festosy tany Roma. Niaraka tamin’i Paoly foana i Lioka nandritra ilay dia lavitra nankany. Notantarainy fa vaky sambo izy ireo. (Asan’ny Apostoly 24:27; 25:9-12; 27:1, 9-44) Nanoratra taratasy maromaro i Paoly tamin’izy nambenana tany Roma. Niresaka momba an’i Lioka ny roa tamin’ireo. (Asan’ny Apostoly 28:30; Kolosianina 4:14; Filemona 24) Mety ho nandritra izany fotoana izany i Lioka no nanoratra ny Asan’ny Apostoly.
Tsy maintsy ho be zavatra natao i Paoly sy ny namany tao amin’ny trano nisy azy. Mety ho tao i Lioka no nihaona tamin’ny mpiara-miasa hafa tamin’i Paoly, toa an-dry Tykiko, Aristarko, Marka, Josto, Epafra, ary Onesimosy.—Kolosianina 4:7-14.
Fantatr’i Paoly fa efa ho faty izy, tamin’izy nogadraina fanindroany. Be herim-po sy tsy nivadika anefa i Lioka ka tsy nandao azy, na dia nanao izany daholo aza ny hafa. Naleony niaraka tamin’i Paoly na dia nety hampigadra azy aza izany. I Lioka angamba no nampanoratiny an’ity teny ity: “I Lioka irery no eto amiko.” Toa hoe notapahin-doha i Paoly, tsy ela taorian’izay.—2 Timoty 4:6-8, 11, 16.
Nahafoy tena sy nanetry tena i Lioka. Tsy nampideradera fahaizana izy na te hisongadina. Afaka nanao ny asan’ny dokotera izy, nefa naleony nampandroso ny asan’ilay Fanjakana. Aoka koa isika hahafoy tena sy hanetry tena, ka hitory ny vaovao tsara, ary hanompo ny hafa ho voninahitr’i Jehovah.—Lioka 12:31.
[Efajoro, pejy 19]
IZA MOA I TEOFILO?
Nosoratan’i Lioka ho an’i Teofilo ny Filazantsarany sy ny Asan’ny Apostoly. “Teofilo hajaina” no iantsoana azy ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka. (Lioka 1:3) Fomba niantsoana ny olona nanankarena sy ny manamboninahitra romanina, io teny fanajana io. Izany koa no nampiasain’i Paoly tamin’i Festosy, governora romanina tany Jodia.—Asan’ny Apostoly 26:25.
Toa nandre momba an’i Jesosy i Teofilo ary liana tamin’izany. Nanantena i Lioka fa hanampy an’io lehilahy io ny Filazantsarany, ka ho ‘fantany tsara fa azo antoka ny zavatra nampianarina azy.’—Lioka 1:4.
Milaza i Richard Lenski, manam-pahaizana momba ny teny grika, fa toa mbola tsy mpino i Teofilo tamin’izy nantsoin’i Lioka hoe “Teofilo hajaina.” Hoy mantsy i Lenski: ‘Mbola tsy nisy Kristianina nantsoina tamin’ny anaram-boninahitra toy izany tao amin’ny boky kristianina rehetra.’ Tsy nampiasa an’io intsony i Lioka, rehefa nanoratra ny Asan’ny Apostoly. Hoy fotsiny izy: “Ry Teofilo.” (Asan’ny Apostoly 1:1) Hoy àry i Lenski: “Tamin’i Lioka nanoratra ny Filazantsarany, dia mbola tsy Kristianina io olo manan-kaja io, nefa tena liana tamin’ny Kristianisma. Efa Kristianina kosa izy rehefa nandefasan’i Lioka ny Asan’ny Apostoly.”