Mahafa-po Anao ve ny Fiainanao?
Mahafa-po Anao ve ny Fiainanao?
VOLA sy harena no katsahin’ny olona maro. Ny hafa kosa mitady laza sy voninahitra. Misy indray mifantoka amin’ny zavakanto. Ao koa ireo manokana ny fiainany hanaovana asa soa. Maro anefa no tsy mba manana tanjona eo amin’ny fiainana. Tsy fantany akory ny antony namoronana ny olona.
Ary ianao? Efa mba noeritreretinao lalina ve hoe inona no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao? Nahoana raha dinihina ny zavatra sasany katsahin’ny olona? Jereo raha mahasambatra tokoa izy ireny. Ho hitantsika koa hoe ahoana no hananana fiainana mahafa-po.
Misy ilana azy ny vola
Hoy ny Baiboly ao amin’ny Mpitoriteny 7:12: “Fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” Ilaina tokoa ny vola mba hivelomana, indrindra raha manambady aman-janaka ianao.—1 Timoty 5:8.
Ilaina koa ny vola mba hividianana zavatra mahafinaritra sy mahasoa. I Jesosy Kristy aza tsy nanana trano hipetrahana akory, nefa mba nankafy sakafo natsiro sy divay tsara indraindray. Nanao akanjo lafo vidy koa izy.—Matio 8:20; Jaona 2:1-11; 19:23, 24.
Tsy nikatsaka fahafinaretana anefa i Jesosy. Tsy izany no zava-dehibe taminy. Hoy izy: Lioka 12:13-21.
“Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” Nanao fanoharana momba ny lehilahy iray mpanankarena izy avy eo. Nahazo vokatra be dia be ilay lehilahy, ka hoy izy anakampo: “Tsy misy toerana intsony hanangonako ny vokatro, ka inona re no hataoko e? ... Horavako ireo trano fitahirizako, ary hanangana hafa lehibe kokoa aho, ka ao no hanangonako ny vokatro rehetra sy ny zava-tsoako rehetra. Dia hilaza amin’ny tenako aho hoe: ‘Ralehilahy ô, manana zava-tsoa maro voatahiry ho amin’ny taona maro ianao. Mialà sasatra, mihinàna, misotroa, mifalia.’ ” Nahoana no tsy tsara ny toe-tsain’io lehilahy io? Izao no tohin’ilay fanoharana: “Hoy Andriamanitra [tamin’ilay mpanankarena]: ‘Ry tsy misaina, anio alina dia hisy haka aminao ny ainao, koa ho an’iza ireto zavatra nangoninao?’ ” Na dia nanan-karena aza ilay lehilahy, dia tsy afaka nihinana tamin’ny vokatra notehiriziny izy rehefa maty. Izao no fianarana nomen’i Jesosy, tamin’ny farany: “Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena amin’Andriamanitra.”—Marina fa ilaina ny vola, ary tsara ny manao izay mahafinaritra indraindray. Tsy izany anefa no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana, fa ny fankasitrahan’Andriamanitra. Izay miezaka hahazo izany no atao hoe manan-karena amin’Andriamanitra.
Ilaina ve ny laza sy voninahitra?
Olona maro no miezaka mba halaza. Tsy voatery ho ratsy ny hoe te ho tsara laza. Hoy mantsy ny Baiboly: “Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.”—Mpitoriteny 7:1.
Mbola tsy fantatra izay ho fiainan’ny olona iray, amin’izy teraka. Rehefa maty kosa izy, dia manana laza tsara raha nanao ny tsara. Ny andro ahafatesany àry amin’izay no tsara kokoa noho ny andro nahaterahany.
I Solomona Mpanjaka no nanoratra ny bokin’ny Mpitoriteny. Nanana zokilahy atao hoe Absaloma izy. Te halaza izy io, nefa tsy nisy nitondra intsony ny anarany satria maty tanora ireo zanany telo lahy. Inona àry no nataony? Hoy ny Soratra Masina: ‘Absaloma nanao tsangambato ho azy tao an-Dohasahan’ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran’ny tenany ihany ilay tsangambato.’ (2 Samoela 14:27; 18:18) Tsy hita intsony anefa izao io tsangambato io. I Absaloma kosa nalaza ihany, saingy nalaza ratsy. Fantatry ny mpianatra Baiboly mantsy fa mpikomy izy, ary nitady haka ny fanjakan’i Davida rainy.
Maro koa ankehitriny no te hoderaina, ka miezaka manao zavatra miavaka. Izay tian’ny olona androany anefa, mety tsy ho tiany intsony rahampitso. Mora lefy àry ny laza eo imason’ny olona. Hoy i Christopher Lasch, ao amin’ny boky nosoratany: “Izay tanora sy tsara tarehy ihany izao no malaza, ary izay vaovao ihany no mahaliana. Tsy maharitra àry ny voninahitra. Miady saina foana
ny olo-malaza, sao tsy ho tian’ny olona intsony.” Maro amin’izy ireny no lasa misotro toaka na mampiasa zava-mahadomelina, ka maty tanora. Tsy misy dikany àry ny fitadiavana laza eo imason’ny olona.Eo imason’iza kosa isika no tokony ho tsara laza? Hoy i Jehovah momba an’ireo nitandrina ny Lalàny, araka ny tenin’i Isaia mpaminany: “Hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin’ny màndako izy, ... dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.” (Isaia 56:4, 5) Hanaovan’Andriamanitra “fahatsiarovana sy anarana” àry izay mankatò azy. Hotsarovany “mandrakizay” ny anaran’izy ireo, ka tsy hohadinoiny mihitsy. Mampirisika antsika àry ny Baiboly, mba ho tsara laza eo imason’i Jehovah Mpamorona antsika.
Naminany i Isaia fa hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany ny olona mahatoky. Izany “fiainana mandrakizay” izany no “tena fiainana”, araka ny nokasain’Andriamanitra tamin’izy namorona ny olombelona. (1 Timoty 6:12, 19) Koa tsy aleo ve manao izay hahazoana fiainana mandrakizay, toy izay ho variana amin’ny fiainana mandalo sy tsy mahafa-po?
Tsy tena mahasambatra ny zavakanto sy ny asa soa
Mpanao zavakanto maro no mitady ny tonga lafatra. Tsy ho vitany mihitsy anefa izany, raha mbola amin’izao fiainana izao. Efa 90 taona mahery i Hideo, ilay mpanao hoso-doko voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, nefa niezaka nanatsara ny asany foana. Efa antitra ny mpanao zavakanto, vao mety hahazo traikefa sy ho afa-po amin’ny asany. Tsy hahavita betsaka toy ny tamin’izy tanora intsony anefa izy amin’izay. Raha niaina mandrakizay anefa izy, dia ho afaka nanatsara ny talentany araka izay tiany!
Ahoana kosa ireo manokana ny fiainany hanaovana asa soa? Mendri-piderana ny olona miahy ny mahantra sy manome ny volany hanampiana ny sahirana. Hoy ny Baiboly: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Mahatsiaro ho afa-po tokoa ny olona rehefa manao asa soa. Tsy afaka manafoana ny fijalian’ny namany anefa izy. Kely ihany no ho vitany, na dia hanokana ny fiainany ho amin’izany aza izy. Misy zavatra iray kosa tsy raharahain’ny ankamaroan’ny olona, nefa tena ilainy eo amin’ny fiainana. Tsy mahasolo azy io na dia vola be aza. Inona moa izany?
Inona no tena mahasambatra?
Nilaza i Jesosy tamin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, fa misy zavatra tena ilaintsika, ary efa voajanahary izy io. Hoy izy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:3) Araka ny Baiboly àry, dia tsy ny harena, laza, talenta, na ny asa soa no tena mahasambatra, fa ny fanompoana an’Andriamanitra.
Nampirisihin’ny apostoly Paoly ireo tsy nahalala an’Andriamanitra mba hitady azy. Hoy izy: “Avy tamin’ny olona anankiray no [nanaovan’Andriamanitra] ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo, ary efa nisy fotoana voatondrony sy faritra noferany honenan’ny olona, mba hitadiavan’ireo azy raha mitsapatsapa mitady azy izy ireo ka tena hahita azy tokoa. Raha ny marina anefa, dia tsy lavitra antsika tsirairay izy. Fa izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika.”—Asan’ny Apostoly 17:26-28.
Tsy ho sambatra isika raha tsy manompo an’ilay tena Andriamanitra. Izany koa no hahazoantsika “ny tena fiainana.” Diniho ny ohatr’i Teresa, mpanao filma nalaza tao amin’ny taniny. Namorona andian-tantara
maromaro naharitra adiny iray avy izy, ary izy no mpilalao fototra. Izy no vehivavy amerikanina mainty hoditra voalohany nanao izany. Nialany anefa izany rehetra izany. Nahoana? Hoy izy: “Niaiky aho fa tsy misy tsara noho ny mankatò ny Tenin’Andriamanitra.” Tsy te hanimba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra i Teresa, ka tsy nety nanohy an’ilay tantara feno fitondran-tena maloto sy herisetra. Tsy nitady laza teo imason’ny olona intsony izy. Lasa mpitory manontolo andro kosa izy, ary nanampy ny hafa hifandray tsara amin’Andriamanitra. Tena nahafa-po azy àry ny fiainany.Hoy ny mpiara-miasa iray tamin’i Teresa, rehefa nahalala fa tsy nanao filma intsony izy: “Narary ny foko satria asa tena tsara ilay izy nefa nialany. Fantatro anefa fa nahita zavatra tsara kokoa izy, ary afa-po tamin’izany.” Matin’ny lozam-piarakodia i Teresa tatỳ aoriana. Hoy ilay mpiara-miasa taminy, taorian’izay: “Ny zava-dehibe indrindra dia hoe nahatsiaro ho sambatra izy. Firy amintsika tokoa moa no mba afaka milaza hoe tena sambatra?” Manana fanantenana mahatalanjona ireo niezaka nifandray foana tamin’Andriamanitra, nefa nindaosin’ny fahafatesana. Hatsangana amin’ny maty izy ireo, rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra.—Jaona 5:28, 29.
Manana fikasana momba ny tany sy ny olona ny Mpamorona. Tiany ho fantatrao izany fikasany izany, ary tiany hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany ianao. (Salamo 37:10, 11, 29) Mianara àry bebe kokoa momba an’i Jehovah, ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Tokony hianaranao koa ny fikasany momba anao. Ho faly hanampy anao hahalala izany ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo. Miresaha àry amin’izy ireo, na manorata any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity.
[Sary, pejy 5]
Nahoana no tsy tsara ny toe-tsain’ilay mpanankarena tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?
[Sary, pejy 7]
Te hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany ve ianao?