Azo Ovana ho Fety Kristianina ve ny Fetin’ny Mpanompo Sampy?
Azo Ovana ho Fety Kristianina ve ny Fetin’ny Mpanompo Sampy?
NISY ady hevitra be tany Italia tamin’ny vanim-potoanan’ny Krismasy 2004. Nisy mpanabe nanohana an’ilay hevitra hoe tokony hahena ho faran’izay kely na hofoanana mihitsy, ny fombafomba mifandray amin’ny Krismasy any an-tsekoly. Nanao izany izy ireo satria te hanaja an’ireo mpianatra tsy Katolika na Protestanta, izay mihamaro isa hatrany. Ny mpanabe sasany sy ny olon-kafa kosa anefa, nitaky ny hanajana sy hanarahana foana ny fombafomba mifandray amin’ny Krismasy.
Fa ahoana tokoa moa no niandohan’ireo fombafomba maro mifandray amin’ny Krismasy? Mahaliana ny fanamarihan’ny gazetin’i Vatikana, L’Osservatore Romano, rehefa tena nafana ilay ady hevitra.
Hoy ilay gazety katolika, momba ny datin’ny Krismasy: ‘Tsy fantatra ny daty marina nahaterahan’i Jesosy, satria tsy milaza izany mazava ny tantara romanina. Tsy hita tao amin’ny taratasy fanisam-bahoaka romanina mantsy izy io, sady tsy hita tamin’ny fikarohana hafa tatỳ aoriana. Ny Eglizy [Katolika] Romanina no
nifidy ny daty 25 Desambra, tamin’ny taonjato faha-4. Fankalazan’ny Romanina ny andriamanitra Masoandro io andro io, tamin’izy ireo mbola nanompo andriamanitra maro. Marina fa efa lasa fivavahana tany Roma ny Kristianisma, araka ny Lalàn’i Constantin. Mbola betsaka anefa ny olona nino ny andriamanitra Masoandro, indrindra fa ny miaramila. Efa tena nahazatra azy ireo ny fombafomba amin’ny 25 Desambra. Nahita hevitra àry ny Eglizy, ka nampifandraisiny tamin’ny fivavahana kristianina io daty io. Novany an’i Jesosy Kristy, ilay tena Masoandron’ny Fahamarinana, ilay andriamanitra Masoandro, izay nankalazaina tamin’io fotoana io. Nataony andro fankalazana ny nahaterahan’i Jesosy ilay izy.’Ahoana kosa ny momba ny hazo krismasy, izay lasa fombafomban’ny Katolika tatỳ aoriana?
Nanazava ilay gazety fa maro amin’ny hazo maitsoririnina no noheverin’ny olona fahiny ho “manana hery mahagaga, na manasitrana na miaro amin’ny aretina. Anisan’izany ny ravintsara sy ny sampana kesika.” Hoy ihany ilay gazety: ‘Nolalaovina an-tsehatra ny 24 Desambra ny tantaran’ilay Hazo tao amin’ny Paradisa an-tany. Tiam-bahoaka io tantara io, ary natao hahatsiarovana an’i Adama sy Eva. Tokony ho hazo paoma no nampiasaina, nefa ririnina ny andro ka hazo kesika no nasolo azy. Nasiana paoma vitsivitsy sy mofo kominio teny amin’ny sampany. Namboarina tamin’ny bisikoỳ nopotipotehina ireo mofo, ary natao isan-karazany ny endriny. Manondro ny tenan’i Jesosy izy io, ary manambara ilay Fanavotana ho avy. Asiana vatomamy sy fanomezana ho an’ny ankizy koa [eo amin’ilay hazo].’ Ahoana indray ny tatỳ aoriana?
Nilaza ilay gazetin’i Vatikana fa tany Alemaina no nampiasana voalohany ny hazo krismasy, tamin’ny taonjato faha-16. Izao no nolazainy: ‘Iray amin’ireo firenena tsy nety nampiasa ny hazo krismasy i Italia raha tsy ela be tatỳ aoriana. Anisan’ny nahatonga izany ny tsaho niely be hoe fanao protestanta ny mampiasa hazo krismasy, ka tokony hosoloana tranon’omby [misy sary vongana mampiseho ny nahaterahan’i Jesosy] ilay izy.’ Ny Papa Paoly Faha-6 no “voalohany nanangana hazo krismasy lehibe” tao amin’ny Bazilikan’i Md. Piera, ao Roma. Nataony teo akaikin’ilay tranon’omby ilay izy.
Mety ve araka ny hevitrao ny ataon’ny mpitondra fivavahana, raha manova ny fetin’ny mpanompo sampy ho lasa fety kristianina izy, sady mampifandray ny zavatra fampiasan’ny mpanompo sampy amin’ny fivavahana kristianina? Mamaly toy izao ny Soratra Masina: “Inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?”—2 Korintianina 6:14-17.
[Sary, pejy 8, 9]
Hazo krismasy (eo ampita) sy tranon’omby mampiseho ny nahaterahan’i Jesosy, any Vatikana
[Sary nahazoan-dalana]
© 2003 BiblePlaces.com
[Sary, pejy 9]
Ny andriamanitra masoandro
[Sary nahazoan-dalana]
Museum Wiesbaden