“Fanomezana Tena Sarobidy”
“Fanomezana Tena Sarobidy”
IZANY no tenin’ny praiminisitra taloha tany Belzika, momba ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. * Ny mpifanila trano aminy no nanome azy io boky io, rehefa nitsidika azy. Nandefa taratasy fisaorana izy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Tena faly aho notsidihinao. Mbola nahafaly ahy kokoa anefa ilay fanomezana tena sarobidy avy aminao, dia ilay boky momba ‘Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra.’ ”
Nandalina an’ilay boky io praiminisitra io, ka hoy koa izy: “Hiova tanteraka ity tontolo ity, raha mandinika bebe kokoa ny Filazantsara ny olona, ary mampihatra ny toro lalan’i Jesosy Kristy ao anatin’izy io. Tsy hila Filan-kevi-pilaminana intsony isika amin’izay, ary tsy hisy intsony ny mpampihorohoro. Ho foana koa ny herisetra eran-tany.” Marina fa niaiky izy hoe toa nofinofy izany. Nankasitrahany anefa ny fitsidihan’ilay mpifanila trano aminy.
Hoy izy avy eo: “Olona tsara sitrapo ianareo, ka mendri-piderana. Sady tsy be fanantenana ianareo no tsy mora kivy, fa mino kosa hoe mbola hihatsara ny fiainana sy ny toetran’ny olona.”
Mino tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Andriamanitra no hanatsara ity tontolo ity, fa tsy ny olombelona. Miezaka izy ireo manahaka an’i Jesosy Kristy, ilay lehilahy niavaka indrindra. Efa nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika anao ve tato ho ato? Antenainay fa ho tianao ny hiresaka aminy, momba an’i Kristy. Ary ho faly izy ireo hanome anao ilay boky tena nahafaly an’ilay praiminisitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.