Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midika ho Inona ho Anao ny Fanatrehan’i Kristy?

Midika ho Inona ho Anao ny Fanatrehan’i Kristy?

Midika ho Inona ho Anao ny Fanatrehan’i Kristy?

“Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?”—MATIO 24:3.

1. Inona no fanontaniana mahaliana napetraky ny apostolin’i Jesosy taminy?

EFA ho roa arivo taona lasa izay no nametraka fanontaniana iray tamin’i Jesosy ny efatra tamin’ny apostoliny. Niresaka nitokana taminy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo tamin’izay. Hoy izy ireo tamin’ny Tompony: “Rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Matio 24:3) Nampiasa fitenenana roa tena mahaliana ny apostoly ao amin’io fanontaniana io, dia ny hoe “fanatrehanao” sy “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Inona no dikan’ireo?

2. Inona no hevitr’ilay teny hoe “fifaranana”?

2 Ny hoe “fifaranana” aloha no hodinihintsika. Syn·teʹlei·a izy io amin’ny teny grika. “Fifaranana” foana no nandikana azy io ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nadika hoe “farany” kosa ilay teny mifandray aminy hoe teʹlos. Haka ohatra isika hanazavana ny fahasamihafan’ireo. Eritrereto ny lahateny atao any amin’ny Efitrano Fanjakana. Antsoina hoe famaranan-teny, na fifaranan’ny lahateny ny fizarana farany amin’izy io. Maka fotoana kely ny mpandahateny eo mba hampahatsiahivana ny zavatra noresahiny sy hampisehoana ny fomba ampiharana azy. Rehefa miala eny amin’ny lampihazo mihitsy izy, dia izay no atao hoe faran’ilay lahateny. Ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” àry dia azo oharina amin’ilay famaranan-teny. Araka ny Baiboly, izy io dia ilay fe-potoana mialoha ny faran’ity tontolo ity, nefa voafaoka ao anatin’izy io koa ny faran’ity tontolo ity.

3. Inona no sasany amin’ireo zava-mitranga mandritra ny fanatrehan’i Jesosy?

3 Ary ahoana ilay hoe “fanatrehana”? Pa·rou·siʹa * izy io amin’ny teny grika. Nanomboka ny pa·rou·siʹa na fanatrehan’i Kristy, tamin’ny nametrahana azy ho Mpanjaka tany an-danitra tamin’ny 1914. Mbola mitohy io fanatrehana io, ka voafaoka ao ny “fahoriana lehibe”, izay fotoana hahatongavan’i Jesosy mba handringana ny ratsy fanahy. (Matio 24:21) Maro ny zava-mitranga mandritra ny fanatrehany. Anisan’izany ny ‘andro faran’ity’ tontolo ratsy ity, sy ny fanangonana an’ireo voafidy, ary ny fananganana azy ireo ho any an-danitra. (2 Tim. 3:1; 1 Kor. 15:23; 1 Tes. 4:15-17; 2 Tes. 2:1) Azo lazaina àry fa mifanitsy ny fotoan’ny fanatrehan’i Kristy (pa·rou·siʹa) sy ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” (syn·teʹlei·a).

Fe-potoana maharitra ela

4. Inona no mampitovy ny andron’i Noa sy ny fanatrehan’i Jesosy?

4 Manondro fe-potoana maharitra ela ny pa·rou·siʹa, ary mifanaraka tsara amin’izay voalazan’i Jesosy momba ny fanatrehany izany. (Vakio ny Matio 24:37-39.) Mariho fa tsy nampitovy ny fanatrehany tamin’ilay fe-potoana somary fohy nitrangan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa i Jesosy. Nampitaha azy io tamin’ilay fe-potoana lava kokoa mandra-pahatongan’ny Safodrano kosa izy. Voafaoka amin’izany ny fotoana nanamboaran’i Noa sambofiara sy nitoriany hatreo amin’ny Safodrano. Naharitra am-polony taona maro izany. Toy izany koa ny fanatrehan’i Kristy. Voafaoka ao ireo zava-mitranga mialoha ny fahoriana lehibe, ary ny fahoriana lehibe mihitsy.—2 Tes. 1:6-9.

5. Ahoana no anaporofoan’ny Apokalypsy toko faha-6 fa fe-potoana maharitra ela ny fanatrehan’i Jesosy?

5 Misy faminaniana hafa mampiseho mazava tsara fa fe-potoana maharitra ela ny fanatrehan’i Kristy, fa tsy ny fahatongavany handringana ny ratsy fanahy fotsiny. Miresaka an’i Jesosy ho toy ny mitaingina soavaly fotsy sy nomena satroboninahitra, ohatra, ny bokin’ny Apokalypsy. (Vakio ny Apokalypsy 6:1-8.) Voalaza ao fa nivoaka “handresy sy hamita ny fandreseny” izy, taorian’ny nanendrena azy ho Mpanjaka tamin’ny 1914. Narahin’ny soavaly samy hafa loko mbamin’ny mpitaingina azy izy avy eo. Manondro ady sy mosary ary areti-mandringana, mitranga mandritra ilay fe-potoana maharitra ela antsoina hoe “andro farany” ireo. Hitantsika fa tanteraka amin’ny androntsika izany faminaniana izany.

6. Inona no asehon’ny Apokalypsy toko faha-12 momba ny fanatrehan’i Kristy?

6 Manome tsipiriany hafa momba ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra ny Apokalypsy toko faha-12. Voalaza ao fa nisy ady nitranga tany. Niady tamin’ny Devoly sy ny demoniany i Mikaela (Jesosy Kristy efa any amin’ny toerany any an-danitra) sy ny anjeliny. Nazera tetỳ an-tany i Satana Devoly sy ny tafiny, vokatr’izany. Tezitra mafy ny Devoly nanomboka teo, satria “fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Vakio ny Apokalypsy 12:7-12.) Mazava àry fa taorian’ny niorenan’ny Fanjakan’i Kristy tany an-danitra, dia misy fe-potoana ahitana fitomboan’ny “loza” ho an’ny tany sy ny mponina eo aminy.

7. Inona no resahin’ny Salamo faha-2, ary inona no azo atao mandritra ilay fe-potoana voalaza ao?

7 Milaza mialoha momba ny hametrahana an’i Jesosy ho Mpanjaka eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra koa ny Salamo faha-2. (Vakio ny Salamo 2:5-9; 110:1, 2.) Voalaza ao koa anefa fa hisy fe-potoana homena ny mpitondra eto an-tany sy ny olom-peheziny mba hanekeny ny fitondran’i Kristy. Ampirisihina izy ireo mba ho ‘hendry’ sy ‘hino anatra.’ Mandritra io fotoana io, dia “sambatra [tokoa] izay rehetra mialoka [amin’i Jehovah]”, izany hoe manompo azy sy ilay Mpanjaka voatendriny. Misy fotoana azo hararaotina mba hiovana àry mandritra ny fanatrehan’i Kristy Mpanjaka.—Sal. 2:10-12.

Iza no hahita ilay famantarana?

8, 9. Iza no hahita ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy sy hahafantatra ny dikany?

8 Nanontany an’i Jesosy ny fotoana hahatongavan’ilay Fanjakana ny Fariseo. Namaly izy tamin’izay fa ‘tsy hibaribary’ araka ny iheveran’izy ireo azy izany. (Lioka 17:20, 21) Tsy nahatakatra an’ilay izy ny olona tsy mino. Ahoana moa no hahafantarany an’izany? Izy aza tsy nanaiky akory hoe i Jesosy no ho Mpanjakany. Koa iza àry no hahita ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy sady hahafantatra ny dikany?

9 Nilaza i Jesosy fa ny mpianany no hahita mazava tsara ilay famantarana. Toy ny hoe hahita “tselatra manjelanjelatra ... manazava any amin’ny faritra iray ambanin’ny lanitra ka hatrany amin’ny faritra hafa”, izy ireo amin’izany. (Vakio ny Lioka 17:24-29.) Mahaliana fa milaza mazava momba ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy ny Matio 24:23-27.

Ilay taranaka hahita an’ilay famantarana

10, 11. a) Inona no fanazavana azontsika teo aloha, momba ilay “taranaka” ao amin’ny Matio 24:34? b) Iza no anisan’ilay “taranaka”, araka ny fahatakaran’ny mpianatr’i Jesosy azy?

10 Efa nisy fanazavana momba an’ilay taranaka resahin’ny Matio 24:34, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Voalaza tao fa “ilay taranaka niara-belona tamin’ireo Jiosy tsy nino” no tondroina amin’ilay hoe “ity taranaka ity”, tamin’ny taonjato voalohany. * Toa nitombina io fanazavana io, satria nanana heviny ratsy daholo ny hoe “taranaka” noresahin’i Jesosy tany amin’ny andininy hafa. Matetika aza izy no nampiasa mpamari-toetra milaza zavatra ratsy, toy ny hoe “ratsy fanahy”, rehefa niresaka momba ny hoe taranaka. (Matio 12:39; 17:17; Marka 8:38) Noeritreretina àry tamin’izay fa amin’ny andro ankehitriny, dia ireo tsy mino no “taranaka” ratsy voalazan’i Jesosy. Ho hitan’izy ireo ny lafin-javatra mampiavaka ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” (syn·teʹlei·a), sy ny faran’ity tontolo ity (teʹlos).

11 Marina fa niresaka momba ny olona ratsy fanahy tamin’ny androny, na niresaka tamin’izy ireo mihitsy i Jesosy, rehefa nampiasa ny hoe “taranaka” tamin’ny heviny ratsy. Voatery ho toy izany koa ve anefa ilay teniny ao amin’ny Matio 24:34? Tadidio fa nanatona an’i Jesosy “mitokana” ny mpianany efatra tamin’izay. (Matio 24:3) Tsy nampiasa mpamari-toetra milaza zavatra ratsy i Jesosy teo, rehefa niresaka tamin’izy ireo momba ilay “taranaka.” Tsy isalasalana àry fa takatry ny apostoly hoe anisan’ilay “taranaka” tsy ho lany “mandra-pisehon’izany rehetra izany” izy ireo sy ny mpianatra hafa.

12. Nahoana ny teny manodidina no manampy antsika hamantatra an’ireo antsoin’i Jesosy hoe “taranaka”?

12 Afaka manatsoaka hevitra toy izany isika, rehefa mandinika tsara ny teny manodidina. Hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 24:32, 33: “Makà lesona avy amin’ny fanoharana momba ny aviavy: Raha vantany vao mitsimoka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa ianareo, rehefa hitanareo izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, eny, efa eo am-baravarana.” (Ampitahao amin’ny Marka 13:28-30; Lioka 21:30-32.) Nilaza toy izao izy avy eo, ao amin’ny Matio 24:34: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.”

13, 14. Nahoana isika no afaka milaza fa tsy maintsy ho ny mpianatr’i Jesosy no tiany holazaina amin’ilay hoe “taranaka”?

13 Nilaza i Jesosy fa ireo mpianany, izay efa ho voahosotry ny fanahy masina, no tokony hahay hanatsoaka hevitra rehefa mahita “izany rehetra izany” mitranga. Tsy maintsy ho ny mpianany àry no tiany holazaina tamin’ilay hoe: “Tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.”

14 Tsy toy ny olona tsy mino ny mpianatr’i Jesosy, fa sady hahita ilay famantarana izy ireo no hahafantatra ny dikany. ‘Haka lesona’ avy amin’ny lafiny samihafa amin’ilay famantarana izy ireo sady ‘hahafantatra’ ny tena dikany. Ho takatr’izy ireo tsara fa “efa akaiky izy, ... efa eo am-baravarana.” Nisy fahatanterahany kely ireo tenin’i Jesosy ireo tamin’ny taonjato voalohany, ary samy nahita izany na ny Jiosy tsy nino na ny Kristianina voahosotra nahatoky. Ny mpianany voahosotra tamin’izany ihany anefa no afaka naka lesona avy tamin’ireo zava-nitranga, izany hoe nahafantatra ny tena dikan’ny zavatra hitany.

15. a) Amin’izao andro izao, iza ilay “taranaka” nolazain’i Jesosy? b) Nahoana no tsy azo atao kajy ny tena halavan’ny fotoana ahaveloman’io “taranaka” io? (Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy 25.)

15 Mihevitra ireo tsy mahafantatra ny fahamarinana amin’ny androntsika, fa tsy misy zavatra hita “mibaribary” momba ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy. Milaza izy ireo fa mbola toy ny hatramin’izay ihany ny zava-drehetra. (2 Pet. 3:4) Mahita an’io famantarana io, toy ny mahita tsela-pahazavana kosa anefa ireo voahosotra mahatoky ankehitriny, sady mahafantatra ny tena dikany. Amin’izao andro izao, dia ireo voahosotra ireo amin’ny fitambarany no “taranaka” tsy ho lany “mandra-pisehon’izany rehetra izany.” * Toa milaza izany fa mbola ho velona eto an-tany ny sasany amin’ny voahosotra rahalahin’i Kristy, rehefa manomboka ny fahoriana lehibe.

“Miambena hatrany”

16. Inona no tsy maintsy ataon’ny mpianatr’i Kristy rehetra?

16 Tsy ampy anefa ny mahita an’ilay famantarana, fa ilaina ny manao zavatra. Hoy koa i Jesosy: “Izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny rehetra hoe: Miambena hatrany.” (Marka 13:37) Tena faran’izay zava-dehibe io ho antsika rehetra, na voahosotra isika na anisan’ny vahoaka be. Efa 90 taona mahery izay no lasa hatramin’ny nametrahana an’i Jesosy ho Mpanjaka any an-danitra tamin’ny 1914. Tsy maintsy vonona sy miambina hatrany isika, na dia mety ho sarotra aza izany. Manampy antsika hanao izany ny fahafantarana fa efa manatrika izao i Kristy Mpanjaka, na tsy hita maso aza izany. Mampiomana antsika koa izany fa ho avy tsy ho ela izy handringana ny fahavalony ‘amin’ny ora tsy ampoizintsika.’—Lioka 12:40.

17. Inona no tokony ho tsapantsika, rehefa fantatsika ny dikan’ny fanatrehan’i Kristy? Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

17 Vao mainka tsapantsika fa efa akaiky ny farany, rehefa fantatsika ny dikan’ny fanatrehan’i Kristy. Fantatsika fa efa manatrika i Jesosy ary efa manjaka any an-danitra, nanomboka tamin’ny 1914. Ho avy tsy ho ela izy handringana ny ratsy fanahy sy hitondra fiovana lehibe manerana ny tany. Vao mainka àry isika tokony ho tapa-kevitra ny hazoto hanao ilay asa nambaran’i Jesosy mialoha. Hoy izy: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany [teʹlos].”—Matio 24:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Manazava ny hevitry ny hoe pa·rou·siʹa ny fomba ampifanoherana ny hoe “eo” (manatrika) ny apostoly Paoly sy ny hoe “tsy eo” izy, ao amin’ny 2 Korintianina 10:10, 11 sy ny Filipianina 2:12. Raha mila tsipiriany momba ny hoe pa·rou·siʹa ianao, dia jereo Ny Baiboly Masina, Fanazavana Fanampiny 4 sy Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, pejy 276-279.

^ feh. 10 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1995, pejy 11-15, 19, 30, 31.

^ feh. 15 Toa mifanitsy amin’ny fotoana ahatanterahan’ilay fahitana voalohany ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ny fotoana ahaveloman’ilay “taranaka.” (Apok. 1:10–3:22) Nanomboka tamin’ny 1914 ny lafiny mampiavaka ny andron’ny Tompo voalaza ao, ary mifarana rehefa maty sy atsangana ho any an-danitra ny farany amin’ny voahosotra mahatoky.—Jereo ny Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!, pejy 24, fehintsoratra 4.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ahafantarantsika fa fe-potoana maharitra ela ny fanatrehan’i Jesosy?

• Iza no mahita ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy sy mahafantatra ny dikany?

• Amin’izao andro izao, iza ilay taranaka ao amin’ny Matio 24:34?

• Nahoana isika no tsy afaka manao kajy ny tena halavan’ny fotoana ahaveloman’io “taranaka” io?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 25]

Azo Atao Kajy ve ny Fotoana Ahaveloman’ilay “Taranaka”?

Mazàna ny hoe “taranaka” no manondro olona samy hafa taona miara-belona mandritra ny fe-potoana na zava-mitranga miavaka iray. Toy izao, ohatra, no voalazan’ny Eksodosy 1:6: “Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’izany taranaka rehetra izany.” Tsy nitovy taona i Josefa sy ny rahalahiny, nefa samy velona nandritra ny fe-potoana iray. Anisan’ilay hoe ‘izany taranaka izany’ ny rahalahin’i Josefa sasany izay teraka talohany. Mbola velona ny sasany tamin’ireo rehefa maty izy. (Gen. 50:24) Teraka taorian’ny nahaterahan’i Josefa kosa ny olon-kafa anisan’ilay hoe ‘izany taranaka izany’, ary mety ho mbola velona taorian’ny nahafatesany. Anisan’izany i Benjamina rahalahiny.

Koa rehefa ampiasaina hilazana olona miara-belona amin’ny fotoana iray àry ny hoe “taranaka”, dia tsy azo atao ny milaza ny tena halavan’ilay fotoana, fa azo atao kosa ny milaza hoe tsy maintsy hifarana ilay izy sady tsy ho lava loatra. Noho izany, rehefa nampiasa an’ilay teny hoe “ity taranaka ity” i Jesosy ao amin’ny Matio 24:34, dia tsy nanome fomba hamaritan’ny mpianany hoe rahoviana no hifarana ny “andro farany.” Vao mainka aza izy nanamafy fa tsy hahalala “ny amin’izany andro sy ora izany” izy ireo.—2 Tim. 3:1; Matio 24:36.

[Sary, pejy 22, 23]

Voalaza fa “handresy” i Jesosy, taorian’ny nanendrena azy ho Mpanjaka tamin’ny 1914

[Sary, pejy 24]

“Tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany”