Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaova Soa Hatrany

Manaova Soa Hatrany

Manaova Soa Hatrany

“Manaova soa mandrakariva.”—LIOKA 6:35.

1, 2. Nahoana no tsy mora matetika ny manao soa amin’ny hafa?

TSY mora ny manao soa amin’ny hafa. Mety tsy hamaly ny soa ataontsika mantsy izy. Mety tsy hiraika na tsy hankasitraka antsika ny olona, na dia mitady izay hahasoa azy aza isika, ka miezaka mitory aminy “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra falifaly” sy ny Zanany. (1 Tim. 1:11) Ny hafa mitsangan-ko “fahavalon’ny hazo fijalian’i Kristy.” (Fil. 3:18) Ahoana no tokony hitondrantsika Kristianina azy ireny?

2 Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Tiavo foana ny fahavalonareo, [ary] manaova soa mandrakariva.” (Lioka 6:35) Andeha hodinihintsika io fampirisihana io. Handinika lafin-javatra hafa nolazain’i Jesosy momba ny fanaovan-tsoa koa isika.

‘Tiavo ny fahavalonareo’

3. a) Fintino amin’ny fomba fiteninao ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:43-45. b) Inona no hevitra noforonin’ireo mpitondra fivavahana jiosy momba ny Jiosy sy ny tsy Jiosy?

3 Nampirisika ny mpihaino azy ho tia ny fahavalony sy hivavaka ho an’ireo mpanenjika i Jesosy, tao amin’ilay toriteny malaza teo an-tendrombohitra. (Vakio ny Matio 5:43-45.) Jiosy ireo nihaino azy, ary nahalala ny didin’Andriamanitra hoe: “Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Lev. 19:18) Nihevitra ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny taonjato voalohany, fa ny Jiosy ihany no “iray firenena” sy ‘namana’ tian’io didy io holazaina. Nandidy ny Israelita mba tsy hiharoharo tamin’ny firenen-kafa ny Lalàn’i Mosesy. Nitarin’ireo mpitondra fivavahana anefa izany, ka nolazainy fa fahavalo tokony hankahalaina izay rehetra tsy Jiosy.

4. Ahoana no tokony ho fihetsiky ny mpianatr’i Jesosy amin’ny fahavalony?

4 Izao kosa no nolazain’i Jesosy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha mandrakariva ho an’izay manenjika anareo.” (Matio 5:44) Tokony ho tia an’ireo mankahala azy ny mpianatr’i Jesosy. Hoy i Jesosy ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka: “Izao no lazaiko aminareo mihaino ahy: Tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa mandrakariva amin’izay mankahala anareo, irario soa hatrany izay manozona anareo, ary mivavaha foana ho an’izay manivaiva anareo.” (Lioka 6:27, 28) Nampihatra ny tenin’i Jesosy ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany, ka ‘nanao soa tamin’izay nankahala azy’, izany hoe nanao zavatra tsara ho azy ireo. Tokony hanahaka azy ireo isika. ‘Mirary soa izay manozona antsika’ isika raha tsara fanahy rehefa miresaka aminy. ‘Mivavaka ho an’izay manenjika’ antsika koa isika, anisan’izany ireo mampiasa herisetra na ireo “manivaiva” antsika amin’ny fomba hafa. Mangataka amin’i Jehovah isika mba hampiova ny fon’izy ireo, sy hanaovany zavatra hahazoany sitraka amin’i Jehovah.

5, 6. Nahoana isika no tokony ho tia ny fahavalontsika?

5 Nahoana isika no tokony ho tia ny fahavalontsika? Hoy i Jesosy: “Mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.” (Matio 5:45) Raha tia ny fahavalontsika isika, dia ho lasa ‘zanak’Andriamanitra’, izany hoe hanahaka an’i Jehovah, izay “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.” Milaza ny fitantaran’i Lioka fa “tsara fanahy amin’izay tsy mankasitraka sy amin’ny ratsy fanahy” Andriamanitra.—Lioka 6:35.

6 Nohamafisin’i Jesosy fa tokony ‘ho tia ny fahavalony foana’ ny mpianany, ka hoy izy: “Raha izay tia anareo no tianareo, inona no valisoa azonareo? Tsy mba manao toy izany koa ve ny mpamory hetra? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mampiavaka ny ataonareo amin’ny ataon’ny hafa? Tsy mba manao toy izany koa ve ny olona eo amin’izao tontolo izao?” (Matio 5:46, 47) Tsy mendrika hahazo “valisoa” na sitraka amin’Andriamanitra isika, raha ireo olona tia antsika ihany no tiantsika. Toy izany ihany mantsy no ataon’ny mpamory hetra, izay mazàna no halan’ny olona.—Lioka 5:30; 7:34.

7. Nahoana no tsy manao zavatra ‘miavaka’ isika raha ny ‘rahalahintsika’ ihany no arahabaintsika?

7 Misy hoe “fiadanana” ny teny fiarahabana fanaon’ny Jiosy. (Mpits. 19:20; Jaona 20:19) Firariana soa sy fahasalamana ary fahombiazana ho an’ilay arahabaina izany. Tsy manao zavatra ‘miavaka’ isika raha ireo heverintsika ho ‘rahalahintsika’ ihany no arahabaintsika. Manao izany koa mantsy ireo “olona eo amin’izao tontolo izao.”

8. Inona no nampirisihan’i Jesosy hataon’ny mpihaino azy, rehefa nilaza izy hoe: “Tsy maintsy lavorary ianareo”?

8 Tsy afaka ny ho lavorary na hoe tsy hanan-tsiny ny mpianatr’i Kristy, satria nandova ota. (Rom. 5:12) Namarana ny teniny toy izao anefa i Jesosy: “Koa tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary.” (Matio 5:48) Nampirisika ny mpihaino azy àry izy mba hanahaka an’i Jehovah, ilay ‘Rainy any an-danitra.’ Midika izany fa tokony ho lavorary na ho feno ny fitiavan’izy ireo, ka ho tiany na dia ny fahavalony aza. Tokony ho toy izany koa isika.

Nahoana isika no tokony hamela heloka?

9. Inona koa no tafiditra amin’ny hoe manao soa, araka ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy?

9 Manao soa hatrany isika rehefa mamela ny heloky ny olona nanao fahadisoana tamintsika. Anisan’ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy ny hoe: “Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.”—Matio 6:12.

10. Ahoana no anahafantsika an’Andriamanitra, raha ny amin’ny famelan-keloka?

10 Mamela tanteraka an’ireo mpanota mibebaka Andriamanitra. Tokony hanahaka azy isika. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ... ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy.” (Efes. 4:32) Nihira i Davida mpanao salamo hoe: ‘Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindram-po. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.’—Sal. 103:8-14.

11. Iza no mahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra?

11 Izay mamela ny heloky ny hafa ihany no mahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. (Marka 11:25) Hoy i Jesosy mba hanamafisana izany: “Raha mamela ny heloky ny olona ianareo, dia hamela ny helokareo koa ny Rainareo any an-danitra, fa raha tsy mamela ny heloky ny olona kosa ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.” (Matio 6:14, 15) Izay mamela tanteraka ny heloky ny hafa ihany àry no havelan’Andriamanitra heloka. Manao soa hatrany isika, raha manaraka ity torohevitr’i Paoly ity: “Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.”—Kol. 3:13.

“Aza mitsara intsony”

12. Inona no torohevitra nomen’i Jesosy momba ny fitsarana ny hafa?

12 Nolazain’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra koa, fa manao soa amin’ny hafa isika raha tsy mitsara azy ireo. Nampiasa fanoharana mafonja izy mba hanamafisana izany. (Vakio ny Matio 7:1-5.) Andeha hodinihintsika ny tiany hambara amin’ilay hoe: “Aza mitsara intsony.”

13. Inona no dikan’ny hoe ‘manafaka madiodio’ ny hafa?

13 Hoy i Jesosy ao amin’ny Filazantsaran’i Matio: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina.” (Matio 7:1) Hoy koa izy ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka: “Aza mitsara intsony dia tsy hotsaraina mihitsy ianareo. Ary aza manameloka intsony dia mba tsy homelohina ianareo. Afaho madiodio foana ny hafa, dia mba hafahana madiodio koa ianareo.” (Lioka 6:37) Nitsara ny hafa tsy nisy indrafo ny Fariseo tamin’ny taonjato voalohany, ary niorina tamin’ny lovantsofina tsy araka ny Soratra Masina ny fitsarany. Tsy tokony “hitsara [ny hafa] intsony” ireo nihaino an’i Jesosy, izay efa nanao toy ny nataon’ireo Fariseo. Tokony ‘hanafaka madiodio’ ny hafa kosa izy ireo, izany hoe hamela ny fahadisoany. Nanoro hevitra antsika mba hamela heloka tanteraka koa ny apostoly Paoly, araka ny efa hitantsika teo aloha.

14. Handrisika ny hafa hanao inona ny mpianatr’i Jesosy raha mamela heloka?

14 Handrisika ny olon-kafa ho tia mamela heloka ny mpianatr’i Jesosy, raha mamela heloka. Hoy i Jesosy: “Araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo, ary araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.” (Matio 7:2) Hijinja izay afafintsika isika, izany hoe hoentina araka izay fomba itondrantsika ny hafa.—Gal. 6:7.

15. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa ratsy ny manakiana tafahoatra?

15 Nasehon’i Jesosy fa ratsy ny manakiana tafahoatra ny hafa. Hoy izy: “Nahoana àry ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy mba heverinao? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: ‘Aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ny masonao’, nefa jereo fa misy vatan-kazo eo amin’ny masonao?” (Matio 7:3, 4) Mahita ny tsy mety kely eo amin’ny ‘mason’ny’ namany ny olona tia manakiana. Te hilaza izy fa tsy misaina tsara sy tsy tena mahay mitsara zavatra ilay rahalahiny. Madinika toy ny sombin-kazo ilay zavatra tsy mety, nefa te ‘hanaisotra’ izany izy. Manolo-tena izy hanampy an’ilay rahalahiny hahita tsara kokoa, nefa izy aza tsy mahita akory.

16. Nahoana no azo lazaina fa nisy “vatan-kazo” teo amin’ny mason’ny Fariseo?

16 Ireo mpitondra fivavahana jiosy no tena mpanakiana tafahoatra ny hafa. Nilaza, ohatra, ny lehilahy jamba iray nositranin’i Kristy fa tsy maintsy ho irak’Andriamanitra i Jesosy. Tezitra anefa ny Fariseo ka nanao hoe: “Tena teraka tao anatin’ny ota ialahy, ka ialahy indray ve no mampianatra anay?” (Jaona 9:30-34) Tsy nifanaraka tamin’ny fiheveran’i Jehovah, ny fitsaran’ireo Fariseo. Toy ny hoe nisy “vatan-kazo” teo amin’ny masony, ary jamba tanteraka izy ireo. Hoy àry i Jesosy: “Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao, dia ho hitanao tsara ny hanesorana ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.” (Matio 7:5; Lioka 6:42) Raha tapa-kevitra ny hanao soa sy hitondra ny hafa amin’ny fomba tsara isika, dia tsy hanakiana mafy azy, na hitady foana izay tsy mety kely amin’ny fomba fisainany. Hiaiky kosa isika fa tsy lavorary, ka tsy tokony ho tia mitsara sy manakiana an’ireo mpiray finoana amintsika.

Fomba tokony hitondrantsika ny hafa

17. Ahoana no tokony hitondrantsika ny hafa, araka ny Matio 7:12?

17 Nasongadin’i Jesosy tao amin’ilay toriteny, fa mihevitra ny mpanompony ho toy ny zanany i Jehovah ka mamaly ny vavak’izy ireo. (Vakio ny Matio 7:7-12.) Mariho ity fitsipika momba ny fitondran-tena nomen’i Jesosy ity: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Porofointsika fa tena mpanara-dia an’i Jesosy Kristy isika, raha mampihatra izany rehefa mifandray amin’ny hafa.

18. Inona no nolazain’ny “Lalàna” mba hampisehoana fa tokony hitondra ny hafa araka izay tiantsika hitondrana antsika isika?

18 Rehefa avy nilaza i Jesosy fa tokony hitondra ny hafa araka izay tiantsika hitondrana antsika isika, dia hoy izy: “Izany, raha ny marina, no tian’ny Lalàna sy ny Mpaminany hambara.” Raha mitondra ny hafa araka izay nolazain’i Jesosy isika, dia miaina mifanaraka amin’ny zava-kendren’ny “Lalàna”, izany hoe izay voasoratra ao amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Deoteronomia. Asehon’ireo boky ireo ny fikasan’i Jehovah hampipoitra taranaka iray hanaisotra ny faharatsiana. Hita ao koa ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny firenen’ny Israely tamin’ny alalan’i Mosesy, tamin’ny 1513 T.K. (Gen. 3:15) Milaza mazava ny Lalàna fa tokony hanao ny marina, tsy hiangatra, ary hanao soa amin’ny malahelo sy ny vahiny ny Israelita.—Lev. 19:9, 10, 15, 34.

19. Inona no lazain’ny “Mpaminany” mba hampisehoana fa tokony hanao soa isika?

19 Ireo bokim-paminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “ny Mpaminany.” Mirakitra faminaniana momba ny Mesia, izay tanteraka tamin’i Kristy, ireo boky ireo. Asehon’ireny faminaniana ireny koa fa mitahy ny olony Andriamanitra, rehefa manao izay mahitsy eo imasony izy ireo, ary mitondra ny hafa araka ny mety. Izao, ohatra, no nambaran’i Isaia mpaminany tamin’ny Israelita: ‘Izao no lazain’i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina. Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany, ary ny zanak’olona izay mitana izany, ka miaro ny tànany tsy hanao izay ratsy akory.’ (Isaia 56:1, 2) Tena takin’Andriamanitra amin’ny olony ny hanaovan’izy ireo soa hatrany.

Manaova soa hatrany

20, 21. Nanao ahoana ny fihetsiky ny vahoaka nihaino ny toritenin’i Jesosy teo an-tendrombohitra? Nahoana ianao no tokony hisaintsaina ilay toriteny?

20 Vitsy monja amin’ireo hevi-dehibe nolazain’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra no hitantsika teo. Azontsika sary an-tsaina avy hatrany anefa ny fihetsik’ireo nihaino azy. Hoy ny Baiboly: “Rehefa vitan’i Jesosy izany teny izany, dia nitolagaga ny vahoaka noho ny fomba fampianarany. Nampianatra azy toy ny manana fahefana mantsy izy, fa tsy toy ny mpanora-dalàna teo aminy.”—Matio 7:28, 29.

21 I Jesosy Kristy tokoa ilay ‘Mpanolo-tsaina Mahagaga’ nambara mialoha. (Isaia 9:5) Hita tamin’ilay toriteny fa tena nahalala ny fomba fihevitry ny Rainy i Jesosy. Hita tao koa ny fomba ahitana ny tena fahasambarana, ny fomba hanalavirana ny fitondran-tena ratsy, ny fomba hanaovana ny marina, izay tsy maintsy hatao mba hananana hoavy sambatra sy azo antoka, ary zavatra maro hafa. Nahoana raha vakina amim-pitandremana indray ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7? Mivavaha rehefa manao izany. Saintsaino ary ampiharo ireo torohevitra lehibe nolazain’i Jesosy ao. Ho hainao kokoa amin’izay ny hampifaly an’i Jehovah, sy hitondra ny hafa araka ny mety, ary hanao soa hatrany.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no tokony hitondrantsika ny fahavalontsika?

• Nahoana isika no tokony hamela heloka?

• Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fitsarana ny hafa?

• Ahoana no tokony hitondrantsika ny hafa, araka ny Matio 7:12?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 10]

Fantatrao ve ny antony nilazan’i Jesosy hoe: “Aza mitsara intsony”?

[Sary, pejy 8]

Nahoana isika no tokony hivavaka ho an’ireo manenjika antsika?

[Sary, pejy 10]

Mitondra ny hafa araka izay tianao hitondrana anao ve ianao?