Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Andriamanitra no Mampitombo’!

‘Andriamanitra no Mampitombo’!

‘Andriamanitra no Mampitombo’!

“Tsy ilay mamboly na ilay manondraka no inona, fa Andriamanitra izay mampitombo.”—1 KOR. 3:7.

1. Amin’ny lafiny inona isika no “mpiara-miasa amin’Andriamanitra”?

“MPIARA-MIASA amin’Andriamanitra” isika, hoy ny apostoly Paoly. (Vakio ny 1 Korintianina 3:5-9.) Isika rehetra no afaka manao an’io asa manokana io, dia ny fanaovana mpianatra. Nampitahain’i Paoly tamin’ny famafazana voa sy fanondrahana izy io. Mila ny fanampian’i Jehovah isika, raha te hahomby amin’io asa lehibe io. Nilaza mantsy i Paoly fa ‘Andriamanitra no mampitombo.’

2. Koa satria ‘Andriamanitra no mampitombo’, inona no ianarantsika avy amin’izany?

2 Mampanetry tena antsika ny mahalala hoe ‘Andriamanitra no mampitombo.’ Na mazoto mitory sy mampianatra aza mantsy isika, dia i Jehovah foana no tokony homena voninahitra, rehefa misy vokatra azo. Nahoana? Satria tsy miankina amintsika ny fitomboan’ny voan’ilay Fanjakana ao am-pon’ny olona, sady tsy hazava amintsika amin’ny fomba feno mihitsy. Marina tokoa ilay tenin’i Solomona Mpanjaka hoe: ‘Tsy fantatrao ny asan’Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.’—Mpit. 11:5.

3. Inona no mampitovy ny famafazana voa sy ny fanaovana mpianatra?

3 Tsy mahafinaritra ve ny asantsika satria tsy mazava amintsika ny fitomboan’ny voan’ilay Fanjakana? Tsia. Vao mainka aza mahaliana sy mampientam-po ilay izy. Hoy i Solomona: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.” (Mpit. 11:6) Rehefa mamboly tokoa isika, dia tsy fantatsika hoe haniry ve ireo voa, ary ny aiza amin’izy ireo no haniry. Maro ny toe-javatra tsy miankina amintsika. Toy izany koa ny fanaovana mpianatra. Nanao fanoharana roa i Jesosy mba hanazavana izany, ao amin’ny Filazantsaran’i Marka toko faha-4. Hojerentsika ny lesona azo raisina avy amin’izany.

Tany isan-karazany

4, 5. Fintino ilay fanoharan’i Jesosy momba ny mpamafy.

4 Nilaza i Jesosy, araka ny Marka 4:1-9, fa nilatsaka tamin’ny tany samy hafa ny voa nafafin’ilay mpamboly. Hoy izy: “Henoy izao: Nivoaka ny mpamafy mba hamafy. Ary nony namafy izy, ny voa sasany latsaka teo amoron-dalana, ka lanin’ny vorona tonga teo. Ny voa hafa latsaka teo amin’ny toerana be vato, izay tsy nisy nofon-tany firy. Koa nitsiry avy hatrany ny voa satria tsy lalina ny nofon-tany. Rehefa niposaka anefa ny masoandro, dia may ny voa ka nalazo fa tsy nisy fakany. Ary ny voa hafa latsaka teo amin’ny tsilo, ary naniry ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. Fa ny voa hafa kosa latsaka teo amin’ny tany tsara, ary naniry ka nitombo, dia nanomboka namoa avo telopolo heny sy enimpolo heny ary zato heny.”

5 Tamin’ny andron’ny Baiboly dia naparitaka ny voa, rehefa nafafy. Nentin’ilay mpamboly tao anaty kitapo na tao anatin’ny akanjony ivelany ny masomboly, ary natsotrany tsara ny tanany rehefa namafy izy. Ao amin’ilay fanoharana àry, dia tsy fanahy inian’ilay mpamboly ny hamafy amin’ny tany isan-karazany. Ireo voa kosa no nilatsaka tamin’ny toerana samy hafa.

6. Ahoana no nanazavan’i Jesosy an’ilay fanoharana momba ny mpamafy?

6 Tsy voatery maminavina ny hevitr’io fanoharana io isika, satria nohazavain’i Jesosy ilay izy. Hoy ny Marka 4:14-20: “Ilay mpamafy dia mamafy ny teny masina. Ireo teo amoron-dalana àry dia izay namafazana ny teny, nefa raha vantany vao mandre izany izy, dia tonga i Satana manaisotra ny teny nafafy tao aminy. Eo koa ireo nafafy teo amin’ny toerana be vato: Raha vantany vao mandre ny teny izy, dia manaiky izany amim-pifaliana. Tsy misy faka anefa ao aminy fa maharitra vetivety ihany. Raha vantany vao mipoitra ny fahoriana na ny fanenjehana noho ny teny, dia mihemotra izy. Mbola misy hafa koa nafafy teo amin’ny tsilo. Ireo dia izay mandre ny teny, saingy lasa mibahan-toerana tsikelikely ny fanahian’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena ary ny faniriana ny zavatra hafa sisa, ka mangeja ny teny, dia manjary tsy mamoa izy. Farany, ireo voa nafafy teo amin’ny tany tsara dia ireo mihaino ny teny ka mandray izany tsara ary dia mamoa avo telopolo heny sy enimpolo heny ary zato heny.”

7. Inona ilay voa sy ireo tany isan-karazany?

7 Mariho fa tsy nilaza i Jesosy hoe samy hafa ny voa nampiasaina. Nilaza kosa izy hoe karazam-boa iray ihany no nafafy, fa ny tany nilatsahany no samy hafa, ka tsy nitovy ny vokatra azo. Mafy be ilay tany voalohany, ilay faharoa indray marivo loatra, ny fahatelo feno tsilo, ary ny fahefatra kosa tany tsara ka nahavokatra. (Lioka 8:8) Inona àry ilay voa? Tsy inona fa ny hafatra momba ilay Fanjakana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 13:19) Ary ireo tany isan-karazany? Olona manana toe-po samy hafa.—Vakio ny Lioka 8:12, 15.

8. a) Iza no mpamafy? b) Nahoana no tsy mitovy ny vokatra azo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana?

8 Iza kosa no mpamafy? Ireo mpiara-miasa amin’Andriamanitra, izay mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Mamboly sy manondraka izy ireo, toa an’i Paoly sy Apolosy. Na miezaka mafy aza anefa izy ireo, dia tsy mitovy ny vokatra azo. Nahoana? Satria tsy mitovy ny toe-pon’ny olona mandre ilay hafatra. Ao amin’ilay fanoharana, dia tsy miankina amin’ilay mpamboly mihitsy ny vokatra ho azo. Mampahery izany, indrindra ho an’ireo rahalahy sy anabavy mazoto mitory efa an-taonany maro na am-polo taonany mihitsy, nefa zara raha mahita vokatra! * Nahoana?

9. Inona no hevitra mampahery nasongadin’i Paoly sy Jesosy?

9 Tsy ny vokatra azo no itsarana hoe mazoto ilay mpamafy na tsia. Hoy mantsy i Paoly: ‘Ny tsirairay dia samy hahazo ny valisoany araka ny asa mafy nataony.’ (1 Kor. 3:8) Miankina amin’ny asa mafy natao àry ny valisoa, fa tsy amin’ny vokatra azo. Nasongadin’i Jesosy izany indray mandeha, rehefa avy nitory ny mpianany. Faly sy nientanentana erỳ izy ireo, satria nanaiky azy ny demonia rehefa nampiasa ny anaran’i Jesosy izy. Hoy anefa i Jesosy: “Aza mifaly satria hoe manjary manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia kosa satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.” (Lioka 10:17-20) Na kely aza ny vokatra azon’ny mpitory, dia tsy midika izany hoe tsy nazoto na tsy niasa tsara izy. Miankina be dia be amin’ny toe-pon’ny olona mihaino mantsy izany, ary Andriamanitra no mampitombo!

Manana adidy koa ireo mandre ny teny

10. Miankina amin’ny inona no hahatonga an’ireo mandre ny teny ho toy ny tany tsara na tsia?

10 Ahoana kosa ny amin’ireo mandre ny teny? Efa voalahatra mialoha ve izay ho fihetsiny? Tsia. Miankina amin’ny safidy ataony, raha ho toy ny tany tsara izy na tsia. Mety hiova ho tsara na ho ratsy koa ny teo-pon’ny olona. (Rom. 6:17) Nilaza i Jesosy tamin’ilay fanoharana, fa “raha vantany vao mandre” ny teny ny olona sasany, dia tonga i Satana manaisotra izany ao aminy. Tsy voatery hitranga anefa izany. Mampirisika ny Kristianina mantsy ny Jakoba 4:7 hoe: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’ Misy koa manaiky amim-pifaliana rehefa itoriana, nefa avy eo mihemotra satria ‘tsy misy faka ao aminy.’ Ny mpanompon’Andriamanitra kosa anefa tokony “hamaka tsara sy hiorina mafy eo amin’ny fototra.” Amin’izay izy ireo dia hahatakatra tsara “izay sakany sy halavany sy haavony ary halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra noho ny fahalalana.”—Efes. 3:17-19; Kol. 2:6, 7.

11. Inona no azon’ny olona iray atao, mba tsy hangeja ny teny ny fanahiana sy ny harena?

11 Misy kosa mamela “ny fanahian’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena”, hibahan-toerana eo amin’ny fiainany sy hangeja ny teny. (1 Tim. 6:9, 10) Ahoana no azo isorohana izany? Hoy i Paoly: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo. Fa hoy izy: ‘Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.’ ”—Heb. 13:5.

12. Nahoana no tsy mitovy ny vokatra azo, amin’ireo tany tsara?

12 Farany, dia niresaka an’ireo voa latsaka teny amin’ny tany tsara i Jesosy. ‘Namoa avo telopolo heny sy enimpolo heny ary zato heny’ izy ireo. Samy mamoa ireo olona manana toe-po tsara, nefa tsy mitovy ny zava-bitany amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, satria samy hafa ny toe-javatra misy azy. Mety ho voafetra, ohatra, ny fanompoana vitan’ireo efa antitra na marary. (Ampitahao amin’ny Marka 12:43, 44.) Tsy niankina tamin’ilay mpitory namafy tamin’izy ireo koa izany. Faly anefa ilay mpitory satria nampitombo ny voa nafafiny i Jehovah.—Vakio ny Salamo 126:5, 6.

Natory ilay mpamafy

13, 14. a) Fintino ny fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Marka 4:26-29. b) Iza no mpamafy, ary inona ilay voa?

13 Misy fanoharana iray momba ny mpamafy koa ao amin’ny Marka 4:26-29, manao hoe: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia tahaka ny olona iray manipy voa amin’ny tany. Matory izy amin’ny alina ary mifoha amin’ny maraina. Ary maniry ilay voa ka mitombo, nefa tsy fantany hoe amin’ny fomba ahoana. Mamokatra tsikelikely amin’izao fotsiny ny tany: Voalohany, ny raviny toy ny ravin’ahitra, avy eo ny salohy, ary farany ny voa eo amin’ny salohy. Raha vantany vao azo jinjaina anefa ny vokatra, dia jinjainy satria tonga ny fotoam-pijinjana.”

14 Iza no mpamafy eto? Misy amin’ny Kristianina anarana mihevitra fa i Jesosy ilay mpamafy. Tsy mety anefa raha i Jesosy no lazaina fa lasa natory, ka tsy nahafantatra hoe ahoana no nampaniry ilay voa. Fantany tsara mantsy izany! Ny mpitory ilay Fanjakana kosa no mpamafy, toy ny tamin’ilay fanoharana teo aloha ihany. Mamafy ny voan’ilay Fanjakana izy ireo rehefa mitory. Ny teny toriny no voa afafiny. *

15, 16. Inona no nasongadin’i Jesosy momba ny fitomboan’ny voa ara-bakiteny sy ny voan’ilay Fanjakana?

15 Nilaza i Jesosy fa “matory [ilay mpamafy] amin’ny alina ary mifoha amin’ny maraina.” Tsy diso akory ilay mpamafy raha natory. Fanao mahazatra ny olona fotsiny no tiana haseho eo. Hita amin’ilay fomba filaza nampiasaina eo, fa fahazarana mitohy ilay izy. Inona no mitranga mandritra izany? Hoy i Jesosy: “Maniry ilay voa ka mitombo, nefa tsy fantany hoe amin’ny fomba ahoana.” Nilaza i Jesosy avy eo fa maniry “amin’izao fotsiny”, na maniry ho azy ilay izy. *

16 Inona no tian’i Jesosy hasongadina? Nasehony fa mitombo miandalana ilay voa. “Mamokatra tsikelikely amin’izao fotsiny ny tany: Voalohany, ny raviny toy ny ravin’ahitra, avy eo ny salohy, ary farany ny voa eo amin’ny salohy.” (Marka 4:28) Misy ambaratongany àry ilay fitomboana. Tsy azo terena na hafainganina izy io. Toy izany koa ny fandrosoan’ireo olona lasa mpianatra. Avelan’i Jehovah hitombo ao am-pon’ireo manana toe-po tsara ny fahamarinana, ary mandeha miandalana izany.—Asa. 13:48; Heb. 6:1.

17. Iza avy no faly rehefa mamoa ny voan’ny fahamarinana?

17 Inona no valisoa azon’ny mpamafy, “raha vantany vao azo jinjaina ny vokatra”? Ampitomboin’i Jehovah ao am-pon’ireo mpianatra, ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. Mandroso àry izy ireo, ka manolo-tena ho an’Andriamanitra noho ny fitiavany azy. Atao batisa izy ireo avy eo, ho mariky ny fanoloran-tenany. Rehefa mihamatotra ireo rahalahy, dia mahazo andraikitra tsikelikely eo anivon’ny fiangonana. Mahazo valisoa àry ilay mpitory namafy voalohany. Faly koa ny mpitory hafa, na dia tsy izy ireo aza no namafy voa tamin’ilay mpianatra. (Vakio ny Jaona 4:36-38.) ‘Miara-miravoravo’ tokoa “ny mpamafy sy ny mpijinja.”

Fianarana ho antsika

18, 19. a) Inona no nampahery anao manokana, tamin’ireo fanoharana roa nataon’i Jesosy? b) Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Inona no nianarantsika avy amin’ireo fanoharana roa ao amin’ny Marka toko faha-4 ireo? Mazava fa misy asa tokony hataontsika, dia ny famafazana. Tsy tokony hitady fialan-tsiny isika, na hatahotra an’izay olana sy zava-tsarotra mety hitranga, ka tsy hanao an’io asa io. (Mpit. 11:4) Fantatsika fa voninahitra lehibe ny hoe mpiara-miasa amin’Andriamanitra. I Jehovah no mampitombo ny voan’ilay Fanjakana, ka mitahy ny asantsika sy ny ezaka ataon’ireo mandray an’ilay hafatra. Hitantsika koa fa tsy azontsika terena hitombo mihitsy ny voan’ilay Fanjakana. Tsy tokony ho kivy na halahelo àry isika rehefa tsy mandroso ny olona, na ela vao mandroso. Mampahery ny mahalala fa mahomby foana isika rehefa tsy mivadika amin’i Jehovah sy mazoto amin’ilay asa nanendreny antsika, dia ny hitory ny ‘vaovao tsaran’ilay fanjakana, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.’—Matio 24:14.

19 Inona koa no nampianarin’i Jesosy, momba ny fandrosoan’ny mpianatra sy ny asan’ilay Fanjakana? Mamaly izany ireo fanoharana hafa ao amin’ny Filazantsara. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny sasany amin’ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Diniho ny ohatry ny Rahalahy Georg Fjölnir Lindal tany Islandy, ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005, pejy 210-211, sy ireo Vavolombelona tany Irlandy, izay nanompo nandritra ny taona maro nefa ela be vao nahita vokatra, araka ny boky Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, pejy 380.

^ feh. 14 Nohazavain’ity gazety ity taloha, fa ilay voa dia ny toetran’ny olona, ka miankina amin’ny manodidina azy no hahatonga azy hihamatotra na tsia. Tsara homarihina anefa fa tsy miova ho voa ratsy na manome voankazo lo, ilay voa tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Mihamitombo fotsiny ilay izy.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1980, pejy 17-19.

^ feh. 15 Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:10 ihany no ahitana an’io hevitra io, ankoatra ny eo. Voalaza ao fa nisokatra “ho azy” ilay vavahady vy.

Tadidinao Ve?

• Inona no mampitovy ny famafazana voa sy ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana?

• Ahoana no itsaran’i Jehovah hoe mazoto ny mpitory iray na tsia?

• Inona no mampitovy ny fitomboan’ny voa ara-bakiteny sy ny voan’ilay Fanjakana, araka ny tenin’i Jesosy?

• Inona no dikan’ny hoe ‘miara-miravoravo ny mpamafy sy ny mpijinja’?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Nahoana no nampitahain’i Jesosy tamin’ny mpamafy, ny mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra?

[Sary, pejy 15]

Ireo toy ny tany tsara dia mandray anjara amin’ny fitoriana amin’ny fo manontolo, arakaraka ny toe-javatra misy azy

[Sary, pejy 16]

Andriamanitra no mampitombo