Ampio Hiverina Haingana Izy Ireo!
Ampio Hiverina Haingana Izy Ireo!
“Hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”—JAONA 6:68.
1. Ahoana hoy i Petera rehefa nisy mpianatra maro nandao an’i Jesosy?
MARO ny mpianatra nandao an’i Jesosy Kristy, indray mandeha, satria nisy tsy azon’izy ireo ny fampianarany. Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny: “Ianareo koa ve mba te hiala?” Hoy i Petera: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:51-69) Tsy nisy toeran-kafa azo naleha tokoa! Tsy nanana ny “tenin’ny fiainana mandrakizay” ny Fivavahana Jiosy, ary tsy manana an’izany koa i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra. Raha te hampifaly an’i Jehovah indray ireo tafasaraka amin’ny andian’ondry, dia izao no ‘ora tokony hifohazany’ sy hiverenany ao am-bala.—Rom. 13:11.
2. Inona no tokony hotadidina momba ny raharaha ara-pitsarana na resaka tsiambaratelo?
2 Niahy ny ondry very teo amin’ny Israely i Jehovah. (Vakio ny Ezekiela 34:15, 16.) Te hanampy ny ondry toy izany koa ny anti-panahy ankehitriny, ary adidin’izy ireo rahateo izany. Aoka anefa hatao hoe notendrena hiara-mianatra amin’ny olona nangatsiaka ny rahalahy na anabavy iray, ka lasa fantany fa nanao fahotana lehibe ilay olona. Inona no tokony hataon’ilay mpitory? Tsy hiditra lalina amin’izay rehetra mety ho raharaha ara-pitsarana na resaka tsiambaratelo izy, na hanoro hevitra an’ilay olona momba izany. Toroany hevitra kosa ilay olona mba hiresaka amin’ny anti-panahy. Raha tsy mety ilay olona, dia izy mihitsy no hanao izany.—Lev. 5:1; Gal. 6:1.
3. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’ilay lehilahy nanana ondry 100 rehefa hitany ilay ondry very?
Lioka 15:4-7) Faly koa isika rehefa miverina ao amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ny olona iray nangatsiaka. Efa nitsidika olona toy ireny angamba ny anti-panahy sy ny Kristianina hafa, ary ny fitiavana no nanosika azy hanao izany. Tian’izy ireo hiverina ao am-bala koa ireny olona ireny, mba hahazo ny fanampian’Andriamanitra sy ny fiarovany ary ny fitahiany. (Deot. 33:27; Sal. 91:14; Ohab. 10:22) Inona no azon’izy ireo atao, raha afaka manampy izy?
3 Niresaka an’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny lehilahy nanana ondry 100 ny lahatsoratra teo aloha. Very ny iray, ka nilaozany ny 99 ary notadiaviny ilay very. Faly be izy rehefa hitany ilay ondry. (4. Inona no ianarantsika avy amin’ny Galatianina 6:2, 5?
4 Mety hiverina eo anivon’ny fiangonana ilay olona, raha hazavaina aminy amin-katsaram-panahy hoe tian’i Jehovah ny ondriny, ary tsy mitaky afa-tsy izay mety ho vitantsika Izy. Anisan’izany ny fianarana ny Teniny, ny fanatrehana fivoriana, ary ny fitoriana. Tsara angamba raha vakina aminy ny Galatianina 6:2, 5. Hazavao fa afaka mifampitondra izay mavesatra ny Kristianina, nefa ny tsirairay kosa no “samy hitondra ny entany avy”, izany hoe ny andraikiny eo anatrehan’i Jehovah. Isika irery ihany no afaka manaporofo hoe tsy mivadika isika.
Noho ny “fanahiana eo amin’ny fiainana” ve?
5, 6. a) Nahoana no tokony hohenoina tsara ireo lasa nangatsiaka rehefa mamboraka ny ao am-pony? b) Ahoana no anampianao azy hahatsapa fa mampidi-doza ny tsy mivory?
5 Mba hahafantarana ny fomba hanampiana an’ilay olona, dia tokony hihaino tsara azy ny anti-panahy sy ny mpitory matotra hafa, rehefa mamboraka ny ao am-pony izy. Aoka hatao hoe anti-panahy ianao, ary mitsidika mpivady tsy miaraka amin’ny fiangonana intsony, noho ny “fanahiana eo amin’ny fiainana.” (Lioka 21:34) Mety ho sahirana ara-bola izy ireo, na be adidy loatra, ka nahenany tsikelikely ny fanompoana an’Andriamanitra. Nihevitra angamba izy ireo hoe mila maka aina kely. Lazao aminy anefa fa tsy vahaolana ny mitokantokana. (Vakio ny Ohabolana 18:1.) Anontanio amim-pahaiza-mandanjalanja izy hoe: “Sambatra kokoa ve ianareo hatramin’izay tsy nivorianareo izay? Nihatsara ve ny fiainanareo? Mbola tsapanareo ve ilay fifaliana avy amin’i Jehovah?”—Neh. 8:10.
6 Raha misaintsaina an’izany izy ireo, dia ho tsapany fa noho izy tsy mivory no mahatonga azy tsy hanana ny fomba fijerin’i Jehovah, ka tsy sambatra. (Matio 5:3; Heb. 10:24, 25) Azo ampiana koa izy ireo hahatakatra fa lasa tsy falifaly ny olona rehefa tsy mitory ny vaovao tsara intsony. (Matio 28:19, 20) Inona àry no tokony hataony?
7. Tokony hampirisihina hanao inona ireo tafasaraka amin’ny andian’ondry?
Lioka 21:34-36) Raha te ho sambatra indray ireo tafasaraka amin’ny andian’ondry, dia mila mivavaka mba hahazo ny fanahy masina sy ny fanampian’Andriamanitra. Ampirisiho koa izy hanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataony.—Lioka 11:13.
7 Hoy i Jesosy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana ... Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo.” (Tafintohina ve izy?
8, 9. Inona no azon’ny anti-panahy lazaina amin’ny olona tafintohina?
8 Mety hifandona noho ny toetra tsy mitovy ny olombelona tsy lavorary, ka mety hisy ho tafintohina. Tafintohina, ohatra, ny sasany, satria misy olona tsara laza eo anivon’ny fiangonana nanao zavatra tsy araka ny toro lalan’ny Baiboly. Tokony hohazavain’ilay anti-panahy tonga mitsidika, fa tsy manao izay hahatafintohina olona i Jehovah. Koa nahoana ilay olona no tsy hifandray intsony amin’Andriamanitra sy ny vahoakany? Tsy vao mainka aza ve izy tokony hanompo an’Andriamanitra foana, satria matoky izy fa mahalala izay nitranga ilay “Mpitsara ny tany manontolo”, ary hanao zavatra ara-drariny? (Gen. 18:25; Kol. 3:23-25) Raha misy olona tafintohina ka mianjera amin’ny tany, dia azo antoka fa tsy hinia hijanona eo izy, fa hiezaka hiarina.
9 Azon’ilay anti-panahy lazaina koa fa rehefa mandeha ny fotoana, dia mety tsy ho zava-dehibe intsony, sady mety ho efa tsy eo intsony, ilay toe-javatra nahatonga azy ho tafintohina. Ary raha tafintohina ilay olona satria nanarina? Raha misaintsaina sy mivavaka izy, dia mety ho tsapany fa nisy fahadisoany ihany tamin’izany, ka tsy tokony ho tafintohina tamin’ilay fananarana izy.—Sal. 119:165; Heb. 12:5-13.
Noho ny fampianarana ve?
10, 11. Inona no fampisaintsainana mety handaitra amin’ny olona, raha misy fampianaran’ny Baiboly tsy ekeny?
10 Mety ho nandao ny andian’ondrin’Andriamanitra ny olona sasany, satria misy fampianaran’ny Baiboly tsy ekeny. Rehefa tsy andevon’ny Ejipsianina intsony ny Israelita, dia “nanadino izay nataon’Andriamanitra” ho azy ireo, ary “tsy niandry izay torohevitra avy taminy.” (Sal. 106:13) Tsara angamba ny mampahatsiahy an’ireo lasa nangatsiaka fa manome sakafo ara-panahy tena tsara ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Matio 24:45) Tamin’izany fomba izany no nahafantaran’ilay olona ny fahamarinana. Koa tsy tokony hiverina ve izy, ka handeha indray ao amin’ny fahamarinana?—2 Jaona 4.
11 Rehefa manampy an’ireo tafasaraka amin’ny andian’ondry ny anti-panahy, dia azony atao ny miresaka momba ireo mpianatra nandao an’i Jesosy, satria nisy fampianarana nolavin’izy ireo. (Jaona 6:53, 66) Tsy nankasitraka ny fahamarinana intsony izy ireo, sady tsy falifaly intsony, rehefa nisaraka tamin’i Kristy sy ny mpanara-dia azy tsy nivadika. Nahita toeran-kafa nisy sakafo ara-panahy be dia be ve ireo nisaraka tamin’ny fiangonana kristianina? Tsia, satria tsy misy toeran-kafa toy izany!
Nisy fahotana lehibe nataony ve?
12, 13. Ahoana no anampiana olona nangatsiaka, izay miaiky fa nanao fahotana lehibe?
12 Misy olona tsy mitory na tsy mivory intsony, satria nanao fahotana lehibe. Mieritreritra angamba izy ireo hoe ho voaroaka raha mibaboka ny fahotany amin’ny anti-panahy. Tsy ho voaroaka anefa izy, raha efa niala tamin’ilay fanao ratsy raran’ny Soratra Masina, ary tena mibebaka. (2 Kor. 7:10, 11) Horaisina tsara kosa izy ireo raha miverina, ary hanome azy ny fanampiana ilainy ny anti-panahy.
13 Raha mpitory matotra nasaina nanampy olona nangatsiaka ianao, inona no tokony hataonao raha milaza aminao izy fa nanao fahotana lehibe? Araka ny voalaza tetsy aloha, dia Levitikosy 5:1.) Fantatry ny anti-panahy ny fomba hanampiana an’ireo olona te hiverina sy te hiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Mety hila ny hanarina na hofaizina amim-pitiavana angamba ilay olona. (Heb. 12:7-11) Raha miaiky izy fa nanota tamin’Andriamanitra, ary tsy manao ratsy intsony sady tena mibebaka, dia hanampy azy ny anti-panahy ka havelan’i Jehovah ny helony.—Isaia 1:18; 55:7; Jak. 5:13-16.
aza miditra lalina amin’ilay raharaha, fa ampirisiho izy hiresaka amin’ny anti-panahy. Raha tsy mety izy, dia araho ny tari-dalan’Andriamanitra, satria te hiaro ny anaran’i Jehovah ianao, ary mitady izay hahasoa ny fiangonana. (Vakio nyMahafaly ny fiverenan’ny zanaka
14. Lazao amin’ny fiteninao ilay fanoharan’i Jesosy momba ny zanaka adala.
14 Azo ampiasaina mba hanampiana ny ondry very ilay fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Lioka 15:11-24. Nandanilany foana ny lovany tamin’ny filibana ilay tovolahy. Lasa tsy tiany anefa ilay fiainana ratsy nananany. Nanjary mosarena izy sady manina ny havany, ka tonga saina, ary tapa-kevitra ny hody. Mbola lavitra izy dia efa tazan’ny rainy. Koa nihazakazaka ny rainy, ka niantoraka teo amin’ny vozony ary nanoroka azy tamim-pitiavana sady faly be. Mety handrisika ny olona hiverina ao amin’ny andian’ondry io fanoharana io. Tokony hiverina haingana amin’i Jehovah izy, satria ho ringana tsy ho ela ity tontolo ity.
15. Nahoana no misy miala tsikelikely amin’ny fiangonana?
15 Tsy mitovy tanteraka amin’ilay zanaka adala ny ankamaroan’ireo niala tamin’ny fiangonana. Mety ho niala tsikelikely ny sasany, toy ny sambo atopatopan’ny rano ka mihamanalavitra ny morona. Inona no mety ho nahatonga azy ireo ho tafasaraka amin’ny andian’ondry? Nanaiky hovesaran’ny fanahian’ny fiainana ny sasany, ka lasa nanao tsirambina ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Misy koa tafintohina amin’ny olona eo anivon’ny fiangonana, na tsy nanaiky ny fampianarana ara-baiboly sasany. Ao koa ireo nanao zavatra raran’ny Soratra Masina. Misy torohevitra momba ireo toe-javatra tsirairay ireo ato. Azonao anampiana an’ireo nangatsiaka izany mba hiverenany ao amin’ny andian’ondry, dieny mbola tsy tara loatra.
“Tonga soa, anaka!”
16-18. a) Ahoana no nanampian’ny anti-panahy ny rahalahy iray lasa nangatsiaka efa an-taonany maro? b) Inona no nahatonga an’ilay rahalahy hangatsiaka? Ahoana no nanampiana azy? Ary ahoana no nandraisan’ny fiangonana azy?
16 Hoy ny anti-panahy iray: “Miezaka mitsidika an’ireo lasa nangatsiaka izahay anti-panahy eto. Nisy rahalahy iray niara-nianatra Baiboly tamiko, ary nampiako hahalala ny fahamarinana. Lasa nangatsiaka izy nandritra ny 25 taona teo ho eo, ary nanana olana goavana. Nohazavaiko taminy àry fa hilamina izany
raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly izy. Nivory indray izy tatỳ aoriana, ary nanaiky hianatra Baiboly mba hanampy azy ho tapa-kevitra kokoa hiverina ao amin’ny andian’ondry.”17 Inona anefa no nahatonga an’ilay rahalahy hangatsiaka? Niaiky izy hoe: “Ny zavatra eto amin’ity tontolo ity no lasa nibahana teo amin’ny fiainako, fa tsy ny fifandraisako tamin’i Jehovah. Dia tsy nianatra Baiboly intsony aho, ary tsy nitory sy tsy nivory intsony. Tsy tsapako akory hoe lasa tsy anisan’ny fiangonana intsony aho. Tena nanampy ahy anefa ilay anti-panahy, ka izany no nahatonga ahy hiverina.” Nivaha tsikelikely ny olana natrehin’io rahalahy io, rehefa nanaiky hianatra Baiboly izy. Hoy izy: “Tsapako fa ny fitiavana sy ny tari-dalana avy amin’i Jehovah sy ny fandaminany no tsy ampy teo amin’ny fiainako.”
18 Ahoana no nandraisan’ny fiangonana azy? Hoy izy: “Toy ilay zanaka adala noresahin’i Jesosy Kristy no fiheverako ny tenako. Hoy ny anabavy be taona efa nanompo hatramin’ny 30 taona: ‘Tonga soa, anaka!’ Tena nanohina ny foko ny teniny. Eo anivon’ny fiangonana tokoa no tokony hisy ahy! Ankasitrahako ny fitiavana, hatsaram-panahy, faharetana, ary fiahiana nasehon’ilay anti-panahy sy ny fiangonana manontolo. Tena nanampy ahy hiverina ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah sy ny mpiara-belona.”
Ampirisiho hanao zavatra haingana izy ireo!
19, 20. Ahoana no ampirisihanao an’ireo lasa nangatsiaka, mba hiverina haingana ao am-bala? Ahoana no anazavanao aminy fa tsy mitaky be loatra amintsika Andriamanitra?
19 Miaina amin’ny andro farany isika, ary tena akaiky ny faran’ity tontolo ity. Asao hanatrika fivoriana àry ireo lasa nangatsiaka. Ampirisiho izy ireo tsy hangataka andro intsony. Ampahatsiahivo azy fa ataon’i Satana izay haharava ny fifandraisany amin’Andriamanitra, sy hiheverany fa mora kokoa ny fiainany rehefa miala amin’ny fivavahana marina izy. Omeo toky anefa izy fa ny mpianatr’i Jesosy tsy mivadika ihany no afaka mahazo ny tena famelombelomana.—Vakio ny Matio 11:28-30.
20 Ampahatsiahivo ireo lasa nangatsiaka fa tsy mitaky afa-tsy izay vitantsika Andriamanitra. Nisy nanakiana, ohatra, i Maria anabavin’i Lazarosy, rehefa nanosotra menaka manitra lafo vidy an’i Jesosy. Hoy anefa i Jesosy: “Avelao izy. ... Nanao izay azony natao ravehivavy.” (Marka 14:6-8) Noderainy koa ilay vehivavy mpitondratena nanao fanomezana kely dia kely tao amin’ny tempoly. Nanao izay azony natao mantsy izy io. (Lioka 21:1-4) Ary ankehitriny? Miharihary fa afaka manatrika fivoriana sy mitory ny vaovao tsara ny ankamaroantsika. Afaka hanao izany koa ny olona maro lasa nangatsiaka, rehefa ampian’i Jehovah.
21, 22. Inona no toky azonao omena an’ireo miverina amin’i Jehovah?
21 Raha matahotra ny hifanatri-tava amin’ireo rahalahiny ny olona nangatsiaka, dia ampahatsiahivo azy fa nisy fifaliana be rehefa nody ilay zanaka adala. Ho faly toy izany koa ny fiangonana rehefa mandray azy ireo. Ampirisiho izy ireo hanao zavatra dieny izao, mba hanoherana ny Devoly sy hanatonana an’Andriamanitra.—Jak. 4:7, 8.
22 Horaisina amim-pifaliana ireo miverina amin’i Jehovah. (Fitom. 3:40) Azo antoka fa tena nahafaly azy ireo ny fanompoany taloha. Mbola misy fitahiana maro anefa miandry an’izay miverina haingana ao amin’ny andian’ondry!
Ahoana no Havalinao?
• Ahoana no anampianao ny Kristianina iray tafintohina ka lasa nangatsiaka?
• Inona no azo lazaina amin’ireo nandao ny andian’ondrin’Andriamanitra, satria misy fampianarana tsy ekeny?
• Ahoana no azo anampiana ny olona misalasala hiverina amin’ny fiangonana?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 13]
Mihainoa tsara rehefa mamboraka ny ao am-pony ireo lasa nangatsiaka
[Sary, pejy 15]
Mety hiverina ireo lasa nangatsiaka, rehefa misaintsaina an’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny zanaka adala