Fandevenana Mendri-kaja sy Tsotra ary Sitrak’Andriamanitra
Fandevenana Mendri-kaja sy Tsotra ary Sitrak’Andriamanitra
MALAHELO daholo ny olona. Midradradradra ireo olona miakanjo mainty, ary mianjera amin’ny tany. Misy koa mandihy amin’ny mozika mampihetsiketsika. Ny hafa indray mihinana sy mikakakaka ary manao fety. Ao kosa ireo mivalampatra amin’ny tany, satria mamo. Fa misy inona? Fahita any amin’ny tany sasany ireo zavatra ireo rehefa misy maty. Olona an-jatony no tonga hanao veloma farany ny maty.
Tena minomino foana sy matahotra an’ireo maty ny havana sy ny mpiara-monina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny faritra sasany. An-tapitrisany no mino fa afaka manampy na manisy ratsy ny velona ny razana. Misy fombafomba maro mifandray amin’izany finoana izany. Ara-dalàna ny malahelo rehefa misy maty. Nisy fotoana, ohatra, nampalahelo mafy an’i Jesosy sy ny mpianany, satria maty ny havan-tiany. (Jaona 11:33-35, 38; Asa. 8:2; 9:39) Tsy nanao fihetsika tafahoatra, toy ny fanaon’ny olona tamin’ny androny mihitsy anefa izy ireo. (Lioka 23:27, 28; 1 Tes. 4:13) Nahoana? Satria fantany ny marina momba ny maty.
Hoy ny Baiboly: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona. ... Efa foana koa ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany. ... Tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana, izay toerana halehanao.” (Mpito. 9:5, 6, 10) Hita avy amin’ireo teny ireo, fa tsy mahalala na inona na inona intsony ny maty. Tsy afaka misaina izy, na manana fihetseham-po na miresaka na mahataka-javatra. Nahoana no tokony hisy vokany eo amin’ny fandevenana ataon’ny Kristianina ny fahalalany an’izany fahamarinana lehibe izany?
“Aza mikasika intsony izay maloto”
Samy hafa fiaviana sy kolontsaina ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy misy amin’izy ireo anefa mino hoe mbola misaina sy afaka manao zavatra ho an’ny velona ny maty, ka tsy manao fombafomba mifandray amin’izany izy ireo. Eken’izy ireo fa fanao maloto sady tsy sitrak’Andriamanitra ny fiandrasam-paty, ny fetim-pandevenana, ny fanatitra ho an’ny maty, ny fombafomban’ny maty vady, ary ny toy izany. Avy amin’ny demonia mantsy, fa tsy araka ny Soratra Masina ilay fampianarana niavian’ireo, dia ny hoe tsy mety maty ny fanahy. (Sal. 146:3, 4) “Tsy afaka ny hihinana amin’ny ‘latabatr’i Jehovah’ sy ny latabatry ny demonia” ny tena Kristianina, ka tsy manao an’ireo fanao ireo. (1 Kor. 10:21) Ankatoavin’izy ireo ilay didy hoe: ‘Misaraha aminy ary aza mikasika intsony izay maloto.’ (2 Kor. 6:17) Tsy mora anefa izany.
Mino ny olona maro atsy Afrika sy any an-tany hafa fa ho tezitra ny razana, raha tsy arahina ny fombafomba sasany. Heverin’izy ireo fa mety hitondra loza na ozona ho an’ny rehetra izany, raha tsy atao. Mpanompon’i Jehovah maro àry no kianina sy tevatevaina ary arian’ny havany na ny mpiray tanàna aminy. Tsy manaiky hanao fombafombam-pandevenana tsy araka ny Soratra Masina mantsy izy ireo. Misy aminy ampangaina ho tsy tia miray hina sy tsy manaja ny maty. Misy olona tsy Vavolombelona koa indraindray tonga dia mandray an-tanana ny fandevenana. Inona àry no hatao mba tsy hifandirana amin’ireo misisika mafy ny hanarahantsika fombafomba tsy sitrak’Andriamanitra? Inona no azo atao mba tsy handraisana anjara amin’ireo fombafomba sy fanao
maloto, izay manimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah?Ampahafantaro ny fanapahan-kevitrao
Any amin’ny tany sasany, dia fomban’ny havana lavitra sy ny zokiolona to teny ny miditra amin’ny fanapahan-kevitra momba ny fandevenana. Tsy maintsy ampahafantarin’ny Kristianina mazava tsara àry, fa ny Vavolombelon’i Jehovah no handamina ilay fandevenana, sy hikarakara azy io mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly. (2 Kor. 6:14-16) Tsy tokony hanelingelina ny feon’ny fieritreretan’ny mpiray finoana ny zava-mitranga mandritra ilay fandevenana. Tsy tokony hanafintohina ny olona mahalala ny zavatra inoantsika momba ny maty koa izany.
Ahoana raha ny Vavolombelon’i Jehovah no asaina mikarakara ilay fandevenana? Afaka manoro hevitra an’ireo mana-manjo ny anti-panahy, ary manazava ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fandevenana. Raha te hanao fombafomba amin’ny fandevenana ny olona sasany tsy Vavolombelona, dia tokony ho hentitra isika ary ho sahy hanazava ny fomba fihevitsika Kristianina. Tokony ho tsara fanahy sy hanaja isika rehefa manao izany. (1 Pet. 3:15) Ahoana anefa raha mbola misisika hampiditra fanao maloto ao amin’ilay fandevenana ihany ny havana tsy Vavolombelona? Azon’ilay fianakaviana mpino atao amin’izay ny tsy manatrika an’ilay fandevenana. (1 Kor. 10:20) Raha mitranga izany dia azo asiana lahatenim-pandevenana ao amin’ny Efitrano Fanjakana, na any amin’ny toerana hafa mety tsara. Hahazo “fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina” amin’izay ireo olona tena malahelo noho ilay fahafatesana. (Rom. 15:4) Mendri-kaja sady azo ekena tanteraka ilay fandaharana, na dia tsy eo aza ilay faty. (Deot. 34:5, 6, 8) Mety hampitombo ny adin-tsaina sy ny alahelo ireo tsy Vavolombelona misisika hiditra amin’ny fikarakarana ilay fandevenana. Mampionona antsika anefa ny mahalala fa hitan’Andriamanitra hoe tapa-kevitra hanao izay mahitsy isika, ary afaka manome “hery fanampiny” ho antsika izy.—2 Kor. 4:7.
Soraty ny fanirianao
Manaja ny fanirian’ny maty ny havana tsy Vavolombelona. Mora kokoa àry ny handresy lahatra azy ireo, raha mbola velona ilay Kristianina dia efa manoratra ny toromarika momba ny handevenana azy. Tokony hosoratany ao ireto tsipirian-javatra ireto: ny fomba hanaovana ilay fandevenana, ny toerana hanaovana azy, ary ny olona omeny fahefana hikarakara sy ho tompon’andraikitra amin’izany. (Gen. 50:5) Tena tsara raha misy ny soniany sy ny sonian’ny vavolombelona ilay taratasy. Hendry ny olona mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Mitsinjo lavitra izy ka tsy miandry ho antitra be na marary efa ho faty vao hanao izany.—Ohab. 22:3; Mpito. 9:12.
Sarotra amin’ny olona sasany ny hanoratra toromarika toy izany. Rehefa manao izany Fil. 2:4) Tsy ho tsara kokoa ve raha isika ihany no hamaritra mialoha ny fomba handaminana ny fandevenana antsika, fa tsy ny mpianakavintsika? Efa malahelo mantsy izy ireo raha mitranga tokoa izany, nefa mety mbola hoteren’ny hafa hanaraka fombafomba tsy ankasitrahantsika sy tsy inoantsika.
ihany anefa isika vao hanaporofo fa Kristianina matotra, sady tia sy miahy ny hafa. (Ataovy tsotra ny fandevenana
Maro ny olona atsy Afrika no mino fa tsy maintsy atao manetriketrika sy miavaka ny fandevenana, mba tsy hahatezitra ny razana. Ny hafa indray manararaotra ny fandevenana mba “hampideraderana” ny fananany sy ny fari-piainany. (1 Jaona 2:16) Mandany fotoana sy ezaka ary vola be ny olona, mba hahatonga ny fandevenana ho mendri-kaja, araka izay iheverany azy. Mba hanasana olona faran’izay betsaka amin’ny fandevenana, dia fenoiny peta-drindrina lehibe misy ny sarin’ilay olona maty, eny amin’ny toerana samihafa. Tiserta be dia be misy ny sarin’ilay maty no zarainy mba hanaovan’ireo mpandevina. Vatam-paty mirenty sy lafo be no vidiny mba hampitolagaga ny mpitazana. Vitan’ny olona sasany ao amin’ny tany iray atsy Afrika aza ny manamboatra vatam-paty mitovy endrika amin’ny fiara, fiaramanidina, sambo, ary zavatra hafa, mba hampisehoana ny harenany sy ny lazany ary ny fananany. Mety havoaka avy ao amin’ny vatam-paty koa ilay faty, ary aseho eo ambonin’ny fandriana voaravaka be. Mety hampanaovina akanjo mariazy fotsy ilay vehivavy maty, ary hasiana firavaka be dia be sy makiazy. Mety amin’ny vahoakan’Andriamanitra ve ny manao toy izany?
Hendry ny Kristianina matotra ka halaviriny ireo zavatra tafahoatra fanaon’ny olona tsy mahalala na tsy miraharaha ny toro lalan’Andriamanitra. Fantatsika fa ‘tsy avy amin’Andriamanitra’ ireo fomba amam-panao tsy araka ny Soratra Masina sy natao hisehosehoana. ‘Avy amin’ity tontolo mandalo ity’ kosa izany. (1 Jaona 2:15-17) Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hanana toe-tsaina tia mifaninana sy te hihoatra ny hafa. (Gal. 5:26) Voamarika fa rehefa ny tahotra ny maty no manjaka amin’ny kolontsaina sy ny fiaraha-monina eo an-toerana, dia matetika no be olona loatra amin’ny fandevenana. Tsy mora ny manara-maso azy ireo, ka vetivety dia tsy voafehy ny zava-mitranga. Mandrisika ny olona hanao zavatra tsy mety ny fankamasinana ny maty. Izao no mety hataon’ny olona amin’ireny fandevenana ireny: Midradradradra mafy be, fihinina ilay faty sady iresahana toy ny hoe mbola velona, ary ampanarahina vola sy zavatra hafa. Ho afa-baraka tanteraka ny anaran’i Jehovah sy ny vahoakany, raha izany koa no ataon’ny Kristianina.—1 Pet. 1:14-16.
Ho sahy hanao fandevenana tsy mitovy amin’ny an’ity tontolo ity isika, satria fantatsika ny marina momba ny maty. (Efes. 4:17-19) I Jesosy no lehilahy nalaza sy niavaka indrindra teto an-tany. Nalevina tamin’ny fomba tsotra sy tsy nisehoseho anefa izy. (Jaona 19:40-42) Tsy tokony ho menatra hanao fandevenana toy izany koa isika, raha “manana ny sain’i Kristy.” (1 Kor. 2:16) Ataovy tsotra sy tsy misehoseho àry ny fandevenana! Izany no fomba tsara indrindra hanalavirana an’ireo fanao lazain’ny Soratra Masina fa maloto. Izany koa no hanampy ny rehetra ho tony foana amin’io fotoana io, ka hahatonga ilay fandevenana ho mendri-kaja sy sahaza ny olona tia an’Andriamanitra.
Tokony hisy fety ve?
Mety ho fanaon’ny havana sy ny mpiray tanàna ary ny olon-kafa ny mifamory rehefa avy mandevina, mba hanao sakafo be sy handihy amin’ny mozika mafy. Matetika no misy fibobohan-toaka sy fitondran-tena ratsy amin’ireny fetim-pandevenana ireny. Misy milaza fa mampisinda ny alahelo ny manao fety toy izany. Ny hafa indray mihevitra fa anisan’ny kolontsainy izany. Maro kosa no milaza fa zavatra tsy maintsy atao izany lanonana feno filibana izany, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana ny maty. Amin’izany koa, hono, no analana ny fanahin’ilay maty mba hankanesany any amin’ireo razambeny.
Mihevitra kosa ny tena Kristianina fa feno fahendrena ireto tenin’ny Soratra Masina ireto: “Aleo alahelo toy izay fihomehezana, satria manatsara fo ny endrika manjombona.” (Mpito. 7:3) Fantatr’izy ireo koa fa mahasoa ny misaintsaina momba ny hafohin’ny androm-piainana, sy momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Amin’ireo mihavana tsara amin’i Jehovah àry, dia “aleo ny andro ahafatesana toy izay ny andro ahaterahana.” (Mpito. 7:1) Fantatry ny tena Kristianina fa tsy afa-misaraka amin’ny fetim-pandevenana ny finoana misy ifandraisana amin’ny fanahy ratsy sy ny fitondran-tena maloto. Tena tsy mety amin’izy ireo àry ny mandamina fetim-pandevenana, na ny manatrika izany. Izay miaraka amin’ny mpanao fety toy izany, dia tsy manaja an’Andriamanitra sy ny feon’ny fieritreretan’ny mpiray finoana aminy.
Aoka ho hita ny tsy fitoviana
Velom-pisaorana tokoa isika, satria afaka tamin’ny tahotra ny maty, izay mpahazo ny olona tsy mahalala ny fahamarinana! (Jaona 8:32) “Zanaky ny mazava” isika, satria toy ny hazavana ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra. (Efes. 5:8) Tsy hisehoseho sy ho feno fanajana àry isika rehefa maneho ny alahelontsika. Tsy ho mafy loatra koa izany alahelo izany, satria manana fanantenana azo antoka momba ny fitsanganana amin’ny maty isika. (Jaona 5:28, 29) Izany fanantenana izany no hiaro antsika tsy hanao zavatra tafahoatra ho fanehoana alahelo, toy ny fanaon’ny olona “tsy manana fanantenana.” (1 Tes. 4:13) Izany koa no hanome antsika herim-po hanohanana hatrany ny fivavahana marina, fa tsy hatahotra olona.—1 Pet. 3:13, 14.
Ho hitan’ny olona ‘ny tsy fitovian’ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy’, raha mankatò foana ny toro lalan’ny Soratra Masina isika. (Mal. 3:18) Ho foana ny fahafatesana, indray andro any. (Apok. 21:4) Eo am-piandrasana izany, dia enga anie i Jehovah hahita antsika ho tsy misy pentina, tsy misy tsiny, ary tafasaraka tanteraka amin’ity tontolo ity sy ny fanaony manala baraka an’Andriamanitra.—2 Pet. 3:14.
[Sary, pejy 30]
Hendry izay manoratra ny faniriany momba ny fandevenana azy
[Sary, pejy 31]
Tokony ho tsotra sy mendri-kaja ny fandevenana ataon’ny Kristianina