Tiavo Bebe Kokoa Ireo Rahalahy sy Anabavy
Tiavo Bebe Kokoa Ireo Rahalahy sy Anabavy
“Mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana, tahaka ny nitiavan’i Kristy anareo.”—EFES. 5:2.
1. Inona no tian’i Jesosy hamantarana ny mpanara-dia azy?
MAMPIAVAKA ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitoriana isan-trano momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Zavatra hafa anefa no tian’i Kristy Jesosy hamantarana ny tena mpianany. Hoy izy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—Jaona 13:34, 35.
2, 3. Inona no vokany rehefa mahita ny fifankatiavana misy eo amintsika ny olona tonga mivory?
2 Tsy manan-tsahala ilay fitiavana mampifandray ny tena Kristianina. Toy ny andriamby izy io, ka mampiray saina ny mpanompon’i Jehovah, sady misarika ny olona tso-po ho amin’ny fivavahana madio. Eritrereto, ohatra, i Marcelino any Cameroun. Lasa jamba izy noho ny loza nitranga tany am-piasany. Niely anefa ny tsaho hoe mpamosavy izy ka izay no nahatonga azy ho jamba. Tsy mba nampahery azy ny pasiterany sy ny mpiara-mivavaka taminy, fa nandroaka azy tsy ho anisan’ny fiangonana. Nisalasala àry i Marcelino rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah nanasa azy hivory. Natahotra izy sao hailikilika indray.
3 Nandeha nivory ihany anefa i Marcelino, ary gaga satria nandray tsara azy ny olona tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nampahery azy koa ny fanazavana ara-baiboly reny tany. Nivory foana izy taorian’izay, ary nandroso tsara ka natao batisa tamin’ny 2006. Mitory amin’ny havany sy ny mpiray tanàna aminy izy izao, ary manana fampianarana Baiboly maromaro. Tiany ho tsapan’ny olona ampianariny koa ilay fitiavana tsapany eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra.
4. Nahoana isika no tokony ‘handeha mandrakariva amin’ny fitiavana’?
4 Manintona tokoa ny fitiavana kristianina, ary mila kolokoloina foana. Eritrereto hoe misy afo mirehitra, amin’ny ririnina mamirifiry. Faly erỳ ny olona manatona eo satria mafana tsara. Ho faty anefa ilay afo, raha tsy ampian-dry zareo kitay na saribao. Toy izany koa fa hihena ny fitiavana eo anivon’ny fiangonana, raha tsy manao izay hampitomboana azy io isika tsirairay. Amin’ny fomba ahoana? Hoy ny apostoly Paoly: “Mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana, tahaka ny nitiavan’i Kristy anareo koa, ka nanolorany ny tenany ho anareo, ho fanatitra sy sorona ho an’Andriamanitra mba ho hanitra mamerovero.” (Efes. 5:2) Hodinihintsika àry hoe inona no azontsika tsirairay atao mba handehanana mandrakariva amin’ny fitiavana.
‘Halalaho ny fonareo’
5, 6. Nahoana i Paoly no nampirisika ny Kristianina tao Korinto mba ‘hanalalaka ny fony’?
5 Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tao Korinto: “Misokatra ho anareo ny vavanay, ry Korintianina, ary ny fonay mihamalalaka. Malalaka ho anareo ny fonay, fa ianareo no tery amin’ny fanehoana firaiketam-po. Koa ho valin’izany, dia mba halalaho kosa ny fonareo. Miteny aminareo toy ny amin’ny zanaka aho.” (2 Kor. 6:11-13) Nahoana i Paoly no nampirisika ny Korintianina ‘hanalalaka ny fony’ eo amin’ny fanehoana fitiavana?
Asa. 18:5, 6, 9-11) Nanana antony maro tokony hitiavana azy sy hanajana azy àry ireo Kristianina ireo. Nihataka taminy anefa ny sasany. Sosotra tamin’ireo torohevitra mivantana nomen’i Paoly angamba izy ireo, na nino ny fanendrikendrehana nataon’ireo lazaina fa ‘apostoly tsara loatra.’ (1 Kor. 5:1-5; 6:1-10; 2 Kor. 11:5, 6) Nirin’i Paoly ho tena tia azy anefa ireo rahalahy sy anabavy rehetra. Izany no antony nampirisihany azy ireo ‘hanalalaka ny fony’, ka hifandray akaiky aminy sy amin’ny mpiara-manompo hafa.
6 Diniho ny niandohan’ny fiangonana tao Korinto. Tonga tany i Paoly tamin’ny faramparan’ny taona 50. Nisy nanohitra izy rehefa nanomboka nitory tao, nefa tsy nety kivy. Vetivety dia maro ny olona nino ny vaovao tsara. Nilofo nampianatra sy nampahery an’ilay fiangonana vaovao i Paoly, nandritra ny “herintaona sy tapany.” Hita fa tena tia an’ireo Kristianina tao Korinto izy. (7. Inona no hanampy antsika ‘hanalalaka ny fontsika’?
7 Afaka ‘manalalaka ny fontsika’ koa ve isika, rehefa mifandray amin’ireo rahalahy? Ny olona mitovitovy taona amintsika, na iray foko amintsika, matetika no tena mahasarika antsika. Ny olona tia fialam-boly mitovy koa mazàna no tena miaraka. Mila ‘manalalaka ny fontsika’ anefa isika, raha hitantsika hoe ireo olona mitovitovy amintsika ihany no iarahantsika, fa tsy miaraka amin’ny olon-kafa isika. Mila mieritreritra isika hoe: ‘Izay efa namako foana ve no iarahako, ka tsy dia miara-manompo na miara-miala voly amin’ny Kristianina hafa aho? Tsy dia mifandray amin’ny olona vaovao ve aho any am-pivoriana, satria mihevitra fa mbola tsy mendrika ny ho namako izy, raha tsy rehefa elaela? Arahabaiko daholo ve na ny ankizy na ny tanora na ny olon-dehibe?’
8, 9. Ahoana no azo ampiharana ny torohevitr’i Paoly, mba hampitomboana ny fitiavantsika an’ireo rahalahy?
8 Afaka manampy antsika hanana toe-tsaina tsara ny torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny Romanina. (Vakio ny Romanina 15:7.) Ilay teny grika nadika hoe ‘mandray tsara’ ao amin’ny Romanina 15:7, dia midika hoe “mandray amin-katsaram-panahy na mandray ho namana.” Ahoana no nataon’ny olona tia mandray vahiny fahiny, rehefa misy namany tonga ao an-tranony? Nasehony an’ilay namany fa tena faly izy mahita azy. Toy izany ny fomba nandraisan’i Kristy antsika, ary tokony hanahaka azy isika ka handray tsara ny mpiara-manompo.
9 Rehefa miarahaba olona, ohatra, isika any am-pivoriana, dia azontsika atao ny mamantatra hoe iza no tsy hitantsika na tsy niresahantsika tato ho ato. Nahoana raha manatona azy sy miresaka aminy? Afaka manao toy izany amin’ny olon-kafa indray isika amin’ny fivoriana manaraka. Azo inoana fa hisy resaka mahafinaritra vokatr’izany, ary tsy ho ela isika dia ho tafaresaka amin’ny ankamaroan’ireo rahalahy sy anabavy. Tsy maninona raha tsy tafaresaka amin’ny rehetra isika isaky ny fivoriana. Tsy tokony hisy halahelo koa, raha tsy afaka miarahaba azy isika isaky ny fivoriana.
10. Inona no dingana voalohany tokony hatao mba handraisana tsara ny hafa? Inona no soa raisintsika avy amin’izany?
10 Ny fiarahabana no dingana voalohany mba handraisana tsara ny hafa. Mety hisy resaka mahafinaritra aorian’izay, ary mety ho lasa mpinamana tsy mifankafoy mihitsy aza ianareo. Izany, ohatra, no mitranga rehefa fivoriambe. Rehefa miezaka mifankahalala ny mpanatrika, ka mifampiresaka, dia tsy andriny izay hihaonana indray. Toy izany koa no mitranga rehefa manorina Efitrano Fanjakana sy manampy tra-boina. Matetika no lasa mpinamana ireo mpiasa an-tsitrapo, satria mahita ny toetra tsaran’ny hafa mandritra ny fiarahan’izy ireo. Maro ny toe-javatra azo hararaotina mba hahazoana namana, eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Raha ‘manalalaka ny fontsika’ isika, dia hana-namana betsaka kokoa, ka hanamafy ilay fitiavana mampiray antsika ao amin’ny fivavahana marina.
Miezaha ho mora hatonina
11. Inona no modely nomen’i Jesosy ao amin’ny Marka 10:13-16?
11 Afaka miezaka ny ho mora hatonina toa an’i Jesosy ny Kristianina rehetra. Diniho izay nataon’i Jesosy, rehefa nisy olona nitondra ny zanany tany aminy, nefa nosakanan’ny mpianany. Hoy i Jesosy: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza mitady hisakana azy, fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.” “Nitrotro an’ireo zaza izy” avy eo, “ka nitso-drano azy, sady nametra-tanana taminy.” (Mar. 10:13-16) Eritrereto ange ny hafalian’ireo zaza ireo, rehefa niahy azy tamim-pitiavana ilay Mpampianatra Lehibe e!
12. Inona no mety hisakana antsika tsy hiresaka amin’ny hafa?
12 Tokony hieritreritra ny Kristianina tsirairay hoe: ‘Vonona hifandray amin’ny hafa foana ve aho, sa sahirana ny fahitana ahy matetika?’ Misy fahazarana sasany mety hisakana ny fifampiresahana, na dia mety tsy ho ratsy aza. Ahoana, ohatra, raha tafaraka amin’ny olona isika, nefa ilaozantsika mampiasa telefaonina foana, na mihaino hira amin’ny fitaovana apetaka amin’ny sofina? Hoatran’ny te hilaza isika amin’izay hoe tsy te hifandray amin’ny olona. Ahoana koa raha variana mijery ordinatera isika, nefa misy olona miaraka amintsika eo? Mety hieritreritra izy hoe tsy te hiresaka aminy isika. Marina fa misy ny “fotoana anginana.” Matetika anefa no tonga ny “fotoana itenenana” rehefa misy olona eo akaikintsika. (Mpito. 3:7) Mety hilaza isika hoe: “Tiako kokoa ny ahy ny mitokatokana” na “Kamo hiresaka aho amin’ny maraina.” Tsarovy anefa fa ny fitiavana “tsy mitady izay hahasoa ny tenany”, ary maneho izany fitiavana izany isika raha miezaka miresaka amin’ny olona, na dia rehefa tsy mazoto aza.—1 Kor. 13:5.
13. Inona no nampirisihan’i Paoly an’i Timoty?
13 Nampirisika an’i Timoty i Paoly mba hanaja ny mpiara-manompo rehetra. (Vakio ny 1 Timoty 5:1, 2.) Izany koa no tokony hataontsika. Tokony horaisintsika ho toy ny ray sy renintsika ireo Kristianina efa zokinjokiny, ary ho toy ny iray tam-po amintsika ny ankizy sy ny tanora. Tsy hihafahafa amintsika ireo rahalahy sy anabavintsika amin’izay, fa hifandray am-po amintsika.
14. Inona no soa raisinao rehefa miresaka aminao ny hafa ary mampahery anao?
14 Manatanjaka ny finoan’ny hafa sy mampifaly azy isika, raha miresaka aminy sy mampahery azy. Tsaroan’ny rahalahy betelita iray fa nisy Betelita maromaro efa zokiolona niresadresaka taminy matetika, tamin’izy vao nanomboka niasa tao amin’ny biraon’ny sampana. Nampahery azy izy ireo, ka nanjary tsapany hoe tena anisan’ny fianakavian’ny Betela izy. Miezaka miresaka amin’ny Betelita hafa koa izy izao.
Mampihavana ny fanetren-tena
15. Inona no mampiseho fa mety tsy hifanaraka ny mpanompon’i Jehovah?
15 Nisy olana teo amin’i Eodia sy Syntyke, anabavy tany Filipy fahiny, ary toa sarotra tamin’izy ireo ny nandamina ilay izy. (Fil. 4:2, 3) Lasa fantatry ny rehetra koa fa nifanditra be i Paoly sy Barnabasy, ary nisaraka mihitsy aza. (Asa. 15:37-39) Asehon’izany fa mety tsy hifanaraka ny mpanompon’i Jehovah. Manampy antsika handamina tsy fifanarahana sy hamitram-pihavanana anefa i Jehovah. Na izany aza, dia misy zavatra takiny amintsika.
16, 17. a) Nahoana no tena ilaina ny manetry tena, mba handaminana tsy fifanarahana? b) Inona no mety ho vokatry ny fanetren-tena, raha jerena ny tantaran’i Jakoba?
16 Eritrereto hoe handeha lavitra ianao sy ny namanao, ary hitondra fiara. Tsy maintsy atsofokao ny lakilen’ilay fiara mba hamelomana ny maotera, vao afaka handeha ianareo. Misy lakile tena ilaina koa, raha te handamina tsy fifanarahana ianao. Ny fanetren-tena io lakile io. (Vakio ny Jakoba 4:10.) Manampy an’ireo olona tsy mifanaraka izy io, mba hahafahany hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Ho hitantsika izany amin’ity ohatra ity.
17 Nitana lolompo tamin’i Jakoba rahalahiny i Esao, satria lasan’i Jakoba ny zon’ny lahimatoa. Te hamono azy mihitsy izy tamin’izany. Hihaona indray izy roa lahy roapolo taona tatỳ aoriana. “Natahotra mafy i Jakoba” tamin’izay “sady nitebiteby.” Nieritreritra mihitsy izy fa mety hanafika azy i Esao. Nanao zavatra tsy nampoizin’i Esao anefa i Jakoba. “Niankohoka tamin’ny tany” izy rehefa nanatona azy. Inona no nitranga avy eo? “Nihazakazaka nitsena azy i Esao, ka namihina azy sady nanankina ny lohany teo amin’ny vozony, ary nanoroka azy. Dia nitomany izy mirahalahy.” Voasoroka ny ady! Nandresy an’izay mety ho fankahalana tao am-pon’i Esao ny fanetren-tena nasehon’i Jakoba.—Gen. 27:41; 32:3-8; 33:3, 4.
18, 19. a) Nahoana isika no mila manao ny dingana voalohany ka mampihatra ny torohevitry ny Baiboly, rehefa misy olana? b) Nahoana isika no tsy tokony ho kivy, raha tsy misy vokany avy hatrany ny ezaka ataontsika mba hamitranam-pihavanana?
18 Misy torohevitra tena tsara momba ny fandaminana tsy fifanarahana, ao amin’ny Baiboly. (Mat. 5:23, 24; 18:15-17; Efes. 4:26, 27) * Raha tsy manetry tena anefa isika ka tsy mampihatra an’ireny torohevitra ireny, dia ho sarotra ny hamitram-pihavanana. Tsy ho voavaha ny olana raha miandry ny hafa hanetry tena ianao. Manana an’ilay lakile koa ianao ka tokony hampiasa izany.
19 Tsy tokony ho kivy anefa isika, raha hoatran’ny tsy mahomby ny ezaka ataontsika mba hamitranam-pihavanana. Mety hila fotoana mantsy ilay olona mba hampitonena ny fony. Gen. 50:15-21) Raha mitandro ny fihavanana amin’ireo rahalahy sy anabavy koa isika, dia mampisy firaisan-tsaina sy fifaliana eo anivon’ny fiangonana.—Vakio ny Kolosianina 3:12-14.
Nila fotoana toy izany ireo rahalahin’i Josefa vao nihalefy ny fankahalany an’i Josefa. Efa ela be taorian’ny nivarotany azy izy ireo vao niova sy nangata-pamelana. Efa tamin’i Josefa lasa praiminisitra tany Ejipta. Namela azy ireo i Josefa tamin’izay. Lasa firenena lehibe ireo zanak’i Jakoba ireo tatỳ aoriana. Nahazo voninahitra io firenena io, satria nitondra ny anaran’i Jehovah. (Tia ‘amin’ny atao sy ny fahamarinana’
20, 21. Inona no ianarantsika avy amin’ny nanasan’i Jesosy ny tongotr’ireo apostoly?
20 Hoy i Jesosy tamin’ireo apostoliny 12, taloha kelin’ny nahafatesany: “Modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” (Jaona 13:15) Vao avy nanasa ny tongotr’izy ireo i Jesosy tamin’izay. Tsy fombafomba na fanehoana hatsaram-panahy fotsiny ny nataony. Hoy i Jaona, talohan’ny nitantarany an’io: “Tia ny mpianany izay eo amin’izao tontolo izao [i Jesosy], eny, tiany hatramin’ny farany ireo.” (Jaona 13:1) Ny fitiavan’i Jesosy ny mpianany no nahatonga azy hanasa ny tongotr’izy ireo, na dia asan’ny mpanompo aza izany. Tokony hifankatia izy ireo noho izany, ary hampiseho izany amin’ny ataony sady hanetry tena. Raha tena tia ny mpiara-manompo rehetra koa isika, dia tokony hiahy azy ireo.
21 Nazava tsara tamin’ny apostoly Petera ilay lesona momba ny nanasan’ilay Zanak’Andriamanitra ny tongotr’izy ireo. Hoy izy: “Nanadio ny fiainanareo ianareo rehefa nankatò ny fahamarinana, ka ny vokatr’izany, dia fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy, ary koa fifankatiavana fatratra amin’ny fo.” (1 Pet. 1:22) Hoy koa ny apostoly Jaona, izay anisan’ireo nosasana tongotra: “Aoka isika, ry zanako malalako, tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny, fa amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana koa.” (1 Jaona 3:18) Aoka àry hasehontsika amin’ny ataontsika fa tena tia an’ireo rahalahintsika isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 18 Jereo ilay boky hoe Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 144-150.
Tadidinao Ve?
• Inona avy no hanampy antsika ‘hanalalaka ny fontsika’ eo amin’ny fanehoana fitiavana?
• Inona no hanampy antsika ho mora hatonina?
• Nahoana no ilaina ny manetry tena rehefa mamitram-pihavanana?
• Inona no tokony hanosika antsika hiahy ny mpiara-manompo?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 21]
Aoka isika handray tsara amim-kafanam-po an’ireo mpiara-manompo
[Sary, pejy 23]
Aza avela handalo fotsiny ny fotoana ahafahana miresaka amin’ny hafa