Nahita ny Mesia Izy Ireo
Nahita ny Mesia Izy Ireo
“Efa hitanay ny Mesia!”—JAONA 1:41.
1. Nahoana i Andrea no niteny hoe: “Efa hitanay ny Mesia”?
NIARAKA tamin’ny mpianany roa i Jaona Mpanao Batisa, indray mandeha. I Andrea ny iray tamin’ireo mpianany ireo. Hoy i Jaona rehefa nahita an’i Jesosy: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra!” Tonga dia nanaraka an’i Jesosy ireo mpianatr’i Jaona ireo, ary niaraka taminy nandritra an’iny andro iny. Nahita an’i Simona Petera rahalahiny i Andrea, ary nitondra azy tany amin’i Jesosy, sady niteny taminy hoe: “Efa hitanay ny Mesia!”—Jaona 1:35-41.
2. Nahoana isika no mila mandinika faminaniana hafa momba ny Mesia?
2 Azo antoka fa nandinika tsara ny Soratra Masina ireny mpianatra ireny, tatỳ aoriana, ka vao mainka resy lahatra fa i Jesosy no Mesia nampanantenaina. Handinika faminaniana hafa momba azy isika izao. Hatoky kokoa isika amin’izay fa marina ny Baiboly, ary i Jesosy no Voahosotr’i Jehovah.
“Iny avy iny ny Mpanjakanao”
3. Inona no faminaniana tanteraka, tamin’i Jesosy niditra tao Jerosalema?
3 Horaisina toy ny mpanjaka ny Mesia rehefa hiditra ao Jerosalema. Naminany i Zakaria hoe: “Aoka ho dibo-kafaliana ianao, ry Ziona zanakavavy ô! Manaova horakora-pandresena, ry Jerosalema zanakavavy ô! Iny fa tonga atỳ aminao ny mpanjakanao. Olo-marina izy, sady voavonjy. Manetry tena izy, ary mitaingina ampondra, dia zanaky ny ampondravavy.” (Zak. 9:9) Hoy koa ny mpanao salamo: “Hotahina anie Ilay ho tonga amin’ny anaran’i Jehovah!” (Sal. 118:26) Nisy vahoaka nihorakoraka sy falifaly be tokoa rehefa niditra tao Jerosalema i Jesosy. Tanteraka ny faminaniana, nefa tsy hoe nataon’i Jesosy izay hahatanteraka azy. Vakio izao ilay fitantarana, ary alaivo sary an-tsaina.—Vakio ny Matio 21:4-9.
4. Inona no nitranga, araka ny Salamo 118:22, 23?
4 Be dia be ny olona tsy hino hoe i Jesosy no Mesia. Tian’i Jehovah foana anefa izy. Voalazan’ny faminaniana fa ‘hatao tsinontsinona Isaia 53:3; Mar. 9:12) “Voafidy sy sarobidy amin’Andriamanitra” anefa izy, na dia tsy nino aza ny olona hoe izy no Mesia. Lasa “vato fehizoro” iorenan’ny fiangonana kristianina mihitsy aza izy. (1 Pet. 2:4-6) Tanteraka tokoa ilay faminaniana hoe: “Ny vato nolavin’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro. I Jehovah no nahatonga izany.” (Sal. 118:22, 23) Namerina an’io faminaniana io i Jesosy rehefa notoherin’ny mpitondra fivavahana, ary nilaza i Petera fa tanteraka tamin’i Jesosy izy io.—Mar. 12:10, 11; Asa. 4:8-11.
sy hohamavoina’ i Jesosy, ary nanao an’izany tokoa izay tsy nino azy. (Hisy hamadika ary hilaozan’ny mpianany
5, 6. Inona ny faminaniana hafa momba ny Mesia, ary ahoana no nahatanterahany?
5 Hamadika azy ny namany. Naminany i Davida hoe: “Ilay olona tsara fihavanana tamiko, izay nitokisako, sy niara-nihinana ny mofoko tamiko, dia nanainga ny voditongony hamely ahy.” (Sal. 41:9) Ny olona mifankahazo tsara no miara-misakafo, anisan’izany ny mpinamana. (Gen. 31:54) Ny namany ihany àry no hamadika ny Mesia. Namadika an’i Jesosy tokoa i Jodasy Iskariota nefa namany. Hoy i Jesosy momba azy, rehefa niresaka tamin’ny apostoliny: “Tsy ianareo rehetra no lazaiko amin’izany, fa fantatro ireo nofidiko. Fa izany dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: ‘Ilay niara-nihinana ny mofoko tamiko no nanainga ny voditongony hamely ahy.’ ”—Jaona 13:18.
6 Farantsa volafotsy 30 monja no homena an’ilay hamadika ny Mesia. (Zak. 11:12, 13) Nilaza i Matio fa tanteraka tamin’i Jodasy izany. Nanaiky hamadika an’i Jesosy izy, nefa farantsa volafotsy 30 monja no takalony. Tena kely izany vola izany taloha, ary vidin’andevo. Narian’i Jodasy tao amin’ny tempoly fotsiny ilay vola avy eo, ary namono tena izy. (Mat. 26:14-16; 27:3-10) Misy zavatra somary mahagaga amin’ilay tenin’i Matio. Resahiny hoe i Jeremia no nilaza an’ilay faminaniana, nefa ao amin’ny Zakaria ilay izy. Nahoana? Misy fitambaram-boky atao hoe “mpaminany” ao amin’ny Baiboly, ary anisan’izy io ny bokin’i Jeremia sy Zakaria. (Ampitahao amin’ny Lioka 24:44.) Nantsoin’ny Jiosy hoe bokin’i Jeremia io fitambaram-boky io indraindray, ka izay no nahatonga an’i Matio hiteny hoe i Jeremia no nilaza an’ilay faminaniana, na dia ao amin’ny Zakaria aza ilay izy.
7. Inona no nitranga, araka ny Zakaria 13:7?
7 Handao azy ny mpianany. Hoy ny Zakaria 13:7: “Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny andian’ondry.” Izany tokoa no nitranga. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, tamin’ny 14 Nisana, taona 33: “Hahafoy ahy daholo ianareo anio alina, noho izay hanjo ahy. Fa voasoratra hoe: ‘Hamely ny mpiandry aho, dia hiparitaka ny andian’ondry.’ ” Tantarain’i Matio hoe nandao an’i Jesosy “ny mpianatra rehetra ka nandositra.”—Mat. 26:31, 56.
Hisy hanendrikendrika sy hikapoka
8. Inona no lazain’ny Isaia 53:8, ary tanteraka ve izany?
8 Hotsaraina ny Mesia ary ho voaheloka ho faty. (Vakio ny Isaia 53:8.) Nivory ny Fitsarana Avo Jiosy, ny marainan’ny 14 Nisana. Nofatoran’izy ireo i Jesosy, ary natolony an’i Pontio Pilato, governora romanina. Nanadihady an’i Jesosy i Pilato, ary hitany fa tsy meloka izy. Nilaza izy avy eo hoe aleo havotsotra i Jesosy. Niantsoantso anefa ny vahoaka hoe: “Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy!” Ilay mpandika lalàna atao hoe Barabasy kosa no nasain’izy ireo navotsotra. Te hampifaly ny vahoaka i Pilato ka nanaiky, ary nasainy nokapohina sy nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana i Jesosy.—Mar. 15:1-15.
9. Inona no nitranga, araka ny Salamo 35:11?
9 Hisy vavolombelona mandainga hiampanga azy. Hoy ny Salamo 35:11: “Vavolombelona mahery setra no mitsangana hiampanga ahy. Ary zavatra tsy fantatro no anontaniany ahy.” Tanteraka izany, satria “nitady izay ho afaka hiampanga an’i Jesosy ny lehiben’ny mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy, mba hamonoana azy ho faty.” (Mat. 26:59) “Maro no nitsangana ho vavolombelona mandainga hiampanga azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangan’izy ireo.” (Mar. 14:56) Efa tian’ny fahavalony ho faty i Jesosy, ka tsy nampaninona azy ireo na dia nandainga aza ireo vavolombelona.
10. Inona no nataon’i Jesosy rehefa nampangaina izy, araka ny Isaia 53:7?
10 Tsy hamaly an’ireo hiampanga azy izy. Hoy i Isaia: “Voageja mafy sy nanaiky hampahorina izy, nefa tsy niloa-bava akory. Nentina toy ny ondry hovonoina izy, ary tsy niloa-bava toy ny ondrivavy izay nanjary moana teo anoloan’ny mpanety azy.” (Isaia 53:7) ‘Tsy namaly i Jesosy rehefa nampangain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy.’ Nanontany azy i Pilato hoe: “Tsy renao ve ny hamaroan’ny fiampangany anao?” Mbola “tsy namaly” ihany i Jesosy “na indraim-bava aza”, ka “gaga be” i Pilato. (Mat. 27:12-14) Tsy niteny ratsy an’ireo niampanga azy i Jesosy.—Rom. 12:17-21; 1 Pet. 2:23.
11. Ahoana no ahafantarantsika hoe tanteraka ny Isaia 50:6 sy ny Mika 5:1?
11 Hokapohina ny Mesia. Hoy ny Isaia 50:6: “Ny lamosiko natolotro tamin’ny mpikapoka, ary ny takolako natolotro tamin’ny mpanongotra volombava. Ny tarehiko tsy mba nafeniko rehefa nalam-baraka sy nororana aho.” Nilaza koa i Mika hoe: “Hokapohina amin’ny tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Israely.” (Mika 5:1) Tanteraka tokoa ireo. Hoy i Marka: “Nisy nanomboka nandrora [an’i Jesosy] sy nanarona ny tarehiny ka nanisy totohondry azy sady nilaza hoe: ‘Maminania!’ Ary namely tehamaina azy ny mpampihatra didim-pitsarana ka nitondra azy.” Nokapohin’ny miaramila “tamin’ny bararata koa ny lohany ka nororany izy. Dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany ireo”, satria te haneso azy. (Mar. 14:65; 15:19) Eritrereto ange e! Natao an’ireo i Jesosy, nefa tsy nanao ratsy akory!
Tsy hivadika mandra-pahafatiny
12. Inona no porofo fa tanteraka ny Salamo 22:16 sy ny Isaia 53:12?
12 Hofantsihana eo amin’ny hazo fijaliana izy. Hoy ny Salamo 22:16: “Manodidina ahy ireo mpanao ratsy maro be, izay toy ny liona manaikitra ny tanako sy ny tongotro.” Tantarain’i Marka fa natao teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, tamin’ny sivy ora maraina tany ho any, ary nofantsihana ny tanany sy ny tongony. (Mar. 15:25, fanamarihana ambany pejy) Hoheverina ho mpanota koa ny Mesia. Hoy i Isaia: ‘Nanolotra ny ainy ho amin’ny fahafatesana izy, ary natao ho anisan’ny mpandika lalàna.’ (Isaia 53:12) Tanteraka izany satria ‘nisy jiolahy roa nampiarahina tamin’i Jesosy teo amin’ny tsato-kazo: Ny iray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany.’—Mat. 27:38.
13. Inona no nitranga, araka ny Salamo 22:7, 8?
13 Hisy haneso ny Mesia. (Vakio ny Salamo 22:7, 8.) Nesoin’ny olona i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Hoy i Matio: “Nanomboka nanevateva azy ny mpandalo, sady nihivingivin-doha no niteny hoe: ‘Ry ilay nilaza hoe handrodana ny tempoly sy hanorina azy ao anatin’ny telo andro, vonjeo ny tenanao! Raha zanak’Andriamanitra ianao, midìna avy eo amin’ny hazo fijaliana!’ ” Hoy koa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy: “Ny hafa novonjeny, fa ny tenany tsy hainy vonjena! Mpanjakan’ny Israely izy. Aoka izy izao hidina avy eo amin’ny hazo fijaliana, dia hino azy izahay. Nitoky tamin’Andriamanitra izy. Koa raha tia azy Andriamanitra, dia aoka hamonjy azy ankehitriny, satria hoy izy: ‘Zanak’Andriamanitra aho.’ ” (Mat. 27:39-43) Tony foana anefa i Jesosy, ka tena modely ho antsika!
14, 15. Inona ny faminaniana tanteraka momba ny akanjon’ny Mesia sy ny zavatra nampisotroina azy?
14 Hanaovana antsapaka ny akanjony. Hoy ny Salamo 22:18: “Ifampizaran’izy ireo ny fitafiako, ary anaovany antsapaka ny akanjoko.” Nataon’ny miaramila romanina antsapaka tokoa ny fizarana ny akanjon’i Jesosy, rehefa avy nofantsihana izy.—Mat. 27:35; vakio ny Jaona 19:23, 24.
15 Homena vinaingitra sy zava-mangidy izy. Hoy ny Salamo 69:21: “Zavamaniry misy poizina no nomeny hohaniko, ary notadiaviny hampisotroina vinaingitra [na divay avela harikivy] aho rehefa nangetaheta.” ‘Nomena divay niharo zava-mangidy’ tokoa i Jesosy. “Tsy nety nisotro anefa izy rehefa avy nanandrana izany.” Nisy nihazakazaka naka spaonjy avy eo, ary “natsobony tao anaty divay marikivy izany ka nataony teo amin’ny bararata iray, dia nomeny hosotroin’i Jesosy.”—Mat. 27:34, 48.
16. Inona no nolazain’i Jesosy, araka ny Salamo 22:1?
16 Hilaza ny Mesia hoe nahafoy azy Andriamanitra. (Vakio ny Salamo 22:1.) Izany tokoa no nataon’i Jesosy. Tamin’ny telo hariva tany ho any, dia ‘niantso mafy izy hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?”, raha adika dia hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?”’ (Mar. 15:34) Tsy midika anefa izany hoe tsy natoky an’i Jehovah intsony i Jesosy. Tsapany fotsiny fa tsy niaro azy ny Rainy teo, mba hahitana raha tena tsy hivadika izy. Tanteraka àry ny Salamo 22:1, rehefa nilaza an’ireo teny ireo izy.
17. Ahoana no nahatanterahan’ny Zakaria 12:10 sy ny Salamo 34:20?
17 Holefonina ny Mesia, nefa tsy hisy ho tapaka ny taolany. Milaza ny Zakaria 12:10 fa “hijery an’Ilay nolefoniny” ny mponin’i Jerosalema. Hoy koa ny Salamo 34:20: ‘Arovan’Andriamanitra daholo ny taolany, ka tsy misy tapaka ireny na iray aza.’ Izany tokoa no nitranga. Hoy ny apostoly Jaona: ‘Nolefonin’ny iray tamin’ireo miaramila ny takiban’i Jesosy, ka tonga dia nisy ra sy rano nivoaka. Ary vavolombelon’izany ilay nahita maso, sady marina ny fanambarany. Nitranga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: “Tsy hisy ho torotoro ny taolany”, sy ilay hoe: “Hijery an’Ilay nolefoniny izy ireo.”’—Jaona 19:33-37.
18. Ahoana no nahatonga an’i Jesosy halevina tao amin’ny fasan’ny mpanankarena?
18 Halevina ao amin’ny fasan’ny mpanankarena izy. (Vakio ny Isaia 53:5, 8, 9.) Nangataka ny fatin’i Jesosy tamin’i Pilato ny “lehilahy mpanankarena iray nantsoina hoe Josefa, avy any Arimatia”, ny harivan’ny 14 Nisana. Nalainy ilay faty avy eo, “ka nofonosiny tao anaty lamba madio vita tamin’ny rongony tena tsara, dia napetrany tao amin’ny fasany vaovao nolavahany teo amin’ny vatolampy. Ary nanakodia vato be teo am-baravaran’ilay fasana izy, dia lasa.”—Mat. 27:57-60.
Derao ilay Mesia Mpanjaka!
19. Inona no porofo fa tanteraka ny Salamo 16:10?
19 Hatsangana amin’ny maty ny Mesia. Hoy ny Salamo 16:10: ‘Tsy ho foin’i Jehovah hijanona ao amin’ny Fasana aho.’ Nisy vehivavy tonga nijery ny fasan’i Jesosy, ka gaga satria nisy anjely tao. Hoy ilay anjely: “Aza gaga. Fantatro fa i Jesosy avy any Nazareta, ilay nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. Efa natsangana izy, ka tsy ato. Jereo fa teo no nametrahana azy!” (Mar. 16:6) Hoy koa ny apostoly Petera tamin’ny vahoaka tao Jerosalema, tamin’ny Pentekosta taona 33: “Efa hitan’i Davida mialoha ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ary efa niresaka momba izany izy, dia ny hoe tsy nafoy tao amin’ny Fasana i Jesosy sady tsy lo ny nofony.” (Asa. 2:29-31) Tsy navelan’Andriamanitra ho lo ny vatan’ny Zanany malalany. Natsangany kosa izy, ary nankany an-danitra.—1 Pet. 3:18.
20. Inona no hataon’ny Mesia Mpanjaka?
20 Hilaza Andriamanitra hoe Zanany i Jesosy. (Vakio ny Salamo 2:7; Matio 3:17.) Nisy vahoaka nidera an’i Jesosy koa, ary faly hoe hanjaka izy. (Mar. 11:7-10) Faly koa isika miresaka momba an’i Jesosy sy ny fanjakany. Kely sisa dia handringana ny fahavalony i Kristy, “mba hampitoerana ny fahamarinana sy ny fanetren-tena ary ny fahitsiana.” (Sal. 2:8, 9; 45:1-6) Hiadana sy ho sambatra ny olon-drehetra aorian’izay. (Sal. 72:1, 3, 12, 16; Isaia 9:6, 7) Tena faly isika Vavolombelon’i Jehovah mitory momba izany. Efa manjaka any an-danitra mantsy izao i Jesosy Kristy, ilay Mesia!
Ahoana no Havalinao?
• Inona no porofo fa tanteraka ny Salamo 41:9 sy ny Zakaria 11:12, 13 ary ny Zakaria 13:7?
• Inona avy no faminaniana tanteraka tamin’i Jesosy novonoina?
• Nahoana ianao no mino fa i Jesosy no Mesia?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 13]
Inona no faminaniana tanteraka rehefa niditra tao Jerosalema i Jesosy?
[Sary, pejy 15]
Maty noho ny fahotantsika i Jesosy, ary efa manjaka izy izao