Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Anti-panahy, Tahafo i Finehasa

Ry Anti-panahy, Tahafo i Finehasa

Ry Anti-panahy, Tahafo i Finehasa

ANTI-PANAHY ve ianao? Andraikitra tena tsara izany. Milaza anefa ny Baiboly fa sarotra ny asan’ny anti-panahy. Tsy maintsy ‘mitsara ho an’i Jehovah’, ohatra, izy, izany hoe manampy olona nanao fahotana lehibe. (2 Tan. 19:6) Matahotra, toa an’i Mosesy, koa izy indraindray hoe tsy ho hainy ny andraikitra ampanaovina azy. Rehefa nasain’i Jehovah niteny an’i Farao i Mosesy, dia hoy izy: “Fa mba iza moa aho no handeha hankany amin’i Farao?”—Eks. 3:11.

Ny fanahy masina no ampiasain’i Jehovah hanendrena anti-panahy. Io hery lehibe io koa no nampiasainy rehefa nampanoratra ny Baiboly izy. Misy tantarana mpiandraikitra nahavita nandresy zava-tsarotra ao. Anisan’izany i Finehasa, zanak’i Eleazara sy zafikelin’i Arona. Mpisorona i Finehasa, ary lasa mpisoronabe tatỳ aoriana. Modely ho an’ny anti-panahy izy, satria be herim-po sy malina ary natoky an’i Jehovah foana, na dia teo aza ny olana.

Be herim-po sy hentitra izy

Mbola tanora i Finehasa tamin’ny Israelita nitoby tany amin’ny Lemak’i Moaba. Nisy Israelita “nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’i Moaba”, sady “nihinana sy niankohoka teo anoloan’ny andriamanitr’ireny.” (Nom. 25:1, 2) Nasain’i Jehovah novonoina àry izay nanao izany. Azo inoana fa nalahelo be i Finehasa rehefa nahare hoe nivadika ny Israelita sasany ka naringana.

Nisy lehilahy iray aza sahy “nitondra vehivavy midianita nankeo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Mosesy sy ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely, izay mbola nitomany teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.” (Nom. 25:6) Inona no nataon’i Finehasa? Tadidio fa mbola tanora izy tamin’izay. Ilay lehilahy kosa mpiadidy, izany hoe anisan’ny mpiandraikitra teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra.—Nom. 25:14.

Tsy natahotra olona anefa i Finehasa. I Jehovah no natahorany. Vao hitany ilay lehilahy sy ilay vehivavy, dia naka lefona izy ka nanaraka azy ireo, ary niara-notsatohany izy roa. Be herim-po sy nandray fepetra hentitra i Finehasa. Inona no nataon’i Jehovah rehefa hitany izany? Tonga dia tsy nanasazy an’ilay vahoaka intsony izy. Nanao fifanekena tamin’i Finehasa koa izy hoe ho mpisorona foana ny taranany “mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Nom. 25:7-13.

Marina fa tsy mamono olona ny anti-panahy. Tokony ho hentitra sy ho be herim-po toa an’i Finehasa anefa izy ireo. Nasaina hanao komitim-pitsarana, ohatra, ny anti-panahy iray atao hoe Guilherme. Vao haingana izy tamin’izay no anti-panahy. Tsy vitan’izay fa anti-panahy nanampy azy tamin’izy mbola ankizilahy ilay nanao fahotana lehibe. Hoy i Guilherme: “Mafy be tamiko ilay izy, ka tsy nahita tory aho. Nieritreritra be aho hoe ahoana no hataoko mba tsy hiangatra aminy na hiaroaro azy, fa hampihatra ny fitsipik’i Jehovah. Nivavaka nandritra ny andro maromaro aho, ary nanao fikarohana.” Lasa nanana herim-po àry izy, ka vitany tsara ilay komitim-pitsarana, na dia sarotra taminy aza. Afaka nanampy an’ilay rahalahy koa izy.—1 Tim. 4:11, 12.

Tokony ho be herim-po sy ho hentitra àry ny anti-panahy rehefa ilaina izany. Lasa modely ho an’ny ondry izy amin’izay, satria tsy mivadika sy manam-pinoana. Tokony ho be herim-po koa ny rahalahy sy anabavy hafa, ka hiresaka amin’ny anti-panahy, raha mahafantatra olona nanao fahotana lehibe. Tsy tokony hivadika amin’i Jehovah koa izy ireo, ka tsy hifanerasera amin’ny namana na fianakaviana voaroaka.—1 Kor. 5:11-13.

Malina i Finehasa

Malina sy nitandrina tsara izy, na dia be herim-po aza. Tsy maimaika hanao zavatra, toy ny tanora sasany izy. Jereo, ohatra, izay nataony, indray mandeha. Reny hoe nanorina alitara tany akaikin’ny Reniranon’i Jordana ny taranak’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Nihevitra ny Israelita hafa fa hanompo sampy izy ireo, ka efa saika hotafihiny.—Jos. 22:11, 12.

Inona no nataon’i Finehasa? Nandeha niresaka tamin’ireo foko nanorina an’ilay alitara aloha izy sy ny mpiadidy teo amin’ny Israely. Nohazavain’ireo foko ireo fa natao ‘hanompoana an’i Jehovah’ ilay alitara. Nilamina àry ilay olana ka tsy nisy indray ny ady.—Jos. 22:13-34.

Tokony hanahaka an’i Finehasa isika. Ahoana, ohatra, raha misy manaratsy na manendrikendrika ny mpiara-manompo amintsika? Aza tonga dia tezitra aminy na mifosafosa azy, fa mandiniha tsara aloha.—Ohab. 19:11.

Mila malina toa an’i Finehasa koa ny anti-panahy. Hoy i Jaime, izay efa folo taona mahery no anti-panahy: “Rehefa misy mpiray finoana mitaraina amiko hoe nisy nanao zavatra nahatezitra azy, dia tonga dia mivavaka aho mba tsy hiangatra, fa hanome torohevitra avy ao amin’ny Baiboly. Nisy anabavy nitaraina tamiko hoe ratsy fanahy taminy ny rahalahy iray tany amin’ny fiangonana hafa. Namako io rahalahy io, ka azoko notenenina tsara. Naleoko anefa niara-nijery toro lalana ara-baiboly tamin’ilay anabavy. Nanaiky hiresaka tamin’ilay rahalahy àry izy. (Mat. 5:23, 24) Mbola tsy nilamina anefa ilay olana, ka nasaiko nandinika toro lalana hafa izy. Nivavaka momba an’ilay raharaha indray izy taorian’izay, ary niezaka namela heloka.

“Niteny tamiko ilay anabavy, volana maromaro tatỳ aoriana, hoe nilamina ihany ilay olana. Notantarainy fa nanenina ilay rahalahy, ary lasa tsara fanahy taminy. Nasainy hiara-manompo aminy ilay anabavy. Soa ihany aho fa tsy nidikiditra be tamin’ny adin-dry zareo, satria sao dia lasa heveriny hoe miangatra. Mety tsy ho nilamina tsara koa ilay olana.” Milaza ny Baiboly fa tsy tokony ho maika hiditra amin’ny adin’olona isika. (Ohab. 25:8) Malina àry ny anti-panahy raha mampirisika ny olona tsy mifankahazo, mba hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly.

Nanontany an’i Jehovah izy

Hitantsika teo fa mpisorona teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra i Finehasa. Be herim-po sy malina koa izy, na dia tanora aza. Niantehitra tamin’i Jehovah anefa izy, ary izay no tena nanampy azy rehefa nisy olana.

Ahitana izany ity tantara iray ity: Novetavetain’ny Benjamita tao Gibea ny vadikelin’ny Levita iray, ka maty. Tapa-kevitra àry ny foko hafa rehetran’ny Israely fa hiady amin’ny Benjamita. (Mpits. 20:1-11) Nivavaka izy ireo talohan’ny nandehanany niady, nefa indroa no resy sady be dia be no maty. (Mpits. 20:14-25) Nieritreritra ve izy ireo hoe tsy namaly vavaka i Jehovah? Tsy tian’i Jehovah hovaliana ve ny zava-dratsy nataon’ny Benjamita?

Efa mpisoronabe i Finehasa tamin’izay. Mbola natoky izy fa hanampy azy ireo Andriamanitra. Nanontany an’i Jehovah izy hoe: “Mbola hivoaka hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko ihany ve aho, sa aoka izay?” Nataon’i Jehovah resin’izy ireo àry ny Benjamita. Nodorana koa ny tanànan’i Gibea.—Mpits. 20:27-48.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy mety milamina ny olana eo anivon’ny fiangonana indraindray, na dia efa miezaka sy mivavaka foana aza ny anti-panahy. Tokony hitadidy an’ity tenin’i Jesosy ity izy ireo amin’izay: “Mangataha foana dia homena ianareo, mitadiava foana dia hahita ianareo, dondòny foana dia hovohana ianareo.” (Lioka 11:9) Marina fa elaela vao mivaly ny vavaka sasany. Matokia anefa fa hovalian’i Jehovah ilay izy amin’ny fotoana hitany hoe mety.

Tena nila Efitrano Fanjakana, ohatra, ny fiangonana iray tany Irlandy. Tsy nety nahazo alalana tamin’ny manam-pahefana teo an-tanàna anefa izy ireo. Tsy nisy nekeny izay planina naseho azy. Nanapa-kevitra àry ny anti-panahy hoe ho any amin’ny solontenam-panjakana miandraikitra an’ilay faritra manontolo. Izy io sisa no azo angatahana alalana. Nivavaka koa ry zareo, toy ny nataon’i Finehasa. Nivaly ve ilay izy?

Hoy ny anti-panahy iray: “Nitalaho tamin’i Jehovah izahay, ary nankany amin’ilay solontenam-panjakana avy eo. Nilazana anefa izahay hoe afaka herinandro maromaro vao malalaka izy. Nangataka hihaona taminy dimy minitra fotsiny anefa izahay. Vao nasehonay azy ny planin’ilay efitrano, dia nanaiky izy. Lasa nanampy anay koa ilay manam-pahefana teo an-tanàna. Tena misy vokany tokoa ny vavaka!” Mamaly ny vavaky ny anti-panahy matoky azy àry i Jehovah.

Malina sy be herim-po ary natoky an’i Jehovah i Finehasa ka vitany tsara ny andraikiny, na dia betsaka sy sarotra aza. Tian’i Jehovah izy satria tena nikarakara ny vahoakany. Hoy i Ezra, 1 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana: “I Finehasa zanak’i Eleazara no mpitarika teo amin’izy ireo taloha. Ary nomba azy i Jehovah.” (1 Tan. 9:20) Enga anie i Jehovah ka homba ny anti-panahy koa, ary tsy izy ireo ihany fa ny vahoakany rehetra tsy mivadika.