Tantaram-piainana
Nianatra avy Tamin’ny Asa Fanompoana Nataonay Izahay
Notantarain’i Olivier Randriamora
“Haiko tsara ny hoe ao anatin’ny tsy fisiana, ary haiko tsara koa ny hoe manam-be. Tamin’ny zava-drehetra sy tao anatin’ny toe-javatra rehetra, dia efa nianatra ny ho voky sy ho noana aho. ... Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Fil. 4:12, 13.
NAMPAHERY anay mivady foana io teny io. Nianatra niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah, toy ny nataon’ny apostoly Paoly, izahay, tamin’ny asa fanompoana nataonay.
Efa mpifamofo izahay sy Oly, tamin’ny maman’i Oly nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1982. Nanaiky hianatra Baiboly koa aho, ary niara-nianatra tamiko i Oly tatỳ aoriana. Nivady izahay tamin’ny 1983, ary natao batisa tamin’ny 1985. Tonga dia nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy izahay taorian’izay. Lasa mpisava lalana maharitra izahay tamin’ny Jolay 1986.
Lasa mpisava lalana manokana izahay tamin’ny Septambra 1987. Tany amin’ny tanàna kely iray tany amin’ny faritra avaratrandrefan’i Madagasikara izahay no voatendry, ary mbola tsy nisy fiangonana tany. Misy foko lehibe 18 sy foko kely maro be eto Madagasikara, ary tena samy hafa be ny fombafomban’izy ireo. Misy fitenim-paritra maro koa eto, ka nianatra ny fiteny tao amin’ilay faritra nanendrena anay izahay. Lasa mora kokoa tamin’ny olona ny nandray anay, rehefa nahay ny fiteniny izahay.
Izahay sy Oly irery no nivory tamin’ny voalohany. Nanao lahateny ho an’ny besinimaro aho isaky ny alahady, ary nitehaka i Oly rehefa vita ilay izy. Nanao ny Sekolin’ny Fanompoana koa izahay, ka rehefa nanao sekoly i Oly, dia ataony hoatran’ny hoe miresaka amin’olona izy. Faly erỳ izahay rehefa nitsidika anay ny mpiandraikitra ny faritra, ary nanoro hevitra hoe mila ahitsinay ny fivorianay.
Tsy azo antoka ny paositra tamin’izany, ka tsy voarainay ara-potoana matetika ny vola fanampiana anay. Nianatra nihafy, toa an’i Paoly, àry izahay. Tsy ampy andehananay taksibrosy hamonjena fivoriamben’ny faritra ny volanay, indray mandeha, nefa ilay izy any amin’ny 130 kilaometatra. Tadidinay àry ny torohevitry ny rahalahy iray hoe: “Lazao amin’i Jehovah ny olana mahazo anareo. Ny asany ange no ataonareo e!” Nivavaka àry izahay, ary nanapa-kevitra handeha an-tongotra. Rehefa akaiky hiainga anefa izahay, dia nisy rahalahy nitsidika anay ary nanome vola anay. Ampy nataonay saran-dalana ilay izy!
ASAN’NY FARITRA
Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’ny Febroary 1991. Efa lasa nisy mpitory 9 tao amin’ilay antoko-mpitory nisy anay tamin’izay: 3 no vita batisa, ary 50 ny salanisan’ny mpanatrika. Nasaina nitsidika faritra tao Antananarivo izahay, rehefa vita ny fiofanana ho mpiandraikitra ny faritra. Ary voatendry tany amin’ny faritra atsinanana tamin’ny 1993. Tena samy hafa amin’ny fiainana an-tanàn-dehibe ny fiainana tany.
Nandeha an-tongotra 145 kilaometatra niaka-nidina tamin’ny tendrombohitra feno ala mikitroka izahay indraindray, mba hitsidihana an’ireo fiangonana sy antoko-mpitory. Nataonay kely araka izay azo natao ny entana. Navesatra anefa ny entanay rehefa nisy fampisehoana an-tsary ny lahateny nataoko. I Oly no nitondra ny fandefasana sary, ary izaho nitondra ny bateria.
Matetika no nandeha an-tongotra andro vitsivitsy izahay vao tonga tany amin’ny fiangonana manaraka, ka nila nahavita 40 kilaometatra tao anatin’ny iray andro. Nianika tendrombohitra izahay, niampita renirano, ary niroboka fotaka. Natory teny amoron-dalana izahay indraindray, fa niezaka nitady tanàna hatoriana izahay matetika. Indraindray dia olona tsy fantatray akory no niangavianay hampiantrano anay. Nikarakara sakafo izahay rehefa nahita trano hatoriana. I Oly nindrana vilany, ary nantsaka tany amin’ny renirano. Izaho kosa nindrana famaky hikapana kitay. Nitaky fotoana izany rehetra izany. Namono akoho izahay indraindray, rehefa nahita akoho namidy.
Nandeha nantsaka izahay rehefa avy nisakafo mba haka rano handroana, ary natory tao amin’ny lakozia izahay indraindray. Natory nanaraka ny sisin-drindrina izahay, rehefa avy ny orana ka mitete ny tafo.
Niezaka nitory tamin’ny olona nampiantrano anay foana izahay, nandritra ny dianay. Faly koa anefa izahay rehefa tonga, satria nandray tsara anay ny rahalahy sy anabavy sady tsara fanahy taminay. Nankasitrahan’izy ireo ny fitsidihanay, ka hadinonay ny zava-tsarotra natrehinay.
Nampianay tamin’ny raharaha ao an-trano ireo mpiara-manompo nampiantrano anay, mba hahafahan’izy ireo manompo miaraka aminay. Tsy nanantena koa izahay hoe hahazo fiainana mampiadana, na sakafo manokana, tsy ho takatr’ireo rahalahy.
FITSIDIHANA ANTOKO-MPITORY
Nahafinaritra anay ny nitsidika antoko-mpitory. Nandray anay tsara ireo rahalahy, ary feno be ny fandaharam-potoana, ka zara raha afaka ‘niala sasatra kely’ izahay. (Mar. 6:31) Nasain’ny mpivady iray ho tonga tao an-tranony, ohatra, ny mpianany 40 teo ho eo, mba hampianarinay. I Oly sy ilay anabavy no nampianatra ny 20 teo ho eo, ary izaho sy ilay rahalahy no nampianatra ny ambiny. Vao lasa ny mpianatra iray, dia niditra ny manaraka. Najanona kely ny fianarana rehefa hariva, fa natomboka ny fivoriana. Naverina indray ny fianarana Baiboly taorian’izay. Feno be ny fandaharam-potoananay matetika, ka tsy nipetraka izahay raha tsy tamin’ny valo alina.
Handeha hitory izahay, indray andro, tamin’izahay nitsidika antoko-mpitory iray. Tamin’ny valo maraina izahay no niainga, ary nanao akanjo
ratsiratsy. Namakivaky ala izahay, ary tamin’ny 12 sy sasany vao tonga tany amin’ilay tanàna itoriana. Nisolo akanjo madio haingana izahay avy eo, ary nitory isan-trano. Vitsy ny trano nefa betsaka ny mpitory, ka vita tao anatin’ny antsasak’adiny ny faritany. Nifindra tanàna hafa indray izahay avy eo, ary nanao ilay dia lavitra niverina nody. Somary nahakivy izany tamin’ny voalohany. Nandany fotoana sy hery be izahay nefa tsy nitory afa-tsy ora kely fotsiny. Tsy nitaraina anefa ireo Vavolombelona teo an-toerana fa nazoto foana.Nitsidika ny antoko-mpitory tao Taviranambo koa izahay. Fianakaviana Vavolombelona iray nipetraka teny akaikin’ny tampon-tendrombohitra no nandray anay. Efitra iray ny tranony, ary trano kely teo akaiky teo no natao trano fivoriana. Rehefa tonga izahay, dia niantsoantso ilay rahalahy nandray anay hoe: “Ô rahalahy a!” Nisy feo namaly terỳ an-tampon-tendrombohitra ampita hoe: “Ô!” Niteny indray ilay rahalahy hoe: “Tonga ny mpiandraikitra!” Namaly ilay feo hoe: “Iô!” Naparitak’ireo rahalahy tany amin’ireo olona mipetraka lavidavitra ilay hafatra, ka tsy ela dia tonga ny olona. Zato mahery ny mpanatrika rehefa nanomboka ny fivoriana.
OLANA TEO AMIN’NY FITATERANA
Nitsidika faritra tany akaikin’Antananarivo indray izahay tamin’ny 1996. Hafa kely ny olana natrehinay tany. Tsy dia nisy fitateram-bahoaka nankany amin’ireo tanàna ambanivohitra lavitra. Hitsidika ny antoko-mpitory tao Beankàna (Besakay), ohatra, izahay indray andro. Any amin’ny 240 kilaometatra miala an’Antananarivo izy io. Nisy kamiao kely handeha ho any, ka niady varotra tamin’ilay mpamily izahay. Nandeha tamin’ilay izy izahay, nefa efa nisy mpandeha 30 tao, ka ny sasany teny an-tampon’ilay fiara, ary ny sasany nikiraviravy tao aoriana.
Tsy lasa lavitra akory anefa izahay dia simba ilay fiara. Efa mpitranga matetika izany. Efa nandeha an-tongotra ora maromaro izahay, vao nisy kamiao be nandalo. Efa feno olona sy entana ilay izy, fa nijanona ihany. Niakatra tao izahay na dia tsy nisy toerana intsony aza. Tonga teo amin’ny renirano iray izahay avy eo, nefa mbola namboarina ny tetezana teo. Nandeha an-tongotra indray àry izahay, nankany amin’ny tanàna kely iray nisy mpisava lalana manokana. Tsy tokony hitsidika tao izahay, saingy niara-nanompo tamin’izy ireo mandra-pahavitan’ilay tetezana, ary mandra-pahitanay fiara nandalo indray.
Rehefa afaka herinandro vao nisy fiara nandalo, ary nanohy ny dia indray izahay. Ratsy be ny lalana, ka matetika izahay no nanosika an’ilay fiara tao anaty rano hatreny an-dohalika. Matetika izahay no nianjera tao anaty rano, rehefa nanosika. Tonga tao amin’ny tanàna kely iray izahay tamin’ny vao nangiran-dratsy, ary niala tamin’ilay fiara. Nandeha an-tongotra teny an-tanimbary sy tao anaty rano hatreny amin’ny andilana izahay avy eo, mandra-pahatonga tany Beankàna.
Tamin’io izahay vao nitsidika an’ilay faritra, ka saika hitory tamin’ny olona niasa teo amin’ilay tanimbary handalovanay, sady hanontany hoe aiza no misy Vavolombelona. Faly izahay avy eo fa hay Vavolombelon’i Jehovah izy ireo!
NAMPIRISIKA NY HAFA HANOMPO MANONTOLO ANDRO IZAHAY
Tianay ny mampirisika olona hanompo manontolo andro. Nitsidika fiangonana iray izahay, indray mandeha. Sivy ny mpisava lalana maharitra tao, ka nampirisihinay izy ireo mba hanampy mpitory iray avy, hirotsaka ho mpisava lalana. Lasa 22 ny mpisava lalana maharitra tao, rehefa niverina izahay enim-bolana taorian’izay. Samy nampirisika ny dadany ny anabavy roa mpisava lalana. Anti-panahy ny dadan’izy ireo, ary nampirisika anti-panahy iray hafa koa mba hirotsaka ho mpisava lalana. Lasa mpisava lalana manokana ilay anti-panahy fahatelo tsy ela taorian’izay, ary nanao ny asan’ny faritra niaraka tamin’ny vadiny tatỳ aoriana. Ary ahoana ny amin’ireo anti-panahy roa hafa? Ny iray lasa mpiandraikitra ny faritra, ary ny iray mpanao fanorenana Efitrano Fanjakana.
Misaotra an’i Jehovah isan’andro izahay noho izy nanampy anay. Takatray fa tsy mahavita na inona na inona izahay, raha ny herinay samirery. Vizana sy marary izahay indraindray, kanefa faly rehefa misaintsaina ny vokatry ny fanompoana nataonay. I Jehovah tokoa no mampandroso ny asany, ary faly izahay nandray anjara kely tamin’izany. Faly izahay izao manompo amin’ny maha mpisava lalana manokana. Nianatra lesona lehibe tokoa izahay, dia ny hoe ilaina foana ny miantehitra amin’i Jehovah, satria izy no “manome hery” antsika.
[Teny notsongaina, pejy 6]
Nianatra niantehitra tamin’i Jehovah foana izahay
[Sarintany/Sary, pejy 4]
Antsoina hoe Nosy Mena i Madagasikara, ary izy no nosy lehibe fahefatra maneran-tany. Misy biby sy zavamaniry maro hita eto, tsy hita any an-toeran-kafa
[Sary, pejy 5]
Anisan’ny olana lehibe natrehinay ny fitaterana
[Sary, pejy 5]
Tianay ny mampianatra Baiboly