Miezaha Hifandray Akaiky Amin’i Jehovah Foana
“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—JAK. 4:8.
1, 2. a) Inona ny ‘teti-dratsy’ ampiasain’i Satana? b) Inona no hanampy antsika hanatona an’Andriamanitra?
NATAON’I Jehovah ao anatintsika olombelona ny faniriana hifandray akaiky aminy. Tian’i Satana anefa ny hieritreretantsika hoe tsy mila an’i Jehovah isika. Efa ela izy no nampiely izany lainga izany, efa hatramin’ny namitahany an’i Eva tany Edena. (Gen. 3:4-6) Nanomboka tamin’izay, dia maro ny olona mieritreritra hoe tsy mila an’Andriamanitra.
2 Soa ihany fa tsy voatery ho voafandrik’i Satana isika. “Fantatsika ny teti-dratsiny.” (2 Kor. 2:11) Mampirisika antsika hanao safidy ratsy izy mba hanalavirantsika an’i Jehovah. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha anefa, fa afaka manao safidy tsara isika eo amin’ny resaka asa sy fialam-boly ary ny fifandraisana amin’ny mpianakavy. Hodinihintsika ato indray ny hoe ahoana no hahaizana mandanjalanja eo amin’ny fampiasana fitaovana maoderina, fikarakarana fahasalamana, resaka vola, ary ny fireharehana. Hanampy antsika ‘hanatona an’Andriamanitra’ izany.—Jak. 4:8.
NY FITAOVANA MAODERINA
3. Ahoana no mety hahatonga ny fitaovana maoderina hahasoa antsika na hanimba antsika?
3 Mihabetsaka ny olona mampiasa fitaovana elektronika arifomba maneran-tany. Mahasoa ireny fitaovana ireny, raha ampiasaina amin’ny fomba tsara. Mety hahatonga antsika hanalavitra an’i Jehovah kosa anefa izy ireny, raha ampiasaintsika amin’ny fomba ratsy. Eritrereto ny ordinatera. Ny ordinatera no ahafahana manoratra sy manonta an’ity gazety ity. Azo anaovana fikarohana koa ny ordinatera, ahafahana mifandray amin’olona, ary mety hahitana fialam-boly mamelombelona. Raha tsy mitandrina anefa isika, dia ho andevozin’ireny fitaovana maoderina ireny. Hain’ny mpanao dokam-barotra erỳ ny mandresy lahatra hoe tena ilaina ireo fitaovana nivoaka farany. Nisy tovolahy iray nahavita nivarotra an-tsokosoko ny voany iray, mba hividianana ordinatera kely arifomba. Tsy mitsinjo lavitra tokoa ny olona toy izany!
4. Ahoana no nataon’ny rahalahy iray mba tsy ho variana be loatra intsony amin’ny ordinatera?
4 Vao mainka ratsy raha manimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fampiasantsika fitaovana maoderina. Hoy i Jaona, * rahalahy 28 taona: “Fantatro ny torohevitry ny Baiboly hoe ‘hararaoty tsara ny fotoana.’ Tena tsy nahafehy tena anefa aho, rehefa nampiasa ordinatera.” Matetika izy no nampiasa Internet hatramin’ny alina be, ka nifandefa hafatra tamin’olona, na nijery filma. Nisy aza filma ratsy! Tsy nanana hery hialana teo amin’ny ordinatera izy rehefa vizana. Ahoana no nataony mba hialana tamin’izany fahazaran-dratsy izany? Nataon’i Jaona izay hampijanona ho azy ny ordinaterany, rehefa tonga ny ora fatoriany.—Vakio ny Efesianina 5:15, 16.
5, 6. a) Inona no andraikitry ny ray aman-dreny? b) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hahatonga ny zanany hanana namana tsara?
5 Ry ray aman-dreny, tsy voatery hifehifehy be ny zanakao ianao, kanefa tena tokony hanara-maso ny fampiasany ordinatera na tele. Aza avela hijery zavatra ratsy ao amin’izy ireny ny zanakao, satria fotsiny hoe tianao ho variana izy ka tsy hanelingelina anao. Anisan’izany ny sary vetaveta, ny asan’ny maizina, ary ny lalao video misy herisetra. Aza avela hifandray amin’ny naman-dratsy ao amin’ny Internet koa izy. Raha tsy miteny azy mantsy ianao, dia mety hieritreritra izy hoe: ‘Tsy ratsy ilay izy, satria i Dada sy Neny aza tsy sarotiny.’ Andraikitrao ray aman-dreny ny miaro ny zanakao, na dia ireo zanakao efa lehibe aza, mba tsy hanao zavatra hahatonga azy hanalavitra an’i Jehovah. Na ny biby aza miaro ny zanany mba tsy ho tratry ny loza. Eritrereto ange ny ataon’ny orsa raha misy mitady hikitikitika ny zanany e!—Ampitahao amin’ny Hosea 13:8.
6 Ampio ny zanakareo mba hifanerasera amin’ny Kristianina matotra samy hafa taona. Tadidio koa fa mila anareo ny zanakareo mba hiaraka aminy! Manokàna àry fotoana mba hiarahana manao zavatra amin’izy ireo: Mihomehy, milalao, miasa, ary manao zavatra hahafahanareo ‘manatona an’Andriamanitra.’ *
NY FIKARAKARANA FAHASALAMANA
7. Nahoana isika rehetra no miezaka ny ho salama foana?
7 Mifanontany foana isika hoe: “Manao ahoana ny fahasalamanao?” Hita avy amin’izany fa tsy voatery ho salama foana isika. Mety harary isika rehetra, noho i Adama sy Eva nanaiky an’i Satana ka nanalavitra an’i Jehovah. Faly i Satana rehefa marary isika, satria lasa sarotra amintsika ny manompo an’i Jehovah. Tsy afaka manompo an’i Jehovah intsony aza isika raha maty. (Sal. 115:17) Tsy diso àry isika raha miezaka mba ho salama foana. * Tokony hihevitra ny fahasalaman’ny rahalahy sy anabavintsika koa isika.
8, 9. a) Inona no afaka manampy antsika mba tsy hanao zavatra tafahoatra eo amin’ny resaka fahasalamana? b) Nahoana no tsara ny miezaka hanana fo falifaly?
8 Ilaina anefa ny mitandrina mba tsy hanao zavatra tafahoatra. Marina fa mety hiresaka amin’ny hafa momba ny fanafody na fitsaboana na karazan-tsakafo mahasalama isika. Misy Kristianina sasany anefa mafana fo be rehefa mampirisika ny hafa hanao izany, ary mafana fo kokoa noho ny rehefa mitory ny vaovao tsara. Mety hieritreritra ireny rahalahy sy anabavy ireny hoe manampy ny hafa izy. Na izany aza anefa, dia tsy mety raha any am-pivoriana na any amin’ny fivoriambe isika no mampirisika be ny olona mba hampiasa fanafody na fitsaboana na zavatra fanatsarana bika aman’endrika. Tsy mety izany na alohan’ny fandaharana na aoriana. Nahoana?
9 Satria mivory isika mba hiara-mandinika hevitra ara-panahy, sy hahita fifaliana bebe kokoa, izay vokatry ny fanahy. (Gal. 5:22) Hivaona amin’izany tanjontsika izany isika, raha mampirisika karazana fitsaboana na fanafody amin’ireny fotoana ireny, eny fa na dia nangataka torohevitra tamintsika aza ilay olona. Mety hahatonga ny hafa tsy hahita fifaliana koa ireny resaka ireny. (Rom. 14:17) Tadidio fa anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra ny amin’izay fitsaboana tiany hatao. Tsy misy koa olona afaka manafoana ny aretina. Na ny dokotera mahay indrindra aza, dia marary sy mihantitra ary maty ihany amin’ny farany. Tsy mahavita manalava ny androm-piainantsika koa isika, na dia manahy be momba ny fahasalamantsika aza. (Lioka 12:25) Milaza kosa ny Baiboly hoe: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana.”—Ohab. 17:22.
10. a) Inona avy ny toetra tena tian’i Jehovah amin’ny olombelona? b) Rahoviana isika vao tena hahazo fahasalamana tonga lafatra?
10 Toy izany koa ny bika aman’endrika. Marina fa tsy misy maha ratsy ny mikarakara bika aman’endrika. Tsy voatery hoe hanao ezaka be anefa isika mba hanalana ny soritry ny fahanterana rehetra hita eny amintsika. Mariky ny fahamatorana sy ny voninahitra, ary ny toetra tsara anaty ananantsika izy ireny. Hoy ny Baiboly: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohab. 16:31) Ny toetrantsika no zava-dehibe kokoa amin’i Jehovah fa tsy ny bika aman’endritsika, ka tokony ho toy izany koa ny fomba fihevitsika. (Vakio ny 1 Petera 3:3, 4.) Hendry àry ve isika raha manao fitsaboana na fandidiana mety hampidi-doza, satria fotsiny hoe te ho tsara tarehy sy ho tsara bika kokoa? Tadidio koa fa ny fifaliana azontsika avy amin’i Jehovah no tena mahatonga antsika hanintona, na firy taona isika na firy taona, ary na salama isika na marary. (Neh. 8:10) Any amin’ny tontolo vaovao isika vao ho salama tanteraka sy ho tanora indray ary tena tsara tarehy. (Joba 33:25; Isaia 33:24) Mandra-pahatongan’izany, dia mila manao safidy tsara sy mino ny fampanantenan’i Jehovah isika. Hanampy antsika izany mba hifandray akaiky amin’i Jehovah foana, ary hankafy ny fiainana, fa tsy hanahy be loatra momba ny fahasalamana na ny bika aman’endrika.—1 Tim. 4:8.
NY VOLA
11. Nahoana ny vola no mety hahatonga antsika ho tafasaraka amin’i Jehovah?
11 Tsy ratsy ny vola, ary tsy ratsy koa ny hoe manao raharaham-barotra amim-pahamarinana. (Mpito. 7:12; Lioka 19:12, 13) Azo antoka anefa fa hampanalavitra antsika amin’i Jehovah ny “fitiavam-bola.” (1 Tim. 6:9, 10) Toy izany koa “ny fanahiana eto amin’ity tontolo ity”, izany hoe ny fanahiana tafahoatra momba izay ilaintsika. Hampanalavitra antsika amin’i Jehovah koa “ny famitahan’ny harena”, izany hoe ny fiheverana fa mahasambatra ny harena ary manampy mba hananana hoavy azo antoka. (Mat. 13:22) Nolazain’i Jesosy mazava tsara fa “tsy misy” olona hoe mahavita manompo an’Andriamanitra sady manompo harena.—Mat. 6:24.
12. Ahoana no ataon’ny olona maro ankehitriny mba hahazoana vola be haingana? Inona no hanampy antsika mba tsy ho voafitak’izy ireo?
12 Mety hahatonga antsika hanao ratsy ny fitiavam-bola. (Ohab. 28:20) Nisy Kristianina te hahazo vola amin’ny fomba tsotra sy haingana, ka nividy tapakila amin’ny loteria. Ny sasany nanao raharaham-barotra tafahoatra na varotra maizimaizina, ary vitany mihitsy aza ny nitaona olona teo anivon’ny fiangonana mba hiara-miasa aminy, na hividy ny entany. Nisy rahalahy sasany indray voafitaky ny fampanantenana hoe hahazo tombom-barotra be, nefa tsy azo antoka akory ny fahamarinan’izany. Aza avela hamitaka anao àry ny fitiavam-bola, ary mandiniha tsara rehefa hanao zavatra. Rehefa misy olona mampanantena anao hoe hahazo tombony be haingana ianao, dia aza tonga dia mino azy.
13. Inona no tsy itovizan’ny fiheveran’i Jehovah ny vola sy ny fomba fiheveran’ity tontolo ity azy io?
13 Hanampy antsika hahazo izay tena ilaintsika i Jehovah, raha ataontsika loha laharana “ny fanjakany sy ny fahamarinany.” (Mat. 6:33; Efes. 4:28) Tsy tian’i Jehovah isika, raha matory fotsiny any am-pivoriana satria vizana avy niasa mafy loatra. Tsy tiany koa raha manahy momba ny vola isika, rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana. Maro anefa ny olona eto amin’ity tontolo ity no mihevitra fa tsy maintsy mifofotra mitady vola izy, vao hanana hoavy azo antoka sy hiadana any aoriana any. Matetika ny zanany no ampirisihiny hanao toy izany koa. Nasehon’i Jesosy anefa fa tsy mety izany toe-tsaina izany. (Vakio ny Lioka 12:15-21.) Mampahatsiahy antsika an’i Gehazy izany. Nieritreritra izy hoe sady afaka ny ho tia vola izy no hifandray tsara amin’i Jehovah.—2 Mpanj. 5:20-27.
14, 15. Nahoana isika no tsy tokony hitoky amin’ny vola? Hazavao amin’ny ohatra.
14 Voalaza fa nisy voromahery sasany maty satria rehefa nahazo trondro ngezabe izy, dia tsy namotsotra an’ilay izy, ka nentin’ilay izy nilentika tany anaty rano. Mety hitranga amintsika koa ny zavatra toy izany. Hoy ny anti-panahy iray atao hoe Alex: “Tena mahay mitsitsy vola aho. Raha mandraraka ranon-tsavony fanasana loha aho, ka mihoatra ny tokony hilaiko ilay izy, dia averiko ao anaty fitoerany.” Nanjary nieritreritra anefa i Alex tatỳ aoriana hoe raha mampiasa vola any amin’ny toerana fampindramam-bola izy, dia hahazo vola kokoa, ka ho afaka hiala amin’ny asany, ary hirotsaka ho mpisava lalana. Rehefa miakatra mantsy ny sandam-bola dia hitombo ho azy ny volany. Nianatra momba an’ilay fomba fampiasana vola àry izy. Nisy manam-pahaizana nampanantena azy fa hiakatra be ny sandam-bola. Nampiasainy tany amin’ilay toerana daholo àry ny tahirim-bolany rehetra. Mbola nindrana vola koa aza izy mba hanampiana an’ilay volany. Diso tetika anefa izy satria nidina be ny sandam-bola, ka matiantoka izy. Niandriandry kely anefa izy sao dia mbola hiakatra ny sandam-bola, ka hiverina amin’ny laoniny ny volany.
15 Tsy nieritreritra afa-tsy ilay vola i Alex nandritra ny volana maromaro. Tsy nahavita nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah mihitsy izy, ary tsy nahita tory firy. Tsy niakatra mihitsy anefa ny sandam-bola. Tsy nisy niverina taminy intsony ny volany, ary tsy maintsy namidiny aza ny tranony. Niteraka alahelo be ho an’ny fianakaviany izany. Nandray lesona tamin’izay nitranga anefa i Alex. Hoy izy: “Tsapako izao hoe ho diso fanantenana foana izay mitoky amin’ny tontolon’i Satana.” (Ohab. 11:28) Toy ny hoe mitoky amin’i Satana, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity” isika, raha mitoky amin’ny tahirim-bolantsika, na ny vola ampiasaintsika, na ny fahaizantsika mitady vola. (2 Kor. 4:4; 1 Tim. 6:17) Nanatsotra ny fiainany i Alex tatỳ aoriana, mba hahafahany mitory ny vaovao tsara bebe kokoa. Lasa sambatra kokoa izy sy ny fianakaviany vokatr’izany, ary lasa akaiky kokoa an’i Jehovah.—Vakio ny Marka 10:29, 30.
NY FIREHAREHANA
16. Nahoana no tsy voatery ho ratsy foana ny mirehareha? Inona anefa no mety hitranga raha mirehareha loatra momba ny tenantsika isika?
16 Misy zavatra sasany tena azontsika ireharehana tsara. Tokony ho reharehantsika, ohatra, ny hoe Vavolombelon’i Jehovah isika. (Jer. 9:24) Manampy antsika izany mba handray fanapahan-kevitra tsara foana sy hanaraka ny fitsipik’i Jehovah. Mety hanalavitra an’i Jehovah anefa isika, raha mirehareha loatra noho ny fahaizantsika, na ny toerana tanantsika.—Sal. 138:6; Rom. 12:3.
17, 18. a) Milazà olona lazain’ny Baiboly hoe nanetry tena, ary milazà koa olona nirehareha. b) Inona no nataon’ny rahalahy iray mba tsy hahatonga azy hirehareha ka hanalavitra an’i Jehovah?
17 Miresaka momba ny olona nirehareha sy ny olona nanetry tena ny Baiboly. Nanetry tena, ohatra, i Davida Mpanjaka ka nitady tari-dalana tamin’i Jehovah. Notahin’i Jehovah izy vokatr’izany. (Sal. 131:1-3) Nirehareha kosa ireo mpanjaka atao hoe Nebokadnezara sy Belsazara, ka nosazin’i Jehovah. (Dan. 4:30-37; 5:22-30) Mety ho sarotra amintsika koa indraindray ny hanetry tena. Nifindra fiangonana i Ryan, mpanampy amin’ny fanompoana, izay 32 taona. Hoy izy: “Nanantena aho hoe tsy ho ela dia ho voatendry ho anti-panahy. Mbola tsy voatendry ihany anefa aho herintaona taorian’izay.” Tezitra tamin’izany ve i Ryan, ka nieritreritra hoe nanao tsinontsinona azy ny anti-panahy? Navelany hampanalavitra azy tamin’i Jehovah ve izany, ka tsy nivory intsony izy? Inona no hataonao raha ianao no teo amin’ny toerany?
18 Hoy i Ryan: “Nanao fikarohana tao amin’ny bokintsika aho, ary novakiko daholo izay fanazavana hitako momba ny fahadisoam-panantenana.” (Ohab. 13:12) Hoy koa izy: “Tsapako hoe nila nanam-paharetana sy nanetry tena aho, ary namela an’i Jehovah hampiofana ahy.” Niezaka ny tsy hieritreritra be loatra momba ny tenany i Ryan, ary nifantoka tamin’ny fanampiana ny olon-kafa teo anivon’ny fiangonana sy teny amin’ny fanompoana. Tsy ela dia nanana fampianarana Baiboly maromaro nandroso izy. Hoy izy: “Voatendry ho anti-panahy aho herintaona sy tapany tatỳ aoriana. Efa tsy nieritreritra be momba izany intsony aho, ka gaga be. Tena nahafinaritra ahy mantsy ny fanompoako.”—Vakio ny Salamo 37:3, 4.
MIEZAHA HIFANDRAY AKAIKY AMIN’I JEHOVAH FOANA
19, 20. a) Inona no tokony hataontsika mba tsy hahatonga ny zavatra fanaontsika andavanandro, hampanalavitra antsika amin’i Jehovah? b) Iza no ohatra tsara azontsika tahafina, mba hahafahantsika mifandray akaiky amin’i Jehovah foana?
19 Tsy misy ratsy ireo zavatra fito noresahintsika tato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay teo aloha. Reharehantsika ny hoe mpanompon’i Jehovah isika. Anisan’ny fanomezana tsara indrindra nomen’i Jehovah antsika ny fianakaviana sambatra sy ny fahasalamana. Fantatsika koa hoe manampy antsika hahazo izay ilaintsika ny asa sy ny vola. Afaka mamelombelona antsika koa ny fialam-boly, ary misy ilana azy ny fitaovana maoderina. Mety hampanalavitra antsika amin’i Jehovah anefa ireo zavatra ireo, raha ataontsika amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana azy, na ataontsika tafahoatra, na avelantsika hanelingelina ny fanompoantsika.
Aza avela hisy na inona na inona hampanalavitra anao amin’i Jehovah!
20 Izany no tian’i Satana hitranga. Afaka manao zavatra anefa ianao, mba tsy hahatonga anao sy ny fianakavianao ho voan’i Satana. (Ohab. 22:3) Manatòna an’i Jehovah ary miezaha hifandray akaiky aminy foana. Manana ohatra tsara maro momba izany isika ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany i Enoka sy Noa izay “niara-nandeha tamin’Andriamanitra.” (Gen. 5:22; 6:9) Teo koa i Mosesy, izay nanana finoana matanjaka ka ‘toy ny nahita an’Ilay tsy hita.’ (Heb. 11:27) Modely ho antsika koa i Jesosy, satria nanao izay nampifaly ny Rainy foana izy, ka notahin’i Jehovah. (Jaona 8:29) Tahafo izy ireny fa ohatra tsara. Aza hadinoina koa ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Mifalia mandrakariva. Ary aza mitsahatra mivavaka. Misaora amin’ny zava-drehetra.” (1 Tes. 5:16-18) Aza avela hisy na inona na inona hampanalavitra anao amin’i Jehovah!
^ feh. 4 Novana ireo anarana.
^ feh. 6 Jereo ilay hoe “Ahoana no Hitaizanao Tsara ny Zanakao?”, ao amin’ny Mifohaza! Oktobra 2011.
^ feh. 7 Jereo ilay hoe “Fomba Dimy Hanampy Anao ho Salama Kokoa”, ao amin’ny Mifohaza! Martsa 2011.