Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah no Fonenantsika

Jehovah no Fonenantsika

“Jehovah ô, ianao no tena fonenanay, hatramin’ny taranaka fara mandimby.” —SAL. 90:1.

1, 2. Manao ahoana ny toeran’ny mpanompon’i Jehovah eto amin’ity tontolo ity? Ary nahoana no lazaina fa manana fonenana hafakely izy ireo?

 TSAPANAO hoe voaro ve ianao ary milamina ny fiainanao eto amin’ity tontolo ity? Aza gaga raha tsy mahatsapa toy izany ianao. Maro no toa anao! Nahatsiaro ho vahiny sy mpivahiny teto amin’ity tontolo ity ny olona rehetra tena tia an’i Jehovah hatramin’izay. Izany, ohatra, no tsapan’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny, izay nifindrafindra monina tao amin’ny tany Kanana. ‘Nanambara ampahibemaso izy ireo fa vahiny sy mpivahiny teo amin’ilay tany.’—Heb. 11:13.

2 Mihevitra ny tenany ho “vahiny sy mpivahiny” eto amin’ity tontolo ity koa ireo voahosotra, izay “olom-pirenen’ny lanitra.” (Fil. 3:20; 1 Pet. 2:11) Toy izany koa ireo “ondry hafa”, izay “tsy anisan’izao tontolo izao” toa an’i Jesosy. (Jaona 10:16; 17:16) Manana fonenana hafakely anefa isika, na izany aza. Manana ny fonenana azo antoka indrindra sy anjakan’ny fitiavana indrindra isika. Hoy i Mosesy: “Jehovah ô, ianao no tena fonenanay, hatramin’ny taranaka fara mandimby.” (Sal. 90:1) Nahoana àry no lazaina hoe fonenan’ireo mpanompony fahiny i Jehovah? Nahoana koa no lazaina hoe fonenan’ny vahoakany ankehitriny izy? Ary nahoana no hoe i Jehovah irery no fonenana azo antoka ho antsika amin’ny hoavy?

NAHOANA NO LAZAINA HOE FONENAN’IREO MPANOMPONY FAHINY I JEHOVAH?

3. Oharina amin’ny inona i Jehovah ao amin’ny Salamo 90:1, ary nahoana?

3 Oharina amin’ny zavatra hita maso i Jehovah indraindray ao amin’ny Baiboly, mba hahazoantsika tsara ny toetrany. Oharina amin’ny ‘fonenana’, ohatra, izy ao amin’ny Salamo 90:1. Toerana tsy ananana ahiahy sy anjakan’ny  fitiavana ary ahazoana fiarovana no tonga ao an-tsain’ny olona maro, rehefa mieritreritra ny trano fonenany. Toy izany i Jehovah. ‘Fonenan’ny’ mpanompony izy, satria izy mihitsy no “fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Andriamanitry ny fiadanana koa izy, ka miaro ny mpanompony. (Sal. 4:8) Diniho, ohatra, izay nataony tamin’ireo mpanompony fahiny, toa an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.

4, 5. Nahoana no lazaina hoe tena fonenan’i Abrahama i Jehovah?

4 Niteny tamin’i Abrahama i Jehovah hoe: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao ... ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.” Mety ho nanahy i Abrahama rehefa nandre izany, nefa azo inoana fa afaka izany fanahiany izany, rehefa nilazan’i Jehovah izy hoe: “Hataoko misy firenena lehibe avy aminao. Hitahy anao aho, ary hataoko malaza ny anaranao ... Ary hitahy izay mitso-drano anao aho, fa hanozona kosa an’izay miantso loza ho anao.”—Gen. 12:1-3.

5 Te hanome toky an’i Abrahama i Jehovah tamin’izay hoe hiaro azy sy ny taranany izy. (Gen. 26:1-6) Nitana ny teniny tokoa i Jehovah. Nosakanany, ohatra, i Farao mpanjakan’i Ejipta sy Abimeleka mpanjakan’i Gerara, mba tsy hanao firaisana tamin’i Saraha ary tsy hamono an’i Abrahama. Narovany tamin’ny toe-javatra toy izany koa i Isaka sy Rebeka. (Gen. 12:14-20; 20:1-14; 26:6-11) Hoy ny Baiboly: ‘Tsy nisy navelan’Andriamanitra hanambaka azy ireo. Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin’ireo, ka nanao hoe: “Aza mikasika ny voahosotro, ary aza manisy ratsy ny mpaminaniko.” ’—Sal. 105:14, 15.

“Tsy handao anao mihitsy aho”

6. Inona no nasain’i Isaka nataon’i Jakoba, ary inona no mety ho tsapan’i Jakoba tamin’izay?

6 Nikarakara tsara an’i Jakoba, zafikelin’i Abrahama, koa i Jehovah. Rehefa tonga ny fotoana hanambadian’i Jakoba, dia nilaza taminy i Isaka rainy hoe: “Aza maka vady amin’ny zanakavavin’ny Kananita. Fa mandehana any Padana-arama, any an-tranon’i Betoela rain-dreninao, ary makà vady any, avy amin’ny zanakavavin’i Labana.” (Gen. 28:1, 2) Nankatò an’i Isaka i Jakoba. Nandao ny fianakaviany tao Kanana izy, ary nanao dia lavitra an-jatony kilaometatra nankany Harana. (Gen. 28:10) Toa nandeha irery izy. Mety ho lasa saina izy tamin’izay hoe: ‘Hafiriana re aho no any e? Handray ahy tsara ve ny dadatoako, ary hanome ahy vady matahotra an’Andriamanitra?’ Nisinda anefa ny fanahiany rehefa tonga tao Lozy, 100 kilaometatra avy tao Beri-sheba. Fa inona no nitranga?

7. Ahoana no nampaherezan’i Jehovah an’i Jakoba?

7 Niseho tamin’i Jakoba tao anaty nofy i Jehovah, tao Lozy, ary niteny taminy hoe: “Momba  anao aho ka hiaro anao any amin’izay rehetra alehanao, dia hampody anao indray amin’ity tany ity, satria tsy handao anao mihitsy aho raha tsy efa vitako izay nolazaiko taminao.” (Gen. 28:15) Azo antoka fa tena nampahery an’i Jakoba ireo teny feno hatsaram-panahy ireo, ary tsy andriny erỳ angamba taorian’izay izay hahitana ny fahatanterahany! Mety ho efa nanahy toa an’i Jakoba koa ianao, raha efa nandao ny fianakavianao mba hanompo any an-tany hafa. Azo antoka koa anefa fa tsapanao hoe nikarakara anao i Jehovah.

8, 9. Inona no mampiseho hoe tena fonenan’i Jakoba i Jehovah, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

8 Nandray tsara an’i Jakoba i Labana dadatoany, rehefa tonga tany Harana izy. Nomeny azy ho vadiny i Lea sy Rahely. Nanararaotra an’i Jakoba anefa i Labana tatỳ aoriana, ka impolo kely no novany ny karamany. (Gen. 31:41, 42) Nahavita niaritra an’ireny tsy rariny ireny anefa i Jakoba, satria natoky izy fa hikarakara azy foana i Jehovah. Ary dia nikarakara azy tokoa i Jehovah! Lasa nanana “ondry aman’osy maro be sy mpanompolahy sy mpanompovavy sy rameva ary ampondra” i Jakoba, rehefa nasain’i Jehovah nody tany Kanana. (Gen. 30:43) Velom-pankasitrahana an’i Jehovah izy, ka nivavaka toy izao: ‘Tsy mendrika ny hatsaram-panahy feno fitiavana, sy ny fitokisana rehetra nasehonao tamiko aho. Fa tsy nanana afa-tsy ny tehiko aho fony niampita ity Reniranon’i Jordana ity, nefa izao lasa antokony roa aho.’—Gen. 32:10.

9 Marina tokoa ny tenin’i Mosesy, tao amin’ilay vavaka nataony, hoe: “Jehovah ô, ianao no tena fonenanay, hatramin’ny taranaka fara mandimby.” (Sal. 90:1) Mbola marina izany ankehitriny, satria “tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka” i Jehovah. (Jak. 1:17) Mbola toy ny fonenana azo antoka sy anjakan’ny fitiavana ihany izy ho an’ny mpanompony tsy mivadika, izany hoe mbola tia sy miaro ary mikarakara azy ireo hatramin’izao. Amin’ny fomba ahoana?

I JEHOVAH NO ‘TENA FONENANTSIKA’ ANKEHITRINY

10. Nahoana isika no matoky fa mbola fonenana azo antoka ho an’ny mpanompony foana i Jehovah ankehitriny?

10 Eritrereto hoe eny amin’ny fitsarana ianao, ary mijoro ho vavolombelona hiampanga fikambanana iray maneran-tany mpanao heloka bevava. Tena mahay sy mahery ny mpitarika azy io, ary mpandainga sy mpamono olona. Azo antoka àry fa hatahotra ianao ka hila mpiaro. Toy izany ny toe-javatra misy ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Mijoro ho vavolombelona hiampanga an’i Satana, fahavalon’i Jehovah, isika. (Vakio ny Apokalypsy 12:17.) Tsy matahotra anefa isika, satria miaro antsika i Jehovah. Tsy afaka mampangina antsika i Satana na dia miezaka mafy aza. Vao mainka aza miroborobo ny asa fitoriana! I Jehovah no fialofana ho antsika sy ‘tena fonenantsika’, indrindra fa amin’izao andro farany izao. (Vakio ny Isaia 54:14, 17.) Tsy tokony hanaiky ho voafitak’i Satana mihitsy anefa isika, raha tiantsika ho ‘fonenantsika’ foana i Jehovah.

Manampy sy miaro ny mpanompon’i Jehovah ireo anjely

11. Inona no lesona raisintsika avy amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba?

11 Misy lesona hafa koa raisintsika avy amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Na dia niaina tao Kanana aza izy ireo, dia tsy niharoharo tamin’ny mponina tao, ary nankahala ny zava-dratsy nataon’izy ireo sy ny fitondran-tena malotony. (Gen. 27:46) Tsy nila lisitra lava be momba izay tokony hatao sy tsy tokony hatao izy ireo. Fantatr’izy ireo izay tian’i Jehovah sy tsy tiany, ka izany no nanampy azy ireo hahafantatra izay tokony hatao. Tsy nifandray tamin’izao tontolo izao àry izy ireo, fa nihataka lavitra araka izay azony natao. Ohatra tsara ho antsika izany! Miezaka manahaka azy ireny ve  ianao rehefa mifidy namana sy fialam-boly? Mampalahelo fa misy olona sasany eo anivon’ny fiangonana hita hoe faly miaraka amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity. Raha mahatsapa toy izany ianao, na dia kely fotsiny aza, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hampiany. Tadidio fa an’i Satana ity tontolo ity, ary tia tena toa azy fa tsy mitady izay hahasoa antsika.—2 Kor. 4:4; Efes. 2:1, 2.

12. a) Ahoana no anampian’i Jehovah ny mpanompony? b) Manao ahoana ny fihetseham-ponao rehefa mieritreritra an’izany?

12 Mila mandray tsara ny fanampiana rehetra omen’i Jehovah isika, mba tsy ho voafitak’i Satana. Anisan’izany ny fivoriana, ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana, ary ireo “lehilahy ho fanomezana”, izany hoe ireo mpiandry notendren’i Jehovah hampahery antsika ao anatin’ny fotoan-tsarotra. (Efes. 4:8-12) Hoy ny Rahalahy George Gangas, izay anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nandritra ny taona maro: ‘Mahatsiaro ho voaro sy faly ary tiana aho rehefa miaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah. Toy ny hoe miaraka amin’ny fianakaviako aho.’ Mahatsapa toy izany koa ve ianao?

13. Inona no lesona lehibe raisintsika avy amin’ny Hebreo 11:13?

13 Misy zavatra hafa koa azontsika anahafana an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba: Tsy natahotra ny hiavaka tamin’ny olona manodidina azy izy ireo. Hitantsika teo amin’ny  fehintsoratra voalohany fa ‘nanambara ampahibemaso izy ireo fa vahiny sy mpivahiny teo amin’ilay tany.’ (Heb. 11:13) Ary ianao? Tapa-kevitra ny hiavaka amin’ity tontolo ity ve ianao? Marina fa tsy mora izany indraindray. Hahavita izany anefa ianao, noho ny fanampian’i Jehovah sy ireo rahalahy sy anabavy. Tadidio fa tsy irery ianao. Miady mafy daholo izay rehetra maniry hanompo an’i Jehovah. (Efes. 6:12) Afaka mandresy anefa ianao, raha matoky an’i Jehovah ary manao azy ho fialofanao.

14. Inona ilay “tanàna” nandrasan’ny mpanompon’i Jehovah fahiny?

14 Tokony hanahaka an’i Abrahama koa isika, ka hifantoka amin’ilay loka miandry antsika. (2 Kor. 4:18) Hoy ny apostoly Paoly momba an’i Abrahama: “Ilay tanàna manana fototra tena izy no nandrasany, ary Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy io.” (Heb. 11:10) Ny Fanjakan’ny Mesia io “tanàna” io. Mbola nila niandry azy io i Abrahama, fa isika kosa tsy mila miandry. Efa manjaka any an-danitra mantsy io Fanjakana io izao. Mihabetsaka koa ny porofo hoe efa kely sisa izy io dia hanjaka amin’ny tany manontolo. Mino ve ianao fa tena misy io Fanjakana io? Raha mino an’izany ianao, moa ve izany hita eo amin’ny fomba fisainanao, sy ny fiheveranao an’ity tontolo ity, ary ny zavatra  ataonao loha laharana?—Vakio ny 2 Petera 3:11, 12.

MBOLA HO FONENANTSIKA I JEHOVAH AMIN’NY FARAN’ITY TONTOLO ITY

15. Inona no hanjo an’ireo olona matoky an’ity tontolo ity?

15 Vao mainka hihamafy ny “fahoriana”, arakaraka ny anatonan’ny faran’ity tontolo ity. (Mat. 24:7, 8) Ary mbola ho ratsy kokoa ny zavatra hitranga amin’ny fahoriana lehibe. Azo antoka fa hisy fandravana sy fikorontanana be maneran-tany amin’izay fotoana izay, ka ho raiki-tahotra ny olona. (Hab. 3:16, 17) Tsy ho hitan’izy ireo intsony izay hatao, ka hitady fiarovana ‘any anaty lava-bato sy any amin’ny vatolampy eny an-tendrombohitra’ izy ireo. (Apok. 6:15-17) Tsy hisy haharo azy ireo anefa na ny lava-bato ara-bakiteny, na ireo fikambanana ara-politika sy ara-barotra izay toy ny tendrombohitra.

16. Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny fiangonana, ary nahoana?

16 Ho voaro kosa anefa isika vahoakan’i Jehovah amin’ny fahoriana lehibe, satria i Jehovah no ‘tena fonenantsika.’ “Hifaly amin’i Jehovah” toa an’i Habakoka isika, ary “hiravoravo amin’ilay Andriamanitry ny famonjena” antsika. (Hab. 3:18) Ahoana no hiarovan’i Jehovah ny vahoakany mandritra an’io fotoan-tsarotra io? Ho hitantsika eo ihany izany, fa ny azo antoka dia izao: Ho vahoaka voalamina foana ny “vahoaka be” ary hahazo toromarika avy amin’i Jehovah, toa an’ireo Israelita niala tany Ejipta. (Apok. 7:9; vakio ny Eksodosy 13:18.) Mety ho ireo fiangonana an’arivony maneran-tany no hampiasain’i Jehovah amin’izay fotoana izay, mba hanomezana toromarika antsika. Mety ho ny fiangonana mantsy no lazain’ny Isaia hoe ‘efitrano anatiny’ hiarovan’i Jehovah ny vahoakany. (Vakio ny Isaia 26:20.) Sarobidy aminao àry ve ny fivorian’ny fiangonana? Mampihatra avy hatrany ve ianao rehefa misy toromarika omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fiangonana?—Heb. 13:17.

17. Nahoana i Jehovah no lazaina hoe ‘tena fonenana’ ho an’ny mpanompony maty alohan’ny fahoriana lehibe?

17 ‘Tena fonenana’ koa i Jehovah ho an’ireo mpanompony tsy mivadika, maty alohan’ny fahoriana lehibe. Nahoana? Satria hanangana azy ireo amin’ny maty i Jehovah. Nilaza toy izao tamin’i Mosesy i Jehovah, ela be taorian’ny nahafatesan’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.’ (Eks. 3:6) Namerina an’ireo teny ireo i Jesosy sady nilaza hoe: “Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona satria aminy dia velona daholo izy rehetra ireo.” (Lioka 20:38) Amin’i Jehovah dia toy ny hoe velona ireo mpanompony tsy mivadika efa maty, satria azo antoka hoe hatsangana amin’ny maty izy ireny.—Mpito. 7:1.

18. Nahoana no lazaina hoe ho ‘fonenantsika’ i Jehovah ao amin’ny tontolo vaovao?

18 Mbola ho ‘fonenantsika’ i Jehovah ao amin’ny tontolo vaovao, fa amin’ny fomba hafa indray. Hoy ny Apokalypsy 21:3: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo.” “Hiara-mitoetra” amin’ny olona i Jehovah amin’izay, izany hoe hitondra ny olombelona eto an-tany. I Kristy Jesosy no hampiasainy hanao izany amin’ny voalohany, mandritra ny arivo taona. Rehefa tanterak’i Jesosy ny fikasan’i Jehovah ho an’ny tany amin’ny faran’ny arivo taona, dia haveriny amin’i Jehovah ny Fanjakana. (1 Kor. 15:28) Tsy hila an’i Jesosy ho mpanelanelana intsony ny olombelona lavorary amin’izay. Ho eo amin’izy ireo i Jehovah, izany hoe hitondra mivantana ny olombelona. Hoavy tena tsara tokoa no miandry antsika! Eo am-piandrasana izany àry, dia aoka isika hiezaka hanahaka an’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny, ka hanao an’i Jehovah ho ‘fonenantsika.’