FANTARO NY TANTARANTSIKA
“Toy ny Sokatra ao Anaty Akorany Aho”
NISY ezaka manokana natao tany Etazonia tamin’ny Aogositra sy Septambra 1929. Mpitory 10 000 mahery no nitory eran’i Etazonia, nandritra ny sivy andro, ary mpisava lalana ny 1 000 teo ho eo. Nametraka boky sy bokikely 250 000 izy ireo. Nitombo avo telo heny ny isan’ny mpisava lalana teo anelanelan’ny 1927 sy 1929. Nilaza ny Gazety * (anglisy) fa “tsy mampino” ilay izy.
Nisy olana ara-bola lehibe tamin’ny faramparan’ny taona 1929. Nanomboka tao amin’ny Foiben’ny Fanakalozam-bola ao New York, any Etazonia, ilay izy, tamin’ny 29 Oktobra 1929. Niteraka an’ilay antsoina hoe Olana Ara-toe-karena Lehibe eran-tany ilay izy. Banky an’arivony no bankirompitra. Nikatona ny toeram-pambolena sy ny orinasa lehibe maro. An-tapitrisany no very asa. Arivo isan’andro no namoy ny tranony tany Etazonia, tamin’ny 1933, satria tsy nahaloa trosa.
Nahavita niatrika an’izany anefa ny mpisava lalana, rehefa nanana tranofiara. Tsy nohofaina ilay izy sady tsy nandoavana hetra, ka maro no afaka nanohy ny fanompoany nefa tsy nandany vola firy. * Toy ny hotely tsy nandoavam-bola koa ilay izy, rehefa fivoriamben’ny vondrom-paritra. Nivoaka tamin’ny Gazety tamin’ny 1934 ny planina hanamboarana tranofiara kelikely misy izay tena ilaina, toy ny fantson-drano, fatana, fandriana azo aforitra, ary fiarovana amin’ny hatsiaka.
Samy nanao tranofiara ny mpitory eran-tany, ary tena nahay nitady hevitra. Hoy i Victor Blackwell: “Hoatran’i Noa aho, satria mbola tsy nanao sambofiara mihitsy izy, ary izaho koa mbola tsy nanao tranofiara sady tsy mahay an’izany.” Nahavita tranofiara anefa i Victor.
Nanana tranofiara i Avery sy Lovenia Bristow. Hoy i Avery: “Toy ny sokatra ao anaty akorany aho, satria tsy nisaraka tamiko mihitsy ny tranoko.” Niaraka nanao mpisava lalana tamin-dry Bristow i Harvey sy Anne Conrow, ary taratasy matevina nafangaro godorao no rindrin’ny tranofiaran-dry Conrow. Nisy niendaka foana tamin’ilay izy isaky ny nifindra toerana izy ireo. Hoy i Avery: “Mbola tsy nisy tranofiara hoatr’izany mihitsy, na taloha na tatỳ aoriana!” Nilaza koa anefa izy fa “mbola tsy nahita fianakaviana sambatra” toa an-dry Conrow sy ny zanany roa lahy. Hoy i Harvey Conrow: “Tsy ory na inona na inona izahay nanompo an’i Jehovah, ary tsy nanana ahiahy satria nokarakarainy tsara.” Nanatrika ny Sekolin’i Gileada izy efa-mianaka, ary lasa misionera tany Peroa.
Mpisava lalana koa i Giusto sy Vincenza Battaino. Novany ho tranofiara ilay kamiao keliny, rehefa fantany fa hanan-janaka izy. “Toy ny hotely fatoriana tsara tarehy” ilay izy, raha oharina tamin’ny tranolay nipetrahany taloha. Niteraka vavikely izy ireo, ary mbola nanohy ny fanompoana nankafiziny, dia ny nitory tamin’ny Italianina tany Etazonia.
Maro no nandray ny vaovao tsara. Nahantra sy tsy an’asa anefa ny olona, ka mahalana vao afaka nandoa ny saran’ny boky sy gazety. Nanome entana isan-karazany àry izy ireo ho takalony. Nataon’ny mpisava lalana roa lisitra ny entana azony ka nisy karazany 64. Toy ny “lisitry ny entan’ny mpivarotra any ambanivohitra” ilay izy.
Nisy mpamboly iray nangataka boky maromaro tamin’i Fred Anderson, ka ny solomaso efa tsy nampiasain’ny reniny no nataony takalony. Nisy lehilahy liana tamin’ny bokintsika tsy lavitra teo, nefa tsy nanana solomaso famakiana teny izy. Nety tsara taminy ny solomaso nomen’ilay mpamboly, ka faly erỳ izy nanome vola ho takalon’ilay solomaso sy ny bokintsika.
Nitondra garaban’akoho i Herbert Abbott, tao anaty fiarany. Rehefa nahazo akoho telo na efatra izy ho takalon’ny boky sy gazety, dia namidiny tany an-tsena izany, ary nividy solika izy. Hoy izy: “Kely sisa ny volanay indraindray, nefa nanompo foana izahay. Raha mbola nisy solika ny fiara dia nandeha izahay ary nitoky tamin’i Jehovah.”
Niantehitra tamin’i Jehovah sy be fikirizana ny mpanompony, ka nahavita niatrika an’ireny fotoan-tsarotra ireny. Nisy oram-baratra, indray mandeha, ka nianjeran’ny hazo ny tranofiaran’i Maxwell sy Emmy Lewis ary nizara roa. Soa fa tafavoaka tao ara-potoana izy ireo. Hoy i Maxwell: “Tsy nataonay vato misakana izany, fa toy ny olana rehetra ihany, ary tsy nieritreritra ny hiala tsy ho mpisava lalana izahay. Mbola be dia be ny asa niandry, ary tapa-kevitra ny hanao izany izahay.” Tsy kivy izy ireo sady nampian’ny namany, ka nahavita nanamboatra an’ilay tranofiara.
Mahafoy tena sy be zotom-po koa ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany amin’izao fotoan-tsarotra izao. Manahaka an’ireny mpisava lalana taloha ireny isika ka tapa-kevitra ny hitory foana, mandra-pilazan’i Jehovah hoe vita ny asa.