Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Manohina ny Fon’ny Havanao

Mahaiza Manohina ny Fon’ny Havanao

HOY i Jesosy tamin’ny lehilahy iray te hanara-dia azy: “Modia any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay rehetra nataon’i Jehovah taminao sy ny namindrany fo taminao.” Angamba izy tamin’io tany Gadara, tany atsimoatsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Hita amin’ny teniny fa fantany hoe tian’ny olona ny miresaka an’izay zava-dehibe aminy sy izay mahaliana azy amin’ny havany.—Mar. 5:19.

Mbola hoatr’izany ny ankamaroan’ny olona hatramin’izao, fa misongadina be fotsiny ilay izy amin’ny kolontsaina sasany. Tsy mahagaga àry raha te hiresaka ny zava-baovao nianarany ny olona iray, rehefa lasa mpanompon’i Jehovah. Ahoana anefa no tokony hanaovany an’izany? Inona no azony atao raha tiany ny hanohina ny fon’ny havany tsy Vavolombelona na tsy mino an’Andriamanitra? Manome torohevitra tsara ny Baiboly.

“EFA HITANAY NY MESIA!”

I Andrea no anisan’ireo olona voalohany nahalala hoe i Jesosy no Mesia, tamin’ny taonjato voalohany. Iza no tonga dia niresahany an’izany? “Nahita an’i Simona [Petera] rahalahiny, aloha i Andrea, ka nanao hoe: ‘Efa hitanay ny Mesia!’—na Kristy, raha adika.” Nitondra an’i Petera tany amin’i Jesosy i Andrea, ary izany no fomba nanampiany azy ho lasa mpianatr’i Jesosy.—Jaona 1:35-42.

Tany Jopa i Petera enin-taona tatỳ aoriana, ary nasaina nianavaratra nankany Kaisaria mba hitsidika an’i Kornelio, manamboninahitra. Iza avy no hitan’i Petera rehefa tonga tany izy? “Efa niandry [azy sy ireo niara-dia taminy] i Kornelio ka efa namory ny havany sy ny namany akaiky.” Nanao zavatra àry i Kornelio mba hahafahan’ny havany  handre an’i Petera sy hanapa-kevitra ny amin’izay hataony.—Asa. 10:22-33.

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Andrea sy Kornelio?

Tsy navelany hahalala ny fahamarinana noho ny kisendrasendra fotsiny ny havany. I Andrea mihitsy no nitondra an’i Petera tany amin’i Jesosy. I Kornelio koa no nanao izay hihaonan’ny havany tamin’i Petera, ka afaka nandre ny fitoriany izy ireo. Tsy nanery na nametsifetsy ny havany anefa i Andrea sy Kornelio, mba hahatonga azy ireo ho mpanara-dia an’i Kristy. Mila manahaka azy ireo koa isika. Azontsika atao ny miresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly amin’ny havantsika, na mitady fomba hafa hahalalany ny fahamarinana, na manao izay hihaonany amin’ny mpiara-manompo. Avelantsika hisafidy anefa izy ireo fa tsy terentsika. Diniho ny nitranga tamin’i Jürgen sy Petra, mpivady any Alemaina.

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Petra ary natao batisa. I Jürgen kosa manamboninahitry ny tafika. Tsy faly izy rehefa lasa Vavolombelona ny vadiny. Hitany anefa tatỳ aoriana fa mampianatra ny marina ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelona. Nanokan-tena ho an’i Jehovah koa àry izy, ary anti-panahy izy izao. Inona no toroheviny ho an’ireo Vavolombelona te hanohina ny fon’ny havany?

Hoy i Jürgen: “Aza terena izy ary aza totofana resaka fivavahana. Mety ho vao mainka hahakamo azy izany. Aleo miresaka zavatra vitsivitsy tsindraindray sady miezaka tsy hanafintohina azy. Mety hisy vokany tsara izany rehefa ela ny ela. Tsara koa ny mampifankahalala azy amin’ny Vavolombelona mitovy taona sy zavatra tiana aminy. Mety hampisy marimaritra iraisana izany.”

“Aza terena izy ary aza totofana resaka fivavahana.”—Jürgen

Tonga dia nanaiky ny fahamarinana i Petera sy ny havan’i Kornelio. Elaela anefa ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany vao tapa-kevitra.

IREO RAHALAHIN’I JESOSY

Nisy havan’i Jesosy nino azy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. Toa zanak’olo-mpiray tam-po i Jesosy sy ny apostoly Jakoba sy Jaona, ary mety ho nenitoany i Salome, renin’izy roa lahy. Angamba i Salome anisan’ireo ‘vehivavy maro izay nampiasa ny fananany hikarakarana an’i Jesosy sy ny mpianany.’—Lioka 8:1-3.

Nisy havan’i Jesosy tsy tonga dia nino azy anefa. Nisy vahoaka nivory mba hihaino an’i Jesosy tao amin’ny trano iray, herintaona mahery taorian’ny batisany. “Nony nandre izay nitranga ny havany, dia nivoaka hisambotra azy, fa hoy ireo: ‘Voa ny sainy.’ ” Tatỳ aoriana koa dia niresaka taminy momba ny diany ny rahalahiny, nefa tsy namaly mivantana i Jesosy. “Tsy nino azy mantsy ny rahalahiny.”—Mar. 3:21; Jaona 7:5.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy tezitra i Jesosy rehefa nolazain’ny havany hoe voa ny sainy. Mbola nampahery azy ireo izy, na dia rehefa avy novonoina sy natsangana tamin’ny maty aza. Niseho tamin’i Jakoba rahalahiny izy, ary izany angamba no naharesy lahatra an’i Jakoba sy ny rahalahin’i Jesosy hafa fa i Jesosy tokoa no Mesia. Tao amin’ilay efitrano ambony rihana tao Jerosalema niaraka tamin’ny apostoly sy ny Kristianina hafa àry izy ireo, ary mazava ho azy fa nahazo  ny fanahy masina. Nahazo tombontsoam-panompoana tena tsara koa i Jakoba sy Joda, rahalahin’i Jesosy, tatỳ aoriana.—Asa. 1:12-14; 2:1-4; 1 Kor. 15:7.

ELAELA NY SASANY VAO MANAIKY

“Misy vokany tena tsara ny faharetana, ka manàna faharetana foana.”—Roswitha

Elaela koa ny olona sasany ankehitriny vao manaiky handeha amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana. Katolika nafana fo, ohatra, i Roswitha, rehefa natao batisa ny vadiny tamin’ny 1978 ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanohitra izy tamin’ny voalohany, satria tena nino fa marina ny zavatra ninoany. Tsy dia nanohitra intsony anefa izy tatỳ aoriana, ary hitany fa marina ny fampianaran’ny Vavolombelona. Natao batisa izy tamin’ny 2003. Inona no nampiova azy? Tsy tezitra taminy ny vadiny na dia nanohitra aza izy. Navelany hiova hevitra tsikelikely kosa i Roswitha. Inona ny torohevitr’i Roswitha? Hoy izy: “Misy vokany tena tsara ny faharetana, ka manàna faharetana foana.”

Natao batisa tamin’ny 1974 kosa i Monika, ary lasa Vavolombelona ny zanany roa lahy folo taona taorian’izay. Tsy nanohitra i Hans vadiny, nefa tamin’ny 2006 izy vao natao batisa. Inona no torohevitra omen’ilay fianakaviana, avy amin’ny zavatra niainany? “Aza mivadika amin’i Jehovah mihitsy, ary aza mampandefitra ny zavatra inoanao.” Tsy maintsy nanome toky an’i Hans foana koa izy ireo fa tia azy, ary nanantena foana fa hanaiky ny fahamarinana izy.

TOKONY HAMELOMBELONA NY FAHAMARINANA

Noharin’i Jesosy tamin’ny rano manome fiainana mandrakizay ny fahamarinana. (Jaona 4:13, 14) Tiantsika raha mamelombelona ny havantsika ny fahamarinana, izay toy ny rano mangatsiatsiaka sy madio. Tsy tiantsika ho kofona izy ireo satria hoe noterentsika hisotro be dia be sy haingana be. Ny fomba iresahantsika aminy ny zavatra inoantsika no mety hahakofona azy na hahavelombelona azy. Milaza ny Baiboly fa “ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly.” Voalaza ao koa hoe: “Ny fon’ny hendry mahatonga azy ho lalin-tsaina sy handanjalanja izay teneniny, ary maharesy lahatra olona ny zavatra lazainy.” Ahoana no ampiharana an’izany?—Ohab. 15:28; 16:23.

Eritrereto hoe te hiresaka ny zavatra inoany amin’ny vadiny ny anabavy iray. Hifidy tsara izay holazainy izy fa tsy ho maika hiteny, raha “mieritreritra vao mamaly.” Tsy tokony hiseho ho marina na ambony noho ny vadiny izy. Hamelombelona ny vadiny ny teny voahevitra tsara sady hampifandray tsara azy roa. Hahalala izay tokony holazainy sy hataony ilay anabavy, raha mieritreritra hoe: ‘Rahoviana ny vadiko no milamindamin-tsaina sy mora hatonina? Resaka inona no mahaliana azy, ary karazana boky inona no tiany? Mahaliana azy ve ny siansa, na ny politika, na ny fanatanjahan-tena? Inona no azoko atao mba hahatonga azy ho liana amin’ny Baiboly, nefa aho tsy hanafintohina azy fa hanaja ny heviny?’

Tsy ampy anefa ny manazava tsikelikely izay inoantsika. Tokony ho tsara fitondran-tena koa isika, raha te hanohina ny fon’ny havantsika.

MIEZAHA HO TSARA FITONDRAN-TENA

Hoy i Jürgen, ilay voaresaka tany aloha: “Ampiharo isan’andro ny toro lalan’ny Baiboly. Tena mety hahavariana ny havanao izany, na dia tsy hiteny an’izany aminao aza izy.” Manaiky an’izany i Hans, izay natao batisa 30 taona teo ho eo taorian’ny vadiny. Hoy izy: “Tena ilaina ny manana fitondran-tena tsara, mba ho hitan’ny havanao fa misy vokany tsara eo aminao ny fahamarinana.” Tokony ho hitan’ny havantsika hoe na dia tsy mitovy amin’ny hafa aza isika noho ny finoantsika, dia mahasoa izany fa tsy manimba.

“Tena ilaina ny manana fitondran-tena tsara, mba ho hitan’ny havanao fa misy vokany tsara eo aminao ny fahamarinana.”—Hans

Tena tsara ny torohevitry ny apostoly Petera ho an’ny anabavy manana vady tsy mitovy finoana aminy. Hoy izy: “Maneke ny vadinareo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo. Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany toy ny firandranam-bolo sy ny fanaovana firava-bolamena na akanjo ivelany, fa aoka kosa ho ilay toetra miafina ao am-po, izay toy ny manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy  paika, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.”—1 Pet. 3:1-4.

Nilaza i Petera fa mety ho resy lahatra ny lehilahy, raha tsara fitondran-tena ny vadiny. Nitadidy izany i Christa ka niezaka nanohina ny fon’ny vadiny tamin’ny alalan’ny fitondran-tenany, nanomboka taorian’ny batisany tamin’ny 1972. Efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona ny vadiny ary efa nivory, sady mifankahazo tsara amin’ny mpiara-manompo. Tsy nandray am-po ny fahamarinana anefa izy, ary manaja ny safidiny ireo rahalahy sy anabavy. Inona no ataon’i Christa mba hahafahany hanohina ny fon’ny vadiny?

Hoy izy: “Tapa-kevitra aho fa hanao izay takin’i Jehovah foana. Miezaka ho tsara fitondran-tena koa aho, mba hahafahako hitaona ny vadiko na dia ‘tsy amin’ny teny’ aza. Manao izay tadiaviny aho rehefa tsy mandika ny toro lalan’ny Baiboly izany. Avelako hanao ny safidiny izy, ary ankiniko amin’i Jehovah ny sisa.”

Hitantsika amin’izay ataon’i Christa fa tena ilaina ny mandefitra. Miezaka foana koa izy mba hanana fahazarana tsara eo amin’ny ara-panahy. Mivory foana izy, ohatra, sady mazoto manompo. Mahay mandanjalanja koa anefa izy, satria takany fa zon’ny vadiny ny hotiaviny sy hanokanany fotoana ary hokarakarainy. Mila mandefitra sy mahay mandanjalanja àry izay manana vady tsy Vavolombelona. Milaza ny Baiboly fa “ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.” Anisan’izany ny fotoana hiarahana amin’ny fianakaviana, indrindra fa ny vady tsy Vavolombelona. Afaka mifampiresaka ny olona rehefa manokana fotoana iarahana. Tsy dia atahorana ho saro-piaro na hahatsiaro ho manirery sy tsy raharahaina ny olona iray, rehefa mifampiresaka tsara izy sy ny vadiny.—Mpito. 3:1.

AZA MANARY TOKY MIHITSY!

Natao batisa ny dadan’i Holger, 20 taona taorian’ny nanaovana batisa ny mpianakaviny hafa. Hoy i Holger: “Tokony hasehontsika hoe tia an’ilay mpianakavy tsy Vavolombelona isika ary mivavaka ho azy.” Milaza koa i Christa fa ‘manantena foana izy hoe hanaiky ny fahamarinana ny vadiny ary ho lasa mpanompon’i Jehovah.’ Tsy tokony hanary toky mihitsy isika raha manana havana tsy Vavolombelona, fa ho be fanantenana foana.

Izao no tanjontsika: Hifandray tsara foana amin’ny havana tsy Vavolombelona, hitady fomba hanampiana azy hanaiky ny fahamarinana, ary hanohina ny fony amin’ny alalan’ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Hiezaka foana isika mba ‘halemy fanahy sy hanaja lalina’ azy ireny.—1 Pet. 3:15.