Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TANTARAM-PIAINANA

Ireo Zavatra Miavaka teo Amin’ny Fanompoako

Ireo Zavatra Miavaka teo Amin’ny Fanompoako

Nanakorontana ny Vavolombelona ny mompera tao Santa Ana, any Salvadaoro, tamin’ny 1947. Nianatra Ny Tilikambo Fiambenana tao an-tranon’ny misionera ny fiangonana tamin’izay. Nisy ankizilahy maromaro nitoraka vato avy teo amin’ilay varavarana nisokatra. Tonga ny olona maro be notarihin’ny mompera avy eo. Tao ny nitondra jiro ary tao ny nitondra sary masina. Nitoraka an’ilay trano nandritra ny adiny roa izy ireo sady niantsoantso hoe: “Ho ela velona anie i Maria Virjiny!” sy hoe: “Matesa i Jehovah!” Tian’izy ireo hatahotra sy hiala tao an-tanàna ny misionera. Fantatro izany satria anisan’ireo misionera nivory tao aho, 67 taona lasa izay.

NAHAZO diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, kilasy fahefatra, izahay sy Evelyn Trabert, misionera namako, roa taona talohan’io. Tsy lavitra an’i Ithaca, any amin’ny Fanjakan’i New York, no nanaovana an’ilay sekoly tamin’izany. Voatendry tany Santa Ana izahay, ary misionera nandritra ny 29 taona teo ho eo aho. Hotantaraiko vetivety ny momba izany, nefa aleo aloha holazaiko ny nahatonga ahy hanao misionera.

NY LOVAKO ARA-PANAHY

I John sy Eva Olson no ray aman-dreniko. Nipetraka tany Spokane, atỳ Etazonia, izy ireo, tamin’izaho teraka tamin’ny 1923. Loteranina izy ireo nefa tsy nino ny afobe. Andriamanitra fitiavana ve, hono, dia hanao afobe? (1 Jaona 4:8) Nilaza tamin’i Dada ny mpiara-miasa taminy iray tao amin’ny fanaova-mofo indray alina, fa tsy toerana fampijalijaliana ny afobe raha araka ny Baiboly. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy Neny taoriana kelin’izay, ka fantany izay tena lazain’ny Baiboly momba ny maty.

Vao sivy taona aho, nefa mbola tsaroako fa nafana fo erỳ i Dada sy Neny niresaka momba an’ireo fahamarinana vao nianarany tao amin’ny Baiboly. Vao mainka nafana fo izy ireo rehefa fantany fa Jehovah no anaran’ilay tena Andriamanitra, ary diso ilay fampianarana mampisafotofoto hoe telo  izay iray izy. Nanomboka nandray am-po an’ireny fahamarinana ireny aho, ka nahalala ‘ny marina izay manafaka’ ny olona. (Jaona 8:32) Tiako foana àry ny mianatra Baiboly ary mbola tsy nankaleo ahy izany. Niara-nitory tamin’i Dada sy Neny aho na dia saro-kenatra aza. Natao batisa izy mivady tamin’ny 1934. Izaho kosa tamin’ny 1939, tamin’izaho 16 taona.

Izaho sy Dada sy Neny tamin’ilay fivoriambe tany Saint Louis, any Missouri, tamin’ny 1941

Namidin’i Dada sy Neny ny tranonay tamin’ny Jolay 1940, ary nirotsaka ho mpisava lalana izahay telo mianaka. Tany Cœur d’Alene any Idaho no faritaninay. Nanofa trano tao ambony fivarotana kojakojana fiara izahay, ary tao ny fivoriana. Tranon’olona na trano nohofana no nivoriana tamin’izany, satria vitsy ny fiangonana nanana Efitrano Fanjakana.

Nanatrika an’ilay fivoriambe tany Saint Louis, any Missouri, izahay tamin’ny 1941. “Andron’ny Ankizy” ny alahady tamin’io, ary nasaina nipetraka teo anoloan’ny sehatra ny ankizy 5 ka hatramin’ny 18 taona. Rehefa hifarana ny lahatenin’ny Ranadahy Joseph Rutherford, dia hoy izy: ‘Ianareo ankizy rehetra, izay nanaiky hankatò an’Andriamanitra sy ilay Mpanjakany! Iangaviana ianareo hitsangana.’ Nitsangana daholo izahay. Hoy izy avy eo: ‘Jereo! Ireo misy ankizy 15 000 mahery, vavolombelona vaovao ho an’ilay Fanjakana!’ Vao mainka tapa-kevitra aho tamin’izay fa hanao mpisava lalana mandritra ny androm-piainako.

FANENDRENA SAMIHAFA

Nifindra tany amin’ny faritra atsimon’i Kalifornia izahay, volana vitsivitsy taorian’ilay fivoriambe. Voatendry hanorina fiangonana tao Oxnard izahay tany. Tranofiara kely iray no nipetrahanay, ary fandriana iray ihany no tao. Tsy maintsy namboarina isan’alina ny “fandrianako”, satria teo ambony latabatra fisakafoana aho no natory. Fiovana be izany satria nanana ny efitra fatoriako aho taloha!

Nanafika an’i Pearl Harbor, any Hawaii, i Japon ny 7 Desambra 1941, taloha kelin’ny nahatongavanay tany Kalifornia. Niditra tamin’ny Ady Lehibe II i Etazonia ny ampitso. Namoaka didy ny fanjakana fa tsy misy jiro azo arehitra rehefa alina. Nanara-maso ny morontsirak’i Kalifornia mantsy ny sambo mpisitrika japoney, ka tsy afaka nitifitra ny teny an-tanety izy ireo raha maizina.

Nanatrika ny Fivoriamben’ny Tontolo Vaovao tany Cleveland any Ohio izahay, tamin’ny Septambra 1942. Tamin’izay ny Ranadahy Nathan Knorr no nanao ilay lahateny hoe “Haharitra ve Ilay Fiadanana?” Nanazava ny Apokalypsy toko faha-17 izy. Voaresaka ao fa misy “bibidia” iray “efa teo, fa tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka.” (Apok. 17:8, 11) Nohazavainy fa ny Fikambanam-pirenena io “bibidia” io, ary tsy niasa intsony izy io nanomboka tamin’ny 1939. Araka ny faminanian’ny Baiboly, dia hosoloana io Fikambanam-pirenena io, ka toy ny hoe hisy fiadanana. Nitranga izany tamin’ny 1945 rehefa nifarana ny Ady Lehibe II. Nipoitra indray ilay “bibidia” avy eo, fa lasa Firenena Mikambana. Lasa nitory eran-tany àry ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nisy fitomboana be nanomboka teo.

Ny diplaomako tamin’ny Sekolin’i Gileada

Fantatro tamin’io faminaniana io izay hitranga. Nitsiry tao am-poko àry ny faniriana ho misionera, rehefa nampandrenesina fa hanomboka ny taona 1943 ny Sekolin’i Gileada. Voatendry ho mpisava lalana tany Portland, any Oregon, aho tamin’io taona io. Nandefa lahateny tamin’ny grafofaonina  teo am-baravaran’ny olona izahay tamin’izany, rehefa nitory. Nanolotra boky momba ny Fanjakan’Andriamanitra izahay avy eo. Nieritreritra ny asa misionera foana aho nandritra an’iny taona iny.

Dibo-kafaliana aho tamin’ny 1944, satria nasaina hanao ny Sekolin’i Gileada izahay sy Evelyn Trabert, namana tsy foiko. Nanampy anay hankafy ny fianarana Baiboly ireo ranadahy nampianatra anay, nandritra ny dimy volana. Nampiaiky anay ny fanetren-tenan’izy ireo. Izy ireo mantsy indraindray no nandroso sakafo ho anay! Nahazo diplaoma izahay tamin’ny 22 Janoary 1945.

TAMIN’IZAHO MISIONERA

Notendrena ho any Salvadaoro izaho sy Evelyn ary Leo Mahan sy Esther vadiny. Tonga tany izahay tamin’ny Jona 1946. Hitanay fa “efa masaka hojinjaina” ny vokatra tany. (Jaona 4:35) Romotry ny hatezerana ny mpitondra fivavahana, araka ny efa noresahiko terỳ aloha. Herinandro talohan’io ny fivoriamben’ny faritra voalohany natrehinay tao Santa Ana. Nanasa olona faran’izay betsaka izahay mba hihaino ny lahateny ho an’ny besinimaro, ka faly be fa efa ho 500 no tonga. Vao mainka izahay tapa-kevitra ny hijanona tao Santa Ana sy hanampy ny olona tso-po tao, fa tsy natahotra ka hoe niala tao. Vitsy no afaka nividy Baiboly, ary noraran’ny mpitondra fivavahana tsy hamaky azy io koa ny olona. Maro anefa no nangetaheta ny fahamarinana. Nianatra teny espaniola izahay mba ho afaka hampianatra azy ireo momba an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, sy momba ny Paradisa eto an-tany. Faly erỳ àry izy ireo.

Nalefa tany Salvadaoro ny dimy taminay iray kilasy tamin’ny Sekolin’i Gileada. Havia miankavanana: Evelyn Trabert, Millie Brashier, Esther Mahan, izaho, ary Leo Mahan

Anisan’ny nampianariko Baiboly voalohany i Rosa Ascencio. Nisarahany ilay lehilahy niara-nipetraka taminy, rehefa nianatra Baiboly izy. Lasa nianatra koa ilay lehilahy taorian’izay. Nivady izy roa, natao batisa, ary lasa Vavolombelona be zotom-po. I Rosa no mpisava lalana voalohany tao Santa Ana.

Nanana tsenakely i Rosa. Nakatony ilay izy isaky ny nandeha nanompo izy. Natoky mantsy izy fa hanome izay ilainy i Jehovah. Nilahatra nividy entana tao aminy ny olona rehefa nisokatra ny tsenany. Tsapany fa tena marina ny Matio 6:33 ary tsy nivadika izy mandra-pahafatiny.

Nisy fotoana aho niara-nipetraka tamin’ny misionera dimy. Tonga tao amin’ny tompon-tranonay ny mompera indray andro, ary nampitandrina azy fa horoahina tsy ho Katolika izy mivady raha mbola mampanofa trano anay. Mpandraharaha be mpahalala ilay tompon-trano, ary efa rikoriko tamin’ny nataon’ny mpitondra fivavahana, ka tsy nanaiky lembenana. Nilaza mihitsy izy fa tsy mampaninona azy ny horoahina. Nanome toky izy fa afaka manofa ny tranony foana izahay.

OLO-MANAN-KAJA LASA VAVOLOMBELONA

Biraon’ny sampana naorina tamin’ny 1955

Nampianatra Baiboly ny vadin’ny injeniera iray atao hoe Baltasar Perla ny misionera iray, tao  San Salvador renivohitra. Lasa tsy nino an’Andriamanitra io lehilahy malala-tanana io rehefa nahita fa mihatsaravelatsihy ny mpitondra fivavahana. Rehefa naorina ny biraon’ny sampana, dia nanolo-tena hanao ny planina sy hanorina azy io maimaim-poana i Baltasar. Mbola tsy Vavolombelona anefa izy tamin’izany.

Nifanerasera tamin’ny mpanompon’i Jehovah i Baltasar nandritra ny fanorenana, ka resy lahatra fa nahita ny fivavahana marina. Natao batisa izy tamin’ny 22 Jolay 1955. Natao batisa koa i Paulina vadiny taoriana kelin’izay. Mpanompon’i Jehovah koa ny zanany mianadahy. Efa nanompo tao amin’ny Betelan’i Brooklyn nandritra ny 49 taona i Baltasar zanany lahy, ary anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia izy izao. Manohana ny asa fitoriana izay miely hatrany hatrany izy ao.

Nanampy anay hahazo kianja mitafo iray ny Ranadahy Perla, rehefa nanomboka nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra tao San Salvador izahay. Laharan-tseza vitsivitsy no nampiasainay tamin’ny voalohany. Notahin’i Jehovah anefa izahay ka nitombo isan-taona. Feno ilay kianja be tatỳ aoriana ary tsy omby mihitsy aza. Nihaona tamin’ny olona efa nampianariko Baiboly aho nandritra ireny fivoriambe nahafinaritra ireny. Eritrereto ny hafaliako rehefa nampifankahalalan’izy ireny tamin’ny “zafikeliko”, izany hoe ny mpianany vao natao batisa.

Ranadahy F. Franz miresaka amin’ny misionera tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra

Nisy ranadahy iray nanatona ahy nandritra ny fivoriambe, ary nilaza fa te hifona amiko. Tsy fantatro izy ka nanitikitika ny saiko izay hambarany. Hoy izy: “Anisan’ireo ankizilahy nitora-bato anareo tany Santa Ana aho.” Faly erỳ aho fa lasa miara-manompo an’i Jehovah izahay! Nanome toky ahy iny resaka iny fa ny fanompoana manontolo andro no asa mahafa-po indrindra.

Ilay fivoriamben’ny faritra voalohany natrehinay tany Salvadaoro

NAHAFA-PO AHY NY SAFIDIKO

Efa ho 29 taona aho no misionera tany Salvadaoro. Tao Santa Ana no voalohany, avy eo tany Sonsonate, tany Santa Tecla, ary tany San Salvador. Nanapa-kevitra ny hiala tamin’ny asa misionera sy hiverina tany Spokane aho tamin’ny 1975, rehefa avy nandinika tsara sy nivavaka. Nila ny  fanampiako mantsy ireo ray aman-dreniko tsy mivadika, izay efa be taona.

Maty i Dada tamin’ny 1979, ka lasa nikarakara an’i Neny aho satria nihaosa izy ary nila fanampiana. Mbola velona valo taona taorian’i Dada izy, ary avy eo maty tamin’izy 94 taona. Trotraka sy kivy be aho nandritra izany fotoan-tsarotra izany. Niady saina be aho ka voan’ny aretina mampanaintaina atao hoe zona. Vitako anefa ny niaritra an’ilay fitsapana satria nampahery ahy ilay Andriamanitra be fitiavana, rehefa nivavaka taminy aho. Marina ny tenin’i Jehovah hoe: ‘Na mandra-pahafotsin’ny volonareo aza, dia mbola hitondra sy hanohana ary hamonjy anareo aho.’—Isaia 46:4.

Nifindra tao Omak, eto Washington, aho tamin’ny 1990. Niaraka tamin’ny fiangonana miteny espaniola aho tao, ary nahatsiaro ho nilaina indray. Nisy mpianatro maromaro natao batisa. Tsy vitako intsony ny nikarakara an’ilay tranoko tao Omak, ka nifindra teto Chelan eto Washington aho tamin’ny Novambra 2007. Mikarakara tsara ahy ny fiangonana miteny espaniola eto, ary tena mankasitraka azy ireo aho. Izaho irery no Vavolombelona be taona ao amin’ny fiangonanay, ka faly erỳ ireo ranadahy sy rahavavy miantso ahy hoe “Bebe.”

Nifidy ny tsy hanambady sy tsy hiteraka aho, mba hahafahako hanompo bebe kokoa sy ‘tsy hieritreritra zavatra hafa.’ (1 Kor. 7:34, 35) Manana zanaka ara-panahy maro anefa aho. Fantatro koa fa tsy afaka ny hahazo ny zava-drehetra aho amin’izao fiainana izao. Nataoko loha laharana àry ny zava-dehibe indrindra, dia ny voadiko hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Mbola hanam-potoana be mba hankafizana zavatra mahafinaritra isan-karazany ihany isika, any amin’ny tontolo vaovao. Ny Salamo 145:16 no andinin-teny tiako indrindra. Manome toky izy io fa ‘hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra’ i Jehovah.

Manampy ahy ho tanora lalandava ny asan’ny mpisava lalana

Efa 91 taona aho izao. Azo lazaina hoe salama anefa aho, ka mbola mpisava lalana. Manampy ahy ho tanora lalandava izany ary mampisy dikany ny fiainako. Vao nanomboka kelikely ny asa fitoriana tany Salvadaoro tamin’izaho tonga tany. Efa 39 000 mahery anefa izao ny mpitory any, na dia manohitra antsika foana aza i Satana. Tena manatanjaka ny finoako izany. Tena manohana ny mpanompon’i Jehovah tokoa ny fanahiny masina!