Mandrisika Anao Hanao ny Tsara ve ny Feon’ny Fieritreretanao?
“Ny zava-kendren’izany didy izany dia fitiavana avy amin’ny fo madio, sy avy amin’ny feon’ny fieritreretana madio.”—1 TIM. 1:5.
1, 2. Iza no nanome ny feon’ny fieritreretana, ary nahoana isika no tokony hankasitraka azy?
NOMEN’I Jehovah Andriamanitra safidy malalaka ny olombelona, ka afaka mifidy an’izay tiany hatao. Nomeny feon’ny fieritreretana koa izy ireo. Tena ilain’izy ireo izy io satria manampy azy hamantatra ny tsara sy ratsy. Mety handrisika azy hanao ny tsara sy hanakana azy tsy hanao ratsy izy io raha ampiasainy tsara. Tia antsika àry Andriamanitra ary tiany hanao ny tsara daholo isika matoa nomeny feon’ny fieritreretana.
2 Marina fa maro no tsy manaraka intsony ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Mbola misy ihany anefa ny olona manao ny tsara sy mankahala ny ratsy satria miasa ny feon’ny fieritreretany. (Vakio ny Romanina 2:14, 15.) Izy io no manakana ny olona maro tsy hanao zavatra tena mahatsiravina. Ho nanao ahoana ny fiainantsika raha tsy nanana azy io ny olona? Azo antoka fa ho ratsy lavitra noho izao. Soa ihany fa nomen’Andriamanitra feon’ny fieritreretana isika!
3. Nahoana ny Kristianina no mampiofana ny feon’ny fieritreretany?
1 Tim. 1:5) Vao mainka isika ho tia an’i Jehovah sy hanana finoana matanjaka raha mampiofana sy mihaino ny feon’ny fieritreretantsika. Ho hita amin’ny fomba ampiasantsika azy io koa raha tena mifandray amin’i Jehovah isika sady te hampifaly azy. Izany koa no hahitana an’izay tena ao am-pontsika. Ny feon’ny fieritreretantsika àry no ahalalana ny tena maha izy antsika.
3 Tsy toy ny olona rehetra ny mpanompon’i Jehovah fa te hampiofana ny feon’ny fieritreretany. Tiany hampahatsiahy azy izy io hoe inona no lazain’ny Baiboly fa mety na tsy mety. Tena hahasoa ny fiangonana àry isika raha manana feon’ny fieritreretana zatra manaraka an’izay lazain’ny Baiboly. Tsy ampy anefa ny mianatra Baiboly raha te hampiofana sy hampiasa tsara ny feon’ny fieritreretana. Tsy maintsy tia ny fitsipik’i Jehovah koa isika ary mino fa mahasoa izy ireny. Hoy i Paoly: “Ny zava-kendren’izany didy izany dia fitiavana avy amin’ny fo madio, sy avy amin’ny feon’ny fieritreretana madio ary avy amin’ny finoana tsy mihatsaravelatsihy.” (4. Inona no azontsika atao mba hampiofanana ny feon’ny fieritreretantsika?
4 Inona no azo atao mba hampiofanana ny feon’ny fieritreretana? Tena mila mianatra tsy tapaka ny Baiboly isika, ary mila mivavaka rehefa mianatra. Tokony hisaintsaina an’izay nianarantsika sy hampihatra izany koa isika. Tsy ampy àry ny mianatra ny fitsipiky ny Baiboly sy ny zavatra hafa resahina ao. Ilaina koa ny miezaka hahafantatra kokoa momba an’i Jehovah sy ny toetrany ary ny zavatra tiany sy tsy tiany. Hazava tsara amintsika amin’izay ny zavatra heveriny fa tsara na ratsy, ka vao mainka isika te hanahaka azy.
5. Inona no hodinihintsika ato?
5 Mety hieritreritra anefa isika hoe: ‘Manampy antsika hahay hanapa-kevitra tokoa ve ny feon’ny fieritreretantsika rehefa zarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy? Inona no hataontsika raha manaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa isika? Afaka mandrisika antsika hazoto kokoa hanompo ve ny feon’ny fieritreretantsika?’ Hijery zavatra telo tena ilana ny feon’ny fieritreretana isika izao. Ireto avy izany: 1) Fitsaboana, 2) fialam-boly, ary 3) fanompoana.
MAHAIZA MANDANJALANJA
6. Inona no mampisalasala ny Kristianina maro?
6 Milaza ny Baiboly fa tsy tokony hanao zavatra mampidi-doza isika, ary tokony hahay handanjalanja, ohatra hoe rehefa mihinana sy misotro. (Ohab. 23:20; 2 Kor. 7:1) Ho salama kokoa isika raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, na dia mbola mihantitra sy mety harary aza. Misy karazana fitsaboana maro anefa any amin’ny tany sasany, ankoatra ny fitsaboana mahazatra. Maharay taratasy momba an’ireny fitsaboana ireny foana ny biraon’ny sampana maro. Be dia be mantsy ny rahalahy sy anabavy te hanaraka karazana fitsaboana iray, ka manontany raha mety amin’ny Kristianina ilay izy na tsia.
7. Inona no hanampy ny Kristianina hanapa-kevitra eo amin’ny resaka fitsaboana?
7 Manana fahefana hanapa-kevitra ve ny biraon’ny sampana na ny anti-panahy hoe inona no fitsaboana azon’ny Kristianina iray arahina? Tsy afaka manao an’izany izy ireo na dia misy mangataka torohevitra aminy aza. (Gal. 6:5) Azo ampahatsiahivina an’ilay olona anefa ny hevitr’i Jehovah, mba hahaizany hanapa-kevitra. Azo resahina aminy indray, ohatra, ilay fitsipiky ny Baiboly hoe ‘fadio ny ra.’ (Asa. 15:29) Hazava tsara aminy amin’izay fa tsy azony atao ny mampiditra ra ao amin’ny vatany, na ra manontolo izany na ny iray amin’ireo taharo fototra efatra ao amin’ny ra. Mety hahay hampiasa tsara ny feon’ny fieritreretany mihitsy aza izy, rehefa hanapa-kevitra hoe hanaiky sa tsy hanaiky fanafody misy zavatra avy amin’ireo taharo fototra. * Inona koa no torohevitry ny Baiboly afaka manampy azy?
8. Nahoana no manampy antsika ny Filipianina 4:5 rehefa mikarakara fahasalamana?
8 Hoy ny Ohabolana 14:15: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.” Tsy misy fanafany ny aretina sasany. Mila mailo àry isika rehefa misy miteny hoe misy karazana fitsaboana tena mahasitrana, nefa tsy voaporofo hoe tena mandaitra ilay izy. Nasain’Andriamanitra nanoratra i Paoly hoe: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Fil. 4:5) Raha mahay mandanjalanja isika, dia tsy handany fotoana be loatra hikarakarana fahasalamana. Ho lasa tsirambina mantsy ny fanompoantsika raha variana loatra amin’izany isika. Mety ho lasa tia tena koa isika. (Fil. 2:4) Tsy tokony hanantena isika hoe ho salama be, raha mbola eto amin’ity tontolo ity. Ny fanompoana an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra amintsika.—Vakio ny Filipianina 1:10.
9. Nahoana no mahasoa ny Romanina 14:13, 19 rehefa hanapa-kevitra momba ny fitsaboana, ary nahoana ny resaka fitsaboana no mety hampizarazara ny fiangonana?
9 Tsy manery ny hafa hanaraka ny heviny koa ny Kristianina mahay mandanjalanja. Nisy mpivady tany Eoropa, ohatra, nampirisika be ny mpiara-manompo taminy mba hihinana fanafody fanampin-tsakafo. Nisy sakafo nasain’izy ireo nofadina na nohanina koa. Nisy nanaiky hihinana an’ireo fanampin-tsakafo fa nisy tsy nanaiky. Tsy nandaitra anefa ilay izy ka betsaka ny rahalahy sy anabavy sosotra. Marina fa zon’izy mivady ny manaraka an’izay fitsaboana tiany. Tsy nahay nandanjalanja anefa izy ireo. Resaka fitsaboana mantsy no saika nampizarazara ny fiangonana. Tsy nitovy hevitra teo amin’ny resaka sakafo sy fankalazana andro sasany koa ny Kristianina tany Roma fahiny. Hoy i Paoly tamin’izy ireo: “Ny iray mihevitra ny andro iray ho ambony noho ny hafa, fa ny iray kosa mihevitra izany ho toy ny andro rehetra ihany. Aoka àry ny tsirairay samy hatoky tanteraka ao an-tsainy ao.” Nila niezaka mba tsy hanafintohina ny hafa ireo Kristianina ireo.—Vakio ny Romanina 14:5, 13, 15, 19, 20.
10. Nahoana isika no tokony hanaja ny fanapahan-kevitry ny hafa? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
10 Ahoana indray raha tsy eken’ny saintsika ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Kristianina iray? Tsy tokony ho maika hitsara azy isika na hanery azy hiova hevitra. Angamba 1 Kor. 8:11, 12) Mety ho isika koa no mila mandinika sao dia ny feon’ny fieritreretantsika no mila ampiofanina kokoa mba hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra eo amin’ny resaka fitsaboana, ary tokony ho vonona hizaka ny vokany izy.
izy mora tafintohina na mbola “malemy” ny feon’ny fieritreretany ka mila ampiofanina kokoa. (MAHAIZA MIFIDY FIALAM-BOLY
11, 12. Inona no torohevitry ny Baiboly tokony hotadidintsika rehefa mifidy fialam-boly?
11 Nataon’i Jehovah mahasoa antsika ny miala voly sady nataony afaka mankafy an’izany isika. Nilaza i Solomona fa “misy fotoana ihomehezana” ary “misy fotoana itsinjahana.” (Mpito. 3:4) Tsy ny fialam-boly rehetra anefa no mahasoa na mahafinaritra na mamelombelona. Tsy tsara koa ny miala voly ela loatra na matetika loatra. Afaka manampy antsika hifidy fialam-boly ve ny feon’ny fieritreretantsika?
12 Mampitandrina antsika ny Baiboly mba tsy hanao ny “asan’ny nofo.” Inona avy izany? “Fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena baranahiny, fanompoan-tsampy, filalaovana ody, fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta, fitsiriritana, fibobohan-toaka, lanonana feno filibana, ary ny toy ireo.” Nilaza i Paoly fa “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.” (Gal. 5:19-21) Eritrereto àry hoe: ‘Moa ve ny feon’ny fieritreretako misakana ahy tsy hanao fialam-boly misy fifaninanana, na fanindrahindram-pirenena, na herisetra? Mampitandrina ahy ve izy io raha vao mitady hijery filma misy sary vetaveta aho, na filma mampiseho hoe tsy ratsy ny mijangajanga sy mifandray amin’ny herin’ny maizina ary misotro be loatra?’
13. Nahoana ny 1 Timoty 4:8 sy ny Ohabolana 13:20 no manampy antsika hahay hifidy fialam-boly?
13 Misy toro lalana momba ny fialam-boly koa ao amin’ny Baiboly, ary afaka manampy antsika hampiofana ny feon’ny fieritreretantsika izy ireny. Voalaza ao, ohatra, hoe: “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena.” (1 Tim. 4:8) Maro no mahita fa mahasoa ny fanatanjahan-tena tsy tapaka sy tsy tafahoatra, sady mahasalama ny vatana sy ny saina. Ary raha fialam-boly iarahana amin’olona maromaro no tiantsika, mety daholo ve izay olona iarahantsika? Hoy ny Ohabolana 13:20: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” Tokony hifidy tsara an’izay fialam-boly hataontsika àry isika. Hahavita an’izany isika raha havelantsika hampiofana ny feon’ny fieritreretantsika ny Baiboly.
14. Ahoana no nampiharan’ny fianakaviana iray ny toro lalana ao amin’ny Romanina 14:2-4?
14 Manan-janaka tanora roa i Christian sy Daniela. Hoy i Christian: ‘Niresaka momba ny fialam-boly izahay indray mandeha, tamin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Samy nanaiky izahay fa misy fialam-boly tsara sy ratsy. Nianaranay avy eo hoe olona hoatran’ny ahoana no tsara hiarahana miala voly. Dia nilaza ilay zanakay vavy fa nisy ankizy Vavolombelona nanao zavatra hitany hoe tsy mety amin’ny Kristianina, tany am-pianarany. Dia te hanao hoatran-dry zareo koa izy. Nohazavainay hoe samy manana feon’ny fieritreretana isika tsirairay, ka tokony hihaino azy io rehefa hifidy an’izay zavatra hatao sy ny olona hiarahana manao izany.’—Vakio ny Romanina 14:2-4.
15. Nahoana no ilaina ny mandinika ny Matio 6:33 rehefa hifidy fotoana hialana voly?
15 Mila jerena koa ny fotoana hialana voly. Rehefa avy mivory na mitory na mianatra Mat. 6:33) Mampirisika anao hanaraka an’izany ve ny feon’ny fieritreretanao?
samirery ve ianao vao miala voly? Sa avy miala voly ianao vao mitady fotoana hanaovana an’ireo? Inona no zava-dehibe kokoa aminao? Hoy i Jesosy: “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” (MAZOTOA AMIN’NY ASA TSARA
16. Mandrisika antsika hanao inona ny feon’ny fieritreretantsika?
16 Tsy misakana antsika tsy hanao ratsy fotsiny ny feon’ny fieritreretana efa nampiofanina tsara, fa mampirisika antsika hanao asa tsara koa. Ny mitory isan-trano sy ny mitory tsy ara-potoana no asa tsara indrindra. Nandrisika an’i Paoly hanao izany ny feon’ny fieritreretany. Hoy izy: “Tsy maintsy manao izany aho. Lozako tokoa raha tsy mitory ny vaovao tsara aho!” (1 Kor. 9:16) Hilamina ny saintsika raha manahaka an’i Paoly isika, satria matoky isika fa manao ny tsara. Mandrisika ny olona hampiasa tsara ny feon’ny fieritreretany koa isika rehefa mitory ny vaovao tsara. Hoy i Paoly: “Mampiseho miharihary ny fahamarinana kosa izahay, ka ohatra tsara ho an’ny feon’ny fieritreretan’ny olona rehetra, eo imason’Andriamanitra.”—2 Kor. 4:2, f.a.p.
17. Inona no nataon’ny anabavy tanora iray noho izy nihaino ny feon’ny fieritreretany?
17 Tamin’i Jacqueline 16 taona, ohatra, dia nianatra momba ny zavamananaina ry zareo tany am-pianarana, ary niresaka momba ny evolisiona (na fiovana miandalana) ny mpampianatra azy. Hoy i Jacqueline: ‘Nisy dinidinika tamin’izay nefa tsy nazoto handray anjara aho, na dia tsy fanaoko aza izany. Nanenjika ahy mantsy ny eritreritro satria fantatro hoe diso ny evolisiona. Nanatona an’ilay mpampianatra aho ary niresaka momba an’ilay izy. Gaga aho fa tsara fanahy be izy ary navelany hanazava tamin’ny iray kilasy aho hoe nisy namorona izao rehetra izao.’ Faly be i Jacqueline satria niasa tsara ny feon’ny fieritreretany, ary nohenoiny. Mandrisika anao hanao ny tsara koa ve ny feon’ny fieritreretanao?
18. Nahoana isika no tokony hiezaka hampiofana ny feon’ny fieritreretantsika?
18 Ny hampihatra ny fitsipik’i Jehovah sy ny toro lalany no tanjontsika. Tanjona tena tsara izany. Afaka manampy antsika amin’izany ny feon’ny fieritreretana. Mampiofana azy io isika rehefa mianatra tsy tapaka ny Soratra Masina sy misaintsaina an’izay nianarantsika ary miezaka mampihatra izany. Ho tsapantsika amin’izay fa tena ilaintsika ny feon’ny fieritreretana.
^ feh. 7 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2004, pejy 29-31.