Momba An’ilay Tena Andriamanitra
Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...
Momba An’ilay Tena Andriamanitra
Manana anarana ve Andriamanitra?
Nampianatra i Jesosy fa manana anarana Andriamanitra. Hoy izy: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.’ ” (Matio 6:9) Milaza ny Baiboly fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Hoy i Jesosy momba an’ireo mpianany, tamin’izy nivavaka tamin’ny Rainy: “Nampahafantariko azy ny anaranao.”—Jaona 17:26.
Iza moa i Jehovah?
Nantsoin’i Jesosy hoe “ilay hany Andriamanitra marina” i Jehovah, satria izy no Mpamorona. (Jaona 17:3) Hoy i Jesosy: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay nahary azy, dia nahary azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana?” (Matio 19:4) Hoy koa izy: “Andriamanitra dia Fanahy.” (Jaona 4:24) Tsy afaka mahita an’Andriamanitra àry isika.—Eksodosy 33:17-20.
Inona no takin’Andriamanitra amintsika?
Rehefa nisy nanontany an’i Jesosy hoe inona no didy lehibe indrindra, dia hoy izy: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Israely ô: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Koa tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.’ Ny faharoa dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ ”—Marka 12:28-31.
Ahoana no anaporofoantsika fa tia an’Andriamanitra isika?
Hoy i Jesosy: “Tiako ny Ray.” Ahoana no nanaporofoany izany? Hoy izy: “Araka ny nandidian’ny Ray ahy no ataoko.” (Jaona 14:31) Hoy koa izy: “Manao izay sitrany foana aho.” (Jaona 8:29) Sitrapon’Andriamanitra ny hianarantsika momba azy. Hoy i Jesosy rehefa nivavaka ho an’ny mpianany: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina.”—Jaona 17:3; 1 Timoty 2:4.
Ahoana no ianarantsika momba an’Andriamanitra?
Fomba iray hianarana momba an’Andriamanitra ny fandinihana ny zavatra noforoniny. Hoy i Jesosy: “Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitahirizana ireny, nefa manome sakafo azy ny Rainareo any an-danitra. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?” Inona no tian’i Jesosy holazaina? Tsy tokony havelantsika hampitsahatra ny fanompoantsika an’Andriamanitra, ny fanahiana momba ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana.—Matio 6:26-33.
Ny fianarana Baiboly no fomba tsara indrindra hahalalana an’i Jehovah. Nantsoin’i Jesosy hoe “ny tenin’Andriamanitra” ny Baiboly. (Lioka 8:21) Hoy izy tamin’Andriamanitra: “Ny teninao no fahamarinana.”—Jaona 17:17; 2 Petera 1:20, 21.
Nanampy ny olona hianatra ny marina momba an’i Jehovah i Jesosy. Hoy ny iray tamin’ny mpianany: “Tsy niredareda ve ny fontsika raha niresaka tamintsika teny an-dalana izy, ka nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?” (Lioka 24:32) Tsy maintsy manetry tena sy vonona hianatra isika, raha te hahalala momba an’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy miova ho toy ny zaza.”—Matio 18:3.
Nahoana no mahasambatra ny mahalala an’Andriamanitra?
Ilaintsika ny mahafantatra ny antony namoronana antsika, ary manampy antsika hahalala izany Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Mampianatra antsika ny fomba fiaina tsara indrindra i Jehovah. Hoy i Jesosy: “Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany kosa no sambatra!”—Lioka 11:28; Isaia 11:9.
Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 1 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? *
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 17 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 16]
“Nampahafantariko azy ny anaranao.” —Jaona 17:26
[Sary, pejy 16, 17]
Manampy antsika hahalala an’i Jehovah ny zavatra noforonina sy ny Baiboly