Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lydia—Tanàna Fahiny Mbola Mahaliana Ankehitriny

Lydia—Tanàna Fahiny Mbola Mahaliana Ankehitriny

Lydia—Tanàna Fahiny Mbola Mahaliana Ankehitriny

EFA nandre anaran-tany hoe Lydia ve ianao? Firenena fahiny izy io, ary mahagaga fa nisy vokany teo amin’ny raharaham-barotra eran-tany ny zavatra nataon’ny olona tany. Mety ho gaga koa ireo mpamaky Baiboly, satria nanjary nazava ny faminaniana iray nanahiran-tsaina, noho ny zavatra hitan’ireo Lydianina. Fa inona no hitan’izy ireo? Hojerentsika aloha ny momba an’io fanjakana fahiny io.

Tany amin’ny faritra andrefan’i Azia Minora na Torkia ankehitriny, no nisy an’i Lydia. Tao Sardisy renivohitra ny mpanjaka. I Crésus no mpanjaka farany, ary nanan-karena be izy. Resin’i Kyrosy Lehibe anefa izy, tamin’ny 546 T.K. tany ho any. Io ilay Kyrosy avy any Persa, nandresy ny Fanjakana Babylonianina taona vitsivitsy tatỳ aoriana.

Tia nanita-kevitra ny mpivarotra tany Lydia, ka voalaza fa izy ireo no voalohany nampiasa vola madinika. Vaingam-bolafotsy na volamena no natao vola talohan’izay, ka boribory na miendrika biriky ilay izy. Samy hafa anefa ny habeny, ka tsy maintsy nolanjaina foana isaky ny hividy zavatra. Nividy tany, ohatra, i Jeremia mpaminany tany Israely, ary nanoratra hoe: “Nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin’ny folo.”—Jeremia 32:9.

Nahita fomba hanatsorana ny varotra ireo Lydianina, tamin’ny andron’i Jeremia. Nampiasa vola madinika izy ireo. Nisy fitomboka ofisialy izy ireny, mba hanaporofoana fa mitovy foana ny lanjany. Volamena sy volafotsy efa mifangaro voajanahary, no natao vola madinika voalohany. Nosoloan’i Crésus volamena na volafotsy fotsiny anefa izy ireny, rehefa lasa mpanjaka izy. Nahita hevitra indray ny Lydianina, ka nataony mitovy vidy amin’ny vola madinika volamena iray ny vola 12 vita amin’ny volafotsy. Nisy nisandoka anefa ka nafangarony tamin’ny metaly ambany vidy ny volamena. Nitady fomba tsotra àry ny mpivarotra, mba hahitana raha nisy fangarony ilay volamena.

Nahita hevitra hafa indray ny Lydianina. Nalain’izy ireo ny vato mainty somary marokoroko atao hoe vato lydianina. Nakasoka tamin’izy io ny vola madinika, ka namela marika. Nampitahaina tamin’ny mariky ny tena volamena izany, ka hita raha nifangaro ilay vola. Lasa vato fisedrana volamena àry ilay vato mainty, ka tratra izay vola sandoka. Nahoana no manampy antsika hahazo ny hevitry ny Baiboly ilay vato fisedrana?

Vato fisedrana ao amin’ny Baiboly

Lasa fampiasan’ny mpivarotra ilay vato fisedrana. Nampiharin’ny olona tamin-javatra hafa koa anefa io teny io. Ny teny grika nadika hoe “vato fisedrana”, ohatra, dia midika hoe fampijaliana. Tsara homarihina fa nosoratana tamin’ny teny grika ny boky sasany ao amin’ny Baiboly.

Avy amin’ny hoe “vato fisedrana” koa ny teny iantsoana ny mpiambina fonja, satria mampijaly ny voafonja izy ireo. Natolotra an’ireo ‘mpiambina fonja’ na “mpampijaly”, ohatra, ilay mpanompo tsy nahay nankasitraka, tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. (Matio 18:34, Fandikan-teny Protestanta) Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy) momba izany: ‘Azo inoana fa ny fanagadrana dia efa “fampijaliana.” Mpiambina fonja fotsiny àry no dikan’ilay hoe “mpampijaly.” ’ Manampy antsika hahazo andinin-teny sarotra iray izany.

Nazava ilay faminaniana

Efa ela ireo tia mamaky Baiboly no nieritreritra izay hiafaran’i Satana. Hoy ny Apokalypsy 20:10: “Ny Devoly ... dia natsipy mafy tao amin’ny farihy afo sy solifara, izay efa nisy an’ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka. Ary hampijalina andro aman’alina mandrakizay mandrakizay ireo.” Tsy fikasan’Andriamanitra mihitsy ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fijaliana, satria be fitiavana sy tia rariny izy. (Jeremia 7:31) Fanomezana koa ny fiainana mandrakizay, araka ny Baiboly, fa tsy sazy. (Romanina 6:23) Tsy ara-bakiteny àry ny Apokalypsy 20:10. Toy izany koa ilay bibidia sy ilay farihy afo. (Apokalypsy 13:2; 20:14) Tsy ara-bakiteny koa ve anefa ny fampijaliana an’i Satana? Inona no mety ho dikan’izy io?

Efa hitantsika fa avy amin’ilay hoe “vato fisedrana” ny teny grika nadika hoe “fampijaliana”, ary mety hidika ho fanagadrana fotsiny. Inona àry no dikan’ny hoe hampijalina mandrakizay i Satana? Mety hidika izany fa hogadraina mandrakizay izy, ka ny fahafatesana no ho toy ny fonja ho azy. Ho faty mandrakizay izy.

Manampy antsika hahalala zavatra hafa momba ny fampijaliana mandrakizay an’i Satana koa, ilay vato fisedrana tany Lydia. Io vato io no nampiasaina mba hanaporofoana hoe tena izy ny vola sa sandoka. Ny ‘fampijaliana’ an’i Satana na ny fahafatesany koa no hampiasaina, mba hanaporofoana fa mendrika hosazina izay mikomy amin’i Jehovah, any aoriana any. Tsy voatery hoporofoina mandritra ny fotoana lava be intsony amin’izay hoe diso izay manohitra ny fitondran’i Jehovah.

Lasa nampiasain’ny mpanao raharaham-barotra eran-tany àry ilay vato fisedrana tany Lydia. Nanjary nanana heviny an’ohatra anefa ilay izy. Nahafantarantsika an’izay hitranga amin’i Satana koa izy io. Ny fitsarana azy dia ho porofo mandrakizay fa tsy handeferan’Andriamanitra intsony ny mpikomy, aorian’izay, fa tonga dia haringany.—Romanina 8:20.

[Teny notsongaina, Pejy 23]

Ny fitsarana an’i Satana dia ho porofo mandrakizay fa haringan’Andriamanitra izay mikomy aminy

[Sarintany, pejy 21]

(Jereo ny gazety)

Ranomasina Mainty

LYDIA

SARDISY

Ranomasina Mediterane

[Sary, pejy 21]

Tanànan’i sardisy fahiny

[Sary, pejy 22]

Nampiasa mizana ny olona taloha, mba handanjana vola

[Sary nahazoan-dalana]

E. Strouhal/Werner Forman/Art Resource, NY

[Sary, pejy 22, 23]

Mbola misy ankehitriny ilay vato fisedrana

[Sary nahazoan-dalana]

Vola madinika: Courtesy Classical Numismatic Group, Inc.; vato fisedrana: Science Museum/Science & Society Picture Library

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

Vola madinika: Courtesy Classical Numismatic Group, Inc.