‘Nandinika Lalina tao Am-pony’ Izy
Tahafo ny Finoan’izy Ireo
‘Nandinika Lalina tao Am-pony’ Izy
ENY an-dalana ho any Betlehema i Maria sy Josefa. Efa nandeha ora maro izy ireo, nefa mbola lavitra ny lalana. Niezaka naka toerana tsara i Maria teo ambonin’ilay ampondra nitaingenany. I Josefa kosa nandeha an-tongotra nitarika an’ilay ampondra. Tsapan’i Maria fa nihetsika ny zaza tao an-kibony.
Salama tsara i Maria nandritra ny fotoana nitondrany vohoka. Nilaza ny Baiboly fa “bevohoka be” izy, tamin’izy nanao ilay dia. (Lioka 2:5) Nandalo saha maromaro izy mivady. Gaga angamba ny tantsaha nahita an’io vehivavy bevohoka be io nanao dia lavitra. Nahoana tokoa moa i Maria no nandeha lavitra an’i Nazareta, tanàna nisy azy?
Volana maro talohan’io no nanomboka ny tantara. Nilazana io tovovavy jiosy io fa hanana anaka, ka hiteraka ny Mesia Zanak’Andriamanitra! (Lioka 1:35) Mbola tsy nisy mihitsy ny toy izany. Tsy maintsy nandeha lavitra anefa izy mivady, rehefa akaiky ho teraka ilay zaza. Maro ny zavatra nitsapa ny finoan’i Maria tamin’io dia io. Inona no nanampy azy hanana finoana matanjaka foana?
Ilay dia ho any Betlehema
Tsy i Josefa sy Maria ihany no nanao dia lavitra, tamin’izay. Namoaka didy mantsy i Aogosto Kaisara, fa tokony hamonjy ny tanàna niaviany ny mponina rehetra tao amin’ilay tany mba hosoratana anarana. Inona no nataon’i Josefa? Hoy ny Baiboly: “Niakatra avy tany Galilia, avy tao an-tanànan’i Nazareta, koa i Josefa, satria anisan’ny taranak’i Davida sady fianakaviany. Koa nankany Jodia izy, ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe Betlehema.”—Lioka 2:1-4.
Tsy kisendrasendra no namoahan’i Kaisara an’io didy io. Efa nolazain’ny faminaniana, tokony ho 700 taona talohan’io, fa ho teraka ao Betlehema ny Mesia. Nisy tanàna nantsoina hoe Betlehema, 11 kilaometatra monja avy eo Nazareta. Nilaza mazava tsara anefa ilay faminaniana, fa ao “Betlehema Efrata” no hahaterahan’ny Mesia. (Mika 5:2) Any atsimon’i Nazareta no misy azy io, ary lalana be havoana tokony ho 150 kilaometatra no mankany. Io Betlehema io no tanàna niavian’i Josefa, dia ilay nonenan’ny fianakavian’i Davida Mpanjaka, razamben’i Josefa sy Maria.
Hiaraka amin’i Josefa ho any Betlehema ve i Maria? Tsy ho mora aminy ny hanao io dia io. Vao niandoha angamba ny fararano tamin’izay, ary efa hifarana ny fahavaratra ka nety ho mbola nisy orana madinidinika. ‘Miakatra’ koa ny lalana, satria ambony toerana i Betlehema. Any amin’ny 760 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina mantsy no misy azy io, ka ho mafimafy ihany ny dia rehefa manakaiky an’ilay tanàna. Ho ela kokoa noho ny mahazatra angamba ny dian’izy ireo, satria mety hila hiala sasatra matetitetika i Maria. Tsy te hanalavitra ny tanànany koa ny vehivavy rehefa akaiky ho teraka, amin’izay mba eo ny havana aman-tsakaizany
rehefa mihetsi-jaza izy. Nila herim-po be àry i Maria mba hanaovana an’ilay dia.Na izany aza, dia ‘nisoratra anarana niaraka’ tamin’i Josefa i Maria. Nilaza i Lioka fa ‘efa lasa vadin’i Josefa’ i Maria tamin’izay, “araka ny efa nifanekeny.” (Lioka 2:4, 5) Nisy akony be teo amin’ny fanapahan-kevitr’i Maria ny hoe efa nanambady izy. Ny vadiny indray mantsy izao no manapa-kevitra ny amin’ny raharaha mifandray amin’ny fivavahana. Izy kosa hanohana ny fanapahan-kevitry ny vadiny, satria efa nataon’Andriamanitra ho mpanampy azy. * Nankatò ny vadiny izy, ka nahavita niatrika an’ilay fitsapam-pinoana.
Inona koa no mety ho antony nankatoavan’i Maria? Fantany ve ilay faminaniana nilaza fa ho teraka any Betlehema ny Mesia? Tsy milaza izany ny Baiboly. Mety ho nahafantatra anefa izy, satria nahalala izany ny mpitondra fivavahana, eny fa na dia ny olon-tsotra aza. (Matio 2:1-7; Jaona 7:40-42) Nahalala ny Soratra Masina i Maria. (Lioka 1:46-55) Na ahoana na ahoana, dia nanome modely tsara izy, na ho fankatoavana ny vadiny no nanaovany ilay dia, na ho fankatoavana ny didim-panjakana, na ho fanatanterahana ny faminanian’i Jehovah, na izy telo mitambatra. Tena sarobidy amin’i Jehovah ny olona manetry tena sy mankatò, na lahy na vavy. Tsy tia mankatò ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao. Mampahery an’ireo mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika anefa ny zavatra nataon’i Maria.
Ny nahaterahan’i Kristy
Tsy maintsy nahatsiaro ho maivamaivana i Maria rehefa nahatazana an’i Betlehema. Mety ho niserana tao an-tsain’izy sy Josefa ny tantaran’io tanàna kely io, rehefa nananika an’ilay havoana sy nandalo an’ireo tanin’oliva izy ireo. Tena tanàna kely i Betlehema, ka tsy mendrika ny ho anisan’ny tanànan’i Joda akory, araka ny nolazain’i Mika mpaminany. Tao anefa no nahaterahan’i Boaza, Naomy, ary i Davida, arivo taona mahery talohan’izay.
Efa feno olona ilay tanàna rehefa tonga izy ireo, ka tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany amin’ny efitranom-bahiny. * Tsy nanan-tsafidy izy mivady, fa tsy maintsy natory tao an-tranom-biby. Azo antoka fa nanahy be i Josefa, rehefa nanomboka nihetsi-jaza ny vadiny sady nihananaintaina foana. Tena tsy natao hiterahana mantsy ilay toerana.
Vehivavy maro no mahatakatra ny nanjo an’i Maria. Efa nilaza mantsy i Jehovah, tokony ho 4 000 taona talohan’io, fa hanaintaina ny vehivavy rehefa miteraka, satria nandova ota. (Genesisy 3:16) Tsy nisy porofo mihitsy hoe afa-niala tamin’izany i Maria. Tsy niresaka momba ny fanaintainan’i Maria i Lioka, fa nilaza fotsiny hoe: “Niteraka ny zanany lahimatoa izy.” (Lioka 2:7) Io tokoa no “zanany lahimatoa”, satria niteraka fito izy, fara fahakeliny. (Marka 6:3) Hafa mihitsy anefa io zanany iray io. Tsy vitan’ny hoe zanany lahimatoa io, fa zanak’i Jehovah lahitokana koa, dia ilay “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra”!—Kolosianina 1:15.
Mitohy toy izao ilay fitantarana: “Nofeheziny lamba ilay zaza, ka nampandriny tao amin’ny fihinanam-bilona.” (Lioka 2:7) Be mpahalala io fisehoan-javatra io, ary lalaovin’ny olona an-tsehatra, na ataony hoso-doko na sarivongana, sady hatsaratsarainy be. Mariho anefa ny tena zava-nisy. Tao amin’ny tranon’ny biby fiompy izy telo mianaka no nilasy, matoa nisy fihinanam-bilona tao. Toerana maloto sady mamofona izany. Tsy toy izany mihitsy no toerana hofidin’ny ray aman-dreny hiterahana ny zanany, raha mbola misy azo atao koa. Mitady izay tena hahasoa an-janany mantsy ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Tsy ho latsak’izany mihitsy no hataon’i Josefa sy Maria amin’ilay Zanak’Andriamanitra!
Tsy nitsetra tena anefa izy ireo, fa nampiasa izay teo am-pelatanany. Mariho fa i Maria mihitsy no namehy lamba an’ilay zaza sy nampandry azy teo amin’ny fihinanam-bilona. Hafana tsara sy ho voaro izy amin’izay. Tsy nanahy be loatra i Maria, fa nanao izay azony natao mba hikarakarana an-janany. Fantatr’izy mivady koa fa ny fanampiana an’ilay zaza hanompo an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra. (Deoteronomia 6:6-8) Ataon’ny ray aman-dreny hendry ho loha laharana koa izany ankehitriny, rehefa mitaiza ny zanany eto amin’ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity izy ireo.
Fitsidihana nampahery
Nilamina erỳ tao amin’izy telo mianaka. Tampoka teo anefa, dia injao nisy olona nirodorodo. Mpiandry ondry izy ireo, ary may ny hahita azy mianakavy, indrindra fa ilay zaza. Nientam-po be izy ireo ary faly tsy nisy hoatra izany. Gaga izy mivady. Notantarain’ireo mpiandry ondry ny zava-mahatalanjona hitany. Niandry ondry teny akaikin’ireo havoana izy ireo tamin’io alina io. * Nisy anjely iray niseho taminy. Feno ny voninahitr’i Jehovah nanodidina azy rehetra. Nilaza ilay anjely fa teraka ao Betlehema i Kristy na ny Mesia. Ho hitan’izy ireo mandry eo amin’ny fihinanam-bilona ilay zaza, ary voahodidina lamba. Mbola nisy zavatra nahavariana kokoa avy eo. Nisy anjely maro be niseho, ary nihira fiderana ho an’i Jehovah!
Tsy nahagaga raha nihazakazaka nankany Betlehema ireo lehilahy ireo. Tsy maintsy ho faly be izy ireo nahita zaza menavava nandry teo amin’ny fihinanam-bilona, araka ny nolazain’ilay anjely. “Nampahafantariny” ny hafa ilay vaovao tsara, ka ‘gaga izay rehetra nandre ny teny nolazain’izy ireo.’ (Lioka 2:17, 18) Azo inoana fa nanao tsinontsinona ny mpiandry ondry ny mpitondra fivavahana tamin’izany. Hita anefa fa sarobidy tamin’i Jehovah ireo lehilahy nanetry tena sy nanam-pinoana ireo. Inona no akon’io fitsidihana io teo amin’i Maria?
Azo antoka fa reraka i Maria satria vao tera-bao. Nihaino tsara ny tenin’ireo mpiandry ondry anefa izy, sady “nitadidy izany teny rehetra izany, ka nandinika lalina an’izany tao am-pony.” (Lioka 2:19) Tia nisaintsaina tokoa io vehivavy io. Fantany fa tena zava-dehibe ny tenin’ilay anjely. Tian’i Jehovah Andriamanitra ho takany hoe iza marina io zaza naterany io. Tsy olon-tsotra fotsiny io fa tena manana ny maha izy azy. Tsy nihaino fotsiny àry i Maria, fa noraketiny tao am-pony ny zavatra reny, mba hosaintsaininy foana amin’ny hoavy. Izany no tena nanampy an’i Maria hanam-pinoana teo amin’ny fiainany.
Hanahaka an’i Maria ve ianao? Maro ny fahamarinana lehibe noraketin’i Jehovah ao 2 Timoty 3:16) Tokony handrakitra an’ireny fahamarinana ireny ao am-pontsika isika, toy ny nataon’i Maria, ary hiezaka hahatakatra azy ireny bebe kokoa. Hihamatanjaka ny finoantsika, raha misaintsaina ny zavatra vakintsika ao amin’ny Baiboly isika, ary mieritreritra ny fomba azontsika ampiharana tsara kokoa ny torohevitr’i Jehovah.
amin’ny Teniny. Handray soa isika raha mandinika azy ireny. Vakio tsy tapaka àry ny Baiboly, ary ataovy ao an-tsaina hoe avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra izy io. (Zavatra hafa nosaintsaininy
Noforana ilay zaza rehefa afaka valo andro, araka ny notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Natao hoe Jesosy ny anarany, araka ny tenin’ilay anjely. (Lioka 1:31) Nentin’izy mivady tany amin’ny tempolin’i Jerosalema ilay zaza, 40 andro tatỳ aoriana. Nanolotra fanati-panadiovana izy ireo, dia domohina roa na zana-boromailala roa. Afaka nanolotra an’ireo fanatitra ireo ny mahantra, raha tsy takany ny ondrilahy kely iray sy ny domohina iray. Tsy nahamenatra an’i Maria sy Josefa izany. Nahazo fampaherezana be aza izy ireo rehefa tonga tany.—Lioka 2:21-24.
Nanatona azy ireo ny lehilahy zokiolona atao hoe Simeona. Noraketin’i Maria tao am-pony koa ny zavatra nolazain’izy io. Nampanantena Andriamanitra fa tsy ho faty i Simeona raha tsy efa mahita ny Mesia. Nampahafantarin’ny fanahy masina azy, fa i Jesosy zaza ilay Mpamonjy nambara mialoha. Nilaza tamin’i Maria i Simeona, fa tsy maintsy hiaritra fahoriana izy indray andro any. Nolazainy fa ho toy ny voatrobaky ny sabatra i Maria amin’izay fotoana izay. (Lioka 2:25-35) Na ireo faminaniana ireo fotsiny aza, dia mety ho nanampy an’i Maria hiaritra, rehefa tonga tokoa ilay zavatra nampahory azy, telopolo taona mahery tatỳ aoriana. Rehefa vita ny tenin’i Simeona, dia nisy mpaminany vavy atao hoe Ana niresaka momba an’ilay zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanafahana an’i Jerosalema.—Lioka 2:36-38.
Nety tokoa ny nitondran’i Josefa sy Maria an’ilay zaza tany amin’ny tempolin’i Jehovah, tany Jerosalema! Nentina voalohany tao amin’ny tempoly i Jesosy tamin’io, ary lasa fahazarany ny nivavaka tao. Nanao izay azony natao teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy mivady, ary nahazo toromarika sy fampaherezana. Azo inoana fa nihanatanjaka ny finoan’i Maria, rehefa niala tao amin’ny tempoly izy tamin’io andro io. Maro kokoa izao ny zavatra azony saintsainina sy resahina amin’ny hafa.
Mahafinaritra koa ankehitriny ny mahita ray aman-dreny manao toy izany. Mitondra ny zanany mamonjy fivoriana tsy tapaka ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah. Manao izay azony atao izy ireo eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, sady mampahery ny mpiray finoana aminy. Rehefa avy any am-pivoriana izy ireo, dia lasa manana finoana matanjaka kokoa, falifaly kokoa, ary manana zavatra maro horesahina amin’ny hafa. Manasa anao izahay mba hiara-mivory amin’izy ireo. Raha manao izany ianao, dia hihamatanjaka ny finoanao, toy ny an’i Maria.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 10 Mariho izay nolazain’i Lioka momba ny dia hafa nataon’i Maria talohan’izay: “Niainga i Maria ... ary nandeha” namangy an’i Elizabeta. (Lioka 1:39) Mbola mpifamofo izy sy Josefa tamin’io, ka nety ho tsy niera tamin’i Josefa izy. Rehefa nivady kosa izy ireo, dia i Josefa indray no nanapa-kevitra ny amin’ny dia hataon’izy mivady.
^ feh. 14 Nisy efitranom-bahiny isan-tanàna tamin’izany, mba handraisana an’ireo mpanao dia lavitra.
^ feh. 19 Niandry ny ondriny tany an-tsaha ireo mpiandry ondry ireo, tamin’izay. Asehon’izany fa tsy teraka volana Desambra i Kristy, satria atao ao am-bala ny omby aman’ondry amin’io fotoana io. Teo am-piandohan’ny volana Oktobra kosa izy no teraka.
[Sary, pejy 25]
Afaka nahita an’ilay Mpamonjy nambara mialoha i Simeona