Tsy Mofo Ihany no Iveloman’ny Olona—Tafavoaka Velona Tany Amin’ny Tobin’ny Voafonja Aho
Tsy Mofo Ihany no Iveloman’ny Olona—Tafavoaka Velona Tany Amin’ny Tobin’ny Voafonja Aho
Notantarain’i Joseph Hisiger
“Inona iny vakinao iny?”, hoy aho tamin’ilay niara-nigadra tamiko. “Baiboly ity!”, hoy izy. “Homeko anao ity raha omenao ahy ny anjara mofonao herinandro.”
TERAKA tamin’ny 1 Martsa 1914 tao Moselle aho. Anisan’i Alemaina i Moselle tamin’izany. Lasan’i Frantsa anefa izy io rehefa nifarana ny Ady Lehibe I, tamin’ny 1918. Lasan’i Alemaina indray izy tamin’ny 1940. Lasan’i Frantsa indray anefa izy rehefa nifarana ny Ady Lehibe II, tamin’ny 1945. Niovaova araka izany koa ny firenena nisy ahy, ka izany no nahaizako teny frantsay sy alemà.
Katolika nafana fo ny ray aman-dreniko. Nandohalika nivavaka izahay isaky ny handeha hatory. Nandeha niangona izahay rehefa alahady sy andro fety. Zava-dehibe tamiko ny fivavahako, ary anisan’ny fikambanan’ny mpianatra katolika aho.
Revo tamin’ny asantsika
Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa nitsidika ny ray aman-dreniko, tamin’ny 1935. Nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe I ny fivavahana, ka izany no tena noresahin-dry zareo. Vao mainka nahaliana ahy ny Baiboly taorian’izay, ka nangataka iray tamin’ny pretra aho, tamin’ny 1936. Nilaza izy fa tsy maintsy mianatra teolojia aho vao hahazo ny hevitry ny Baiboly, ka vao mainka aho te hahazo Baiboly sy hamaky azy io.
Tamin’ny Janoary 1937, dia niresaka tamiko momba ny fampianaran’ny Baiboly i Albin Relewicz, Vavolombelona niara-niasa tamiko. “Manana Baiboly ianao e?”, hoy aho taminy. Nanana tokoa izy, ary nasehony ahy avy tao amin’ny Baibolin’i Elberfelder ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Nomeny ahy ilay Baiboly avy eo, ary nazoto namaky an’ilay izy aho. Nanomboka namonjy ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Thionville aho.
Namonjy fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Paris izahay sy Albin, tamin’ny Aogositra 1937. Nanomboka nitory isan-trano aho tany. Natao batisa aho tsy ela taorian’izay. Lasa mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, aho teo am-piandohan’ny 1939. I Metz no faritany nanendrena ahy. Nasaina hiasa tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Paris aho ny volana Jolay.
Niaritra ny mafy
Vetivety ihany aho no nanompo tao amin’ny sampana, satria voantso ho miaramila tao amin’ny tafika frantsay tamin’ny Aogositra 1939. Tsy namela ahy handray anjara tamin’ny ady ny feon’ny fieritreretako, ka nogadraina aho. Nanafika tampoka an’i Frantsa i Alemaina ny volana Mey 1940, tamin’izaho mbola tany am-ponja. Resy i Frantsa tamin’ny Jona, ary lasa
Alemà indray aho. Niverina niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniko àry aho tamin’ny Jolay 1940, rehefa afaka tany am-ponja.Ny Nazia no nitondra, ka niafina izahay rehefa nivory mba hianatra Baiboly. Nahazo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’i Maryse Anasiak izahay. Vehivavy kristianina be herim-po izy, ary nifankahita matetika tamiko tao amin’ny fivarota-mofon’ny rahalahy iray. Afa-niala tamin’ireo olana nahazo ny Vavolombelona tany Alemaina aho, mandra-pahatongan’ny 1941.
Nandalo tao amiko anefa ny polisin’i Hitler, indray andro. Nilaza mazava izy fa voarara ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanontany ahy izy avy eo raha mbola te ho Vavolombelona foana aho. Rehefa namaly aho hoe “Eny”, dia nasainy nanaraka azy. Tsy tantin’i Mama izany ka safotra izy. Nahita izany ilay polisy ka nasainy nijanona nikarakara an’i Mama indray aho.
Tany am-piasana, dia tsy niarahaba an’ilay lehibenay tamin’ny hoe “Heil Hitler!” aho. Tsy nety niditra ho mpikambana tao amin’ny antoko nazia koa aho. Nosamborin’ny polisy alemà àry aho ny ampitso. Tsy nety nanome ny anaran’ny Vavolombelona hafa aho rehefa nofotopotorana. Novelesin’ilay mpanao famotorana tamin’ny vodibasy ny lohako, ka tsy nahatsiaro tena aho. Nanameloka ahy higadra telo taona ilay Fitsarana Manokana tao Metz, tamin’ny 11 Septambra 1942, satria, hono, izaho “nanao fampielezan-kevitra ho an’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Mpianatra ny Baiboly.”
Nentina niala tao amin’ny fonjan’i Metz aho rehefa afaka tapa-bolana, ary tody tany amin’ilay toby fiasana an-terivozona tany Zweibrücken ihany tamin’ny farany. Nikojakoja lalamby no asanay. Navesatra ireo lalamby nefa izahay no nanolo azy sy nanisy bilao taminy, sady nandraraka vato teny amin’ny lala-masinina. Kafe eran’ny kaopy sy mofo kely dia kely no mba sakafonay maraina, ary lasopy iray baolina ny antoandro sy ny hariva. Nafindra tany amin’ny fonja iray tsy lavitra teo aho, tatỳ aoriana kely. Tao amin’ny fanamboarana kiraro aho no niasa. Naverina tany Zweibrücken aho rehefa afaka volana maromaro, ary nasaina namboly.
Tsy mofo ihany no ivelomana
Tovolahy holandey no iray efitra tamiko tao am-ponja. Mba nianatranatra niteny holandey
aho, ka afaka nitory taminy. Nandroso be izy, ka nasainy nanao batisa azy tany an-drenirano aho. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano izy, dia namihina ahy sady nilaza hoe: “Mpirahalahy isika izao, ry Joseph a!” Tafasaraka izahay rehefa nalefa hiasa tamin’ny lalamby indray aho.Alemà indray no iray efitra tamiko tao am-ponja. Namaky boky kely iray izay izy indray takariva. Hay Baiboly ilay izy! Tamin’izay izy no nilaza fa homeny ahy ilay Baiboly ho takalon’ny anjara mofoko herinandro. “Raikitra”, hoy aho. Mafy tamiko ny tsy nahazo mofo nandritra ny herinandro, nefa tsy nanenina mihitsy aho. Nanomboka takatro ny hevitr’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.”—Matio 4:4.
Nahazo Baiboly aho, fa ny nitahiry azy indray no sarotra. Navela hanana Baiboly ny gadra hafa, fa tsy mba toy izany ny Vavolombelona. Tamin’ny alina àry aho no namaky azy io, ary niafina tao anaty bodofotsy. Nasisiko tao anaty akanjoko ilay izy tamin’ny antoandro, ary nentiko nanaraka ahy. Tsy najanoko tao amin’ny efitra nisy ahy ilay izy satria nisy fisavana tao.
Teo am-piantsoana anarana izahay, indray mandeha, vao hitako hoe hadinoko ny Baiboliko. Nihazakazaka nankao amin’ilay efitra aho ny harivan’iny, saingy tsy tao intsony ilay izy. Nivavaka aho, ary nankany amin’ny mpiambina. Nohazavaiko taminy fa nisy naka ny bokiko ary tadiaviko. Tsy dia nahoany hoe inona ilay boky, ka azoko ihany ny Baiboliko. Nisaotsaotra an’i Jehovah mihitsy aho tamin’izay!
Nalefa tao amin’ny efitra fandroana aho, indray andro. Nalatsako moramora teo amin’ny tany ilay Baiboly rehefa nanala ny akanjoko maloto aho. Nodakako nankany amin’ny efitra fandroana ilay izy rehefa tsy nijery ilay mpiambina. Nafeniko teo akaiky teo ilay izy rehefa nandro aho. Rehefa avy nandro aho, dia nodakako niverina indray ilay izy, ka nasosako hankeo amin’ireo lamba madio.
Nifamahofaho ny mamy sy mangidy
Tazako i Albin indray marainan’ny taona 1943, rehefa nilahatra ny voafonja. Voasambotra koa izy. Nanopy ny masony tany amiko izy, sady nataony teo amin’ny fony ny tanany ho mariky ny firahalahiana. Nisy fihetsika nataony mba hilazana tamiko fa hanoratra ho ahy izy. Nisy taratasy nalatsany ny ampitso, tamin’izy nandalo. Hitan’ny mpiambina anefa ilay izy, ka samy natokan-toerana izahay nandritra ny tapa-bolana. Rano sy mofo efa mafy be no mba sakafonay, ary hazo fisaka no natorianay, sady tsy nisy bodofotsy.
Nafindra tany amin’ny fonjan’i Siegburg aho taorian’izay, ary nanefy vy no asako. Mafy be ny asa nefa kely ny sakafo. Nanonofy nihinana mofomamy sy voankazo tsara be aho ny alina. Rehefa taitra anefa aho, dia indrisy fa noana be sy main-tenda. Taolana nifono hoditra aho sisa. Namaky an’ilay Baiboly keliko anefa aho isan’andro, ka hitako fa mbola nisy antony hahavelomako.
Afaka ihany!
Nandositra tampoka ny mpiambina indray maraina, tamin’ny Aprily 1945, ary navelany hidanadana ny vavahady. Afaka ihany aho! Tsy maintsy niditra hopitaly elaela anefa aloha aho. Tonga tao an-tranon’ny ray aman-dreniko aho ny faramparan’ny Mey. Efa tsy noeritreretin-dry zareo ho velona intsony aho. Faly be i Mama rehefa nahita ahy ka nigogogogo nitomany. Nampalahelo fa maty ny ray aman-dreniko, tsy ela taorian’izay.
Nankany amin’ny fiangonan’i Thionville indray aho. Faly be aho nahita indray an’ireo rahalahy sy anabavy! Nahafaly ny nahafantatra fa tsy nivadika izy ireo na dia nisy fitsapana maro aza. Maty tany Regensburg any Alemaina i Albin, ilay namana tsy foiko. Reko, tatỳ aoriana, fa lasa Vavolombelona koa i Jean Hisiger, zana-drahalahin’i Dada, ary notifirina rehefa tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nijanona dimy taona tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tany Alemaina kosa i Jean Queyroi, ilay niara-niasa tamiko tao amin’ny sampana tany Paris. *
Avy hatrany dia niverina nitory tao Metz aho. Nihaona matetika tamin-dry Minzani mianakavy aho tamin’izany. Vita batisa tamin’ny 2 Novambra 1946 i Tina zanany vavy. Be zotom-po tamin’ny fanompoana izy, ary nahafinaritra ahy. Nivady izahay tamin’ny 13 Desambra 1947. Nitory manontolo andro i Tina, nanomboka tamin’ny Septambra 1967 ka mandra-pahafatiny tamin’ny Jona 2003, tamin’izy 98 taona. Tena malahelo be an’i Tina aho.
Efa 90 taona mahery aho izao, ary tsapako fa nanome hery ahy foana ny Tenin’Andriamanitra, ka afaka niatrika fitsapana maro aho, ary nivoaka ho mpandresy. Ny Tenin’Andriamanitra foana no ataoko mameno ny saiko sy ny foko, na dia noana aza aho indraindray. Nampahery ahy foana i Jehovah. ‘Voatsimbina ny aiko noho ny teniny.’—Salamo 119:50.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 27 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1990, pejy 22-26, ny tantaram-piainan’i Jean Queyroi.
[Sary, pejy 21]
Albin Relewicz, ilay namana tsy foiko
[Sary, pejy 21]
Maryse Anasiak
[Sary, pejy 22]
Ilay Baiboly namoizako ny anjara mofoko herinandro
[Sary, pejy 23]
Izahay sy Tina tamin’ny mbola mpifamofo, 1946
[Sary, pejy 23]
Jean Queyroi sy Titica vadiny