Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy ho Voavonjy ve ny Olona Raha Tsy Ateraka Indray?

Tsy ho Voavonjy ve ny Olona Raha Tsy Ateraka Indray?

Tsy ho Voavonjy ve ny Olona Raha Tsy Ateraka Indray?

INONA no havalinao raha misy manontany hoe: “Nateraka indray ve ianao?” Mpivavaka maro eran-tany no hamaly avy hatrany hoe: “Ie!” Mino izy ireo fa ny olona nateraka indray no tena Kristianina, ary izy ireo ihany no ho voavonjy. Mitovy hevitra amin’ilay mpitondra fivavahana atao hoe Robert Sproul izy ireo. Nilaza mantsy izy io fa “tsy Kristianina ny olona iray ... raha tsy ateraka indray.”

Ianao koa ve mihevitra fa tsy ho voavonjy raha tsy ateraka indray? Azo antoka àry fa tianao hampiana ny havanao sy ny namanao mba hateraka indray. Tokony ho azony tsara anefa aloha hoe inona no mampiavaka ny olona nateraka indray. Ahoana àry no hanazavanao aminy ny atao hoe ateraka indray?

Maro no mihevitra fa ny olona “ateraka indray” dia izay olona mivoady fa hanompo an’Andriamanitra sy Kristy, ka velona fa tsy maty ara-panahy intsony. Milaza ny diksionera iray, fa “mazàna [ny olona ateraka indray] no Kristianina nijoro ho vavolombelona fa nanavao na nanamafy ny finoany, indrindra taorian’ny zava-nitranga niavaka teo amin’ny fiainany.”

Gaga ve ianao raha ilazana fa tsy izany no voalazan’ny Baiboly? Tianao ho fantatra ve hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly momba ny fahaterahana indray? Azo antoka fa hahasoa anao ny mandinika tsara izany. Hanova ny fiainanao sy ny fanantenanao mantsy ny fahalalana ny tena atao hoe “ateraka indray.”

Inona no ampianarin’ny Baiboly?

Ao amin’ny Jaona 3:1-12 no ahitana voalohany ny hoe “ateraka indray.” Resadresaka mahaliana nifanaovan’i Jesosy sy ny mpitondra fivavahana iray tany Jerosalema no tantaraina ao. Ho hitanao eo amin’ilay efajoro ao ambadika ilay izy manontolo. Manasa anao izahay hamaky azy io tsara.

Misy lafin-javatra maromaro momba ny fahaterahana indray asongadin’i Jesosy ao. a Manampy antsika hamaly an’ireto fanontaniana lehibe dimy ireto ny tenin’i Jesosy:

Zava-dehibe ve ny hoe ateraka indray?

Anjarantsika tsirairay ve ny mifidy ny hateraka indray?

◼ Nahoana no misy olona ateraka indray?

◼ Rahoviana ny olona iray no atao hoe ateraka indray?

◼ Inona no fiovana entin’izany?

Andao hodinihintsika tsirairay ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Avy amin’ny teny grika gennaô ny hoe “ateraka indray.” Misy endriny hafa amin’io teny grika io koa ao amin’ny 1 Petera 1:3, 23. Fahateraham-baovao no ilazan’ny olona sasany azy.

[Efajoro/Sary, pejy 4]

“Tsy Maintsy Hateraka Indray Ianareo”

“Nisy lehilahy iray anisan’ny Fariseo. Nikodemosy no anarany ary mpitondra teo amin’ny Jiosy izy. Tonga tao amin’i Jesosy izy rehefa alina, ka nanao hoe: ‘Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra ianao, satria tsy misy mahavita ireny famantarana nataonao ireny raha tsy Andriamanitra no momba azy.’ Dia namaly i Jesosy hoe: ‘Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraka indray.’ Hoy i Nikodemosy: ‘Hataon’ny olona ahoana indray no hateraka rehefa antitra izy? Fa angaha moa izy afaka miditra indray ao an-kibon-dreniny mba hateraka?’ Hoy i Jesosy: ‘Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy. Izay nateraky ny nofo dia nofo, ary izay nateraky ny fanahy dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo. Mitsoka any amin’izay tiany ny rivotra, ary renao ny feony, saingy tsy fantatrao hoe avy aiza izy, na ho aiza. Dia toy izany koa izay rehetra ateraky ny fanahy.’ Hoy ny navalin’i Nikodemosy: ‘Hatao ahoana no hahatonga izany?’ Hoy i Jesosy: ‘Mpampianatra ny Israely ianao, ka ahoana no tsy ahalalanao izany? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa izay fantatray no lazainay ary izay efa hitanay no ambaranay, fa ianareo kosa tsy nandray ny fanambaranay. Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo nefa tsy inoanareo, ahoana moa no hinoanareo raha ny zavatra any an-danitra no lazaiko aminareo?’ ”—Jaona 3:1-12.