Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona moa ny Fanahy Masina?

Inona moa ny Fanahy Masina?

Inona moa ny Fanahy Masina?

HOY i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ray iza eo aminareo moa no angatahan-janany trondro, kanefa hanolotra azy bibilava fa tsy trondro? Na angatahan-janany atody ka hanolotra azy maingoka?” (Lioka 11:11, 12) Tian’ny ankizy tany Galilia ny nihinana trondro sy atody. Fantatr’izy ireo tsara ny zavatra tiany hohanina.

Nilaza i Jesosy fa tokony hangataka ny fanahy masina foana isika, toy ny ankizy noana mangataka hanina. (Lioka 11:9, 13) Raha haintsika tsara hoe inona ny fanahy masina, dia ho takatsika fa tena zava-dehibe ny hananana azy io. Andeha aloha hojerentsika izay ampianarin’ny Baiboly momba ny fanahy masina.

“Herin’ny Avo Indrindra”

Asehon’ny Soratra Masina mazava tsara fa hery ampiasain’Andriamanitra hanatanterahany ny sitrapony ny fanahy masina. Nolazain’ny anjely Gabriela tamin’i Maria fa hanan-janaka izy na dia mbola virjiny aza. Hoy izy: “Ho tonga aminao ny fanahy masina ary ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.” (Lioka 1:35) Hita avy amin’ny tenin’i Gabriela fa misy ifandraisany ny fanahy masina sy ny “herin’ny Avo Indrindra.”

Hita amin’ny andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly koa izany. Hoy i Mika mpaminany: “Izaho kosa feno hery avy amin’ny fanahin’i Jehovah.” (Mika 3:8) Nampanantena an’ireo mpianany i Jesosy hoe: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina.’ (Asan’ny Apostoly 1:8) Niresaka momba ny “herin’ny fanahy masina” koa ny apostoly Paoly.—Romanina 15:13, 19.

Inona no azo tsoahana avy amin’izany? Tena misy ifandraisany ny fanahy masina sy ny herin’Andriamanitra. Ny fanahy masina no fitaovana ampiasain’i Jehovah mba hampisehoany ny heriny. Hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina, raha tsorina. Hery lehibe tokoa izy io! Tsy ho takatsika mihitsy ny halehiben’ny hery nilaina tamin’ny famoronana an’izao rehetra izao. Hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.”—Isaia 40:26.

Asehon’ny Baiboly amintsika àry fa ny ‘tanjaka lehibe’ ananan’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no nampisy an’izao rehetra izao, izay milamina sy mirindra tsara. Lehibe tokoa ny hery ampiasain’Andriamanitra, ary tsy velona isika raha tsy misy azy io.—Jereo ilay efajoro hoe “Fiasan’ny Fanahy Masina.

Mety hampiasa hery tsy hita pesipesenina i Jehovah, toy ny tamin’izy namorona an’izao rehetra izao. Mety hampiasa azy io koa anefa izy mba hanampiana ny olombelona. Imbetsaka ny Baiboly no milaza fa nomen’Andriamanitra hery tamin’ny alalan’ny heriny miasa ny mpanompony eto an-tany.

“Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko”

Hita avy amin’ny fanompoan’i Jesosy, fa afaka manome hery ny mpanompon’Andriamanitra ny fanahy masina. Hoy i Jesosy tamin’ny mponin’i Nazareta: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko.” (Lioka 4:18) Inona no zava-bitan’i Jesosy rehefa “tao aminy ny herin’ny fanahy”? (Lioka 4:14) Nanasitrana ny karazan’aretina rehetra izy, nampitony ny ranomasina nisamboaravoara, namahana olona an’arivony tamin’ny mofo sy trondro vitsy kely, ary nanangana ny maty mihitsy. Nilaza ny apostoly Petera fa ‘lehilahy nasehon’Andriamanitra an-karihary tamin’ny fahagagana sy fambara ary famantarana’ i Jesosy, ary “tamin’ny alalany no nanaovan’Andriamanitra izany.”—Asan’ny Apostoly 2:22.

Tsy manampy olona hanao fahagagana toy izany ny fanahy masina, ankehitriny. Afaka manao zavatra miavaka ho antsika anefa izy io. Vonona hanome ny fanahiny ho an’ireo mpivavaka aminy i Jehovah, araka ny nampanantenain’i Jesosy an’ireo mpianany. (Lioka 11:13) Afaka nilaza toy izao àry ny apostoly Paoly: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Filipianina 4:13) Mety hisy vokany be eo aminao koa ve ny fanahy masina? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro/Sary, pejy 5]

Porofo fa tsy olona ny fanahy masina

Ampitahain’ny Baiboly amin’ny rano ny fanahy masina. Nampanantena Andriamanitra fa hitahy ny mpanompony. Hoy izy: ‘Handatsahako rano izay mangetaheta, ary hasiako rano kely mikoriana any amin’ny tany karakaina. Handatsahako ny fanahiko ny zanakao, ary handrotsahako fitahiana ny taranakao.’—Isaia 44:3.

Rehefa mandatsaka ny fanahiny amin’ny mpanompony Andriamanitra, dia lasa “feno fanahy masina” izy ireo. Voalaza fa feno fanahy masina i Jesosy, Jaona Mpanao Batisa, Petera, Paoly, Barnabasy, ary ireo mpianatra niara-nivory tamin’ny Pentekosta taona 33.—Lioka 1:15; 4:1; Asan’ny Apostoly 4:8; 9:17; 11:22, 24; 13:9.

Diniho izao: Misy olona azo ‘alatsaka’ amin’ny olona be dia be ve? Afaka ‘mameno’ olona maro be ve ny olona iray? Tsy hety mihitsy izany. Miresaka olona feno fahendrena, na fahalalana marina, na fahiratan-tsaina ny Baiboly, fa tsy mitantara mihitsy hoe nisy olona feno olona hafa.—Eksodosy 28:3; 1 Mpanjaka 7:14; Kolosianina 1:9.

Ilay teny grika hoe pneoma, izay nadika hoe “fanahy”, dia midika koa hoe hery tsy hita maso. Milaza ny Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao (anglisy) fa “ilay teny hoe pneoma dia midika voalohany indrindra hoe rivotra ... ary koa fofon’aina. Midika hoe fanahy izy io, izay mitovy amin’ny rivotra, tsy hita maso, tsy manana vatana, ary mahery.”

Mazava àry fa tsy olona ny fanahy masina. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay hoe “Ny Marina Momba ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina”, pejy 201-204 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary nahazoan-dalana]

Photodisc/SuperStock