Ampianaro ny Zanakao
Nianatra Nankatò i Jesosy
SAROTRA aminao ve indraindray ny mankatò?... * Tsy mahagaga izany. Toy izany koa ny olona rehetra. Fantatrao ve fa na i Jesosy aza nianatra nankatò?...
Iza avy no tokony hankatoavin’ny ankizy, araka ny hevitrao?... Ie, ny dadanao sy mamanao. Milaza ny Baiboly hoe: “Ankatoavy ny ray aman-dreninareo araka ny sitrapon’ny Tompo.” (Efesianina 6:1) Ary iza no rain’i Jesosy?... I Jehovah Andriamanitra no rainy, ary Raintsika koa. (Matio 6:9, 10) Marina koa anefa raha namaly ianao hoe i Josefa no rainy ary i Maria no reniny. Fantatrao ve hoe ahoana no nahatonga azy ireo ho lasa ray aman-drenin’i Jesosy?...
Nilaza tamin’i Maria ny anjely Gabriela hoe ho bevohoka izy na dia tsy nanao firaisana aza. Hanao fahagagana lehibe i Jehovah hanatanterahana izany. Izao no nolazain’ilay anjely: “Ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.”—Lioka 1:30-35.
Nalain’Andriamanitra ny ain’ilay Zanany tany an-danitra, ary nafindrany tao an-kibon’i Maria. Nitombo tao an-kibon’i Maria io zaza io avy eo, tahaka ny zazakely hafa rehetra mitombo ao an-kibon-dreniny. Teraka i Jesosy sivy volana tatỳ aoriana. Nanambady an’i Maria anefa i Josefa talohan’ny hahaterahan’i Jesosy, ka nihevitra ny ankamaroan’ny olona fa i Josefa no tena rainy. Ray nitaiza azy fotsiny anefa i Josefa raha ny marina. Azo atao àry ny milaza fa nanana Dada anankiroa i Jesosy.
Nisy zavatra nataon’i Jesosy tamin’izy vao 12 taona nampiseho hoe tena tia an’i Jehovah Rainy any an-danitra izy. Nanao dia lavitra ho any Jerosalema ny fianakaviany tamin’izay, mba hankalaza ny Paska. Efa fanaon’izy ireo izany. Tsy tafaraka tamin’ny fianakaviany i Jesosy rehefa hody tany Nazareta izy ireo. Tsy voamarik’i Josefa sy Maria anefa izany. Tsy lasa saina ve ianao hoe fa nahoana no hadinon’izy ireo i Jesosy?...
Efa nanan-janaka hafa i Josefa sy Maria tamin’izay. (Matio 13:55, 56) Mety ho nisy havany koa niara-dia tamin’izy ireo, ohatra hoe i Jakoba sy Jaona, ary Zebedio sy Salome ray aman-drenin’izy ireo. Angamba rahavavin’i Maria i Salome. Mety ho nieritreritra àry i Maria hoe tafaraka tamin’ny havany i Jesosy.—Matio 27:56; Marka 15:40; Jaona 19:25.
Rehefa tsy hitan’i Josefa sy Maria i Jesosy, dia niverina haingana tany Jerosalema izy ireo. Niezaka nitady an’i Jesosy izy ireo. Hitan’izy ireo tao amin’ny tempoly izy, telo andro tatỳ aoriana. Hoy àry i Maria tamin’i Jesosy: ‘Fa nahoana ianao no manao anay toy izao? Jereo fa tena nitebiteby be nitady anao izaho sy rainao.’ Hoy anefa i Jesosy: “Fa maninona no nitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?”—Lioka 2:45-50.
Mety ve izany fomba famalian’i Jesosy ny reniny izany?... Fantatry ny ray aman-drenin’Salamo 122:1) Ara-dalàna àry raha nieritreritra i Jesosy hoe tokony ho tany amin’ny tempoly no nalehan’izy ireo voalohany rehefa nitady azy. Sa tsy izany?... Mbola tadidin’i Maria, tatỳ aoriana, ilay teny navalin’i Jesosy azy.
i Jesosy hoe tia nivavaka tao an-tranon’Andriamanitra izy. (Ahoana no fomba nitondran’i Jesosy an’i Josefa sy Maria?... Milaza ny Baiboly hoe: “Niara-nidina tamin’izy ireo nankany Nazareta izy, ka nankatò azy ireo foana.” (Lioka 2:51, 52) Inona no azontsika ianarana amin’i Jesosy?... Ie, tokony hankatò ny ray aman-drenintsika koa isika.
Tsy mora foana tamin’i Jesosy anefa ny nankatò, eny fa na dia ny nankatò an’ilay Rainy tany an-danitra aza.
Ny alina talohan’ny hahafatesany, dia niangavy an’i Jehovah i Jesosy raha mba azony atao ny miova hevitra, ka tsy hampanao azy an’ilay zavatra nasainy natao. (Lioka 22:42) Nankatò an’Andriamanitra anefa izy, na dia sarotra aza ilay iraka. Milaza ny Baiboly fa “nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany” izy. (Hebreo 5:8) Afaka mankatò toa an’i Jesosy koa ve isika, na dia sarotra aza ny zavatra asaina hataontsika?...
^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toy ity.