Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Azo Atao mba Hanampiana An’ireo Maty Vady?

Inona no Azo Atao mba Hanampiana An’ireo Maty Vady?

Inona no Azo Atao mba Hanampiana An’ireo Maty Vady?

Ao amin’ilay lakoziany maizimaizina i Jeanne. Nametraka vilia teo ambony latabatra izy, satria hisakafo. Tsikariny tampoka ireo vilia napetrany, ... ka nitomany izy. Hay nentim-pahazarana fotsiny izy, ka nanisy vilia roa! Efa roa taona anefa izay no maty ny vady malalany.

TSY ho takatrao ny halalin’ny fahorian’ny olona maty vady, raha mbola tsy nihatra taminao izany. Tsy mora amin’ilay maty vady ny hanaiky avy hatrany hoe tsy eo intsony ny vadiny. Toy izany no tsapan’i Beryl, vehivavy 72 taona. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe tsy marina ilay izy! Tsy nino aho hoe tsy hiditra eo amin’io varavarana io intsony ny vadiko.”

Na rehefa tapahina aza ny tongotry ny olona iray noho ny aretina, dia mety hieritreritra ihany izy indraindray hoe mbola eo ny tongony. Toy izany koa ny olona maty vady. Miresaka tampoka amin’ny vadiny izy indraindray, na hoatran’ny mahita azy eny afovoan’ny olona eny!

Matetika no tsy hain’ny namana sy ny fianakaviana izay hatao rehefa mahita an’izany fijaliana izany. Mahalala olona maty vady ve ianao? Ahoana no azonao ampaherezana azy? Inona no tokony ho fantatrao mba hanampiana azy ireny hizaka ny alahelony? Ahoana no atao mba hahatonga azy ho tafarina tsikelikely, ka hankamamy ny fiainana indray?

Inona no tsy tokony hatao?

Mety tsy ho tian’ny havana sy namana halahelo ela loatra ilay olona maty vady, satria ory izy ireo mahita azy mijaly. Hoy anefa ny mpikaroka iray, rehefa nanadihady vehivavy sy lehilahy 700 maty vady: “Tsy azo faritana ny faharetan’ny fotoana tokony halahelovana an’ilay olona maty.” Tsy tokony hosakanana tsy hitomany àry ny olona maty vady, fa homena fotoana hanehoany ny alahelony.—Genesisy 37:34, 35; Joba 10:1.

Ankoatra izany, na ilaina aza ny fanampianao, dia aza mieritreritra hoe ianao no tsy maintsy mikarakara ny zava-drehetra mifandray amin’ny fandevenana. Nahoana? Hoy i Paul, 49 taona, maty vady: “Faly aho hoe izaho ihany no navelan’ny olona hikarakara ny fandevenana ny vadiko, na dia nanampy ahy aza izy ireo. Tena faly koa aho hoe nizotra tsara ny zava-drehetra tamin’ilay fandevenana. Iny no zavatra farany azoko natao hanajana ny vadiko.”

Na izany aza, dia mankasitraka ny fanampiana azy ny olona maty vady. Hoy i Eileen, vehivavy 68 taona: “Tena sarotra tamiko ny nandamina ny fandevenana ny vadiko sy ny nikarakara ny taratasy rehetra nilaina, satria nikorontan-tsaina be aho. Soa ihany fa nanampy ahy ny zanako lahy sy ny vadiny.”

Aza matahotra miresaka momba an’ilay olona nodimandry koa anefa. Hoy ihany i Beryl: “Tena nampahery ahy ny namako. Maro tamin’izy ireny anefa no tsy sahy niresaka momba an’i John vadiko. Hoatran’ny hoe tsy nisy mihitsy izy, ka nalahelo aho.” Mety ho te hiresaka momba ny vadiny ny olona maty vady, rehefa mandeha ny fotoana. Aza matahotra àry miresaka momba ny vadiny. Raha misy zavatra tsaroanao momba ny vadiny, dia anontanio izy raha azonao tantaraina aminy ilay izy. Ohatra hoe naneho hatsaram-panahy taminao izy, na koa nisy zavatra mampihomehy mahakasika azy. Azonao resahina koa izay nahafinaritra anao taminy, na izay tena alahelovanao azy. Ho tsapan’ilay maty vady amin’izay fa miara-ory aminy ianao.—Romanina 12:15.

Rehefa manampy olona maty vady ianao, dia aza totofanao torohevitra izy. Mitandrema mba tsy hanery azy handray fanapahan-kevitra haingana loatra. * Mieritrereta tsara kosa, ary diniho hoe inona no zavatra tsara azonao atao, mba hanampiana azy hiatrika an’ilay fiovana tena sarotra mitranga eo amin’ny fiainany.

Inona no azonao atao?

Tena tian’ny olona maty vady ny fanampiana ataon’ny olona mandritra ireo andro vitsivitsy aorian’ny ahafatesan’ny vadiny. Afaka mikarakara sakafo ho azy àry ve ianao, na miarakaraka aminy? Sa afaka mampiantrano an’ireo havany avy lavitra?

Aza hadinoina koa fa tsy mitovy ny fomba iatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy ny fahafatesan’ny vadiny. Any amin’ny tany sasany, ohatra, dia antsasany mahery amin’ny lehilahy maty vady no manambady ao anatin’ny herintaona sy tapany, aorian’ny ahafatesan’ny vadiny. Mahalana kosa ny vehivavy vao manao izany. Inona no mahatonga izany?

Maro no mihevitra hoe manambady indray ny lehilahy, satria fotsiny hoe mila olona hikarakara azy, na te hanao firaisana. Tsy izany foana anefa no izy. Ny vadiny ihany mazàna no tena ilazan’ny lehilahy ny tsiambaratelony, ka tena manirery izy rehefa maty ny vadiny. Maro amin’izy ireny àry no mieritreritra hoe ny manambady ihany no vahaolana, na dia vao haingana aza no maty ny vadiny. Ny vehivavy kosa matetika mora mahita namana afaka mampahery azy, na dia hoe hadinon’ny naman’ny vadiny aza izy indraindray. Hita araka izany fa mety ho mora kokoa amin’ny vehivavy ny mizaka ny fiainany irery, fa sarotra kokoa amin’ny lehilahy.

Na lehilahy àry ilay maty vady na vehivavy, ahoana no azonao anampiana azy tsy hahatsiaro ho manirery loatra? Hoy i Helen, 49 taona, maty vady: “Maro ny olona te hanampy, nefa tsy tena manao zavatra. Matetika izy ireo no milaza fotsiny hoe: ‘Ilazao aho raha misy azoko atao e.’ Tena tiako anefa rehefa misy milaza hoe: ‘Andao hiaraka amiko hiantsena.’ ” Maty vady koa i Paul, ary kansera no nahafaty azy. Tena faly izy rehefa misy manasa. Nahoana? Hoy izy: “Tsy te hiaraka amin’olona aho indraindray, na tsy te hiresaka an’izay manjo ahy. Rehefa avy miara-mikorana amin’ny olona anefa aho, dia mahazo aina kokoa ary tsy mahatsiaro ho manirery loatra. Fantatro fa tena miahy ahy ny olona, ka maivana kokoa ny fahoriako.” *

Misy fotoana tena ilany fampaherezana

Tsapan’i Helen fa rehefa niverina nanao ny fiainany andavanandro ny havany, no tena nila fampaherezana izy. Hoy izy: “Eo anilanao ny fianakavianao sy ny namanao amin’ny voalohany, fa avy eo miverina amin’ny laoniny ny fiainan-dry zareo. Ny anao kosa tsy toy izany.” Mitadidy an’izany ny tena namana, ka miezaka manampy sy mampahery foana.

Misy fotoana tena ilan’ireny olona ireny fampaherezana. Ohatra hoe rehefa mitsingerina ny datin’ny mariaziny, na ny fotoana nahafatesan’ny vadiny. Nilaza i Eileen, voaresaka tany aloha, fa rehefa mitsingerina ny datin’ny mariaziny, dia manampy azy mba tsy hahatsiaro ho manirery loatra i Kevin, zanany lahy. Hoy izy: “Miaraka amiko i Kevin isaky ny mitsingerina io daty io. Entiny mitsangantsangana aho, ary miara-misakafo antoandro izahay.” Tena mafy amin’ny olona maty vady ny fotoana toy ireny, koa nahoana raha tadidinao ireny daty ireny? Ho afaka hiaraka aminy ianao amin’izay, na miangavy olon-kafa hanao izany.—Ohabolana 17:17.

Afaka mahazo fampaherezana amin’ny olona maty vady koa ny olona hafa maty vady. Hoy i Annie, izay maty vady valo taona izay: “Nisy vokany be tamiko ny nahita ny herim-pon’ny namako iray, izay maty vady koa. Nanampy ahy hiatrika ny fiainana izany, fa tsy ho kivy.”

Araka izany, dia afaka mampahery sy manampy ny hafa hanana fanantenana ny olona maty vady, rehefa mandeha ny fotoana. Mampiseho an’izany ilay fitantarana mampihetsi-po momba an’i Rota sy Naomy rafozambaviny, izay samy maty vady. Nifampahery izy ireo ka samy nandray soa. Nanampy azy ireo izany mba hizaka ny alahelony sy hiatrika zava-tsarotra.—Rota 1:15-17; 3:1; 4:14, 15.

Ao ny fotoana ahasitranana

Marina fa mety hahatsiaro ny vadiny foana ny olona maty vady, kanefa mila mikarakara izay ilainy koa izy. Mila mahay mandanjalanja izy ireo, mba hahafahany hankamamy ny fiainana indray. Nilaza i Solomona, mpanjaka hendry, hoe ao ny “fotoana itomaniana.” Ao koa anefa ny fotoana ahasitranana.—Mpitoriteny 3:3, 4.

Nilaza i Paul, voaresaka terỳ aloha, fa sarotra ny hanadino ny lasa. Hoy izy: “Toy ny hazo roa mifamatotra niara-naniry izahay mivady. Maty anefa ny hazo iray ary notapahina, ka lasa hafahafa ny paozin’ilay iray. Toa an’ilay hazo tavela aho. Hafahafa aho rehefa tsy teo intsony ny vadiko.” Misy olona maty vady mieritreritra hoe mivadika amin’ny vadiny izy, raha manadino ny lasa. Misy koa tsy mety mivoaka ny trano, na tsy mety mifandray amin’olona, satria mieritreritra hoe mivadika amin’ny vadiny izy raha mifalifaly. Ahoana no azo anampiana azy ireny amin-katsaram-panahy, mba hahatonga azy hanaiky ho sitrana sy hiatrika ny fiainana indray?

Ampio izy hamboraka ny fihetseham-pony. Hoy i Herbert, izay maty vady enin-taona izay: “Tena tiako rehefa nihaino ahy ny olona tonga nitsidika ahy. Namisavisa ny lasa aho, na niresaka an’izay rehetra tao an-tsaiko. Tsy nahafinaritra foana ny niaraka tamiko, nefa niara-ory tamiko izy ireo. Tena nankasitrahako izany.” Nanohina ny fon’i Paul koa ny nataon’ny namana matotra iray. Nanontany azy matetika izy io hoe nanao ahoana ny fihetseham-pony. Hoy i Paul: “Nanontany ahy tamim-pahalemem-panahy izy, sady tsapako hoe tena niahy ahy. Nankasitrahako izany, ka matetika aho no nilaza taminy izay tsapako tamin’io fotoana io.”—Ohabolana 18:24.

Mety ho manenina, na manamelo-tena, na tezitra ny olona maty vady. Tena manampy azy ireny hanaiky an’ilay fiovana eo amin’ny fiainany ny famborahany an’izany. Toy izany i Davida Mpanjaka. Namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah Andriamanitra, ilay namana tsara indrindra, izy, ka nahazo hery mba hahafahany ‘hiarina’ fa tsy hitanondrika foana. Lasa nanaiky izy hoe maty tokoa ny zanany, na dia nalahelo be aza.—2 Samoela 12:19-23.

Mila miverina manao ny fiainany andavanandro ny olona maty vady, na dia sarotra aza izany amin’ny voalohany. Afaka manampy azy ianao, raha mitondra azy rehefa manao zavatra amin’ny andavanandro, ohatra hoe miantsena, na mandehandeha kely. Azonao iangaviana hanampy anao koa izy, mba tsy hitokantokana. Ohatra hoe hiandry ny zanakao. Azonao anontaniana azy koa ny fomba fandrahoana karazan-tsakafo sasany. Resaho koa izy raha misy zavatra simba ao an-tranonao, ka hainy ny manamboatra azy. Hanan-javatra mahaliana hatao izy amin’izay, sady hahazo toky hoe tena ilaina.

Mety hankamamy tsikelikely ny fiainana indray ny olona maty vady, rehefa mifandray amin’ny olon-kafa toy izany. Mety hanana tanjona vaovao mihitsy aza izy. Hoy i Yonette, vehivavy 44 taona, maty vady: “Mafy be tamiko ny niverina nanao ny fiainako andavanandro! Sady nanao raharaha aho, no nitantam-bola, no nikarakara ny zanako telo mianadahy. Tsy mora ilay izy!” Lasa nahay nandamin-javatra sy nifampiresaka tsara kokoa tamin-janany anefa i Yonette tatỳ aoriana. Tsapany koa fa ilaina ny manaiky ny fanampian’ny namana.

Mbola sarobidy foana ny fiainana’

Miovaova be ny fihetseham-pon’ny olona maty vady sy ny zavatra antenainy, mandritra ireo volana na taona maromaro aorian’ny ahafatesan’ny vadiny. Mety ho tony izy ireny indraindray, nefa mety ho ketraka mafy koa. Tena mety ho ‘ory’ mafy ny “fony.” (1 Mpanjaka 8:38, 39) Ilaina ny mitadidy an’ireo, mba hahafahana hanampy tsara azy ireny.

Amin’ny fotoana mahakivy azy indrindra ny olona maty vady no mila tosika kely, mila fampaherezana mba hahatonga azy tsy hanadino ny tena zava-misy ka hitokantokana. Maro no lasa nanana tanjona indray, noho ny fanampiana toy izany. Hoy i Claude, lehilahy 60 taona, maty vady, ary mpanompo manontolo andro any Afrika: “Mbola sarobidy amiko foana ny fiainana, na dia nahatsapa ny ngidin’ny hoe maty vady aza aho.”

Miova tokoa ny fiainan’ny olona aorian’ny ahafatesan’ny vady malalany. Na izany aza, dia mbola manan-javatra maro hozaraina amin’ny olon-kafa izy ireny.—Mpitoriteny 11:7, 8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Misy soso-kevitra hafa momba ny fomba hanampiana ny olona nidonam-pahoriana ao amin’ilay bokikely navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, pejy 20-25.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Miezaka manampy sy mampahery foana ny tena namana

[Efajoro/Sary, pejy 12]

 Hanampy Azy ho Sitrana sa vao Mainka Hampalahelo?

Hoy i Helen, izay maty vady taona vitsivitsy lasa izay: “Betsaka ny entan’ny vadiko notehiriziko. Hitako hoe nahatonga ahy hahatsiaro zavatra mahafinaritra maro izy ireny, arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Tsy tonga dia nomeko olona izy ireny, satria fantatro fa mety hiova be ny fihetseham-po rehefa mandeha ny fotoana.”

Hoy kosa i Claude, izay maty vady dimy taona lasa izay: “Tsy voatery ho feno entan’ny vadiko manodidina ahy, vao hahatsiaro azy aho. Tsy nitahiry ny entany aho, ary nanampy ahy izany hanaiky ny zava-misy. Lasa mora kokoa tamiko ny nizaka ny alaheloko.”

Samy manana ny safidiny ny olona maty vady, na hitahiry ny entan’ny vadiny, na tsia. Hendry àry ny havana sy ny namana, raha tsy manery azy hanaraka ny hevitr’izy ireo.—Galatianina 6:2, 5.

[Sary, pejy 9]

Misy andro manokana ve tena ilany ny fanampianao?

[Sary, pejy 9]

Aza hadinoina ny manasa azy ireny hiaraka aminao

[Sary, pejy 10]

Asao hiala voly hiaraka aminao izy, na hanampy anao hanao zavatra fanaonao andavanandro