‘Fa Manao Inona eo Ireo?’
Taratasy avy any Afrika Atsimo
‘Fa Manao Inona eo Ireo?’
“TANDREMO! BE MPANGALATRA SY MPIVARO-TENA ETỲ!” Izany no nisoratra teo amoron-dalana. Nataonay naka sisiny ny fiaranay, satria efa nisy fiara vitsivitsy niandry anay terỳ alohaloha. Teo ambanina takela-by lehibe iray ry zareo, ary voalaza eo hoe misy toerana fialana voly sy filokana any ambanimbany any. Feno vovoka ilay toerana nijanonanay. Nisy fiara tsara tarehy nandalo, ary hoatran’ny gagagaga ny olona tao anatiny nahita anay. Toa lasa saina ry zareo hoe: ‘Fa manao inona eo ireo?’
Nivoaka ny fiara izahay, ary nankeo amin’ireo namanay teo ambanin’ilay takela-by. Madio sy milamina tsara ny akanjonay rehetra. Olona samihafa firazanana izahay no tafaraka, ary mbola tsy fahita firy izany atỳ Afrika Atsimo. Avy any Johannesburg izahay, ary nandeha 100 kilaometatra nianavaratra nankany amin’io toerana io, mba hitory ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
Namakafaka andinin-teny iray izahay, nandamina ny fomba hanaovana an’ilay fitoriana, ary nivavaka. Samy namonjy ny fiarany ny rehetra avy eo. Nahatazana lemaka izahay, ary feno trano tsizarizary nitsitokotoko teny. Mbola nisy trano koa terỳ lavitra terỳ. Feno fako misavovona avy amina orinasa mpitrandraka platinina teo akaikiny. Tena kely ireo trano ireo eo anatrehan’ilay fako. Mahantra be ny mponina nefa feno harena an-kibon’ny tany ilay toerana.
Niaraka tamin’ny vahiny roa avy any Alemaina izahay mivady. Nitory isan-trano izahay ny maraina. Tsy an’asa ny ampahatelon’ny mponina, ka tsotsotra ny tranony. Fanitso no ataon’ny olona sasany rindrina, ary hazo efa ratsiratsy no iraiketany. Nakambana tamin’ny fantsika be izy ireo, ary kapisily nofisahina no natao lafik’ireo fantsika.
Manao “haody” eny am-bavahady aloha izahay, ary vehivavy mazàna no mandray anay. Mihaino tsara ny olona, ary ataony toy ny vahiny manan-kaja izahay. Migaingaina be ny andro, ka manevokevoka ao anatin’ilay trano fanitso. Irahina maka seza any an-trano ny ankizy mazàna, mba hipetrahanay eo ambany hazo.
Eo daholo ny mpianakavy, ary mipetraka eo ambony sezakely ratsiratsy na kesika nahohoka. Na ny ankizy milalao aza antsoina hihaino. Mamaky andinin-teny izahay, ary asainay mamaky ampahany kely amin’ilay
gazety nentinay ny ankizy efa mianatra. Faly ny ankamaroan’ny olona rehefa omenay gazety, ary maro no miangavy anay hiverina.Niato kely izahay ny antoandro, mba hihinana mofo sy hiala hetaheta. Nitsidika an’ireo olona efa nitorianay taloha izahay avy eo. Nankany amin’i Jimmy aloha izahay. Avy any Malawi izy, ary miasa ao amin’ilay toeram-pitrandrahana platinina. Efa volana maromaro izahay no nampianatra Baiboly azy. Faly mandray anay foana izy. Vehivavy avy eto an-toerana no vadiny, ary niteraka roa ry zareo. Tsy tao an-trano izy tamin’izahay nankany farany, ka mba tianay ho fantatra hoe manao ahoana izy izay.
Gagagaga izahay rehefa tonga tany. Tsy voakarakara intsony ny zaridainany, nalazo ny katsaka namboleny, ary na ireo akoho mpitsindroka teny an-tokotany aza tsy hita intsony. Nihidy rojo vy be ny varavarana. Nanatona anay ny vehivavy iray mpiara-monina taminy, ary nanontanianay hoe aiza i Jimmy. Taitra be izahay satria hoy izy: ‘Maty izy, dia lasa nody any amin’ny ray aman-dreniny ny vady aman-janany.’
Tsy mety atỳ aminay ny midikiditra amin’ny fiainan’ny olona, nefa nanadihady ihany izahay. Hoy ilay vehivavy: “Narary izy, dia maty. Mirongatra ny aretina tato ho ato, ka be dia be no maty.” Tsy nilaza mazava ny nahafatesan’i Jimmy ilay vehivavy, satria tsy fomban’ny olona ny miresaka an’izany. Hita anefa fa marina ny teniny, satria mihamaro ny fasana eny akaiky eny. Noresahinay vetivety taminy fa mbola hatsangana ny maty. Nalahelo be izahay rehefa niala teo.
Nankany an-tanàna hafa izahay. Nisy fako nisavovona teo amin’ny faran’ilay izy. Nanaraka lalan-tany mankao amin’ny trano iray izahay rehefa tonga teo. Nisy soratra nivandravandra teo amin’ny vato be iray teo an-jaridaina hoe: ‘Ho lany fotoana izay miroaroa saina sy mangataka andro.’ Lehilahy atao hoe David * no nanoratra azy io. Nitsirika anay avy ao aorian’ny fiarany izy, ary niketrona kely satria notarafin’ny masoandro mody. Nitsiky izy rehefa hitany tsara izahay. Nanjelanjelatra erỳ ny nify volamenany. Nofafany ny tanany, ary nanatona hiarahaba anay izy.
“Manahoana ianareo!”, hoy izy. “Elaela ianareo izany an!” Faly izahay nahita azy indray. Niala tsiny izy fa tsy afaka ny hiresaka aminay ela be. Efa nahita asa tao amin’ilay toeram-pitrandrahana, hono, izy, ary tsy maintsy mankany. Nitsikitsiky foana i David nandritra ny resakay. Faly erỳ izy niteny hoe: “Niova be ny fiainako hatramin’iny nihaonantsika voalohany iny! Asa izay nahazo ahy raha tsy tonga tatỳ ianareo tamin’iny.”
Nampahery anay ny teniny. Efa hilentika ny masoandro tamin’izay, ka nandeha nody izahay. Nitazana farany an’ilay lemaka izahay teny an-dalana. Manjavozavo ilay izy tarafin’ilay masoandro mody. Lasa saina izahay hoe: ‘Mba hahare ny vaovao tsara daholo ihany ve ny olona ao?’ Hitanay mihitsy fa marina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Be tokoa ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy.”—Lioka 10:2.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Novana ny anarana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Kind permission given by the South African Post Office