Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tsy Mivadika Ianao’

‘Tsy Mivadika Ianao’

Manatòna An’Andriamanitra

‘Tsy Mivadika Ianao’

2 SAMOELA 22:26

MALAHELO be isika rehefa mandiso fanantenana na mamadika antsika ny olona natokisantsika. Fahita izany eto amin’ity tontolo feno olona mpamadika ity. (2 Timoty 3:1-5) Iza no azontsika antenaina fa tsy hivadika amintsika mihitsy? Andeha isika hijery ny tantaran’i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny.

Nisy namadika foana i Davida ary mbola tsy nisy niaritra ny mafy toa azy. Tsy nanao ratsy izy, nefa voatery nandositra foana. Nialona azy mantsy i Saoly, mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, ka nanenjika azy. Na i Mikala vadiny aza namadika azy, ka “nanamavo azy anakampo.” (2 Samoela 6:16) Nisy nikomy tamin’i Davida koa, ary anisan’ireo i Ahitofela, mpanolo-tsaina natokisany. Iza, hoy ianao, no nitarika an’io fikomiana io? I Absaloma zanak’i Davida ihany! Maro tokoa ny olona namadika an’i Davida. Kivy ve izy, ka nieritreritra fa tsy misy azony atokisana intsony?

Hitantsika ao amin’ny 2 Samoela 22:26 ny valin’izany. Tena nanam-pinoana izy ka nihira ho an’i Jehovah Andriamanitra hoe: “Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihanao.” Natoky izy fa tsy hivadika aminy mihitsy i Jehovah, na dia mandiso fanantenana azy aza ny olona.

Andeha hofakafakaintsika ilay tenin’i Davida. Azo adika hoe “tsara fanahy sy be fitiavana” ilay teny hebreo nadika hoe “tsy mivadika.” Tia anao ny olona iray matoa tena tsy mivadika aminao. Tena tia an’ireo tsy mivadika aminy koa i Jehovah. *

Tadidio koa fa tsy ao am-po fotsiny ny hoe tsy mivadika fa aseho amin’ny atao. Nasehon’i Jehovah tamin’i Davida fa tsy mivadika izy. Nampian’i Jehovah foana io mpanjaka tsy nivadika io, nandritra ny fotoana tena nampahory azy, ka narovany sy nomeny tari-dalana. Nankasitraka izany i Davida. Nilaza izy fa i Jehovah no namonjy azy “teo am-pelatanan’ny fahavalony rehetra.”—2 Samoela 22:1.

Inona no ianarantsika avy amin’io tenin’i Davida io? Tsy miova mihitsy i Jehovah. (Jakoba 1:17) Mitana ny fitsipiny sy ny fampanantenany foana izy. Hoy koa i Davida: ‘Tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy i Jehovah.’—Salamo 37:28.

Tena tian’i Jehovah izay tsy mivadika aminy. Faly be izy rehefa mankatò azy isika. Ampirisihiny hanahaka azy koa isika, ka tsy hivadika amin’ny hafa. (Efesianina 4:24; 5:1) Raha manao izany isika, dia afaka matoky fa tsy hahafoy antsika mihitsy izy. Matokia fa tsy hivadika aminao mihitsy i Jehovah, na mandiso fanantenana anao aza ny olona. Hanampy anao hiatrika an’izay fitsapana mahazo anao izy. Tsy mandrisika anao hanatona an’i Jehovah, “ilay Tsy Mivadika”, ve izany?—Apokalypsy 16:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Mitovy amin’izay voalazan’ny 2 Samoela 22:26 ny Salamo 18:25. Izao no andikan’ny Baiboly iray an’io salamo io: “Tena tianao ny olona tsy mivadika.”—Salamo Maoderina (anglisy).