Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Momba ny Fahasambarana

Momba ny Fahasambarana

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...

Momba ny Fahasambarana

Inona no tena mahasambatra?

▪ Niresaka momba ny fahasambarana i Jesosy, teo am-piandohan’ny toriteniny malaza indrindra. Hoy izy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Inona no tiany holazaina?

Mila mifoka rivotra sy misotro rano ary misakafo isika mba ho velona, toy ny biby ihany. Misy mampiavaka antsika amin’ny biby anefa. Mila an’Andriamanitra isika, satria izy no Mpamorona. Izy ihany no afaka manampy antsika hahalala ny antony iainantsika ary ilaintsika izany mba hahasambatra. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4) Sambatra ny olona mahatsapa hoe mila an’Andriamanitra, satria lasa mifandray akaiky amin’ilay “Andriamanitra falifaly”, dia i Jehovah. Manome azy ireo fanantenana izy, ary tena ilaina izany mba hahasambatra.—1 Timoty 1:11.

Ahoana no nanomezan’i Jesosy fanantenana ho an’ny olona?

▪ Hoy i Jesosy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5) Nanome fanantenana i Jesosy, rehefa nanasitrana ny marary sy nanangana ny maty. Nanome fanantenana koa izy tamin’ny alalan’ny hafatra nentiny. Hoy izy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona mankatò an’Andriamanitra. Eritrereto ange izany hoe hiaina miaraka amin’ny olona malemy fanahy izany, sady tsy hihantitra mihitsy! Tsy mahagaga raha hoy ny Baiboly: “Mifalia amin’ny fanantenana.” (Romanina 12:12) Nohazavain’i Jesosy koa ny fomba ahazoantsika fahasambarana dieny izao.

Inona no fomba fiaina mitondra fahasambarana?

▪ Nanome torohevitra azo ampiharina tsara momba ny fifandraisana amin’olona, ny fanambadiana, ny fanetren-tena, ary ny fiheverana ny harena i Jesosy. (Matio 5:21-32; 6:1-5, 19-34) Ho sambatra ianao raha manaraka ny toroheviny.

Sambatra koa ny olona rehefa malala-tanana. (Asan’ny Apostoly 20:35) Hoy i Jesosy: ‘Ny mahantra sy ny kilemaina sy ny malemy tongotra ary ny jamba no asao, rehefa manasa olona hisakafo ianao. Amin’izay dia ho sambatra ianao, satria tsy manan-kavaly anao ireo.’ (Lioka 14:13, 14) Sambatra isika rehefa manao izay hahasambatra ny hafa, fa tsy mitady izay hahasambatra antsika fotsiny.

Inona no mahasambatra indrindra?

▪ Mahasambatra ny manao zavatra ho an’olona, fa mahasambatra kokoa ny manao zavatra ho an’Andriamanitra. Na ny fahasambaran’ny ray aman-dreny mirehareha ny amin’ny zanany aza, tsy afaka mitaha amin’izany! Mampiseho izany ny tenin’i Jesosy tamin’ny vehivavy iray nilaza taminy hoe: “Sambatra ny kibo izay nitondra anao, sy ny nono izay ninonoanao!” Hoy i Jesosy namaly azy: “Tsy izany mihitsy, fa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany kosa no sambatra!”—Lioka 11:27, 28.

Faly sady sambatra i Jesosy nanao ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra. Sitrapon’Andriamanitra ny hahafantaran’ny olona fa afaka hiaina mandrakizay izy ireo. Rehefa avy niresaka momba izany tamin’ny olona liana iray i Jesosy, dia nilaza hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.” (Jaona 4:13, 14, 34) Ho sambatra koa ianao, raha miresaka amin’ny olona momba ny fahamarinana ara-baiboly, satria mampifaly an’Andriamanitra izany.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko voalohany ao amin’ity boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ity.

[Sary, pejy 16]

Hahatsapa ny tena fahasambarana ianao, raha miezaka mamantatra hoe inona no antony iainantsika