Nirahina ‘Hanao Mpianatra’ Ireo Misionera
Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy Faha-128
Nirahina ‘Hanao Mpianatra’ Ireo Misionera
“MBA handrenesan’ny firenena rehetra ny vaovao tsara, dia misy Kristianina vonona handao ny fianakaviany sy ny taniny mba hitory any an-tany hafa.” Izany no teny fanokafana nataon’i David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fotoan-dehibe iray.
Olona efa ho 8 000 no vory lanona tamin’ny 13 Martsa 2010, mba hanatrika ny fizarana diplaoman’ny kilasy faha-128 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Fianakaviana sy namana ary solontena avy amin’ny firenena 27 no tonga teo.
“Tsy nijanona fotsiny tany an-trano ireo mpianatra”
Ny Rahalahy Splane no nanokatra ny fandaharana, ka nanazava ilay didin’i Jesosy hoe: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Matio 28:19, 20) Nasongadiny fa nasain’i Jesosy nanatona ny olona ny mpianany. Marina fa nisy olona tonga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33, ka nandre ny vaovao tsara. Avy tany Mezopotamia sy Afrika Avaratra ary faritra maro nanjakan’ny Romanina izy ireny. Na izany aza, dia “tsy nijanona fotsiny tany an-trano ireo mpianatra, ka hoe niandry ny olona hanatona azy”, hoy ny mpandahateny. “Izy ireo kosa no nanatona ny olona ka nandeha tany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.”—Asan’ny Apostoly 1:8.
Hoy ny Rahalahy Splane: “Tsy nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany fotsiny izay tokony hatao, fa nampianariny koa ny fomba hanaovana izany. Tsy nasainy nivavaka fotsiny, ohatra, izy ireo fa nampianariny hivavaka. Tsy nirahiny hitory fotsiny izy ireo, fa nampianariny ny fomba fitory koa. Tsy nampirisika azy ireo mba ho mpampianatra mahay fotsiny izy, fa nasehony ny fomba fampianatra mandaitra.”
Te hanome toky ny ray aman-drenin’ireo misionera vaovao ilay mpandahateny, ka nilaza fa nampanantena ny mpianany i Jesosy hoe: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:20) Azo antoka, hoy ny Rahalahy Splane, fa hikarakara foana an’ireo misionera i Jesosy, any amin’ny tany anendrena azy ireo.
‘Aoka ianareo hirehareha’
Nampirisika an’ireo mpianatra i Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, mba “hirehareha.” Nilaza izy hoe misy fireharehana mety, fa misy kosa tsy mety. Tsy mety ilay izy raha ny tenantsika no tiantsika hahazo voninahitra. Ity voalazan’ny 1 Korintianina 1:31 ity kosa no mety: “Izay mirehareha, dia aoka ho i Jehovah no ho reharehany.” Hoy ny Rahalahy Morris: “Tokony hirehareha isika, satria mahalala an’i Jehovah Andriamanitra. Ny voninahitra lehibe indrindra ho antsika, dia ny hoe anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mitondra ny anarany masina.”—Jeremia 9:24.
Nasongadin’ilay mpandahateny avy eo fa zava-dehibe ny mampahafantatra ny anaran’i Jehovah. Nitantara ny zavatra niainan’ny mpivady misionera atsy Afrika izy. Nanao dia lavitra izy ireo, satria hanao lahateny ara-baiboly ilay rahalahy. Teo amin’ny toeram-pisavana iray, dia nisy miaramila nanambana basy azy ary nanontany hoe iza izy. Nahatsiaro izay nianarany tamin’ny Sekolin’i Gileada ny vadiny, ka nibitsibitsika hoe: “Lazao hoe Vavolombelon’i Jehovah ianao, ary handeha hanao lahateny ara-baiboly.” Nanaraka ny teniny ilay
rahalahy, ka nahazo nandeha izy ireo. Ny ampitso, dia henon’izy mivady tamin’ny radio fa nandidy ny miaramila ny filoha, mba hikaroka mpamono olona mody manao hoe misionera. Soa fa tsy nilaza izy ireo hoe misionera fa hoe Vavolombelon’i Jehovah, ka afaka nisoroka loza! Namarana ny lahateniny ny Rahalahy Morris hoe: “Aoka àry ianareo hirehareha rehefa tonga any amin’ny tany anendrena anareo. Tokony hampirehareha anareo ireo zavatra hataon’i Jehovah, satria ampiasany hanome voninahitra azy mandrakizay ianareo.”“Ho vitanareo ve ny iraka nampanaovina anareo?”
Efa misionera i Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ka nanampy ny mpianatra handinika an’io fanontaniana io. Hoy izy: “Inona no dikan’ny hoe misionera?” Nohazavainy fa ny hoe “misionera” dia avy amin’ny teny latinina manondro olona iray na maromaro nahazo iraka manokana. Vavolombelon’i Jehovah isika ka nirahina hitory ny vaovao tsara sy hanampy ny olona hifandray amin’Andriamanitra. Modely ho antsika i Jesosy Kristy, izay nifantoka tamin’ny iraka nampanaovina azy foana. Hoy izy tamin’i Pontio Pilato, governora romanina: “Izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.”—Jaona 18:37.
Niresaka momba ny ady tao Jeriko, tantarain’ny Baiboly, ilay mpandahateny. Nandritra ny enina andro, dia nifoha maraina ireo miaramila israelita, nitondra fiadiana, nihodidina an’i Jeriko, ary nody. “Hoatran’ny tsisy dikany sy hafahafa izany, raha ny fijerin’olombelona”, hoy ilay mpandahateny. Nilaza izy fa mety ho nisy miaramila nieritreritra hoe: ‘Lany andro fotsiny isika.’ Tamin’ny andro fahafito anefa, dia nasaina nihodidina an’ilay tanàna impito ny Israelita, ary avy eo nihorakoraka mafy nanao hiakan’ady. Inona no vokany? Nirodana ny mandan’i Jeriko!—Josoa 6:13-15, 20.
Naka lesona efatra avy tamin’iny tantara iny ny Rahalahy Jackson. 1) Tena ilaina ny mankatò. Ny fihevitr’i Jehovah no tokony harahintsika, fa tsy hihevitra isika hoe ny antsika no tsara kokoa. 2) Zava-dehibe ny finoana sy fatokisana an’i Jehovah. “Finoana no nampianjera ny mandan’i Jeriko”, fa tsy fitaovam-piadiana. (Hebreo 11:30) 3) Manàna faharetana. Hahazo fitahiana avy amin’i Jehovah ianareo raha maharitra. (Deoteronomia 28:2) 4) Aza milavo lefona. Aza hadinoina mihitsy ny iraka nampanaovina anareo. Hoy ny Rahalahy Jackson, namarana ny teniny: “Raha mitadidy an’ireo hevitra ireo ianareo, dia ho vitanareo ny iraka nampanaovina anareo ho voninahitr’i Jehovah.”
Zava-nisongadina hafa
“Tiavo ny Baiboly sy Ilay Nampanoratra Azy.” Io no loha hevitra novelabelarin’i Maxwell Lloyd, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. Hoy izy: “Avelao hanan-kery eo amin’ny fiainanareo ny Baiboly.” Nampirisika izy avy eo hoe: Aza avela hihena mihitsy ny fitiavanareo an’i Jehovah Andriamanitra. Aza mieritreritra hoe ho azon’ny olona daholo izay ampianarinareo. Ataovy izay hampitana ny fahamarinana amin’ny fomba tsotra mba hanohinana ny fon’ny mpianatrareo. Manetre tena. Aza aseho mihitsy hoe mahay kokoa ianareo. Aoka ianareo ho modely. Ataovy hitan’ny mpianatrareo fa tena tianareo ny Baiboly.
“Diniho Tsara ny Goaika.” Io no lahateny nataon’i Michael Burnett, mpampianatra sady efa misionera. Nilaza izy fa mety hanahy isika indraindray. Tadidio anefa ity torohevitr’i Jesosy ity: “Diniho tsara ange ny goaika e! Tsy mamafy na mijinja ireny, ... kanefa Andriamanitra mamelona azy.” (Lioka 12:24) Biby maloto ny goaika araka ny Lalàn’i Mosesy, ka tsy azo nohanina, sady noheverina ho maharikoriko. (Levitikosy 11:13, 15) Manome sakafo azy ireny anefa Andriamanitra. “Tadidio àry ny goaika”, hoy ny Rahalahy Burnett, “rehefa misy zavatra tena mampanahy anareo. Vorona noheverina ho maloto aza karakarain’Andriamanitra, tsy mainka ve fa ianareo izay madio eo imasony?”
Matio 20:13, 14) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa. Hoy ny Rahalahy Noumair: “Tsy ho faly ianao raha manao fampitahana. Ny loza aza, dia mety hiala amin’ny fanendrena anao ianao ka hamoy ny tombontsoa sarobidy anananao.” Nampahatsiahy koa izy fa i Jesosy no mpitarika ny asa fijinjana ankehitriny, ary afaka manao izay tiany amin’ny mpanara-dia azy. Raha manapa-kevitra ny hanome tombontsoa ho an’ny hafa àry i Jehovah sy Jesosy, dia tsy hoe manao ny tsy rariny aminao izy ireo. Aza mijery izay “karama” azon’ny hafa, fa ny anao eritreretina, sao hahatonga anao tsy hifantoka amin’ny asa ampanaovin’i Jehovah izany.
“Tsy Manao ny Tsy Rariny Aminao Aho.” Nohazavain’i Mark Noumair, mpampianatra, ny fanoharan’i Jesosy momba ireo mpiasan’ny tanimboaloboka. Niasa mafy nandritra ny andro manontolo ny mpiasa sasany. Nisy kosa niasa adiny iray monja. Karama nitovy anefa no azon’izy ireo! Nimenomenona àry ireo niasa ela kokoa, ka hoy ny tompon’ilay tanimboaloboka: “Tsy manao ny tsy rariny aminao aho. Tsy denaria iray ve no nifanekenao tamiko? Raiso ny anao ka mandehana.” (Fitantarana sy fanadinadinana
Miara-mitory amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ireo mpianatra, rehefa tsy mianatra na tsy manao entimody. Nanadinadina mpianatra vitsivitsy i Sam Roberson, mpampianatra. Nihaona tamin’ny vehivavy iray, ohatra, ny Anabavy Alessandra Kirchler. Nifoka sigara be ny zanakalahin’io vehivavy io ka niady saina izy. Niverina tany i Alessandra, ary nitondra lahatsoratra momba ny fialana amin’ny sigara, tao amin’ny Mifohaza! Tsy nisy olona tao an-trano, nefa napetrany ilay izy. Nihaona ihany izy ireo tamin’ny farany, ary nilaza ilay vehivavy fa tiany ilay lahatsoratra. Hoy koa izy: “Matetika aho no nieritreritra hoe misy zavatra tian’Andriamanitra hianarako ve matoa aho andefasany fitsapana be dia be.” Nasehon’i Alessandra avy tao amin’ny Baiboly fa tsy Andriamanitra no mahatonga ny ratsy mitranga amintsika. (Jakoba 1:13) Mianatra Baiboly izao ilay vehivavy sy ny zanany.
Nanadinadina misionera telo efa nahazo diplaoma i Melvin Jones, ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana. Ireto avy izy ireo: I Jon Sommerud, mitory any Albania, Mark Anderson, mitory any Kenya, ary James Hinderer, ao amin’ny sampan-draharahan’ireo sekoly any Patterson. Samy niaiky izy telo fa tsy hoe ireo fahamarinana lalina ihany no ampianarina an’ireo misionera, fa ny fomba hampiharany an’izany koa, na aiza na aiza alehany.
Namaky taratasy fisaorana nampihetsi-po avy eo ny mpianatra iray. I John Barr, 96 taona izay zokiny indrindra amin’ny Filan-kevi-pitantanana, no namarana ny fandaharana tamin’ny vavaka, ka nangataka ny fitahian’i Jehovah ho an’ny kilasy faha-128 amin’ny Sekolin’i Gileada.
[Tabilao/Sarintany, pejy 31]
ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY
8 tany nanana solontena
54 mpianatra
27 mpivady
35,2 salanisan-taona
19,1 salanisan’ny taona naha vita batisa
13,8 salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro
[Sarintany]
(Jereo ny gazety)
Notendrena any amin’ireo firenena 25 aseho eto ambany ireo mpianatra:
TANY NANENDRENA
ALBANIA
ARUBA
BOLIVIA
KAMBÔDZA
CÔTE D’IVOIRE
REPOBLIKA DOMINIKANINA
EKOATERA
GHANA
GOATEMALÀ
GUINÉE
GUYANA
HONDURAS
INDONEZIA
KOSOVO
LETONIA
LIBERIA
MADAGASIKARA
MONGOLIA
NAMIBIA
NIKARAGOÀ
PARAGOAY
ROMANIA
RWANDA
SERBIA
TAÏWAN
(FARITRA IANDRAIKETAN’NY SAMPAN’I AOSTRALIA)
[Sary, pejy 30]
Mpianatra nanao fampisehoana ny zavatra hitany teny am-pitoriana
[Sary, pejy 31]
Ny Kilasy Faha-128 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada
Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Keller, E.; Ostopowich, I.; Jacobsen, S.; Arias, M.; Dieckmann, Y.; Tanaka, J.; Harada, K.
2) Camacho, L.; Kirchler, A.; Rodríguez, S.; Ward, B.; Trenalone, K.; Victoria, V.; Oxley, F.; Nguyen, K.
3) Oxley, O.; De Dios, A.; Lindström, C.; Allen, J.; Meads, T.; Waddington, J.; Victoria, E.
4) Harada, H.; Lindström, A.; Orsini, E.; Logue, D.; Missud, T.; Bergeron, S.; Camacho, G.; Ward, T.
5) Kirchler, W.; Nguyen, H.; Kremer, E.; Burgaud, C.; Titmas, N.; De Dios, C.; Rodríguez, A.; Waddington, M.
6) Dieckmann, J.; Allen, C.; Titmas, R.; Arias, J.; Bergeron, E.; Keller, J.; Ostopowich, F.; Burgaud, F.
7) Tanaka, K.; Kremer, J.; Jacobsen, R.; Trenalone, J.; Logue, J.; Meads, D.; Missud, D.; Orsini, A.