Matokia An’i Jehovah fa Tena Hanampy Anao Izy
Matokia An’i Jehovah fa Tena Hanampy Anao Izy
Notantarain’i Edmund Schmidt
Io no torohevitra tonga tao an-tsaiko, talohan’ny hitsarana ahy tany New York, tamin’ny Oktobra 1943. Nogadraina aho avy eo noho izaho tsy nety hanao miaramila. Efa nigadra efa-taona latsaka kely aho talohan’ny faha-25 taonako. Tapa-kevitra aho hanao toy ny mpianatr’i Jesosy, izay nilaza hoe: ‘Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no ankatoavinay, fa tsy olona.’ (Asan’ny Apostoly 5:29) Alohan’ny hitantarako izay nitranga, dia aleo hohazavaiko izay nahatonga ahy hino tanteraka an’Andriamanitra.
TAMIN’NY 23 Aprily 1922 aho no teraka, tao an-tranonay, tany Cleveland, Etazonia. Mpanao mofo sy mofomamy i Edmund raiko, ary tao ambany rihana izy no niasa. Nandeha tany amin’ny 160 kilaometatra, tany Cedar Point, izy efa-bolana taorian’ny nahaterahako, mba hanatrika ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny).
Nampirisihina toy izao izay nanatrika an’io fivoriambe io: “Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka [voatendrin’Andriamanitra] sy ny fanjakany.” Nanomboka nandray anjara tamin’izany asa izany i Dada ny alahady taorian’izay. Nitory foana izy nandritra ireo 66 taona nanaraka, mandra-pahafatiny tamin’ny 4 Jolay 1988. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra koa i Mary reniko, mandra-pahafatiny tamin’ny 1981.
Nanompo an’i Jehovah toa an’i Dada sy Neny
Anisan’ny fiangonana miteny poloney, tany Cleveland, ny fianakaviako. Nitory ny vaovao tsara isan-trano niaraka tamin’ny olon-dehibe, ny ankamaroanay ankizy isaky ny asabotsy tolakandro. Nivory izahay isaky ny alahady, ka ny olon-dehibe nanatrika lahateny tao amin’ny toeram-pivoriana fa ny tanora kosa nampianarin’ny mpampianatra mahay. Telopolo teo ho eo izahay ankizy, ary ny boky Ny Harpan’Andriamanitra * no nianaranay. Lasa mpampianatra Baiboly aho tsy ela taorian’izay, ary nahita vokatra tsara.
Nanatrika fivoriambe tany Colombus izahay tamin’ny Jolay 1931, tany amin’ny 160 kilaometatra tany atsimo. Nandeha daholo i Dada sy Neny, ary niaraka taminy izahay sy Frank zandriko. Tamin’io fivoriambe io ny Mpianatra ny Baiboly no nandray ny anarana avy ao amin’ny Baiboly hoe Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 43:10-12) Nanasa ny olona izahay tany mba hanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro hataon’i Joseph Rutherford, izay nitarika ny asan’ny Vavolombelon’ i Jehovah tamin’izany. Sivy amby fitopolo taona izay no lasa, ary nataoko loha laharana teo amin’ny fiainako foana ny fanompoana an’i Jehovah.
Nazoto nanompo na teo aza ny zava-tsarotra
Nisy Olana Ara-toe-karena Lehibe naneran-tany, tamin’ny 1933. Olona 15 tapitrisa, izany hoe ny ampahefatry ny mpiasa no lasa tsy an’asa, tany Etazonia. Lasa nahantra ny tanàna maro, nefa tsy nanampy ny mahantra ny fanjakana. Nifanampy anefa ny rahalahy sy anabavy kristianina. Nitondra mofo sy mofomamy tany am-pivoriana izahay, isaky ny alahady, mba hozaraina amin’izy ireo. Rehefa voaloa daholo ny fandanianay rehetra ao an-trano isaky ny faran’ny volana, dia alefan’i Dada any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Brooklyn, ny vola ambiny. Fantany fa hampiasaina hanamboarana boky sy gazety ara-baiboly ilay vola.
Nandray anjara lehibe tamin’ny fitoriana ny radio, tamin’izany. Onjam-peo 400 mahery no nandefa ny lahateny ara-baiboly natao tany amin’ireo fivoriambe. Nanamboatra grafofaonina sy diska koa ny Vavolombelona, taorian’ny 1930, ary tany Brooklyn, any New York, izany no natao. Nampiasainay tamin’ny fitoriana izy ireny, ary nanao tatitra izahay hoe impiry no nandefa lahateny ara-baiboly ary firy ny olona nihaino.
Nandray fahefana tany Alemaina i Adolf Hitler sy ny antoko nazia, tamin’ny 1933. Niharan’ny fanenjehana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah tany, satria tsy nanao politika na tsy nanao an’ilay fiarahabana hoe “Heil Hitler.” (Jaona 15:19; 17:14) Maro no natao am-ponja na nalefa tany amin’ny toby fitanana. Betsaka no novonoina, na nasaina niasa mafy loatra ka maty. Maro koa no maty taoriana kelin’ny nanafahana azy, satria nampijalijalina tany am-ponja. Tsy dia be mpahafantatra toy izany anefa ny fampijaliana ny Vavolombelon’i Jehovah tany an-tany hafa, toy ny teto Etazonia.
Nanatrika fivoriambe tany Detroit, any Michigan, izahay tamin’ny 1940. Tany aho no natao batisa, ny 28 Jolay 1940, mba hampisehoana fa nanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra aho. Namoaka lalàna anefa ny Fitsarana Tampon’i Etazonia, iray volana talohan’io, fa mandika lalàna izay tsy mety manangan-tsaina ary hosazina ka horoahina any an-tsekoly. Ahoana no nataon’ny Vavolombelona? Maro tamin’izy ireo no nanorina sekoly mba hampianarany ny zanany. Nantsoina hoe Sekolin’ilay Fanjakana izy ireny.
Nanomboka ny Ady Lehibe II tany Eoropa, tamin’ny Septambra 1939, ary niely nanerana an’i Etazonia ny fanindrahindram-pirenena. Nijaly ny tanora Vavolombelona noho ny sotasota sy ny vono nataon’ireo tanora sy olon-dehibe tsy nahatakatra hoe nahoana izahay no tsy nanao politika. Voalaza fa in-2500 mahery
ny Vavolombelona tany Etazonia no notafihin’ny vahoaka romotra, teo antenatenan’ny 1940 sy 1944. Tamin’ny 7 Desambra 1941, no tena nitombo ny fanenjehana, rehefa nanafika an’i Pearl Harbor ny Japoney. Herinandro vitsivitsy talohan’io aho no nirotsaka ho mpisava lalana, izany hoe mpitory manontolo andro. Nanangom-bola aho, ary nividy tranofiara mirefy fito metatra. Nifindra tany Louisiane aho avy eo, ary nisy mpisava lalana maromaro niaraka tamiko.Fanenjehana tany Louisiane
Nahazo alalana hametraka ny tranofiaranay teo amin’ny tanim-boanjo iray, tao Jeanerette, izahay, tany Louisiane. Saika hitory teny an-dalana izahay indray asabotsy, saingy nasain’ny lehiben’ny polisy nosamborina sy notazonina tany amin’ny lapan’ny tanàna. Lasa nisy olona mahery setra 200 teo ho eo tao ivelany, nefa nasain’ireo polisy nivoaka izahay sady tsy narovany akory. Soa ihany fa niparitaka ilay vahoaka, ka afaka nandeha izahay. Nankany Baton Rouge, tanàna lehibe tsy lavitra teo, izahay ny ampitson’iny, mba hilaza izay nitranga tamin’ireo Vavolombelona namanay.
Nahita taratasy nipetaka teo amin’ny varavaran’ny tranofiaranay izahay, rehefa niverina. Izao no voalaza tao: “Jereo ao amin’ny toby fitrandrahana solika aho.” Sady nisy sonia hoe: “E. Vaughn.” Nankany izahay, ary nanasa anay hisakafo izy sy ny vadiny. Nilaza izy fa anisan’ilay vahoaka tany amin’ny lapan’ny tanàna izy sy ny mpiasany, ary vonona hiaro anay izy raha nilaina izany. Faly izahay fa nanohana anay izy.
Nosamborin’ny polisy nitondra basy izahay ny ampitson’iny, ary nalain’izy ireo ny boky sy ny gazetinay. Nalain’izy ireo koa ny lakilen’ny tranofiarako, ary nogadrainy tao amin’ny efitra nitokana aho nandritra ny 17 andro. Zara raha nomen’izy ireo sakafo aho. Niezaka nanampy anay i Vaughn fa tsy nisy vokany firy izany. Norobain’ireo vahoaka romotra ny fanananay nandritra izany. Nodoran’izy ireo daholo hatramin’ny tranofiarako. Nanomana ahy hiatrika ny zavatra hitranga tsy ho ela i Jehovah tamin’izay, na dia tsy tsapako aza.
Nigadra tany Ohio
Niverina tany New York aho tatỳ aoriana. Voatendry ho mpisava lalana manokana tao Olean, any New York, izaho sy ny Vavolombelona vitsivitsy, iray volana taorian’izay. Nasain’ny fanjakana hisoratra anarana ho miaramila aho rehefa tonga tao, nefa nangataka tsy hanao miaramila aho noho ny feon’ny fieritreretako. Neken’izy ireo izany, kanefa rehefa avy nojeren’izy ireo ny toe-batako sy ny fahasalamako ara-tsaina, dia nasiany fitomboka teo amin’ny taratasiko hoe “Anisan’ny Mpiofana ho Miaramila.”
Tsy najanoko mihitsy anefa ny asan’ny mpisava lalana, ka mbola nanao azy io aho nandritra ny herintaona teo ho eo. Tsy nety nanao an’ilay fiofanana koa aho. Nosamborin’ny FBI (Birao Federaly Momba ny Famotopotorana) àry aho tamin’ny 1943, ka nasainy nankany amin’ny fitsarana federaly tany Syracuse, any New York, ny herinandro nanaraka. Voampanga ho nandika lalàna aho tany, ka notsaraina roa andro taorian’izay.
Izaho ihany no nisolo vava ny tenako. Efa nomena torohevitra izahay tanora Vavolombelon’i Jehovah, tany am-pivoriana, hoe ahoana no hiarovana ny zonay eo anoloan’ny fitsarana sy ny tokony ho fitondran-tenanay rehefa any. Anisan’ny torohevitra nomena anay ilay noresahiko teny am-piandohana. Nitaraina ny mpampanoa lalàna sasany vokatr’izany hoe ny Vavolombelona no mahay lalàna kokoa noho izy ireo. Na izany aza, dia meloka aho tamin’ireo mpitsara. Nanontany ahy avy eo ny mpitsara iray raha mbola misy tiako holazaina. Namaly fotsiny aho hoe: “Tsaraina eo anatrehan’Andriamanitra ny firenena androany mahakasika ny fomba itondrany an’ireo manompo an’Andriamanitra.”
Voasazy higadra efa-taona tany Chillicothe, any Ohio, aho, ary voatendry ho mpitan-tsoratry ny manam-pahefana iray tao amin’ny fonja rehefa tonga tany. Nisy mpanao famotorana tonga tao amin’ny biraonay, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nilaza izy fa hanadihady momba an’i Hayden Covington. Mpisolovava niaro ny Vavolombelon’i Jehovah i Covington, ary nalaza ho anisan’ny mpisolovava nahay lalàm-panorenana
indrindra, tany Amerika.Nilaza ilay mpanao famotorana fa tiany ho azo ny antontan-taratasy rehetra momba ny gadra roa, dia i Danny Hurtado sy Edmund Schmidt. Nilaza ilay lehibeko hoe: “Tena fifanandrifian-javatra izao! Izy no Schmidt.” Tsiambaratelo ny asa nanirahana azy, kanefa tsapany izao fa lasa fantatray ny anton-diany. Nafindra tany an-dakozia àry aho tsy ela taorian’izay.
Mpisava lalana, Betelita, ary nanambady
Mbola tsy vita ny saziko nefa nafahana aho tamin’ny 26 Septambra 1946. Nanohy ny asan’ny mpisava lalana indray aho, fa tamin’ity kosa tao amin’ny Fiangonan’i Highland Park, any Kalifornia. Tratrako ny tanjona efa niriko hatry ny ela, tamin’ny Septambra 1948. Voantso ho mpanao mofo tao amin’ny foibe (Betela), tany Brooklyn aho, dia tany amin’ny toerana fanamboarana ny boky sy gazety hampiasaina amin’ny asa fitoriana maneran-tany. Lehiben’ny mpanao mofo tamin’ny hotely iray, teto Glendale, aho tamin’izay, ka nila niala avy hatrany, ary nifindra tany amin’ny Betela.
Nisy fivoriambe iraisam-pirenena maromaro tany Eoropa, tamin’ny 1955. Nanome vola ahy ny fianakaviako mba hahafahako manatrika izany. Nahafinaritra ahy ny fivoriambe tany Londres, Paris, Roma, ary indrindra ilay tany Nuremberg, any Alemaina. Maherin’ny 107 000 ny mpanatrika tany Nuremberg, ary teo amin’ilay kianja lehibe nampideraderan’i Hitler ny tafiny no natao izy io. Nanatrika tao ireo Vavolombelona nolazain’i Hitler hoe hofoanany, ary tena nahafinaritra ny niaraka tamin’izy ireo.
Nihaona tamin’i Brigitte Gerwien, Vavolombelona alemà, aho tany amin’ilay fivoriambe tany Nuremberg, ary nifankatia izahay. Nivady izahay, herintaona latsaka kely taorian’izay, ary niverina teto Glendale mba ho akaikin’ny ray aman-dreniko. Niteraka telo mianadahy izahay: Teraka tamin’ny 1957 i Tom, tamin’ny 1958 i Don, ary tamin’ny 1960 i Sabena vavitokanay.
Fiainana mahafa-po
Nisy nanontany ahy hoe tsy nanenina ve aho rehefa mieritreritra hoe notafihin’ny vahoaka romotra sy nogadraina noho ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy nanenina mihitsy aho. Misaotra an’i Jehovah aza aho nanome ahy tombontsoa hanompo azy niaraka tamin’ireo olona maro tsy mivadika. Manantena aho fa hanampy ny hafa ny zavatra niainako, ka handrisika azy ireo hifandray kokoa amin’Andriamanitra sy tsy hiala aminy mihitsy.
Maro ny olona nijaly noho ny fanompoana an’Andriamanitra. Efa ampoizintsika anefa izany, satria hoy ny Baiboly: “Izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy dia henjehina.” (2 Timoty 3:12) Na izany aza, dia tena marina ny voalazan’ny Salamo 34:19 hoe: “Maro ny fahorian’ny olo-marina, nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.
[Sary, pejy 27]
Nitory tany Louisiane, taoriana kelin’ny 1940
[Sary, pejy 29]
Mpanao mofo tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah
[Sary, pejy 29]
Miaraka amin’i Brigitte vadiko