Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana ny 1 Korintianina no miresaka momba ny hena natolotra ho an’ny sampy?

Hoy ny apostoly Paoly: “Hano foana izay rehetra amidy eny amin’ny tsena fivarotan-kena, fa aza manontany noho ny feon’ny fieritreretanareo.” (1 Korintianina 10:25) Avy aiza ireo hena teny an-tsena?

Ny manao sorona biby no tena ataon’ny Grika sy Romanina, mandritra ny fotoam-pivavahany ao amin’ny tempoliny. Tsy nohanina anefa ny hena rehetra. Namidy teny an-tsena ny ambin’ireo hena avy tany amin’ny tempolin’ny mpanompo sampy. Hoy ny boky iray: ‘Antsoina hoe mpahandro sy/na mpivaro-kena, indraindray, ireo mpitarika ny fotoam-pivavahana. Nomena hena izy ireo ho tambin’ny namonoany an’ilay biby natao sorona, ary namidiny teny an-tsena ny sasany.’

Tsy ny hena rehetra namidy teny an-tsena anefa no ambin’izay nampiasaina tamin’ny fivavahana. Hita avy amin’ny fikarohana ambanin’ny tany fa nisy karan’ondry manontolo teo amin’ny tsena fivarotan-kena (macellum amin’ny teny latinina) tao Pompéi. Hita avy amin’izany, hoy i Henry Cadbury, manam-pahaizana, fa “nety ho biby velona no namidy tao an-tsena, na biby novonoina sy notetehina tao amin’ny macellum, na biby avy natao sorona tany amin’ny tempoly.”

Izao àry no tian’i Paoly holazaina: Tsy hanompo sampy mihitsy ny Kristianina, nefa tsy voatery hoe voaloto ny hena natao sorona tany amin’ny tempoly.

Tamin’ny andron’i Jesosy, nahoana ny Jiosy sy ny Samaritanina no tsy nifankahazo?

Hoy ny Jaona 4:9: “Tsy mifandray amin’ny Samaritanina ny Jiosy.” Toa efa hatramin’ny nananganan’i Jeroboama sampy tany amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely tany avaratra no nanombohan’izany. (1 Mpanjaka 12:26-30) Mponin’i Samaria, renivohitry ny fanjakana tany avaratra, ny Samaritanina, tamin’izany. Resin’ny Asyrianina ireo foko folo tamin’ny 740 Talohan’i Kristy (T.K.), ary nisy mpanompo sampy hafa firenena nasainy nipetraka tao Samaria. Vao mainka simba ny fivavahan’ny Samaritanina rehefa nanambady an’ireny vahiny ireny izy ireo.

Nanorina indray ny tempolin’i Jehovah sy ny mandan’i Jerosalema ny Jiosy avy natao sesitany tany Babylona, taonjato maro tatỳ aoriana, ary nosakantsakanan’ny Samaritanina ny ezaka nataony. (Ezra 4:1-23; Nehemia 4:1-8) Nanorina tempoly teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima ny Samaritanina, angamba tamin’ny taonjato fahefatra T.K., ka vao mainka nifaninana teo amin’ny resaka fivavahana ny Jiosy sy ny Samaritanina.

Tsy ireo mponina tao Samaria loatra no tiana holazaina tamin’ny hoe “Samaritanina”, tamin’ny andron’i Jesosy, fa ireo nanaraka an’ilay sekta niroborobo tao Samaria. Mbola nivavaka teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima ny Samaritanina, ary nohambanian’ny Jiosy sy tsy nohajainy.—Jaona 4:20-22; 8:48.

[Sary, pejy 12]

Vilia Seramika misy sarina biby atao sorona, taonjato fahenina T.K.

[Sary nahazoan-dalana]

Musée du Louvre, Paris

[Sary, pejy 12]

Nanangana sampy hivavahana i Jeroboama