Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Resadresaka Mahaliana: Inona ny Fanahy Masina?

Resadresaka Mahaliana: Inona ny Fanahy Masina?

Resadresaka Mahaliana: Inona ny Fanahy Masina?

TIAN’NY Vavolombelon’i Jehovah ny miresaka momba ny Baiboly amin’ny mpiara-belona aminy. Misy fanontaniana manitikitika ny sainao ve? Misy tianao ho fantatra ve momba izay inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanaon’izy ireo? Aza misalasala àry manontany an’izay Vavolombelona mihaona aminao. Ho faly izy hamaly anao.

Toy izao ny resadresaka fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny olona. Aoka hatao hoe Rado no anaran’ilay Vavolombelona, ary Fidy ilay olona iresahany.

Inona ny fanahy masina araka ny hevitrao?

Fidy: Ianareo Vavolombelon’i Jehovah, hono, tsy mino ny fanahy masina. Ianareo izany tsy Kristianina.

Rado: Manome toky anao aloha aho fa Kristianina izahay. Mino an’i Jesosy Kristy aho matoa tonga eto aminao androany. Izy mantsy no nandidy ny mpianany mba hitory. Fa aminao aloha, inona moa ny fanahy masina?

Fidy: Ilay olona fahatelo ao amin’ny Andriamanitra telo izay iray, ilay mpanampy nolazain’i Jesosy hoe halefany ho antsika. Tena zava-dehibe amiko ny fanahy masina, ka tiako hisy heriny eo amin’ny fiainako.

Rado: Izany tokoa aloha no fiheveran’ny olona maro ny fanahy masina e! Efa nandinika izay ampianarin’ny Baiboly momba izany aho, ka raha manana fotoana kely ianao, dia tiako hozaraina aminao izany.

Fidy: Ie, tsy maninona ka!

Rado: Rado aloha no anarako e! Mba azoko fantarina ve ny anao?

Fidy: Fidy.

Rado: Faly mahafantatra anao. Aza manahy fa tsy hataoko lava ny resaka. Nilaza ianao teo fa mpanampy ny fanahy masina, ary marina izany. Fa aminao ve mitovy amin’Andriamanitra ny fanahy masina?

Fidy: Ie, izany no nampianarina ahy.

Olona ve ny fanahy masina?

Rado: Andeha isika hijery andinin-teny mba hahitantsika hoe olona tsy hita maso ve ny fanahy masina. Mety ho efa fantatrao izy ity. Hoy ny Asan’ny Apostoly 2:1-4: “Teo amin’ny toerana iray daholo izy rehetra, tamin’ny andro Pentekosta. Ary nisy feo mafy tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo, ka nanenika ilay trano nipetrahan’izy ireo. Ary nisy lela maro toy ny afo niseho tamin’izy ireo, ary nizarazara ireny ka nisy iray avy nankeo ambonin’ny tsirairay. Ary samy feno fanahy masina izy rehetra, ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka izay nampitenenan’ny fanahy azy.”

Fidy: Haiko tsara io tantara io.

Rado: Hono ho’aho, ry Fidy, ny olona iray ve azo fenoina olona iray hafa?

Fidy: Tsy mety aloha izany e!

Rado: Andeha indray isika hijery ny andininy faha-17, amin’io toko io ihany. Izao no vakin’ny tapany voalohany: “ ‘Amin’ny andro farany’, hoy Andriamanitra, ‘dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko ny karaza-nofo rehetra.’ ” Mitombina ve ny hoe Andriamanitra handatsaka ampahany amin’ny Andriamanitra mitovy aminy?

Fidy: Tsy mitombina.

Rado: Mahaliana koa ny tenin’i Jaona Mpanao Batisa momba ny fanahy masina. Ato amin’ny Matio 3:11 ilay izy. Mba vakio kely ange azafady e!

Fidy: “Izaho manao batisa anareo amin’ny rano noho ny fibebahanareo. Ilay ho avy ao aoriako kosa mahery noho izaho, ka tsy mendrika hanala ny kapany akory aza aho. Izy no hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina sy amin’ny afo.”

Rado: Misaotra. Hanaovana inona, hono, ny fanahy masina araka ny voalaza eo?

Fidy: Hanaovana batisa.

Rado: Marina izany. Mariho fa niresaka momba ny batisa amin’ny afo koa i Jaona. Mazava loatra fa tsy olona ny afo. Araka ny hevitrao, midika ve io andininy io fa olona ny fanahy masina?

Fidy: An an an!

Rado: Mazava àry araka izany fa tsy olona ny fanahy masina.

Fidy: Hoatran’ny marina izany!

Nahoana izy io no antsoina hoe “mpanampy”?

Rado: Nilaza ianao teo hoe “mpanampy” ny fanahy masina. Izany mihitsy no nolazain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 14:26. Andao hovakintsika: “Ny mpanampy, dia ny fanahy masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, izy io no hampianatra anareo ny zava-drehetra, ary hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko taminareo.” Misy mampiasa an’io andininy io mba hilazana fa olona ny fanahy masina, satria afaka manampy sy mampianatra.

Fidy: Ie, izany foana aloha no niheverako azy e!

Rado: Mety ho sarin-teny anefa no nampiasain’i Jesosy teo, fa tsy hoe ara-bakiteny. Mariho, ohatra, izay nolazainy ao amin’ny Lioka 7:35: “Ny fahendren’ny olona anefa dia hamarinin’ny zanany rehetra.” Milaza io andininy io fa manana zanaka ny fahendrena. Azo raisina ara-bakiteny ve izany?

Fidy: Tsia. Mazava be fa sarin-teny io.

Rado: Marina izany. Ny tian’i Jesosy holazaina eo, dia hoe ny vokatry ny ataon’ny olona no manaporofo raha hendry izy na tsia. Imbetsaka ny Baiboly no miresaka momba ny zavatra tsy mananaina ho toy ny olona. Isika koa aza manao an’izany amin’ny fiainana andavanandro. Matetika, ohatra, isika no milaza hoe: “Sokafy ny varavarankely mba hidiran’ny masoandro.”

Fidy: Na izaho koa aza miteny an’izany.

Rado: Midika ve izany fa handroso ao an-trano toy ny vahiny mihitsy ny masoandro?

Fidy: Tsy izany kosa e! Sarin-teny tsinona ilay izy.

Rado: Mety ho nampiasa sarin-teny koa àry ve i Jesosy, rehefa nilaza hoe mpanampy na mpampianatra ny fanahy masina?

Fidy: Marina izany raha ireo andinin-teny teo no jerena, satria alatsaka amin’olona sy anaovana batisa ny fanahy masina. Fa raha tsy olona anefa ny fanahy masina, dia inona?

Inona marina ny fanahy masina?

Rado: Mamaly izany ny Asan’ny Apostoly 1:8. Mba azonao vakina ve?

Fidy: “Hahazo hery kosa ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.”

Rado: Mariho fa nilaza i Jesosy hoe hahazo hery izay mahazo ny fanahy masina. Avy aiza moa io hery io, araka ireo andininy novakintsika teo aloha?

Fidy: Avy amin’Andriamanitra Ray.

Rado: Marina izany. Io fanahy masina io ihany ilay hery nampiasain’Andriamanitra mba hamoronana izao rehetra izao. Hoy ny Genesisy 1:2: “Nivezivezy teny ambonin’ny rano ny hery ampiasain’Andriamanitra.” Ilay teny hebreo nadika hoe ‘hery ampiasaina’ eto, dia midika koa hoe “fanahy.” Io ilay hery tsy hita maso ampiasan’Andriamanitra hanatanterahana ny fikasany sy hampahafantarana ny sitrapony. Ity misy andininy farany tiako haseho anao: Lioka 11:13. Mba azonao vakina ve, azafady?

Fidy: “Raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!”

Rado: Hita eo fa ny Ray no manana fahefana amin’ny fanahy masina, ka manome azy io ho an’izay mangataka aminy. Mitovy amin’ny Ray ve ny fanahy masina, raha izany?

Fidy: Tsia. Azoko ny tianao holazaina.

Rado: Tsy hitana anao ela aho, ry Fidy, fa fanontaniana iray no hamintinako ny resatsika. Inona izany ny fanahy masina, araka ireo andinin-teny nojerentsika teo?

Fidy: Hery ampiasain’Andriamanitra.

Rado: Izay mihitsy. Ary rehefa nilaza i Jesosy ao amin’ny Jaona 14:26 fa mpanampy na mpampianatra ny fanahy masina, dia sarin-teny no nampiasainy, satria tsy olona ny fanahy masina.

Fidy: Tsy fantatro mihitsy izany taloha.

Rado: Misy zavatra tena mampahery azontsika ianarana avy amin’ny tenin’i Jesosy.

Fidy: Inona izany?

Rado: Afaka mangataka ny fanahy masina amin’Andriamanitra isika mba hanampy antsika rehefa misy olana, sy mba hahafantarantsika ny marina momba Azy.

Fidy: Mahaliana ahy izany, fa andraso hodinihiko tsara.

Rado: Alohan’ny handehanako dia misy hevitra mba tiako hosaintsaininao ity. Hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina, ka azony ampiasaina mba hanatanterahana an’izay rehetra tiany, sa tsy izany?

Fidy: Izany mihitsy.

Rado: Nahoana anefa izy no mbola tsy mampiasa an’io hery tsy misy fetrany io, mba hanafoanana ny fahantrana sy ny faharatsiana rehetra eran-tany? Efa nieritreritra an’izany ve ianao? *

Fidy: Efa nieritreritra an’izany mihitsy aho.

Rado: Tianao ve raha miverina atỳ aho amin’ny heriny toy izao, dia hiresaka momba izany isika?

Fidy: Ie, tena tiako mihitsy. Amin’ny herinandro izany e!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 59 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 11 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.