Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anehoy Fiahiana Ireo Ray na Reny Tokan-tena

Anehoy Fiahiana Ireo Ray na Reny Tokan-tena

Anehoy Fiahiana Ireo Ray na Reny Tokan-tena

NY RAY na reny tokan-tena no tena tsy maintsy mandany fotoana sy hery be. Betsaka ny olana atrehin’izy ireo. Maro ny zavatra tsy maintsy ataony mba hikarakarana tokantrano. Ankoatra ny asa fivelomana, dia mila miantsena izy, mahandro, manadio, ary mitaiza. Eo koa ny fikarakarana fahasalamana, ny fialam-boly, ny fanomezana izay ilain-janany eo amin’ny ara-pihetseham-po, ary raha mbola azo atao dia ilainy ny manokana fotoana ho azy.

Tsy misy mahamarika firy ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny, na dia mihabetsaka aza. Niaiky ny reny iray hoe: “Tsy mba nieritreritra azy ireny aho, raha tsy efa lasa reny tokan-tena.” Ahoana no azo anehoana fiahiana an’ireo ray na reny tokan-tena? Nahoana ianao no tokony hanao izany? Handinika antony telo isika.

Nahoana isika no mila miahy azy ireny?

Maro amin’izy ireny no te hampiana. Hoy ny vehivavy iray 41 taona, izay maty vady ary manan-janaka roa: “Tsy hitako indraindray izay hatao fa be loatra ny andraikitro.” Hoy ny reny iray tokan-tena: “Tena mila fanamaivanana be mihitsy izahay.” Mitovitovy amin’izay tsapan’io reny io no tsapan’ny olona maty vady, na nilaozam-bady, na mitaiza irery ny zanany noho ny olana hafa.

Mahasambatra anao izany. Efa nanampy olona nitondra entana tsy zakany ve ianao? Azo inoana fa afa-po ianao tamin’izay, satria afaka nanampy olona. Toy ny hoe mitondra entana koa ny ray na reny tokan-tena, ary mety havesatra loatra aminy izany, indraindray. Ho tsapanao hoe marina ny voalazan’ny Salamo 41:1 rehefa manome tanana hanampy azy ireo ianao. Izao no voalaza ao: “Sambatra izay miahy ny mahantra.”

Mahafaly an’Andriamanitra izany. Hoy ny Jakoba 1:27: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany.” Tafiditra amin’izany ny fikarakarana an’ireo ray na reny tokan-tena. * Hoy ny Hebreo 13:16: “Aza manadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.”

Ireo àry ny antony telo tokony hiahiana an’ireo ray na reny tokan-tena. Hojerentsika izao hoe inona no azonao atao mba hanampiana azy ireo, ary ahoana no hahalalanao fa tena hahasoa azy ny fanampianao.

Fantaro izay ilainy

Ny manontany toy izao no tonga ao an-tsaintsika voalohany, matetika: “Inona no azoko atao ho anao?” Mahalana anefa ny ray na reny tokan-tena no hilaza aminao izay tena ilainy, raha anontanianao. Efa hitantsika fa mampirisika antsika hanao zavatra mba ‘hiahiana’ azy ireny ny Salamo 41:1. Mety hidika hoe “fisaintsainana lalina mahatonga [ny olona iray] hanao zavatra amim-pahendrena” ilay teny hebreo nampiasaina teo, araka ny boky iray.

Mila misaintsaina lalina momba ny olana mety hahazo ny ray na reny tokan-tena àry ianao, mba hahitana ny fomba tsara indrindra hanampiana azy. Mandiniha tsara fa aza mijery amin’ny ambangovangony fotsiny. Eritrereto hoe raha ianao no teo amin’ny toerany, dia inona no ho nilainao. Ray na reny tokan-tena maro no hilaza aminao fa na hiezaka mafy aza ianao, dia tsy ho tsapanao mihitsy ny tsapany raha tsy efa lasa ray na reny tokan-tena ianao. Ho afaka hanao zavatra bebe kokoa mba ‘hiahiana’ azy ireo anefa ianao, raha miezaka mafy hahatakatra ny manjo azy.

Tahafo Andriamanitra

Jehovah Andriamanitra irery no tena mahay mikarakara amim-pitiavana an’ireo ray na reny tokan-tena. Maro ny andininy manasongadina fa miahy sy mikarakara ny mpitondratena sy kamboty ray i Jehovah. Mikarakara ny ray na reny tokan-tena koa àry izy. Ho hainao izay fanampiana tena ilainy sy ny fomba hanomezana izany, raha mandinika ny fomba nanampian’Andriamanitra azy ireny ianao. Misy zavatra efatra tokony hodinihina.

Mahaiza mihaino

Milaza ilay Lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita fahiny fa ‘tena hohenoiny ny fitarainan’ny’ ory. (Eksodosy 22:22, 23) Ahoana no anahafanao an’i Jehovah? Matetika no mahatsapa ho tena manirery ny ray na reny tokan-tena, satria tsy misy olon-dehibe azony iresahana. Hoy ny reny iray tokan-tena: “Mitomany aho indraindray rehefa lasa matory ny ankizy. Manirery loatra aho ka tsy zakako.” Raha mety, afaka ‘mihaino ny fitarainan’ny’ ray na reny tokan-tena ve ianao, rehefa mila mamboraka ny fihetseham-pony izy? Tena hanampy azy hiatrika ny olana mahazo azy ianao raha mahay mihaino, ary manao izany amin’ny fotoana sy toerana mety.

Milazà teny mampahery

Nampanoratra hira masina na salamo i Jehovah. Nohirain’ny Israelita nandritra ny fotoam-pivavahany izy ireny. Eritrereto ange e! Tsy maintsy ho nampahery be an’ireo mpitondratena sy kamboty ray teo amin’ny Israely ireny hira avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ireny, satria nampahatsiahy azy fa “ray” sy “mpitsara” ho azy ireo i Jehovah, ary hanome fanamaivanana ho azy. (Salamo 68:5; 146:9) Mety hotsaroan’ny ray na reny tokan-tena foana koa ny teny fampaherezana nolazaintsika taminy. Hoy, ohatra, ny raim-pianakaviana matotra iray tamin’i Ruth, reny tokan-tena: “Tena mahavita be ianao mitaiza an’ireo zanakao roa lahy ireo. Tohizo foana izany!” Efa 20 taona lasa izay no nitenenany an’io nefa mbola tsaroan’i Ruth foana, ka hoy izy: “Nisy vokany be teo amiko ireo teniny ireo.” “Manasitrana” tokoa ny “tenin’ny hendry” ary mety tena hampahery an’ireo ray na reny tokan-tena, tsy araka ny ieritreretantsika azy. (Ohabolana 12:18) Mahita teny fiderana avy amin’ny fo sy voafaritra tsara mba holazaina amin’ny ray na reny tokan-tena ve ianao?

Omeo izay zavatra ilainy

Afaka nahazo ny sakafo nilainy ny mpitondratena sy kamboty ray, teo ambanin’ny Lalàn’i Jehovah, nefa tsy nahatsiaro ho afa-baraka. ‘Nihinana’ sakafo ampy àry izy ireo ka “voky.” (Deoteronomia 24:19-21; 26:12, 13) Afaka manome izay zavatra ilain’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny koa isika, nefa tsy hanao izay hahafa-baraka azy na hisehoseho be. Afaka manatitra sakafo any an-tranony ve, ohatra, ianao? Manana akanjo azo omena azy na ny zanany ve ianao? Sa ianao afaka manome vola hividianan’izy mianakavy izay ilainy?

Manaova zavatra miaraka aminy

Nilaza i Jehovah fa tokony hampidirina ho anisan’ireo manatrika ny fety fanao isan-taona teo amin’ny Israely ny mpitondratena sy ny kamboty ray, mba hiarahan’izy ireo mifaly amin’ny Israelita hafa. Nasaina ‘nifaly’ izy ireo. (Deoteronomia 16:10-15) Ampirisihina koa ny Kristianina ankehitriny mba “ho tia mandray vahiny ka hifaneho izany toetra izany.” (1 Petera 4:9) Ho afaka hiara-mifaly izy ireo amin’izay. Nahoana àry raha manasa fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny, hisakafo ao an-tranonao? Tsy voatery ho niangaliana be izany. Hoy i Jesosy tamin’izy nasain’ny namany tany an-tranony: ‘Zavatra vitsivitsy ihany no ilaina, eny, iray monja aza.’—Lioka 10:42.

Tsy very maina ny fiahianao

Nilaza i Kathleen, reny tokan-tena manan-janaka telo, fa tsy hohadinoiny mihitsy ity torohevitra feno fahendrena ity: “Aza manantena be, fa ankasitraho izay misy.” Toa an’i Kathleen, dia maro ny ray na reny tokan-tena mahatsapa ny andraikiny hitaiza ny zanany. Tsy ny hafa àry no antenain’izy ireo hanao izay tokony hataony. Azo inoana anefa fa hankasitraka ny fanampiana omenao izy ireo. Ho sambatra ianao raha miahy an’ireo ray na reny tokan-tena ary handray soa izy ireo. Matokia fa ‘hanonitra an’izay nafoinao’ i Jehovah Andriamanitra.—Ohabolana 19:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Tsy misy hoe “ray na reny tokan-tena” ao amin’ny Baiboly, nefa miverimberina ao ny hoe “mpitondratena” sy “kamboty ray.” Midika izany fa efa nisy ray sy reny tokan-tena fahiny.—Isaia 1:17.

[Sary, pejy 24]

Oviana no farany nanasanao fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny? Nahoana raha manao izany ato ho ato?