Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Fantatr’Andriamanitra ve fa Hanota i Adama sy Eva?

Efa Fantatr’Andriamanitra ve fa Hanota i Adama sy Eva?

Efa Fantatr’Andriamanitra ve fa Hanota i Adama sy Eva?

MARO no te hahalala ny valin’izany. Isaky ny miady hevitra momba ny antony namelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy mantsy ny olona, dia voaresaka foana ilay fahotan’i Adama sy Eva tany Edena. Misy mihevitra hoe ‘mahalala ny zava-drehetra Andriamanitra’, ka tsy maintsy efa fantany fa tsy hankatò azy izy mivady.

Ahoana tokoa moa raha efa fantatr’Andriamanitra hoe hanota ireo olon-droa lavorary ireo? Tsy midika ve izany fa ratsy toetra be izy? Toy ny hoe tsy manam-pitiavana, manao ny tsy rariny, ary mihatsaravelatsihy izy raha izany. Misy aza milaza fa haratsiam-panahy ny namelana ny olombelona voalohany hisetra zavatra efa fantatra fa ho ratsy fiafara. Raha izany no izy, dia toy ny hoe Andriamanitra no nahatonga ny faharatsiana sy ny fijaliana rehetra nisy hatramin’izay. Misy mihitsy aza mihevitra hoe adala ny Mpamorona.

Toy izany ve anefa ny toetran’i Jehovah Andriamanitra raha jerena ny Soratra Masina? Andao àry handinika izay lazain’ny Baiboly momba ny zavatra noforonin’i Jehovah sy ny toetrany.

“Tena tsara izany”

Hoy ny Genesisy 1:31 momba ny zavatra noforonin’Andriamanitra, anisan’izany ny olombelona voalohany: “Nijery an’izay rehetra nataony Andriamanitra, ka hitany fa tena tsara izany.” Lavorary no nanaovana an’i Adama sy Eva, ary natao hiaina teto an-tany. Tsy nisy hokianina ny fomba nanamboarana azy ireo, satria “tena tsara.” Azo antoka àry fa afaka nitondra tena tsara izy ireo. Noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” koa izy ireo. (Genesisy 1:27) Afaka nanahaka ny toetran’Andriamanitra àry izy ireo, na dia tsy tamin’ny fomba feno aza. Anisan’izany ny fahendrena, ny fitiavana tsy miovaova, ny fanaovana ny rariny, ary ny hatsaran-toetra. Tsy vitan’ny hoe hanampy azy ireo hanapa-kevitra tsara ireo toetra ireo, fa hampifaly an’ilay Rainy any an-danitra koa.

Nomen’i Jehovah safidy malalaka ireo zavaboary lavorary sy manan-tsaina ireo. Tsy toy ny milina tsy manan-tsafidy àry izy ireo, ka hoe voatery fotsiny hampifaly an’Andriamanitra. Inona no tianao kokoa? Fanomezana omena an-tery sa an-tsitrapo? Mazava ho azy fa ilay an-tsitrapo. Toy izany koa fa tian’Andriamanitra raha nisafidy ny hankatò azy an-tsitrapo i Adama sy Eva. Nomena safidy izy ireo ka afaka nankatò an’i Jehovah noho ny fitiavana.—Deoteronomia 30:19, 20.

Tia rariny sy hitsiny ary tsara toetra

Lazain’ny Baiboly amintsika ny toetran’i Jehovah. Raha jerena ireo toetra ireo, dia tsy misy ifandraisan’i Jehovah amin’ny ota mihitsy. Milaza ny Salamo 33:5 fa “tia ny rariny sy ny hitsiny” izy. Hoy àry ny Jakoba 1:13: ‘Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.’ Nanao ny rariny sy niahy an’i Adama Andriamanitra, ka nampitandrina azy hoe: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.” (Genesisy 2:16, 17) Afaka nisafidy ny hiaina mandrakizay na ny ho faty àry ireo mpivady voalohany. Nihatsaravelatsihy Andriamanitra raha mody nampitandrina azy ireo tsy hanota, nefa efa fantany fa hanota sy ho faty izy ireo. “Tia ny rariny sy ny hitsiny” anefa i Jehovah, ka tsy hanome safidy tsy misy isafidianana akory.

Tena tsara toetra koa i Jehovah. (Salamo 31:19) Hoy i Jesosy: “Iza tokoa moa aminareo raha angatahan’ny zanany mofo no hanome azy vato? Ary raha angatahany trondro no hanome azy bibilava? Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra! Hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy izy.” (Matio 7:9-11) Manome “zava-tsoa” ho an’ny zavaboariny Andriamanitra. Ahitana ny hatsaran-toetrany ny fomba namoronany ny olona sy nanomezany azy ireo Paradisa. Aiza no hisy Mpanjaka tsara toetra hanome tsifoifoy fonenana tsara tarehy toy izany? Tsy ilay Mpamorona mihitsy àry no nahatonga ny olombelona hikomy, satria tia rariny sy tsara toetra izy.

“Hany manam-pahendrena”

Lazain’ny Soratra Masina koa fa i Jehovah no “hany manam-pahendrena.” (Romanina 16:27) Nahita izany fahendrena tsy manam-petra izany ireo anjelin’Andriamanitra. “Nihoby” izy ireo rehefa avy namorona ireo zavatra teto an-tany i Jehovah. (Joba 38:4-7) Azo antoka fa nandinika tsara an’izay nitranga tao Edena ireo zavaboary ara-panahy manan-tsaina ireo. Raha efa fantatr’ilay Andriamanitra feno fahendrena, izay namorona an’izao rehetra izao mahatalanjona àry fa hivadika ireo olombelona noforoniny, ho sahiny ve ny hamorona azy ireo teo imason’ny anjely? Tsy mitombina mihitsy izany!

Mbola mety hisy hilaza anefa hoe: ‘Izany ve dia tsy ho fantany nefa Andriamanitra faran’izay hendry izy?’ Marina fa anisan’ny ahitana ny fahendren’Andriamanitra ny fahaizany mamantatra “hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany.” (Isaia 46:9, 10) Tsy voatery hampiasa an’io fahaizany io foana anefa izy. Mahery indrindra, ohatra, izy nefa tsy voatery mampiasa ny heriny rehetra foana. Hendry àry izy ka fidiny tsara ny fotoana ilana hamantarana mialoha ny hoavy, sy ny toe-javatra mety hanaovana izany.

Azo oharina amin’ny olona mamaky tantara amin’ny boky i Jehovah rehefa tsy te hamantatra ny hoavy. Afaka mifidy ny hamaky avy hatrany any amin’ny farany izy, raha te hamantatra ny fiafaran’ilay tantara. Tsy voatery hanao izany anefa izy. Tsy misy afaka manankina azy koa raha mifidy ny hamaky hatrany amin’ny voalohany izy. Toy izany koa ny Mpamorona. Tsy nifidy ny hamantatra mialoha izay hataon’ireo zanany eto an-tany izy fa naleony niandry izay hitranga.

Hitantsika teo fa hendry i Jehovah ka tsy namorona ny olombelona voalohany ho toy ny milina tsy manan-tsafidy. Be fitiavana izy ka nanome azy ireo safidy malalaka. Raha manao safidy tsara àry izy ireo, dia mampiseho fa tia sy mankasitraka ary mankatò an’i Jehovah. Ho faly kokoa izy ireo amin’izay sady ho faly i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra.—Ohabolana 27:11; Isaia 48:18.

Asehon’ny Soratra Masina fa efa imbetsaka Andriamanitra no nifidy ny tsy hamantatra mialoha ny hoavy. Efa saika hanao sorona ny zanany, ohatra, i Abrahama no nilaza i Jehovah hoe: “Fantatro tokoa izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, satria nafoinao ho ahy ny zanakao, ilay lahitokanao.” (Genesisy 22:12) ‘Nalahelo’ koa izy rehefa nahita olona ratsy fitondran-tena. Mbola halahelo ihany ve izy raha efa fantany hatramin’ny ela be izay hataon’ny olona?—Salamo 78:40, 41; 1 Mpanjaka 11:9, 10.

Tena hendry àry Andriamanitra, ka nifidy ny tsy hamantatra mialoha hoe hanota ireo ray aman-drenintsika voalohany. Tsy adala izy ka hoe hamantatra mialoha ny ratsy hataon’ny olona, ary avy eo hamorona azy ireo mba hanao an’ilay izy.

“Andriamanitra dia fitiavana”

I Satana, ilay fahavalon’Andriamanitra, no fototr’ilay fikomiana tany Edena ka nahatonga ny ota sy ny fahafatesana. “Mpamono olona” àry izy. “Mpandainga” koa izy sady “rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Izy no ratsy loha, ka ilay Mpamorona be fitiavana indray no lazainy fa ratsy loha. I Jehovah no tiany homena tsiny hoe nahatonga ny olona hanota, fa tsy izy.

Tia an’i Adama sy Eva i Jehovah matoa nifidy ny tsy hamantatra mialoha hoe hanota izy ireo. Toetra tena mampiavaka azy ny fitiavana. “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny 1 Jaona 4:8. Manantena zavatra tsara foana ny olona manam-pitiavana. Ny toetra tsaran’ny olona no ifantohany. Tia an’ireo mpivady voalohany i Jehovah Andriamanitra, ka naniry ny tsara indrindra ho azy ireo.

Marina fa mety hanao safidy ratsy ireo olombelona voalohany lavorary. Tsy nieritreri-dratsy anefa Andriamanitra na niahiahy azy ireo. Nomeny daholo izay rehetra nilain’izy ireo, ary nampahafantariny azy ireo izay tokony ho fantany. Rariny àry raha nantenain’Andriamanitra ho tia sy hankatò azy izy ireo, fa tsy hikomy. Fantany fa ho vitan’i Adama sy Eva ny tsy hivadika. Nahavita izany mantsy na ny olona tsy lavorary aza, toa an’i Abrahama sy Joba ary Daniela.

Hoy i Jesosy: “Hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (Matio 19:26) Tena mampahery izany. Azo antoka fa hain’i Jehovah ny manala ny voka-dratsin’ny ota sy ny fahafatesana, ary tena hanao izany izy satria be fitiavana, manao ny rariny, manam-pahendrena, ary mahery. Ireo no tena mampiavaka azy.—Apokalypsy 21:3-5.

Mazava àry fa tsy fantatr’i Jehovah mialoha hoe hanota i Adama sy Eva. Nalahelo mafy izy satria tsy nankatò izy ireo sady nanjary nisy ny fijaliana. Fantany anefa fa hihelina ihany izany, ary tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. Nahoana àry raha mianatra bebe kokoa momba an’io fikasany io sy ny fomba handraisanao soa rehefa ho tanteraka izy io? *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 23 Raha mila fanazavana fanampiny mahakasika ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany, dia jereo ny toko 3 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 14]

Tsy noforonin’i Jehovah ho toy ny milina tsy manan-tsafidy ny olombelona voalohany

[Teny notsongaina, pejy 15]

Fantatr’Andriamanitra fa ho vitan’i Adama sy Eva ny tsy hivadika