Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Koa satria lava be ny main-tany any Israely, ahoana no nataon’ny mponina tany fahiny mba hananany rano foana?

Manorana be any Israely eo anelanelan’ny Oktobra sy Aprily, ary matetika no lasa riaka be mankany amin’ny lohasaha ny ranonorana. Maina anefa ny ankamaroan’ireny riaka be ireny amin’ny vanin-taona mafana, ary mety tsy hisy orana mihitsy mandritra ny volana maromaro. Ahoana àry no nataon’ny olona fahiny mba hananana rano foana?

Nanao tatatra teny amin’ny tehezan-kavoana izy ireo, ary nataony nisolampy kely koa ny tafontranony, mba hikorianan’ny ranonorana mankao amin’ny lavaka fanangonan-drano namboarin’izy ireo. Maro ny fianakaviana nanana lavaka fanangonan-drano mba hakany rano hosotroina.—2 Mpanjaka 18:31; Jeremia 6:7.

Nantsaka tany an-doharano koa ny Israelita. Rehefa latsaka eny amin’ny faritra avo ny ranonorana, dia mitsika any ambanin’ny tany mandra-pidonany amin’ny vato. Mitady lalana ilay rano ka mivoaka ho loharano. Matetika no naorina teny akaikin’ny loharano (en amin’ny teny hebreo) ny tanàna sasany. Ahitana izany ny anaran-tanàna toy ny hoe En-semesy sy En-rogela ary En-jedy. (Josoa 15:7, 62) Nisy lakandrano natao koa teny ambony vatolampy tany Jerosalema, mba hitarihana ny loharano hankao an-tanàna.—2 Mpanjaka 20:20.

Nanao lavadrano (beʼerʹ amin’ny teny hebreo) kosa ny olona tany amin’ny toerana tsy nisy loharano, toy ny tany Beri-sheba. (Genesisy 26:32, 33) Milaza ny mpanoratra iray atao hoe André Chouraqui fa “mbola mahavariana ny olona hatramin’izao ny fomba [nampiasain’ireo Israelita].”

Hoatran’ny ahoana ny tranon’i Abrama (Abrahama)?

Nipetraka tany Oran’ny Kaldeanina, tanàna nanan-karena, i Abrama sy ny vadiny. Nasain’Andriamanitra niala tao anefa izy ireo, ka lasa nipetraka an-day. (Genesisy 11:31; 13:12) Eritrereto izay tsy maintsy nafoiny tamin’izany.

Nofongarin’i Leonard Woolley, teo anelanelan’ny 1922 sy 1934, ny tanànan’i Ora, izay any Irak ankehitriny. Anisan’ny hitany tany ny trano biriky 73. Ahoana no nanorenana ny ankamaroan’ireny trano ireny? Naorina manodidina ny tokotany vita rarivato ireo efitrano. Somary nisolampy nankeo afovoany ilay tokotany, ary nisy tatatra fivarinan’ny rano maloto teo. Samy nisy kabine ireo efitranom-bahiny tao amin’ireo trano lehibe kokoa. Nahitana lakozia misy fatana sy efitra fatorian’ny mpanompo koa tany ambany rihana. Tany ambony rihana no nipetraka ny fianakaviana. Tohatra no fiakarana tany, ary nivoaka teo amin’ny lavarangana hazo nanodidina ny tokotany anatiny izy io. Avy teo amin’io lavarangana io no nidirana tao amin’ireo efitra ambony.

Hoy i Woolley: ‘Heverina ho tranona mpanankarena ny trano nisy efitra 12 na mihoatra, voalalotra fotsy, nisy tokotany rarivato, ary tatatra fivarinan’ny rano maloto. Toy izany anefa ny tranon’ny olona antonintoniny, ny mpivarotra, ary ny mpanora-dalàna.’

[Sary, pejy 19]

Lavaka fanangonan-drano any Horvot Mezada, any Israely

[Sary nahazoan-dalana]

© Masada National Park, Israel Nature and Parks Authority

[Sary, pejy 19]

Sarin’ny trano tamin’ny andron’i Abrahama

[Sary nahazoan-dalana]

© Sary: A. S. Whitburn