Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Ilainao ny Mahalala Izay Nitranga Tany Edena

Tena Ilainao ny Mahalala Izay Nitranga Tany Edena

Tena Ilainao ny Mahalala Izay Nitranga Tany Edena

TENA mahagaga fa misy manam-pahaizana milaza hoe tsy misy andinin-teny hafa manaporofo ny tantaran’i Edena ao amin’ny Baiboly. Izao, ohatra, no nosoratan’ny Profesora Paul Morris: “Tsy misy andinin-teny hafa miresaka mivantana momba an’i Edena ao amin’ny Baiboly.” Tsy marina anefa izany na dia mety hisy “manam-pahaizana” hanaiky izany aza.

Andinin-teny maro mantsy no miresaka momba ny zaridainan’i Edena, Adama sy Eva, ary ilay menarana. * Diso hevitra àry ny manam-pahaizana. Mbola fahadisoana lehibe sy miely kokoa noho izany anefa ny hoe ny Baiboly mihitsy no kianin’ny mpitondra fivavahana sy mpitsikera Baiboly. Ataon’izy ireo mantsy izay tsy inoana hoe tena nisy ny zaridainan’i Edena.

Tsy ho azontsika tsara ny zavatra hafa resahin’ny Baiboly, raha tsy azontsika tsara izay nitranga tany Edena. Mifandray amin’iny zava-nitranga iny foana mantsy ny valiny omen’ny Baiboly an’ireo fanontaniana tena manahiran-tsaina ny olona. Ireto misy ohatra:

Nahoana isika no mihantitra sy maty? Ho niaina mandrakizay i Adama sy Eva raha nankatò an’i Jehovah foana. Nikomy anefa izy ireo, ka nihantitra ary maty tamin’ny farany. (Genesisy 2:16, 17; 3:19) Tsy lavorary intsony izy ireo, ary lasa mpanota sy tsy lavorary koa ny taranany. Hoy ny Baiboly: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”—Romanina 5:12.

Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana? Nilaza i Satana, tany Edena, fa mpandainga Andriamanitra sady tsy manome zavatra mahasoa ny zavaboariny. (Genesisy 3:3-5) Tsy mahay mitondra, hono, i Jehovah. Nifidy ny hankatò an’i Satana i Adama sy Eva, ka nanda ny zon’i Jehovah hitondra. Te hilaza koa izy ireo fa mahay manapa-kevitra irery ny amin’izay tsara sy ratsy ny olona. Tena hendry sy tia rariny i Jehovah, ka fantany fa fomba iray ihany no tsara handaminana izany: Homena fotoana ny olona hitondra irery ny tenany, araka izay tiany. Nanao izany izy ireo ka ratsy no vokany. Nanampy trotraka izany koa i Satana. Hita tsikelikely teny àry fa tsy mahay mitondra tena irery ny olona fa mila an’Andriamanitra foana.—Jeremia 10:23.

Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany? Tian’i Jehovah ho tsara tarehy sy hirindra tsara toy ny nanaovany ny zaridainan’i Edena ny tany manontolo. Nasainy niteraka i Adama sy Eva ary ‘hanjaka’ sy hameno ny tany. (Genesisy 1:28) Fikasan’Andriamanitra àry ny hoe ho lasa paradisa ny tany ary honenan’ny olona lavorary sy mifankatia, izay taranak’i Adama sy Eva. Ny fomba hanatanterahan’Andriamanitra an’io fikasany io no resahin’ny Baiboly.

Nahoana i Jesosy Kristy no tonga tetỳ an-tany? Nikomy i Adama sy Eva tany Edena, ka voaheloka ho faty izy sy ny taranany. Be fitiavana anefa Andriamanitra ka nanome fanantenana. Nirahiny ho etỳ an-tany ny Zanany mba hanome ilay antsoin’ny Baiboly hoe vidim-panavotana. (Matio 20:28) Ahoana izany? Lazaina hoe “Adama farany” i Jesosy, ary vitany izay tsy nataon’i Adama. Nankatò an’i Jehovah hatrany izy, ka nanana aina lavorary foana. Nomeny an-tsitrapo ny ainy ho sorona na vidim-panavotana. Afaka mahazo famelan-keloka àry ny olona tsy mivadika rehetra, sady hahazo an’ilay fiainana nananan’i Adama sy Eva tany Edena talohan’ny nanotany. (1 Korintianina 15:22, 45; Jaona 3:16) Nanome antoka àry i Jesosy fa ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah hanova ny tany ho paradisa toy ilay tany Edena. *

Tsy manjavozavo na tombantombana ataon’ny teolojianina fotsiny ny fikasan’Andriamanitra, fa tena misy. Tena nisy ilay zaridainan’i Edena, ary ny olona sy ny biby tao. Tena hisy koa àry ny fampanantenan’Andriamanitra, ary ho tanteraka tsy ho ela. Ho eo ve ianao amin’izay? Miankina aminao ihany izany. Olona faran’izay betsaka no tian’Andriamanitra hahazo izany, eny fa na ireo nanao ratsy aza.—1 Timoty 2:3, 4.

Niresaka tamin’ny lehilahy iray i Jesosy tamin’izy efa ho faty. Olon-dratsy ilay lehilahy, ary fantany fa mendrika ny ho faty izy. Nitady fampiononana sy fanantenana tany amin’i Jesosy anefa izy. Ahoana hoy i Jesosy? “Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43) Na io olon-dratsy io aza tian’i Jesosy hatsangana sy handray fitahiana ary hiaina mandrakizay ao amin’ilay paradisa toa an’i Edena, mainka fa ianao! Samy tia an’izany na i Jesosy na ny Rainy! Hoavy toy izany koa ve no tianao? Miezaha mafy àry hianatra momba ilay Andriamanitra nanao ny zaridainan’i Edena.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Manazava bebe kokoa momba ny sorom-panavotan’i Kristy ny toko 5 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

FAMINANIANA IRAY MAMPIFANDRAY NY BAIBOLY MANONTOLO

“Hataoko mifandrafy ianao [ilay menarana] sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io, ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.”—Genesisy 3:15.

Io tenin’Andriamanitra tany Edena io no faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly. Iza ilay vehivavy sy ny taranany, ary ilay menarana sy ny taranany? “Mifandrafy” ahoana àry izy ireo?

ILAY MENARANA

I Satana Devoly.—Apokalypsy 12:9.

ILAY VEHIVAVY

Fandaminan’i Jehovah misy an’ireo anjely any an-danitra. (Galatianina 4:26, 27) Nilaza mialoha i Isaia fa hiteraka firenena ara-panahy iray ilay “vehivavy” amin’ny hoavy.—Isaia 54:1; 66:8.

NY TARANAK’ILAY MENARANA

Ireo mifidy ny hanao ny sitrapon’i Satana.—Jaona 8:44.

NY TARANAK’ILAY VEHIVAVY

I Jesosy Kristy, izay anisan’ilay fandaminan’i Jehovah any an-danitra, no voalohany amin’izy io. Anisan’ilay “taranaka” koa ireo voahosotra rahalahin’i Kristy, izay miara-manjaka aminy any an-danitra. Firenena ara-panahy ny Kristianina voahosotra, na “ny Israelin’Andriamanitra.”—Galatianina 3:16, 29; 6:16; Genesisy 22:18.

NARATRA NY VODITONGOTRA

Nijaly ny Mesia saingy tsy naharitra izany. Nataon’i Satana izay hamonoana azy ho faty teto an-tany. Natsangana tamin’ny maty i Jesosy.

TOROTORO NY LOHA

Ho torotoro tanteraka i Satana. Hofoanan’i Jesosy aloha ny faharatsiana natombok’i Satana tany Edena ary horinganiny mandrakizay izy avy eo.—1 Jaona 3:8; Apokalypsy 20:10.

Mamintina ny loha hevitry ny Baiboly ny bokikely Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 11]

Nanota i Adama sy Eva ka nizaka ny voka-dratsiny