Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Maty i Jesosy?

Nahoana no Maty i Jesosy?

‘Tonga mba hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro ny Zanak’olona.’—MARKA 10:45.

EFA fantatr’i Jesosy izay hanjo azy. Fantany fa tsy hiaina am-piadanana izy, fa ho faty raha vao 30 taona mahery kely, ary hampalahelo be ny fomba hahafatesany. Tena vonona ny ho faty anefa izy.

Tena zava-dehibe ny nahafatesan’i Jesosy, araka ny Baiboly. Milaza ny boky iray fa voaresaka mivantana in-175 eo ho eo ny nahafatesan’i Jesosy, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina na Testamenta Vaovao. Nahoana anefa izy no tsy maintsy nijaly ary avy eo maty? Ilaintsika fantarina ny anton’izany, satria mety hisy vokany eo amin’ny fiainantsika.

Inona no efa nampoizin’i Jesosy?

Tamin’ilay taona farany niainan’i Jesosy teto an-tany, dia imbetsaka izy no niresaka tamin’ny mpianany hoe hijaly sy ho faty. Izao, ohatra, no nolazainy tamin’ireo apostoliny 12, rehefa ho any Jerosalema izy ireo mba hankalaza ny Paska: “Hatolotra amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny Zanak’olona, ka homelohiny ho faty, dia hatolony amin’ireo hafa firenena, ka hataon’ireo ho fihomehezana sy hororany sy hokaravasiny ary hovonoiny ho faty.” * (Marka 10:33, 34) Nahoana no tena azony antoka hoe izany no hanjo azy?

Fantatr’i Jesosy tsara ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo, izay milaza ny zavatra hanjo azy. (Lioka 18:31-33) Diniho ireto faminaniana sasany ireto, sy ireo andinin-teny manazava ny fomba nahatanterahany.

Ny Mesia dia . . .

Tanteraka tamin’i Jesosy ireo faminaniana ireo sy ny maro hafa koa. Tsy ho vitany samirery mihitsy anefa izany. Porofo kosa izany fa Andriamanitra tokoa no naniraka azy. *

Nahoana anefa i Jesosy no tsy maintsy nijaly sy maty?

Mba handaminana adihevitra lehibe

Fantatr’i Jesosy ilay adihevitra lehibe nipoitra tany amin’ny zaridainan’i Edena, mahakasika ny olona sy ny anjely rehetra. Nanaiky hofehezin’ny anjely mpikomy iray i Adama sy Eva, ka nifidy ny tsy hankatò an’Andriamanitra. Nikomy izy ireo, ka toy ny niampanga an’Andriamanitra ho tsy manana zo hitondra. Nanota koa izy ireo, ka toa midika izany fa hivadika amin’Andriamanitra ny olombelona rehetra, rehefa iharam-pitsapana.—Genesisy 3:1-6; Joba 2:1-5.

Novalian’i Jesosy tamin’ny fomba mampiaiky indrindra ny fiampangana momba ny zon’i Jehovah hitondra sy ny tsy fivadihan’ny olombelona. Nanohana ny zon’Andriamanitra hitondra izy rehefa nankatò tanteraka ‘hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.’ (Filipianina 2:8) Noporofoiny koa fa mahavita tsy mivadika amin’i Jehovah ny olombelona lavorary, na dia ao anatin’ny fitsapana mafy indrindra aza.

Mba hanavotra ny olombelona

Nilaza i Isaia mpaminany fa handrakotra ny fahotan’ny olombelona ny fijaliana sy fahafatesan’ilay Mesia nampanantenaina. (Isaia 53:5, 10) Takatr’i Jesosy tsara izany ka nomeny an-tsitrapo “ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28) Lasa afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah àry ny olona tsy lavorary. Afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana koa izy ireo. Noho ny fahafatesan’i Jesosy, dia afaka mahazo indray izay nafoin’i Adama sy Eva isika, izany hoe ny fanantenana hiaina mandrakizay eto an-tany ao anatin’ny toe-piainana lavorary. *Apokalypsy 21:3, 4.

Inona no azonao atao?

Hitantsika tamin’ity andian-dahatsoratra ity izay lazain’ny Baiboly momba ny hoe avy aiza i Jesosy, inona no nataony, ary nahoana izy no maty. Tsy vitan’ny hoe manafoana hevi-diso fotsiny ny fahalalana an’ireo. Handray fitahiana kosa isika raha manao zavatra mifanaraka amin’ireo. Hanana fiainana tsara kokoa mantsy isika dieny izao, ary fiainana mandrakizay amin’ny hoavy. Lazain’ny Baiboly amintsika izay tokony hataontsika mba hahazoana an’izany.

  • Mianara bebe kokoa momba an’i Jesosy Kristy sy ny anjara asany eo amin’ny fikasan’i Jehovah.—JAONA 17:3.

  • Manehoa finoana an’i Jesosy ka asehoy eo amin’ny fomba fiainanao fa manaiky azy ho Mpamonjy ianao.—JAONA 3:36; ASAN’NY APOSTOLY 5:31.

Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hianatra bebe kokoa momba an’i Jesosy Kristy, ilay ‘Zanaka lahitokan’Andriamanitra.’ Amin’ny alalany mantsy no mety hahazoantsika “fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

^ feh. 5 Matetika i Jesosy no niantso ny tenany hoe “Zanak’olona.” (Matio 8:20) Midika izany fa tena olombelona izy, ary izy koa ilay “zanak’olona” resahin’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly.—Daniela 7:13, 14.

^ feh. 13 Manazava bebe kokoa momba ny faminaniana tanteraka tamin’i Jesosy ilay fanazavana fanampiny hoe “Jesosy Kristy: Ilay Mesia Nampanantenaina”, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 17 Manazava bebe kokoa momba ny hasarobidin’ny soron’i Jesosy ny toko 5 hoe “Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra”, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?